Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  2010-02

Zavatra Efatra Tokony ho Fantatrao

Zavatra Efatra Tokony ho Fantatrao

Manana safidy roa ny tompon’ilay trano, rehefa avy nandinika ny fahasimbany: Na horavany ilay izy, na hamboariny.

MILA mandray fanapahan-kevitra toy izany ve ianao, momba ny tokantranonao? Namitaka anao angamba ny vadinao, na lasa miady lava ianareo. Raha izany no izy, dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Tsy mifankatia intsony izahay’, na hoe: ‘Tsy natao hiaraka mihitsy izahay’, na koa hoe: ‘Asa loatra izay nahatonga anay hivady.’ Mety hieritreritra mihitsy aza ianao hoe: ‘Tokony hisaraka angamba izahay.’

Mieritrereta aloha, fa aza maika hanapa-kevitra. Tsy voatery hamaha olana mantsy ny fisaraham-panambadiana. Miteraka olana hafa fotsiny izy io, matetika. Nampitandrina toy izao ny Pr. Brad Sachs, tao amin’ilay bokiny hoe Zaza Tsara Taiza (anglisy): “Manonofy ny mpivady maro mikasa hisaraka fa ho tonga lafatra ilay fisarahana: Hisolo fiainana milamina sy mahafinaritra, ilay fiainana feno ady lava sy tsy nisy mangirana teo. Nofinofy toy ny fanambadiana tonga lafatra ihany anefa izany.” Tsara àry raha mijery ny tena zava-misy sy mahalala ny zava-drehetra momba ny fisaraham-panambadiana ny olona iray vao manapa-kevitra.

Ny hevitry ny Baiboly

Tsy raharaha maivana ny fisaraham-panambadiana, araka ny Baiboly. Lazainy fa halan’i Jehovah Andriamanitra sady raisiny ho famitahana, ny misara-bady noho ny antony tsy dia manahoana loatra mba hanambadiana olon-kafa. (Malakia 2:13-16) Fatorana maharitra ny fanambadiana. (Matio 19:6) Nety ho azo navotana ny ankamaroan’ireo fanambadiana rava noho ny antony tsy dia lehibe loatra, raha nifamela heloka ny mpivady.—Matio 18:21, 22.

Antony iray ihany no ahafahan’ny olona misaraka sy manambady indray, araka ny Baiboly: Ny fanitsakitsaham-bady. (Matio 19:9) Manana zo hisaraka amin’ny vadinao àry ianao, raha fantatrao fa nanitsakitsaka anao izy. Tsy tokony hanery anao hanaraka ny heviny ny olon-kafa. Tsy milaza aminao izay tokony hataonao koa ity lahatsoratra ity. Ianao no tokony hanapa-kevitra, satria ianao ihany no hizaka ny vokany.—Galatianina 6:5.

Hoy ny Baiboly: ‘Ny malina mandinika ny diany.’ (Ohabolana 14:15) Tokony handinika tsara àry ianao vao manapa-kevitra ny hisaraka, na dia manana zo hanao izany aza. (1 Korintianina  6:12) Hoy i David, * avy any Grande-Bretagne: “Misy mihevitra fa tokony hanapa-kevitra haingana izy. Efa nisara-panambadiana anefa aho, ka hitako fa mila maka fotoana hieritreretana tsara ianao, vao manao izany.”

Andeha isika handinika lafin-javatra efatra mila eritreretinao. Nanontany olona efa nisara-panambadiana ny Mifohaza! Mariho fa tsy nisy nilaza izy ireo hoe tsy nety ny fanapahan-keviny. Hita amin’ny teniny anefa fa misedra olana izy ireo, mandritra ny volana na taona maro aorian’ilay fisarahana.

1 Olana ara-bola

Efa nanambady nandritra ny 12 taona i Daniella, any Italia, tamin’izy nahalala hoe nanitsakitsaka azy ny vadiny. Hoy i Daniella: “Efa bevohoka enim-bolana ilay vehivavy tamin’izaho nahafantatra an’ilay izy.”

Naleon’i Daniella nisaraka, rehefa avy nifampisintaka elaela izy ireo. Hoy izy: “Niezaka nanavotra ny tokantranonay aho, saingy mbola nanitsakitsaka ahy ihany ny vadiko.” Mino i Daniella fa nety ny fanapahan-keviny. Hoy anefa izy: “Lasa sahirana be aho raha vao nisaraka izahay. Tsy nisakafo hariva aza aho indraindray. Ronono eran’ny vera fotsiny no mba nosotroiko.”

Nahita olana toy izany koa i Maria, any Espaina. Hoy izy: “Tsy mba nanome vola anay ilay vadiko taloha. Tsy maintsy niasa mafy aho, mba handoavana ny trosany. Voatery niala tao amin’ny trano nampiadana koa aho, ary nifindra tao amin’ny trano kely tany amin’ny tanàna be olon-dratsy.”

Matetika àry no lasa sahirana ara-bola ny vehivavy nisara-panambadiana. Nisy fandinihana naharitra fito taona natao tany Eoropa. Hita hoe niakatra 11 isan-jato ny volan’ny lehilahy avy nisara-panambadiana, fa ny an’ny vehivavy kosa nitotongana 17 isan-jato. Hoy i Mieke Jansen, izay nitarika an’ilay fandinihana: “Sarotra amin’ny vehivavy ilay izy, satria tsy maintsy mikarakara ny ankizy izy, mitady asa, nefa koa mbola mizaka ny ratram-po vokatr’ilay fisarahana.” Milaza ny mpisolovava sasany fa ny olana toy ireo, dia mahatonga ny olona “handinika tsara vao manapa-kevitra na hisaraka na tsia”, araka ny Telegrafy Isan’andro (anglisy), any Londres.

Ny mety hitranga: Mety hihena ny vola raisinao, raha misara-panambadiana ianao. Voatery hifindra trano koa angamba ianao. Raha any aminao ny ankizy no mipetraka, dia mety ho sarotra aminao ny hamelon-tena sy hiahy izay ilain’izy ireo.—1 Timoty 5:8.

 2 Fitaizana

Hoy i Jane, any Grande-Bretagne: “Tena mafy tamiko ny nitsakitsahin’ny vadiko. Vao mainka loza koa rehefa nanapa-kevitra ny handao anay izy.” Nisaraka tamin’ny vadiny i Jane. Mbola mino izy fa nety ny fanapahan-keviny. Niaiky anefa izy hoe: “Anisan’ny olana natrehiko ny hoe sady ray aho no reny. Izaho irery no tsy maintsy nandray ny fanapahan-kevitra rehetra.”

Toy izany koa no nanjo an’i Graciela, any Espaina. Hoy izy: “Navela hipetraka tany amiko ny zanako lahy 16 taona. Tsy mora anefa ny fotoana maha zatovo, ary tsy niomana hitaiza irery mihitsy aho. Nitomany andro aman’alina aho. Tsapako hoe tsy nahavita tsara ny andraikitry ny reny aho.”

Miatrika olana fanampiny koa ireo samy manana zo hikarakara ny zanany. Tsy maintsy mifanaraka, ohatra, izy ireo hoe rahoviana ilay zaza no afaka mijanona kely any amin’ilay iray. Eo koa ny fifehezana sy ny volan-jaza. Hoy i Christine, any Etazonia: “Tsy mora ny mifampiraharaha amin’ilay vadinao taloha. Misy fihetseham-po maro mifamahofaho amin’ilay izy. Raha tsy mitandrina ianao, dia mety ho ilay zaza no ataonao fitaovana.”

Ny mety hitranga: Mety tsy hahafa-po anao ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny hoe aiza ny zanakareo no hipetraka. Samy manana zo hikarakara ny zanakareo angamba ianareo. Mety tsy hahay handanjalanja toa anao anefa ilay vadinao taloha eo amin’ny resaka fitsidihana, volan-jaza, sy ny sisa.

3 Ny vokany eo aminao

Indroa ny vadin’i Mark, any Grande-Bretagne, no nanitsakitsaka azy. Hoy izy: “Tena mafy tamiko ilay fanindroany, ka tsapako hoe tsy ho zakako intsony raha mbola misy fanintelony.” Nisaraka tamin’ny vadiny i Mark, nefa mbola tia azy foana. Hoy izy: “Mihevitra ny olona hoe manamaivana ny fahoriako izy rehefa manaratsy an’ilay vadiko taloha, nefa tsy izany mihitsy. Tsy lefy vetivety ny fitiavana.”

 Nalahelo be koa i David, ilay voaresaka tetsy aloha, rehefa fantany hoe niaraka tamina lehilahy hafa ny vadiny. Hoy izy: “Tena tsy nino aho. Mba niriko ny hoe hiaraka amin’ny vadiko sy ny zanakay mandritra ny androm-piainako.” Naleon’i David nisaraka. Lasa nisalasala momba ny hoavy anefa izy. Hoy i David: “Asa raha mbola hisy olona ho tena tia ahy ihany. Ahoana koa raha miverina ny toy izao raha manambady indray aho? Tsy natoky olona intsony aho.”

Raha misara-panambadiana ianao, dia azo antoka fa hifamahofaho be ny fihetseham-ponao. Mety mbola ho tia an’ilay vadinao taloha, ilay nofo iray taminao, mantsy ianao. (Genesisy 2:24) Mety ho tezitra koa anefa ianao. Hoy i Graciela, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mbola mikorontan-tsaina ihany ianao, na an-taonany maro atỳ aoriana aza. Mahatsiaro afa-baraka sy tsy afa-manoatra koa ianao. Tsaroanao ireo fotoana mamy niarahanareo, dia lasa saina ianao hoe: ‘Lazainy foana taloha fa tsy mila olon-kafa, hono, izy fa izaho ihany. Nandainga foana ve izy tamin’ireny? Fa inona no nahatonga izao?’ ”

Ny mety hitranga: Mety ho mbola tezitra tamin’izay nataon’ny vadinao ianao. Mahatsiaro ho manirery koa angamba ianao, indraindray.—Ohabolana 14:29; 18:1.

4 Ny vokany eo amin’ny ankizy

Hoy i José, any Espaina: “Tena mafy ilay izy. Ny tena nangidy tamiko, dia ny nahalala hoe ny zaodahiko ihany no niaraka taminy. Te ho faty aho tamin’izay.” Tsikaritr’i José fa nisy vokany tamin’ny zanany roa lahy, izay roa taona sy efa-taona, koa ny zavatra nataon-dreniny. Hoy izy: “Tsy azon’izy ireo mihitsy izay nitranga. Tsy takany hoe nahoana ny reniny no lasa niara-nipetraka tamin’ny dadatoany. Tsy takany koa hoe nahoana izahay no lasa  niara-mipetraka tamin’ny nenitoany sy ny mamako. Raha vao nisy dia alehako, dia nanontany foana izy ireo hoe: ‘Rahoviana ianao no mody?’ Na hoe: ‘Dada a, aza ilaozanao izahay!’ ”

Tsy mihevitra loatra an-janany ny ray aman-dreny, matetika, rehefa te hisaraka. Anisan’ny voa mafy koa anefa izy ireo. Ahoana raha tsy mifanaraka fotsiny ny mpivady? “Tena hahasoa ny ankizy” ve ny fisarahana amin’izay? Olona maro no tsy miombon-kevitra amin’izany tato ho ato, indrindra raha tsy lehibe loatra ny olana. Hoy ny boky hoe Vokatra Tsy Ampoizina avy Amin’ny Fisarahana (anglisy): “Gaga ny olona maro tsy sambatra am-panambadiana rehefa fantany hoe afa-po amin’izay mitranga ihany ny zanany. Tsy raharahain’ny ankizy na misara-pandriana aza i Dada sy Neny, raha mbola iray trano ny rehetra.”

Matetika no fantatry ny ankizy ny adin’ny ray aman-dreniny. Mety hisy vokany be eo amin’ny sainy sy ny fony koa izany. Mety ho diso anefa ianao, raha mihevitra fa hahasoa azy ireo foana ny fisarahan’ny ray aman-dreniny. Hoy i Linda Waite sy Maggie Gallagher, ao amin’ilay boky hoe Fiarovana ny Tokantrano (anglisy): “Rehefa miaraka ny mpivady no afaka manome fitsipika tsy miovaova sy araka ny antonony mba hifehezana ny zanany. Mankatò koa ny ankizy amin’izay, na dia tsy mandeha tsara aza ny fiainana ao an-tokantrano.”

Ny mety hitranga: Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny zanakao ny fisarahanareo mivady, indrindra raha tsy avelanao hifandray tsara amin’ilay vadinao taloha izy.—Jereo ilay efajoro hoe  “Latsaka Anelanelany.”

Niresaka lafin-javatra efatra tokony hosaintsaininao ity lahatsoratra ity, raha mieritreritra ny hisara-panambadiana ianao. Araka ny efa voalaza terỳ aloha, dia ianao ihany no manapa-kevitra ny hisaraka na tsia, raha nanitsakitsaka anao ny vadinao. Mila fantarinao izay mety ho vokany, na inona na inona fanapahan-kevitrao. Miomàna hiatrika an’izany.

Rehefa nandinika tsara ianao, dia mety ho hitanao fa tsara kokoa raha avotana ny fanambadianareo. Azo atao ve anefa izany?

^ feh. 8 Novana ireo anarana.