Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 29

Mampifaly An’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?

Mampifaly An’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?

Nahoana Andriamanitra no faly tamin’ity fety ity?

TIA manao fety ve ianao?... Mety hahafinaritra be ireny fety ireny. Ho tian’ilay Mpampianatra Lehibe hankany amin’ny fety ve isika?... Azo lazaina hoe nankany amin’ny fety izy, rehefa nandeha tany amin’ny mariazy niaraka tamin’ny mpianany sasany. “Andriamanitra finaritra” i Jehovah, ka faly izy, rehefa mifaly any amin’ny fety tsara koa isika.—1 Timoty 1:11; Jaona 2:1-11.

Hitantsika eo amin’ny pejy faha-29 amin’ity boky ity, fa nampisaraka ny Ranomasina Mena i Jehovah mba handehanan’ny Israelita. Tadidinao ve hoe efa novakinao io tantara io?... Nihira sy nandihy ary nisaotra an’i Jehovah ny olona taorian’izay. Toy ny fety ilay izy. Tena faly be izy ireo, ary inoana fa faly koa Andriamanitra.—Eksodosy 15:1, 20, 21.

Nisy fety hafa koa nalehan’ny Israelita, 40 taona tatỳ aoriana. Tsy mpivavaka tamin’i Jehovah ny olona nanasa azy ireo tamin’izay. Olona niankohoka sy nivavaka tamin’andriamani-kafa ireo, ary nanao firaisana tamin’olona tsy vadiny akory. Tsara ve ny nandehanan’ny Israelita tany amin’izany fety izany, araka ny hevitrao?... Tsy nampifaly an’i Jehovah izy ireo tamin’izany, ka nosaziny.—Nomery 25:1-9; 1 Korintianina 10:8.

Miresaka momba ny fety roa nankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana koa ny Baiboly. Natao hankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ilay Mpampianatra Lehibe ve ny iray tamin’ireo?... Tsia. Fetin’ny lehilahy roa tsy nanompo an’i Jehovah izy ireo. Fety nankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Heroda Antipasy Mpanjaka ny iray. Mpanapaka an’i Galilia izy io tamin’i Jesosy nipetraka tany.

Nanao zava-dratsy betsaka i Heroda Mpanjaka. Nalainy ny vadin’ny rahalahiny. Herodiasy no anaran’io vehivavy io. Nilaza tamin’i Heroda i Jaona Mpanao Batisa, mpanompon’Andriamanitra, fa tsy tokony hanao izany izy. Tsy nahafaly an’i Heroda ny tenin’i Jaona, ka nasainy nogadraina izy.​—Lioka 3:19, 20.

Tonga ny andro nankalazan’i Heroda ny fitsingerenan’ny nahaterahany, ary mbola nigadra i Jaona. Nanao fety be i Heroda, ary nanasa olo-nanan-kaja maro. Nihinana sy nisotro ary nifaly izy rehetra. Tamin’izay no tonga handihy ho azy ireo, ny zanakavavin’i Herodiasy. Nahafa-po ny rehetra ny dihin’ilay ankizivavy, ka te hanao fanomezana manokana ho azy i Heroda Mpanjaka. Hoy izy: “Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.”

Inona no nangatahin’ilay ankizivavy? Vola ve sa akanjo tsara tarehy sa trano tsara tarehy? Tsy hitany izay holazaina. Nankany amin’i Herodiasy izy ary niteny hoe: ‘Inona no hangatahiko, ry Neny?’

Tena halan’i Herodiasy i Jaona Mpanao Batisa, ka ny lohany no nasainy nangatahin’ny zanany vavy. Niverina tany amin’ny mpanjaka ilay ankizivavy ary niteny hoe: ‘Tiako raha homenao ahy haingana eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.’

Tsy te hamono an’i Jaona i Heroda Mpanjaka, satria fantany fa lehilahy tsara izy. Efa nampanantena anefa izy, ka natahotra ny hiova hevitra teo imason’ireo nasaina. Naniraka olona tany am-ponja àry izy mba hanapaka ny lohan’i Jaona. Vetivety dia tafaverina ilay olona. Nentiny teo ambony vilia ny lohan’i Jaona, ary nomeny an’ilay ankizivavy. Nomen’io an-dreniny ilay izy avy eo.—Marka 6:17-29.

Tsy tsara kokoa noho izany ilay fety faharoa nankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana lazain’ny Baiboly. Natao ho an’ny mpanjakan’i Ejipta io fety io. Nisy lohan’olona nasain’ilay mpanjaka notapahina koa tamin’io. Avy eo dia nahantony ilay lehilahy mba hohanin’ny vorona ny fatiny! (Genesisy 40:19-22) Nankasitrahan’Andriamanitra ve ireo fety roa ireo, araka ny hevitrao?... Ho tianao ve ny nanatrika azy ireo, raha velona tamin’izany ianao?...

Inona no nitranga tamin’ny fety nankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Heroda?

Fantatsika fa misy antony nanoratana azy ny tantara rehetra ao amin’ny Baiboly. Fety roa monja nankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana no tantarainy. Ary nisy zava-dratsy natao nandritra ireo fankalazana roa ireo. Inona àry, hoy ianao, no lazain’Andriamanitra amintsika momba ny fety hankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana? Tian’Andriamanitra hankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana ve isika?...

Marina fa tsy misy loha voatapaka intsony izao any amin’ireny fety ireny. Olona tsy nanompo an’ilay Andriamanitra marina anefa no nankalaza voalohany ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany. Hoy ny Rakipahalalana Katolika (anglisy) momba ireo fety nankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana lazain’ny Baiboly: ‘Ny mpanota ihany no manao fety be amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany.’ Te hitovy amin’izy ireny ve ianao?...

Ary ilay Mpampianatra Lehibe? Nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany ve izy?... Tsia. Tsy miresaka fety nankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy mihitsy ny Baiboly. Tsy nankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy ny mpianany voalohany, raha ny marina. Nahoana àry ny olona tatỳ aoriana no nifidy ny hankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy ny 25 Desambra?...

Nofidina io daty io, satria “io no efa natokan’ny Romanina ho fetin’i Saturne, hankalazana ny nahaterahan’ny masoandro”, hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). Daty efa nanaovan’ny mpanompo sampy fety àry no nofidin’ny olona hankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy!

Nahoana no tsy nety ho teraka volana Desambra i Jesosy, raha fantatrao?... Satria lazain’ny Baiboly fa mbola tany an-tsaha ny mpiandry ondry, tamin’ilay alina nahaterahan’i Jesosy. (Lioka 2:8-12) Tsy ho tany mihitsy izy ireo ny volana Desambra, satria mangatsiaka sy manorana be amin’izany.

Nahoana no tsy nety ho 25 Desambra ny nahaterahan’i Jesosy?

Maro ny olona mahafantatra fa tsy teraka 25 Desambra i Jesosy. Fantatr’izy ireo mihitsy aza fa nanao fankalazana tsy nampifaly an’Andriamanitra ny mpanompo sampy tamin’io andro io. Mbola maro ihany anefa no mankalaza Krismasy. Ny fanaovana fety no mahaliana azy ireo kokoa noho ny fiezahana hahafantatra izay tena hevitr’Andriamanitra momba azy io. Isika kosa te hampifaly an’i Jehovah, sa tsy izany?...

Rehefa manao fety àry isika, dia tiantsika ho azo antoka fa tsara eo imason’i Jehovah ilay izy. Afaka manao izany isika, amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taona. Tsy voatery miandry andro iray manokana isika. Afaka mihinana sakafo manokana isika amin’izay, ary falifaly manao kilalao. Te hanao an’izany ve ianao?... Afaka miresaka amin’i Dada sy Neny ianao, ary miara-manomana ilay fety ianareo. Hahafinaritra izany, sa ahoana?... Alohan’izay anefa, dia tianao ho azo antoka fa hankasitrahan’Andriamanitra ilay izy.

Ahoana no ahazoana antoka fa mampifaly an’Andriamanitra ny fety ataontsika?

Tena ilaina foana ny manao zavatra ankasitrahan’Andriamanitra. Izany no lazain’ny Ohabolana 12:2; Jaona 8:29; Romanina 12:2; 1 Jaona 3:22.