Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 30

Inona no Manampy Antsika Handresy ny Tahotra?

Inona no Manampy Antsika Handresy ny Tahotra?

MORA aminao ve ny manompo an’i Jehovah?... Tsy nilaza ilay Mpampianatra Lehibe hoe mora izany. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny, ny alina talohan’ny hamonoana azy: ‘Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo.’—Jaona 15:18.

Natoky tena loatra i Petera ka nilaza fa tsy handao an’i Jesosy mihitsy izy. Nolazain’i Jesosy anefa fa intelo izy no hilaza ho tsy mahafantatra azy, amin’io alina io. Izany indrindra no nataon’i Petera! (Matio 26:31-35, 69-75) Inona no nahatonga izany?... Nanjary natahotra izy sy ny apostoly hafa.

Fantatrao ve hoe nahoana no nanjary natahotra ny apostoly?... Nisy zavatra tena lehibe tsy nataon’izy ireo. Manampy antsika hanompo an’i Jehovah ny fahafantarana an’izany, na inona na inona mety holazain’ny olona na hataony amintsika. Mila mijery indray anefa isika aloha hoe inona no nitranga ny alina farany niarahan’i Jesosy tamin’ny apostoliny.

Niara-nankalaza ny Paska aloha izy ireo. Sakafo manokana fanao isan-taona izy io, mba hampahatsiahivana ny vahoakan’Andriamanitra ny nanavotana azy ireo tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina. Avy eo i Jesosy dia nanomboka fankalazana manokana niaraka tamin’ny apostoly. Horesahintsika ao amin’ny toko any aoriana kely ny momba azy io, ary hohazavaintsika hoe nahoana no manampy antsika hahatsiaro an’i Jesosy izy io. Nentin’i Jesosy tany amin’ny zaridainan’i Getsemane ny apostoliny, rehefa vita ilay sakafo sy fampaherezana nataony. Toerana falehan’izy ireo io zaridaina io.

Nandeha nihataka kely tao amin’ilay zaridaina i Jesosy mba hivavaka. Nasainy nivavaka koa i Petera sy Jakoba ary Jaona. Resin-tory anefa izy ireo. Intelo i Jesosy no nandeha nivavaka irery, ary natory foana i Petera sy ny namany, isaky ny tafaverina teo amin’izy ireo izy! (Matio 26:36-47) Nahoana izy ireo no tokony ho nifoha hatrany mba hivavaka, raha fantatrao?... Andeha horesahintsika ny momba izany.

Nahoana no tokony ho nifoha hatrany i Petera sy Jakoba ary Jaona?

Niara-nankalaza ny Paska tamin’i Jesosy sy ny apostoly i Jodasy Iskariota, tamin’io hariva io. Tadidinao angamba fa lasa mpangalatra i Jodasy. Lasa mpamadika indray izy izao. Fantany ilay toerana falehan’i Jesosy sy ny apostoly tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nentiny tao àry ny miaramila mba hisambotra an’i Jesosy. Hoy i Jesosy, rehefa tonga izy ireo: ‘Iza no tadiavinareo?’

“Jesosy”, hoy ny miaramila. Tsy natahotra i Jesosy fa namaly hoe: ‘Izaho no izy.’ Gaga be izy ireo nahita ny herim-pon’i Jesosy, ka nihemotra ary nianjera tamin’ny tany. Hoy indray i Jesosy: ‘Raha izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ny apostoliko.’—Jaona 18:1-9.

Nanjary natahotra ny apostoly ka nandositra, rehefa nisambotra sy namatotra an’i Jesosy ny miaramila. Te hahita izay nitranga anefa i Petera sy Jaona, ka nanaraka teny lavidavitra teny. Nentina tany an-tranon’i Kaiafa mpisoronabe i Jesosy, tamin’ny farany. Fantatry ny mpisoronabe i Jaona, ka navelan’ny mpiandry vavahady hiditra tao an-tokotany izy sy Petera.

Efa niara-nivory tao an-tranon’i Kaiafa ireo mpisorona mba hanao ny fitsarana. Tian’izy ireo hohelohina ho faty i Jesosy, ka nitondrany vavolombelona nandainga. Nasian’ny olona totohondry sy tehamaina i Jesosy. Teo akaiky teo i Petera nandritra izany rehetra izany.

Nahita an’i Petera ilay ankizivavy mpiandry vavahady namela azy sy Jaona hiditra, ka nanao hoe: ‘Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy!’ Nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy mihitsy anefa i Petera. Kelikely taorian’izay, dia nisy ankizivavy hafa nahafantatra azy, ka nilaza tamin’ny olona teo hoe: ‘Naman’i Jesosy ity lehilahy ity.’ Nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy indray i Petera. Nisy olona vitsivitsy nahita azy indray rehefa afaka kelikely, ka niteny hoe: ‘Tena marina fa namany ianao.’ Nanda fanintelony i Petera ka nilaza hoe: “Tsy fantatro izany lehilahy izany.” Nianiana mihitsy aza izy hoe marina ny nolazainy. Nitodika tany aminy i Jesosy.—Matio 26:57-75; Lioka 22:54-62; Jaona 18:15-27.

Nahoana i Petera no natahotra loatra ka nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy?

Nahoana no nandainga i Petera raha fantatrao?... Ie, satria natahotra izy. Nahoana izy no natahotra? Inona no tsy nataony ka nahatonga azy tsy hanana herim-po? Eritrereto izao. Inona no nataon’i Jesosy mba hahazoany herim-po?... Nivavaka izy, ary nanampy azy hanana herim-po Andriamanitra. Tadidio koa fa intelo i Jesosy no nilaza tamin’i Petera mba hivavaka sy hifoha ary hiambina hatrany. Inona anefa no nitranga?...

Resin-tory foana i Petera. Tsy nivavaka izy ary tsy niambina. Tratran’ny tampoka àry izy rehefa nosamborina i Jesosy. Raiki-tahotra i Petera tao amin’ny fitsarana, rehefa nokapohina i Jesosy ary natao ny fandaharana hamonoana azy ho faty. Inona anefa no efa nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny fa tokony hampoizin’izy ireo, ora vitsivitsy talohan’izay?... Nolazainy fa nankahala azy izao tontolo izao, ka hankahala azy ireo koa.

Inona no toe-javatra mitovy amin’ny an’i Petera mety ho hitanao?

Andeha hojerentsika ny zavatra mitovy amin’izay nitranga tamin’i Petera, ary mety hitranga amintsika koa. Any am-pianarana ianao, ohatra. Manomboka manaratsy an’ireo olona tsy manangan-tsaina na tsy mankalaza Krismasy ny ankizy. Ahoana raha misy mitodika any aminao ary manao hoe: “Tsy manangan-tsaina moa ianareo e!” Na hoy ny sasany: “Toa tsy mankalaza Krismasy koa, hono, ianareo!” Hatahotra ny hilaza ny marina ve ianao?... Halaim-panahy handainga tahaka an’i Petera ve ianao?...

Nalahelo be i Petera rehefa avy nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy. Lasa nivoaka izy ary nitomany rehefa fantany tsara ny zavatra nataony. Eny, niverina tamin’i Jesosy izy. (Lioka 22:32) Eritrereto izao. Inona no afaka manampy antsika tsy hatahotra, ary tsy hanao tahaka an’i Petera?... Tadidio fa tsy nivavaka i Petera ary tsy niambina. Inona àry, hoy ianao, no tokony hataontsika mba ho mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe isika?...

Tena mila mivavaka amin’i Jehovah isika mba hahazo fanampiana. Rehefa nivavaka i Jesosy, inona no nataon’i Jehovah ho azy?... Naniraka anjely izy mba hampahery azy. (Lioka 22:43) Afaka manampy antsika ve ny anjelin’Andriamanitra?... Hoy ny Baiboly: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7) Tsy ny mivavaka ihany anefa no ilaina, mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra. Inona koa no tokony hatao, raha fantatrao?... Nasain’i Jesosy nifoha sy niambina hatrany ny mpianany. Ahoana no hanaovana izany, hoy ianao?...

Mila mihaino tsara isika any am-pivoriana, ary mampihatra izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. Mila mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah koa anefa isika, ary mangataka mba hampiany hanompo azy. Hahazo fanampiana mba handresena ny tahotra isika raha manao izany. Ho faly isika amin’izay, rehefa afaka miresaka amin’ny olona momba ilay Mpampianatra Lehibe sy ny Rainy.

Hanampy antsika tsy hamela ny tahotra olona hisakana antsika tsy hanao ny tsara ireto andininy ireto: Ohabolana 29:25; Jeremia 26:12-15, 20-24; Jaona 12:42, 43.