Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 25

Afaka Miova ve Ireo Nanao Zava-dratsy?

Afaka Miova ve Ireo Nanao Zava-dratsy?

HAHAFINARITRA raha manao ny tsara ny rehetra, sa ahoana?... Tsy misy olona manao ny tsara foana anefa. Fantatrao ve hoe nahoana no manao zava-dratsy isika indraindray, na te hanao ny tsara aza?... Satria vao teraka isika dia efa mpanota. Manao zavatra tena ratsy maro anefa ny olona sasany. Mankahala ny olona izy ka manao fanahy iniana mampijaly azy ireny. Afaka miova ve izy ary mianatra manao ny tsara, araka ny hevitrao?...

Jereo ity tovolahy eto amin’ny sary ity. Miandry ny akanjon’ireto olona mitora-bato an’i Stefana ireto izy. Saoly no anarany amin’ny maha Hebreo azy, ary Paoly kosa amin’ny maha Romanina azy. Faly izy mahita an’i Stefana, mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe, vonoin’ny olona. Andeha hojerentsika hoe nahoana no nanao zava-dratsy toy izany i Saoly.

Nanaraka ny fivavahana jiosy nantsoina hoe Fariseo i Saoly. Nanana ny Tenin’Andriamanitra ny Fariseo, nefa ny fampianaran’ny mpitondra fivavahana sasany teo aminy no nekeny bebe kokoa. Izany no nahatonga an’i Saoly hanao zava-dratsy.

Teo indrindra izy rehefa nosamborina tany Jerosalema i Stefana. Nentina tany amin’ny fitsarana i Stefana, ary Fariseo ny mpitsara sasany tao. Tsy natahotra izy na dia nendrikendrehina aza. Be herim-po izy ka nitory momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy tamin’ireo mpitsara ireo.

Tsy tian’ireo mpitsara ny zavatra reny. Efa be ny fantany momba an’i Jesosy. Vao haingana izy ireo no nampamono azy, raha ny marina. Naverin’i Jehovah tany an-danitra anefa i Jesosy taorian’izay. Tsy niova anefa ireo mpitsara ireo fa vao mainka niady tamin’ny mpianatr’i Jesosy.

Nosamboriny i Stefana ary nentiny tany ivelan’ny tanàna. Nasiany mafy izy ka nianjera ary notorahany vato. Nijery teo indrindra i Saoly tamin’izay, araka ny hitanao eto amin’ny sary. Nihevitra izy fa tsara ny namonoana an’i Stefana.

Nahoana i Saoly no nihevitra fa tsara ny namonoana an’i Stefana?

Fantatrao ve hoe nahoana no nihevitra izany i Saoly?... Fariseo izy hatramin’izay niainany, ary nino fa marina ny fampianaran’ny Fariseo. Modely ny Fariseo, araka ny heviny, ka nalainy tahaka.—Asan’ny Apostoly 7:54-60.

Inona no nataon’i Saoly rehefa maty i Stefana?... Nataony izay tsy hisian’ny mpianatr’i Jesosy intsony! Nandeha tany an-tranon’ireny mpianatra ireny mihitsy izy, ary nitaritarika azy hivoaka, na lahy na vavy. Nasainy nogadraina izy ireo avy eo. Voatery niala tany Jerosalema ny ankamaroan’ny mpianatra, nefa tsy nitsahatra nitory momba an’i Jesosy.—Asan’ny Apostoly 8:1-4.

Vao mainka nahatonga an’i Saoly hankahala ny mpianatr’i Jesosy izany. Nankany amin’i Kaiafa Mpisoronabe izy ary nahazo fahefana hisambotra ny Kristianina tany Damaskosy. Tiany hoentina higadra tany Jerosalema izy ireo mba hosazina. Nisy zavatra nahagaga nitranga anefa tamin’izy teny an-dalana ho any Damaskosy.

Iza no miresaka amin’i Saoly eto, ary inona no anirahany an’i Saoly?

Nisy hazavana nanjelatra avy tany an-danitra, ary nisy feo nanao hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?’ I Jesosy io niteny avy tany an-danitra io! Tena nahery ilay hazavana ka lasa jamba i Saoly. Voatery notantanan’ireo olona niaraka taminy izy, nankany Damaskosy.

Niseho tamin’i Ananiasy, tamin’ny alalan’ny fahitana, i Jesosy, telo andro tatỳ aoriana. Anisan’ny mpianany tany Damaskosy io lehilahy io. Nasain’i Jesosy hitsidika an’i Saoly sy hampahiratra ny masony ary hiresaka taminy, i Ananiasy. Nanaiky ny fahamarinana momba an’i Jesosy i Saoly rehefa niresahan’i Ananiasy. Nahita indray izy. Niova tanteraka ny fiainany ary lasa mpanompon’Andriamanitra nahatoky izy.—Asan’ny Apostoly 9:1-22.

Azonao amin’izay ve hoe nahoana no nanao zava-dratsy i Saoly taloha?... Satria nampianarina zavatra diso izy. Olona tsy tia an’Andriamanitra no narahiny. Anisan’ny olona nihevitra ny tenin’olombelona ho sarobidy noho ny Tenin’Andriamanitra koa izy. Nahoana i Saoly no niova ka nanomboka nanao ny marina, fa ny Fariseo kosa mbola nanohitra an’Andriamanitra foana?... Satria tsy tena nankahala ny fahamarinana i Saoly. Vonona hanaraka izy rehefa naseho azy izany fahamarinana izany.

Lasa iza no nahafantarana an’i Saoly tatỳ aoriana?... Ie, lasa fantatra hoe Paoly, ary apostolin’i Jesosy izy. Tadidio koa fa i Paoly no nanoratra boky betsaka indrindra ao amin’ny Baiboly.

Misy olona maro afaka miova tahaka an’i Saoly. Tsy mora anefa izany, satria misy miezaka mafy hampirisika antsika hanao zava-dratsy. Iza izany, raha fantatrao?... Niresaka momba azy io i Jesosy tamin’izy niseho tamin’i Saoly teny an-dalana ho any Damaskosy. Avy tany an-danitra i Jesosy tamin’izay no nilaza tamin’i Saoly, nanao hoe: ‘Hirahiko ianao hampahiratra ny mason’ny olona, hampiala azy amin’ny maizina sy ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra.’—Asan’ny Apostoly 26:17, 18.

I Satana Devoly tokoa no miezaka hampirisika ny rehetra hanao zava-dratsy. Sarotra aminao ve indraindray ny manao ny marina?... Mitovy amin’izany daholo isika rehetra. I Satana no mahatonga izany. Misy antony hafa koa anefa mahasarotra ny manao ny tsara. Inona izany, raha fantatrao?... Satria vao teraka isika dia mpanota.

Noho io ota io dia mora kokoa amintsika ny manao ratsy noho ny manao ny tsara. Inona àry no tokony hataontsika?... Ie, tsy maintsy miezaka mafy mba hanao ny tsara isika. Tena hanampy antsika i Jesosy, izay tia antsika.

Nasehon’i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, fa tiany ny olona nanao zava-dratsy nefa niova. Fantany fa sarotra be tamin’ireny olona ireny ny niova. Nisy, ohatra, vehivavy nanao firaisana tamin’ny lehilahy maro. Mazava ho azy fa ratsy izany. Vehivavy janga, na mpivaro-tena, no iantsoan’ny Baiboly ireny vehivavy ireny.

Nahoana i Jesosy no namela ny helok’ity vehivavy nanao zava-dratsy ity?

Nisy vehivavy tahaka izany nandre momba an’i Jesosy. Tany an-tranon’ny Fariseo iray i Jesosy, ary tonga tany koa ilay vehivavy. Nandraraka menaka teo amin’ny tongotr’i Jesosy izy, ary nofafany tamin’ny volony ny ranomasony nandena ilay tongotra. Nanenina be noho ny fahotany izy, ka navelan’i Jesosy ny helony. Nihevitra kosa ilay Fariseo fa tsy tokony hahazo famelan-keloka izy.—Lioka 7:36-50.

Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny Fariseo sasany?... Hoy izy: ‘Miditra alohanareo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny vehivavy janga.’ (Matio 21:31) Nilaza izany i Jesosy satria nino azy ny vehivavy janga ary niala tamin’ny fanao ratsy. Ny Fariseo kosa nanisy ratsy ny mpianatr’i Jesosy foana.

Tokony ho vonona hiova àry isika, raha asehon’ny Baiboly fa ratsy ny zavatra ataontsika. Rehefa fantatsika koa izay tian’i Jehovah hataontsika, dia tokony hanao izany haingana isika. Ho faly amintsika i Jehovah amin’izay, ka hanome antsika fiainana mandrakizay.

Mba hanampiana antsika tsy hanao zava-dratsy, dia andeha hovakintsika ny Salamo 119:9-11; Ohabolana 3:5-7; 12:15.