Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 34

Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?

Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?

MIHANTITRA sy marary ary maty ny olona ankehitriny, araka ny mety ho efa fantatrao. Misy maty koa na dia ny ankizy aza. Tokony hatahotra ny fahafatesana ve ianao, na hatahotra ny olona efa maty?... Fantatrao ve hoe manao ahoana isika rehefa maty?...

Tsy misy olona efa maty taloha, nefa velona indray, ka afaka milaza amintsika momba izany. Nisy lehilahy toy izany anefa tamin’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, tetỳ an-tany. Ho fantatsika hoe manao ahoana ny olona maty, rehefa mamaky ny tantaran’io lehilahy io isika. Naman’i Jesosy izy io, ary nipetraka tany Betania, tanàna kely tsy lavitra an’i Jerosalema. Lazarosy no anarany, ary nanana anabavy roa izy, dia i Marta sy Maria. Andeha hojerentsika izay nitranga, araka ny Baiboly.

Narary mafy i Lazarosy, indray andro. Tsy teo i Jesosy tamin’io fotoana io, ka naniraka olona i Marta sy Maria mba hilaza taminy fa narary i Lazarosy. Fantatr’izy mirahavavy mantsy fa afaka nanasitrana ny anadahiny i Jesosy raha tonga teo. Tsy dokotera i Jesosy, nefa nomen’Andriamanitra hery mba hanasitrana ny karazan’aretina rehetra.—Matio 15:30, 31.

Nampalahelo fa tena narary mafy i Lazarosy ka maty, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy. Nilaza tamin’ny mpianany anefa i Jesosy fa natory i Lazarosy ary handeha hamoha azy izy. Tsy azon’ny mpianatra ny tiany hambara. Hoy fotsiny àry i Jesosy: “Maty i Lazarosy.” Milaza inona momba ny fahafatesana izany?... Ie, toy ny olona matory be mihitsy ny olona maty. Tena toy ny matory be anefa izy ka tsy manonofy akory.

Tonga namangy an’i Marta sy Maria izao i Jesosy. Efa tonga tao ny ankamaroan’ny naman’izy ireo mba hampionona azy mirahavavy, noho ny nahafatesan’ny anadahiny. Nivoaka hitsena an’i Jesosy i Marta, rehefa reny fa tonga izy, ary nanao toy izany koa i Maria taoriana kelin’izay. Nalahelo be i Maria ka nitomany, sady niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy. Nitomany koa ireo namany hafa izay nanaraka an’i Maria.

Nanontanian’ilay Mpampianatra Lehibe ny toerana nametrahan’izy ireo an’i Lazarosy. Nentina tany amin’ilay lava-bato nandevenana an’i Lazarosy àry i Jesosy. Nitomany koa izy rehefa nahita ny olona rehetra nitomany. Fantany fa tena mafy izany maty havan-tiana izany.

Nisy vato teo amin’ilay fasana, ka hoy i Jesosy: “Esory ny vato.” Tokony hesorin’izy ireo ve ilay izy?... Toa tsy tian’i Marta hesorina ilay vato, ka hoy izy: ‘Tompoko, maimbo izy izao satria efa efatra andro izay.’

Hoy anefa i Jesosy: ‘Tsy nolazaiko taminao ve fa ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra, raha mino ianao?’ Ny tian’i Jesosy holazaina dia hoe hahita zavatra hanome voninahitra an’Andriamanitra i Marta. Inona àry izao no hataon’i Jesosy? Nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny feo avo izy, rehefa niala ilay vato. Hoy izy avy eo, niteny mafy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Hivoaka ve i Lazarosy? Ho afaka hanao izany ve izy?...

Azonao fohazina ve ny olona matory?... Ie, hifoha izy raha antsoinao mafy. Azonao fohazina kosa ve ny olona maty?... Tsia. Tsy hahare anao ny maty na dia hantsoinao mafy aza. Tsy misy na iza na iza, amin’izao fotoana izao, afaka mamoha ny maty.

Inona no nataon’i Jesosy tamin’i Lazarosy?

Tsy mba toy izany kosa i Jesosy. Nahazo hery manokana avy tamin’Andriamanitra izy, ka nisy fahagagana rehefa niantso an’i Lazarosy izy. Nivoaka avy tao amin’ilay fasana io lehilahy maty nandritra ny efatra andro io! Velona indray izy! Afaka nifoka rivotra sy nandeha ary niteny indray izy! Eny, natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy!—Jaona 11:1-44.

Eritrereto àry izao: Nanao ahoana i Lazarosy rehefa maty? Nisy fanahiny ve niala tamin’ny vatany, ka lasa tany an-toeran-kafa? Nankany an-danitra ve ny fanahin’i Lazarosy? Velona tany ve izy nandritra ny efatra andro, ka niaraka tamin’Andriamanitra sy ireo anjely masina?...

Tsia. Tadidio fa natory i Lazarosy, hoy i Jesosy. Manao ahoana moa ianao rehefa matory? Rehefa tena matory be ianao dia tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany, sa tsy izany?... Ary rehefa mifoha ianao, dia tsy fantatrao akory hoe adiny firy no natorianao, raha tsy mijery famantaranandro ianao.

Mitovy amin’izany ny maty. Tsy mahalala na inona na inona izy. Tsy mahatsiaro na inona na inona izy. Tsy afaka manao na inona na inona koa izy. Izany no nanjo an’i Lazarosy rehefa maty. Toy ny olona matory be ny olona maty ka tsy mahatadidy na inona na inona. Hoy ny Baiboly: ‘Ny maty tsy mba mahalala na inona na inona.’—Mpitoriteny 9:5, 10.

Nanao ahoana i Lazarosy rehefa maty?

Eritrereto koa izao: Raha tany an-danitra nandritra ny efatra andro i Lazarosy, tsy ho noresahiny ve izany?... Ary raha tany an-danitra koa izy, ho nasain’i Jesosy hiverina tetỳ an-tany indray ve izy, nefa efa tany amin’izany toerana mahafinaritra izany?... Mazava ho azy fa tsia!

Maro anefa no milaza fa misy zavatra ao anatintsika ao izay mbola velona rehefa maty ny vatana. Lazain’izy ireo fa velona tany ho any i Lazarosy. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Lazainy kosa fa noforonin’Andriamanitra ho “olombelona” ilay olona voalohany. Lazainy koa fa maty i Adama rehefa nanota. Maty izy, ary tsy nahalala na inona na inona intsony. Niverina ho vovoka indray izy. Lazain’ny Baiboly koa fa nanjary mpanota sy maty ny taranak’i Adama rehetra.—Genesisy 2:7; 3:17-19; Romanina 5:12.

Nahoana no tsy tokony hatahorana ny maty?

Matahotra ny maty ny olona sasany ka tsy sahy mandalo eny akaikin’ny fasana. Mihevitra izy ireo fa manana fanahy misaraka amin’ny vatany ny maty, ary afaka manisy ratsy ny velona io fanahy io. Afaka manisy ratsy ny velona ve anefa ny maty?... Tsia, tsy afaka izy.

Misy aza mino fa lasa angatra ny maty, ary afaka mitsidika ny velona. Manisy sakafo ho an’ny maty àry izy ireny. Tsy tena mino izay lazain’Andriamanitra momba ny maty ny olona manao izany. Tsy hatahotra ny maty isika raha mino izay lazain’Andriamanitra. Ary raha tena mankasitraka an’Andriamanitra noho ny fiainana nomeny isika, dia hanao izay tiany.

Mety hanontany tena toy izao anefa ianao: ‘Hatsangan’Andriamanitra ve ny ankizy efa maty? Tena maniry hanao izany ve izy?’ Izany no horesahintsika manaraka.

Andeha hovakintsika bebe kokoa izay lazain’ny Baiboly momba ny maty, ao amin’ny Salamo 115:17; 146:3, 4.