Salamo 146:1-10

  • I Jehovah atokisana, fa tsy ny olona

    • Foana ny eritreritry ny olona rehefa maty izy (4)

    • Mampitraka an’ireo mitanondrika i Jehovah (8)

146  Derao i Jah!*+ Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo anie aho!+   Hidera an’i Jehovah mandritra ny androm-piainako aho. Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.   Aza matoky ny olona ambony*Na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.+   Miala ny fofonainy, ary miverina amin’ny tany+ izy;Amin’iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.+   Sambatra izay manana an’ilay Andriamanitr’i Jakoba ho mpanampy azy+Sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny,+   Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tanySy ny ranomasina ary izay rehetra ao amin’ireo,+Dia Ilay tsy mivadika mihitsy,+   Ilay manome rariny ho an’izay ambakaina,Ary manome hanina ho an’ny noana.+ Manafaka an’ireo migadra*+ i Jehovah.   Manokatra ny mason’ny jamba+ i Jehovah;Mampitraka an’ireo mitanondrika+ i Jehovah;Tia an’ireo olo-marina i Jehovah.   Miaro ny vahiny i Jehovah;Ampiany ny kamboty ray sy ny mpitondratena,+Fa ny fikasan’ny ratsy fanahy kosa ataony tsy tanteraka.*+ 10  Ho Mpanjaka mandrakizay i Jehovah,+Dia ilay Andriamanitrao, ry Ziona ô, hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Derao i Jah!*

Fanamarihana

Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Hitendry mozika.”
Na: “ny andriana.”
Abt: “voafatotra.”
Na: “ny lalan’ny ratsy fanahy kosa ataony miolakolaka.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.