Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 17

Inona no Mahasambatra?

Inona no Mahasambatra?

Nahoana i Jehovah no Andriamanitra sambatra?

TE HO sambatra isika rehetra, sa tsy izany?... Tsy ny rehetra anefa no tena sambatra. Inona no antony raha fantatrao?... Satria tsy fantany ny zavatra tena mahasambatra. Heveriny fa ho sambatra izy rehefa mahazo zavatra betsaka. Tsy maharitra akory anefa ny fahasambarany, rehefa azony izany zavatra izany.

Izao ilay zavatra tena mahasambatra nolazain’ilay Mpampianatra Lehibe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Ahoana no hahitana fahasambarana, araka izany?... Sambatra isika rehefa manome sy manao zavatra ho an’ny olona. Efa fantatrao ve izany?...

Andeha hodinihintsika bebe kokoa ilay izy. Nilaza ve i Jesosy fa tsy sambatra ny olona nahazo fanomezana?... Tsy nilaza izany izy. Tianao ny mahazo fanomezana, sa ahoana?... Tia an’izany isika rehetra. Faly isika rehefa mahazo zavatra mahafinaritra.

Nolazain’i Jesosy anefa fa sambatra kokoa isika rehefa manome. Iza, hoy ianao, no nanome zavatra betsaka indrindra ho antsika olombelona?... Ie, Jehovah Andriamanitra.

Lazain’ny Baiboly fa ‘manome izao rehetra izao aina sy fofon’aina ary ny zavatra rehetra’ Andriamanitra. Manome antsika ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy masoandro koa izy, mba hisy zavamaniry hataontsika sakafo. (Asan’ny Apostoly 14:17; 17:25) Tsy mahagaga raha antsoin’ny Baiboly hoe “Andriamanitra finaritra” i Jehovah na hoe sambatra! (1 Timoty 1:11) Anisan’ny mahasambatra azy ny manome. Ho sambatra koa isika raha manome.

Inona no hahasambatra anao kokoa noho ny mihinana irery ny mofomamy nataonao?

Inona no azontsika omena?... Andaniam-bola indraindray ny fanomezana. Ho voatery handoa vola ianao raha mividy fanomezana any amin’ny mpivarotra, ary ho voatery hanangom-bola amin’izay, mba hividianana an’ilay zavatra.

Tsy ny fanomezana rehetra anefa no voatery hovidina. Tena hahazoana aina, ohatra, ny rano mangatsiaka iray kaopy rehefa mafana be ny andro. Raha omenao ho an’ny olona mangetaheta izany rano izany, dia hahita fahasambarana avy amin’izany ianao.

Mety hanao mofomamy ianareo sy Neny, indray andro any, ary hahafinaritra anareo izany. Raha tsy hohaninao daholo io mofomamy io, inona no ho azonao atao mba hahasambatra kokoa anao?... Ie, ho azonao anomezana an’ilay namanao ilay izy. Ho tianao ve ny hanao izany indray andro any?...

Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe sy ny apostoliny, fa mahasambatra ny manome. Inona no nomen’izy ireo, raha fantatrao?... Ny zavatra tsara indrindra tetỳ an-tany! Nahafantatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra izy ireo, ka faly nilaza izany vaovao tsara izany tamin’ny olona. Tsy nanaiky handray vola izy ireo tamin’izany.

Niaraka i Paoly sy Lioka mpinamana akaiky, indray andro, ka nifanena tamin’ny vehivavy iray teny amoron-drano. Naniry hahita koa io vehivavy io fa mahasambatra ny manome. Teo amoron’ny ony no nahitany azy io. Tonga teo izy mirahalahy satria reny fa toeram-pivavahana izy io. Nahita vehivavy nivavaka teo tokoa izy ireo rehefa tonga teo.

Nanomboka nitory ny vaovao tsara momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany tamin’ireo vehivavy ireo i Paoly. Nihaino tsara i Lydia, anisan’ireo vehivavy teo. Naniry hanao zavatra izy, mba hampisehoana fa tena tiany ilay vaovao tsara reny. Nampirisika toy izao an’i Paoly sy Lioka àry izy: ‘Raha ataonareo ho mahatoky amin’i Jehovah aho, dia midira any an-tranoko ka mitoera ao.’ Nasainy nankany an-tranony tokoa izy ireo.—Asan’ny Apostoly 16:13-15.

Inona no lazain’i Lydia amin’i Paoly sy Lioka eto?

Faly i Lydia nampiantrano an’ireo mpanompon’Andriamanitra ireo. Tiany izy ireo satria nampianatra azy momba an’i Jehovah sy Jesosy, sy ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay. Nahatsiaro ho sambatra izy, satria afaka nanome sakafo sy toerana nialan’izy ireo sasatra. Nahasambatra an’i Lydia ny nanome satria tena tiany ny hanome. Tokony hotadidintsika izany. Mety hisy hilaza amintsika mantsy fa tsy maintsy manao fanomezana isika. Tsy hahasambatra antsika anefa ny manome, raha tsy tena tiantsika ny hanao izany.

Nahoana i Lydia no sambatra afaka nikarakara an’i Paoly sy Lioka?

Raha manana vatomamy tianao hohanina samirery ianao, ho faly ve ianao raha tereko hizara amin’ny ankizy hafa?... Ahoana anefa raha nisy vatomamy tany aminao rehefa nahita namana tena tianao ianao? Tsy ho faly be ve ianao hanome an’ilay namanao, satria izany no tianao?...

Indraindray dia misy olona tena tiantsika, ka tiantsika homena azy izay rehetra ananantsika. Tokony ho izany no tiantsika hatao amin’Andriamanitra, rehefa mitombo ny fitiavantsika Azy.

Nahoana no sambatra ity vehivavy mahantra ity rehefa nanome izay rehetra nananany?

Nahafantatra vehivavy nahantra iray nanao toy izany ilay Mpampianatra Lehibe. Tao amin’ny tempolin’i Jerosalema no nahitany azy io. Vola madinika roa monja no mba nananan’ilay vehivavy, nefa nataony fanomezana daholo. Tsy nisy nanery azy hanao izany. Tsy nahafantatra izay nataony akory aza ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny tempoly. Nanao izany izy satria tiany ny hanao izany, sady tena tiany i Jehovah. Nahatsiaro ho sambatra izy satria afaka nanome.—Lioka 21:1-4.

Misy fomba maro ahafahantsika manao fanomezana. Lazao hoe ny sasany amin’izany!... Ho sambatra isika manome, raha tena tiantsika ny hanome. Tokony ho zatra manome isika, hoy ilay Mpampianatra Lehibe. (Lioka 6:38) Ho sambatra ny olon-kafa raha manao izany isika, nefa isika no ho sambatra indrindra!

Andeha isika hamaky andininy vitsivitsy mampiseho fa mahasambatra ny manome: Matio 6:1-4; Lioka 14:12-14; 2 Korintianina 9:7.