Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 15

Ohatra Momba ny Hatsaram-panahy

Ohatra Momba ny Hatsaram-panahy

FANTATRAO ve ny atao hoe manavakavaka?... Ny olona manavakavaka dia izay tsy tia avy hatrany an’ireo olon-kafa toa tsy mitovy aminy, na tsy mitovy fiteny aminy. Mieritreri-dratsy momba ireny olona ireny sahady izy, nefa olona mbola tsy tena fantany akory.

Araka ny hevitrao, mety ve raha tonga dia tsy tiantsika ny olona iray nefa mbola tsy fantatsika akory ny toetrany, na koa tsy tiantsika izy satria tsy mitovy amintsika?... Tsia. Manao ny tsy rariny sady tsy tsara fanahy isika raha manavakavaka toy izany. Tsy tokony ho ratsy fanahy amin’ny olona isika, satria fotsiny hoe mety tsy hitovy amintsika izy.

Mahafantatra olona tsy mitovy volon-koditra, na tsy mitovy fiteny aminao ve ianao?... Angamba aza ianao mahafantatra olona lasa hafahafa paozy, noho ny ratra na aretina nahazo azy. Tsara fanahy sy tia azy ireny ve ianao?...

Ahoana no tokony ho fihetsitsika amin’ireo mety tsy hitovy amintsika?

Ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra isika, raha mihaino an’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe. Tokony tsy hanavakavaka isika, na avy aiza na avy aiza ilay olona, ary na inona na inona volon-kodiny. Tokony ho tsara fanahy aminy isika. Tsy ny olona rehetra no manaiky izany, nefa izany no nampianarin’i Jesosy. Andeha horesahintsika ny momba izany.

Nisy Jiosy iray tia nanavakavaka nanatona an’i Jesosy ary nanao hoe: ‘Inona no tsy maintsy ataoko mba ho velona mandrakizay aho?’ Fantatr’i Jesosy fa tian’ilay Jiosy hiteny izy hoe tsy tokony ho tsara fanahy afa-tsy amin’ny olona iray foko, na firenena amintsika isika. Tsy novaliany ilay fanontaniana, fa hoy kosa izy: ‘Inona no lazain’ny Lalàn’Andriamanitra fa tsy maintsy ataontsika?’

Hoy ilay lehilahy: ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ ‘Marina ny navalinao. Manaova an’izany foana, dia hahazo fiainana mandrakizay ianao’, hoy i Jesosy.

Nitady fialan-tsiny anefa ilay lehilahy, satria tsy tiany ny ho tsara fanahy sy ho tia ireo olona tsy nitovy taminy. Hoy àry izy: ‘Iza marina moa no namako?’ Izao no mety ho tiany havalin’i Jesosy: “Ny namanao dia ireo tianao”, na “ny namanao dia ireo mitovy aminao.” Nilaza tantaran’ny Jiosy iray sy ny Samaritanina iray àry i Jesosy, mba hamaliana ilay fanontaniana.

Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko. Jiosy io lehilahy io. Notafihin’ny jiolahy izy, teny an-dalana. Nodarohan’ireo izy ka nianjera ary nalainy ny volany sy ny akanjony. Noratrainy izy ary navelany teo amoron-dalana, rehefa saika maty.

Nisy mpisorona nandalo, fotoana fohy taorian’izay, ary nahita ilay lehilahy naratra mafy. Inona no ho nataonao, raha ianao no nahita azy?... Nanohy ny diany fotsiny ilay mpisorona. Tsy nijanona akory izy. Tsy nanampy an’ilay lehilahy mihitsy izy.

Nisy lehilahy mpivavaka be koa nandalo avy eo. Levita nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy io. Hijanona hanampy ve izy?... Tsia. Nandalo fotsiny tahaka an’ilay mpisorona teo koa izy.

Farany, dia nisy Samaritanina nandalo teo amin’ilay lalana. Hitanao ve izy eto?... Hitany ilay Jiosy naratra mafy, nandry teo amoron-dalana. Tsy nifankahazo mihitsy anefa ny ankamaroan’ny Samaritanina sy ny Jiosy. (Jaona 4:9) Hijery fotsiny an’ilay lehilahy ve io Samaritanina io? Hilaza ve izy hoe: ‘Inona moa no tokony hanampiako an’ity Jiosy ity? Tsy hiraharaha ahy akory izy raha maratra aho’?

Nahoana no tena namana ilay Samaritanina?

Nalahelo izy rehefa nijery an’ilay lehilahy nandry teo amoron-dalana. Fantany fa tsy azony navela ho faty teo fotsiny ilay olona. Nidina avy teo amin’ny biby nitaingenany izy, ary nanatona an’ilay lehilahy. Tonga dia nokarakarainy ny feriny ka nasiany menaka sy divay ary nofeheziny lamba. Hanasitrana tsikelikely ny fery izany.

Nampiakariny moramora teo ambonin’ilay bibiny ilay lehilahy naratra avy eo. Nandeha niadana nidina ny lalana izy ireo, mandra-pahatongany tao amin’ny hotely kely iray. Nanofany efitrano tao ilay lehilahy mba ho voakarakara tsara.

Hoy àry i Jesosy tamin’ilay lehilahy niresahany: ‘Iza amin’izy telo lahy ireo no tena namana, araka ny hevitrao?’ Ahoana no hamalianao an’izany fanontaniana izany? Ilay mpisorona ve, sa ilay Levita, sa ilay Samaritanina?...

Hoy ny navalin’ilay lehilahy: ‘Ilay nijanona mba hikarakara an’ilay naratra no tena namana.’ Hoy i Jesosy: ‘Marina ny anao. Mandehana ka manaova toy izany koa.’—Lioka 10:25-37.

Tena tsara ilay tantara, sa ahoana? Mazava izao hoe iza no namantsika. Tsy ireo mifandray akaiky amintsika ihany, na ireo mitovy volon-koditra sy fiteny amintsika. Nampianatra antsika i Jesosy mba ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra, na avy aiza izy na avy aiza, na manao ahoana na manao ahoana ny paoziny, ary na inona na inona fiteniny.

Izany no toetran’i Jehovah Andriamanitra. Tsy manavakavaka izy. ‘Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ny Rainareo any an-danitra’, hoy i Jesosy. ‘Mampilatsaka ny orana amin’ny tsara fanahy sy ny tsy tsara fanahy koa izy.’ Tokony ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra, toa an’Andriamanitra àry isika.—Matio 5:44-48.

Inona no hataonao raha tena namana ianao?

Inona àry no hataonao, raha mahita olona maratra ianao?... Ahoana raha hafa firenena ilay olona, na tsy mitovy volon-koditra aminao? Mbola namanao ihany izy na izany aza, ka tokony hampianao. Raha mbola kely ianao ka tsy afaka manampy, dia mangataha olon-dehibe hanampy anao. Afaka miantso polisy na ny mpampianatra koa ianao. Ho tsara fanahy tahaka an’ilay Samaritanina ianao amin’izay.

Tian’ilay Mpampianatra Lehibe ho tsara fanahy isika. Tiany hanampy ny olona rehetra isika. Izany no antony nilazany an’iny tantara momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy iny.

Mahakasika ity fianarana momba ny hatsaram-panahy amin’ny olona hafa foko sy firenena amintsika ity, dia vakio ny Ohabolana 19:22; Asan’ny Apostoly 10:34, 35 sy ny 17:26.