Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO 37

Tsarovy i Jehovah sy ny Zanany

Tsarovy i Jehovah sy ny Zanany

AOKA hatao hoe nisy olona nanao fanomezana tena miavaka ho anao. Ahoana hoy ianao?... Hilaza fotsiny ve ianao hoe misaotra, ary avy eo dia hohadinoinao tanteraka ilay olona? Sa kosa hotsarovanao foana izy sy ny zavatra nataony ho anao?...

Nanao fanomezana tena miavaka ho antsika i Jehovah Andriamanitra. Nirahiny tetỳ an-tany ny Zanany mba ho faty ho antsika. Nahoana no tsy maintsy maty ho antsika i Jesosy, raha fantatrao?... Tena tokony ho fantatsika izany.

Nanota i Adama rehefa nandika ny lalàna lavorarin’Andriamanitra, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 23. Ary lasa mpanota koa isika, satria raintsika rehetra i Adama. Inona àry no ilaintsika, araka ny hevitrao?... Azo lazaina hoe mila ray vaovao isika, dia ray izay nanana fiainana lavorary tamin’izy tetỳ an-tany. Mety ho iza io ray io, hoy ianao?... Jesosy.

Nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany i Jesosy, mba ho raintsika ho solon’i Adama. Hoy ny Baiboly: “‘Adama voalohan-dahy natao manan-aina’; Adama farany natao fanahy mahavelona.” Iza ilay Adama voalohany?... Ie, ilay noforonin’Andriamanitra avy tamin’ny vovo-tany. Iza kosa ilay Adama farany?... Jesosy. Manaporofo izany ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Ny olona voalohany [Adama] avy amin’ny tany, dia tany; ny olona faharoa [Jesosy] dia avy any an-danitra.”1 Korintianina 15:45, 47; Genesisy 2:7.

Tsy nandova ota avy tamin’i Adama i Jesosy, satria nalain’Andriamanitra avy tany an-danitra ny ainy, ary nataony tao an-kibon’i Maria. Noho izany, dia lehilahy lavorary i Jesosy. (Lioka 1:30-35) Izany  koa no antony nilazan’ny anjely toy izao tamin’ireo mpiandry ondry, rehefa teraka i Jesosy: “Mpamonjy no teraka ho anareo anio.” (Lioka 2:11) Tsy maintsy naninona aloha i Jesosy zazakely vao lasa Mpamonjy antsika?... Tsy maintsy nitombo izy ka lasa lehilahy lehibe tahaka an’i Adama. Amin’izay izy vao lasa ‘Adama farany.’

Ho lasa ‘Raintsika mandrakizay’ koa i Jesosy, Mpamonjy antsika, araka ny iantsoana azy ao amin’ny Baiboly. (Isaia 9:6, 7) Eny, ilay Jesosy lavorary, no lasa raintsika ho solon’i Adama, izay nanjary tsy lavorary rehefa nanota. Amin’izay isika dia afaka mifidy an’ilay ‘Adama farany’ mba ho raintsika. Mazava ho azy fa Zanak’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy.

Inona no nitovian’i Adama sy Jesosy, ary nahoana izany no zava-dehibe?

Afaka mandray an’i Jesosy ho Mpamonjy isika, rehefa mianatra momba azy. Tokony hovonjena amin’inona moa isika, raha tadidinao?... Ie, hovonjena amin’ny ota sy ny fahafatesana avy tamin’i Adama. Nanao sorona, na nanome ny ainy lavorary ho antsika i Jesosy, rehefa olon-dehibe. Io no antsoina hoe avotra. Nanome ny avotra i Jehovah mba hanesorana ny fahotantsika.—Matio 20:28; Romanina 5:8; 6:23.

Tsy tiantsika ny hanadino izay nataon’Andriamanitra sy ny Zanany ho antsika, sa tsy izany?... Nasehon’i Jesosy tamin’ny mpianany ny fomba manokana iray, mety hanampy antsika hahatsiaro izay nataony. Andeha horesahintsika izany.

 Alao sary an-tsaina hoe ao amin’ny efitra iray ambony rihana, any Jerosalema ianao. Alina ny andro. Teo amin’ny latabatra i Jesosy sy ny apostoliny. Nisy zanak’ondry natono sy mofo fisaka ary divay mena teo. Nisy sakafo manokana niarahan’izy ireo. Nahoana?...

Nahatonga azy ireo hahatsiaro ny zavatra nataon’i Jehovah taloha be, io sakafo io. Andevo tany Ejipta ny Israelita, tamin’izany. Hoy i Jehovah tamin’ilay vahoakany: ‘Mamonoa zanak’ondry iray ho an’ny fianakaviana tsirairay, ary ataovy eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonareo ny rany. Dia midira ao an-tranonareo, ka hano ilay zanak’ondry.’

Nahoana no niaro ny Israelita ny ran’ilay zanak’ondry?

 Nanao izany ny Israelita. Nandeha nanerana an’i Ejipta ny anjelin’Andriamanitra tamin’io alina io. Novonoin’ilay anjely ny lahimatoa tao amin’ny ankamaroan’ny tokantrano. Nandalovany fotsiny kosa izay trano nahitany ran-janak’ondry teo amin’ny tolàm-baravarana. Tsy nisy maty ny ankizy tao amin’izany trano izany. Natahotra i Farao, mpanjakan’i Ejipta, rehefa nahita izay nataon’ilay anjelin’i Jehovah. Hoy àry izy tamin’ny Israelita: ‘Mahazo mandeha ianareo. Mialà eto Ejipta!’ Nangonin’izy ireo àry ny entany, dia nasainy nentin’ny rameva sy ny ampondra, ary lasa izy.

Tsy tian’i Jehovah hanadino ny fomba nanafahany azy ny vahoakany, ka hoy izy: ‘Indray mandeha isan-taona dia tsy maintsy mihinana sakafo tahaka ity haninareo anio alina ity ianareo.’ Nantsoin’izy ireo hoe Paska io sakafo manokana io. Nandalo fotsiny an’ireo trano nisy ra ilay anjelin’Andriamanitra, tamin’io alina io.—Eksodosy 12:1-13, 24-27, 31.

Izany zavatra izany no tao an-tsain’i Jesosy sy ny apostoliny, rehefa nihinana ny sakafon’ny Paska izy ireo. Nanao zavatra tena lehibe i Jesosy avy eo. Noroahiny anefa aloha i Jodasy, ilay apostoly tsy nahatoky. Noraisin’i Jesosy avy eo ny mofo sisa tavela, dia nanaovany vavaka ka novakiny, ary natolony ny mpianany. ‘Raiso ka hano. Ity mofo ity no tenako izay homeko anareo rehefa ho faty ho anareo aho’, hoy izy.

Nandray kaopy nisy divay mena indray i Jesosy avy eo. Nanao vavaka fisaorana indray izy, dia nampandaloviny teny amin’ny mpianany ilay izy, sady hoy izy: ‘Sotroinareo rehetra ity. Ity divay ity no rako izay halatsaka mba hanafahana ny fahotanareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.’—Matio 26:26-28; 1 Korintianina 11:23-26.

Sarobidy amintsika ve ny ran’i Jesosy izay nampitoviny tamin’ny divay?

Voamarikao ve fa tokony hataon’ny mpianatra hatrany izany ho fahatsiarovana azy?... Tsy ilay sakafon’ny Paska intsony anefa no hataon’izy ireo. Io sakafo manokana io kosa no hankalazainy, indray  mandeha isan-taona, ho fahatsiarovana an’i Jesosy sy ny nahafatesany. Sakafo Harivan’ny Tompo no iantsoana azy io. Fahatsiarovana kosa no iantsoantsika azy matetika ankehitriny. Nahoana?... Satria mahatonga antsika hahatsiaro ny zavatra nataon’i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra Rainy ho antsika izy io.

Tokony hahatonga antsika hieritreritra ny tenan’i Jesosy ilay mofo. Nanome an-tsitrapo an’io tenany io izy mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Ary ahoana ny amin’ilay divay mena?... Tokony hahatonga antsika hahatsiaro ny ra sarobidin’i Jesosy izy io. Sarobidy noho ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska tany Ejipta izy io. Nahoana, hoy ianao?... Milaza ny Baiboly fa ahazoantsika famelan-keloka ny ran’i Jesosy. Ary rehefa afaka ny fahotantsika, dia tsy harary na hihantitra na ho faty intsony isika. Izany no tokony hoeritreretintsika, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana isika.

Tokony hihinana amin’ny mofo sy hisotro amin’ny divay daholo ve ny olona manatrika ny Fahatsiarovana?... Hoy i Jesosy tamin’ireo nihinana sy nisotro: ‘Ho anisan’ny fanjakako ianareo, ary hipetraka eo ambony seza fiandrianana any an-danitra hiaraka amiko.’ (Lioka 22:19, 20, 30) Nidika izany fa hankany an-danitra izy ireny mba hiara-manjaka amin’i Jesosy. Ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra ireo ihany àry no tokony hihinana sy hisotro ny mofo sy divay.

Tokony hanatrika ny Fahatsiarovana ihany anefa na dia isika tsy mihinana amin’ny mofo sy misotro amin’ny divay aza. Nahoana, hoy ianao?... Satria nanome ny ainy ho antsika koa i Jesosy. Ny fanatrehantsika ny Fahatsiarovana dia porofo fa tsy manadino izany isika. Tsaroantsika ilay fanomezana tena manokana nataon’Andriamanitra.

Porofoin’ireto andininy ireto fa sarobidy ny avotr’i Jesosy: 1 Korintianina 5:7; Efesianina 1:7; 1 Timoty 2:5, 6; 1 Petera 1:18, 19.