Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ilain’ny Ankizy Amin’ny Ray Aman-dreny?

Inona no Ilain’ny Ankizy Amin’ny Ray Aman-dreny?

SAMY mandray anjara amin’ny fisehoan-javatra iray, izay tsy azon’ny sain’olombelona mazava tsara ny ray sy reny rehetra. Samy manome sombiny amin’ny tenany avy izy ireo, ka manjary misy olona miforona ao an-kibon’ilay reny. Tsy mahagaga àry raha resahin’ny olona ho toy ny “fahagagana” ny fahaterahan’ny zazakely.

Mazava ho azy fa vao fiandohan’ny adidin’ny ray aman-dreny ny fiterahana. Tsy maintsy mila olona hikarakara azy ilay zaza amin’ny voalohany. Mila zavatra hafa koa anefa izy, rehefa mihalehibe. Mila fanampiana izy mba hitomboany ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ara-pitondran-tena, ary ara-panahy.

Ny fitiavan’ny ray aman-dreniny no tena ilain’ny zaza mba hitomboany tsara. Zava-dehibe ny teny fanehoam-pitiavana, nefa tsy maintsy tohanan’ny porofo mivaingana izany. Eny, mila ny ohatra tsara omen’ny ray aman-dreny ny ankizy. Mila tari-dalana ara-pitondran-tena sy toro lalana izy, dieny mbola kely. Misy zavatra mampalahelo be mantsy mety hitranga ary tena mitranga, rehefa tara loatra ny ankizy vao mahazo fanampiana.

Ny toro lalana ao amin’ny Baiboly no tsara indrindra. Tsy misy mahasoa tahaka ny fampianarana miorina amin’ny Baiboly. Rehefa mahazo azy io mantsy ny ankizy, dia manomboka takany fa tsy tenin’olombelona no lazaina aminy fa tenin’ny Mpamorona, dia ilay Rainy any an-danitra. Lasa mavesa-danja aminy àry ilay torohevitra.

Mampirisika ny ray aman-dreny ny Baiboly, mba hiezaka mafy handentika ireo toro lalana marina ao an-tsain’ny zanany. Sarotra amin’izy ireo anefa ny miresaka zavatra tena lehibe amin-janany, rehefa mihalehibe ilay ankizy. Natao indrindra ity boky hoe Mianara Aminilay Mpampianatra Lehibe ity, mba hahatonga ny toe-javatra toy izany tsy hiharatsy. Manome zavatra ara-panahy mba hiarahanao sy ny zanakao mamaky izy ity, sady tokony hampisy fifampiresahana tsara eo amin’ilay ankizy sy izay olona hiara-mamaky aminy.

Ho hitanao fa hanosika an’ilay ankizy hanome valin-teny ity boky ity. Maro mantsy ny fanontaniana mety tsara hita ato. Hahita teboka telo tahaka ity ... ianao rehefa tonga eo amin’izany fanontaniana izany. Midika izany fa hiato ianao eo, ary hampirisika an’ilay ankizy hilaza ny heviny. Tia mandray anjara ny ankizy, ka ho lasa kamo vetivety izy raha tsy asainao miteny.

Hanampy anao hahafantatra izay ao an-tsain’ilay ankizy koa ireny fanontaniana ireny, ary tena ilaina izany. Marina fa mety ho diso ny valin-teniny. Hanampy azy hampitombo fomba fisaina tsara anefa ny zavatra voalaza aorian’ny fanontaniana tsirairay.

Lafiny mampiavaka an’ity boky ity koa ireo sary 230 mahery ato anatiny. Ny ankamaroany dia misy teny fampirisihana an’ilay ankizy hilaza ny heviny, miorina amin’izay hitany eo, na izay efa novakiny. Diniho miaraka aminy àry ireo sary. Azo atao fitaovana hampianarana ireo sary ireo, satria manasongadina ny hevi-dehibe ao amin’ilay lesona.

Ampirisiho hamaky ity boky ity amin’ny feo avo ny ankizy, rehefa mianatra mamaky teny. Arakaraka ny hamakiany azy mantsy no hilentehan’ny torohevitra mahasoa raketiny, ao an-tsainy sy ao am-pony. Mba hanamafisana ny fatoram-pitiavana sy hitomboan’ny fifanajana eo aminao sy ny zanakao anefa, dia tokony hiaraka hamaky ity boky ity ianareo, ary hanao izany tsy tapaka.

Taona maromaro talohan’izao, dia toa tsy azo noeritreretina akory ny zavatra manjo ny ankizy amin’izao fotoana izao. Lasa fantatr’izy ireo izany atao hoe firaisana tsy ara-dalàna sy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ary fanao ratsy hafa izany. Mila fiarovana àry izy ireo. Manome izany fiarovana izany ity boky ity, ary amin’ny fomba mihaja nefa mivantana. Any amin’ilay Loharanon’ny fahendrena rehetra, dia i Jehovah Andriamanitra, Raintsika any an-danitra, anefa no tena tokony hisarihana ny sain’ny ankizy. Nanao izany foana i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Manantena izahay fa hanampy anao sy ny ankohonanao hamolavola ny fiainanareo ity boky ity. Amin’izay dia hampifaly an’i Jehovah ianareo, ka handray fitahiana mandrakizay.