Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 1

Nahoana no Mpampianatra Lehibe i Jesosy?

Nahoana no Mpampianatra Lehibe i Jesosy?

ROA arivo taona mahery lasa izay no teraka ny zaza iray tena miavaka. Nihalehibe izy ka nanjary ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Tsy nisy nanana aeroplanina na aotomobilina tamin’izany. Tsy nisy koa ny tele na ny radio.

Jesosy no natao anaran’ilay zaza. Lasa lehilahy hendry indrindra izy, ary lasa mpampianatra nahay indrindra koa. Mora azo ny zavatra sarotra, satria tena nahay nanazava izy.

Nampianatra tany amin’ny toerana maro i Jesosy. Nampianatra teny amoron-dranomasina sy teny ambony sambo izy. Nampianatra tany an-trano sy teny an-dalana izy. Tsy nanana aotomobilina i Jesosy, ary tsy nandeha bisy na masinina. Nandeha an-tongotra izy, nitety toerana ary nampianatra.

Maro ny zavatra ianarantsika avy amin’ny olona. Avy amin’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe anefa, no azontsika ianarana ireo zavatra lehibe indrindra. Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny tenin’i Jesosy. Toy ny hoe i Jesosy mihitsy no miresaka amintsika, rehefa mamaky na mihaino ireo teny ireo avy ao amin’ny Baiboly isika.

Nahoana no Mpampianatra Lehibe i Jesosy? Voalohany, dia satria nisy nampianatra koa izy. Fantany fa zava-dehibe ny mihaino. Iza no nohenoin’i Jesosy? Iza no nampianatra azy?... Ny Rainy. Andriamanitra no Rain’i Jesosy.

Niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Tsy toy ny olona rehetra i Jesosy, satria izy irery no olona nipetraka tany an-danitra talohan’ny nahaterahany teto an-tany. Zanaka hendry i Jesosy, ary nihaino tsara an-dRainy, tamin’izy tany an-danitra. Afaka nampianatra ny zavatra nianarany tamin’Andriamanitra i Jesosy. Manahaka an’i Jesosy ianao, rehefa mihaino tsara an’i Dada sy Neny.

Mpampianatra Lehibe koa i Jesosy, satria tia olona izy. Te hanampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra izy. Tsy ny olon-dehibe ihany no tian’i Jesosy, fa ny ankizy koa. Tian’ny ankizy ny niaraka tamin’i Jesosy, satria niresaka tamin’ny ankizy izy ary nihaino azy.

Nahoana no tian’ny ankizy ny niaraka tamin’i Jesosy?

Nisy ray aman-dreny nitondra ny zanany kely teo amin’i Jesosy, indray andro. Nihevitra ireo naman’ilay Mpampianatra Lehibe fa sahirana loatra izy ka tsy afaka niresaka tamin’ny ankizikely. Noroahiny ireo olona ireo. Ahoana hoy i Jesosy?... Hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana.” Tian’i Jesosy hanatona azy ny ankizy madinika. Naka fotoana nampianarana ny ankizikely i Jesosy, na dia lehilahy tena hendry sy nalaza aza.—Marka 10:13, 14.

Fantatrao ve hoe nahoana i Jesosy no nampianatra sy nihaino ny ankizy? Satria tiany ho sambatra ireny ankizy ireny, ka nitantarany zavatra momba an’Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra. Inona no azonao atao mba hahasambatra ny olona?... Ny firesahana aminy izay nianaranao momba an’Andriamanitra.

Naka ankizikely i Jesosy indray mandeha, mba hanomezana anatra lehibe an’ireo namany. Nalainy ilay ankizy ary nataony teo afovoan’ireo mpianany ireo. Nolazain’i Jesosy avy eo, fa tsy maintsy niova toetra ireo lehilahy ireo, mba ho tahaka an’io ankizy io.

Inona no fianarana azon’ny ankizy efa lehibe sy ny olon-dehibe avy amin’ny ankizikely?

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izany? Fantatrao ve ny tokony hataon’ny olon-dehibe, na ny ankizy efa lehibe, mba hahatongavany ho toy ny ankizikely?... Ny ankizikely dia tsy mahafantatra zavatra betsaka toy ny olon-dehibe ka te hianatra. Ny tian’i Jesosy holazaina dia hoe mila manetry tena toy ny ankizikely ny mpianany. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ny olona tokoa isika. Aoka ho fantatsika fa ambony noho ny hevitsika ny fampianaran’i Jesosy.—Matio 18:1-5.

Mpampianatra Lehibe koa i Jesosy satria nataony tian’ny olona ny zavatra nampianariny. Tsotra be ny fanazavana nataony. Niresaka momba ny vorona sy voninkazo ary zavatra fahita izy, mba hanampiana ny olona hahafantatra an’Andriamanitra.

Nisy olona maro tonga teo amin’i Jesosy, indray andro, teo amin’ny tendrombohitra iray. Nipetraka i Jesosy ary nanao lahateny, na nitory teny tamin’izy ireo, araka ny hitanao eto. Antsoina hoe ny Toriteny teo An-tendrombohitra io lahateny io. Hoy izy: ‘Jereo ny vorona eny amin’ny lanitra. Tsy mamboly, na manangon-tsakafo izy ireny, nefa mamelona azy Andriamanitra. Tsy mendrika noho ireny vorona ireny ve ianareo?’

Inona no anatra nomen’i Jesosy rehefa niresaka momba ny vorona sy ny voninkazo izy?

Hoy koa i Jesosy: ‘Makà fianarana avy amin’ny voninkazo any an-tsaha. Tsy miasa ireny nefa mitombo. Jereo fa tsara tarehy erỳ izy ireny! Na i Solomona Mpanjaka nanankarena aza tsy niakanjo tsara tahaka ireny voninkazo any an-tsaha ireny. Raha ny voninkazo aza karakarain’Andriamanitra, ianareo ve dia tsy hokarakarainy?’—Matio 6:25-33.

Inona no anatra nomen’i Jesosy raha azonao?... Tsy tiany isika hieritreritra loatra hoe aiza no hahita sakafo sy akanjo. Fantatr’Andriamanitra fa ilaintsika ireny zavatra ireny. Tsy nilaza akory i Jesosy hoe tsy tokony hiasa mba hahazoana sakafo sy akanjo isika. Nilaza kosa izy fa Andriamanitra no tokony ho voalohany. Hataon’Andriamanitra mahita sakafo sy akanjo isika raha manao izany. Mino izany ve ianao?...

Ahoana hoy ny olona, rehefa vita ny lahatenin’i Jesosy?... Lazain’ny Baiboly fa gaga izy ireo satria tena nahay nampianatra i Jesosy. Tena nahafinaritra ny nihaino azy.—Matio 7:28.

Tena ilaina ny hianarantsika avy amin’i Jesosy. Inona no tokony hataontsika?... Voasoratra ho antsika ao amin’ny boky iray ny teniny. Inona io boky io, raha fantatrao?... Ny Baiboly Masina. Izany hoe mihaino an’i Jesosy isika, rehefa mihaino tsara izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. Misy tantara mahafaly ao, manambara fa Andriamanitra mihitsy no milaza amintsika mba hihaino an’i Jesosy. Andeha hojerentsika hoe inona no nitranga.

Nentin’i Jesosy nankany an-tendrombohitra ny mpianany telo lahy, indray andro. Jakoba sy Jaona ary Petera no anaran’izy ireo. Mbola ho fantatsika tsara ireo lehilahy ireo, satria samy naman’i Jesosy akaiky izy ireo. Nanomboka namirapiratra ny tarehin’i Jesosy tamin’io fotoana io. Lasa fotsy tahaka ny jiro koa ny akanjony, araka ny hitanao eto.

“Ity no Zanako ... Izy no henoy”

Nisy feo avy tany an-danitra henon’i Jesosy sy ireo namany, taorian’izay. Hoy ilay feo: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Matio 17:1-5) Feon’iza io raha fantatrao?... Feon’Andriamanitra! Andriamanitra no nilaza fa tokony hihaino ny feon’ny Zanany izy ireo.

Ary isika? Hankatò an’Andriamanitra ve isika ka hihaino ny Zanany, ilay Mpampianatra Lehibe?... Izany no tokony hataontsika. Ahoana no hihainoantsika Azy, raha tadidinao?...

Afaka mihaino ny Zanak’Andriamanitra isika, rehefa mamaky ny tantarany ao amin’ny Baiboly. Maro be ny zavatra mahafinaritra hotantarain’ilay Mpampianatra Lehibe amintsika. Ho faly ianao hianatra ireny zavatra voasoratra ao amin’ny Baiboly ireny. Ho sambatra koa ianao raha miresaka amin’ny namanao ireo zavatra tsara nianaranao.

Raha te hahafantatra bebe kokoa ny zavatra tsara azo noho ny fihainoana an’i Jesosy ianao, dia sokafy ny Baibolinao ary vakio ny Jaona 3:16; 8:28-30; Asan’ny Apostoly 4:12.