Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 27

Iza no Andriamanitrao?

Iza no Andriamanitrao?

NAHOANA no tena ilaina ilay fanontaniana hoe ‘Iza no Andriamanitrao?’... Satria betsaka ny andriamanitra ivavahan’ny olona. (1 Korintianina 8:5) Rehefa nomen’i Jehovah fahefana hanasitrana lehilahy iray tsy nahay nandeha ny apostoly Paoly, dia hoy ny vahoaka: “Efa nidina nankatỳ amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’olona!” Te hivavaka tamin’i Paoly sy Barnabasy ny olona. Nataony hoe Merkory ny anaran’i Paoly, ary Jopitera ny an’i Barnabasy. Anaran’andriamani-diso ireo.

Tsy navelan’i Paoly sy Barnabasy hivavaka taminy anefa ireo olona ireo. Niditra teo afovoan’ilay vahoaka izy mirahalahy ary nilaza hoe: ‘Mialà amin’izao zavatra tsinontsinona izao ka manatòna an’ilay Andriamanitra velona.’ (Asan’ny Apostoly 14:8-15) Iza “ilay Andriamanitra velona” namorona ny zavatra rehetra?... Ie, Jehovah, “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Niantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitra tokana sady marina” i Jesosy. Iza ihany àry no mendrika hivavahana?... Jehovah irery ihany!—Salamo 83:18; Jaona 17:3; Apokalypsy 4:11.

Nahoana no tsy navelan’i Paoly sy Barnabasy hiankohoka teo aminy ny olona?

Mivavaka amin’andriamanitra hafa ankoatra an’ilay “Andriamanitra tokana sady marina” ny ankamaroan’ny olona. Matetika izy ireny no mivavaka amin’ny zavatra vita amin’ny hazo na vato na vy. (Eksodosy 32:4-7; Levitikosy 26:1; Isaia 44:14-17) Indraindray aza dia lazaina fa andriamanitra na kintana ireo lehilahy sy vehivavy malaza. Tsara ve ny mankalaza azy ireny?...

Hoy i Saoly, rehefa lasa apostoly Paoly izy: ‘Nohajambain’ny andriamanitr’ity tontolo ity ny sain’ny tsy mino.’ (2 Korintianina 4:4) Iza io andriamanitra io?... Ie, Satana Devoly! Vitan’i Satana ny nitarika ny olona hivavaka amin’olona sy zavatra maro.

Inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Satana, rehefa nanandrana nitarika azy hiankohoka sy hivavaka taminy i Satana?... ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy ivavahanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’ (Matio 4:10) Nohazavain’i Jesosy fa i Jehovah irery ihany no tokony hivavahana. Andeha isika hamaky tantarana tovolahy nahafantatra an’izany, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.

Anisan’ny Israely firenen’Andriamanitra, ireo tanora hebreo ireo, ary nentina ho babo tany Babylona. Nanao tsangambato volamena tena lehibe i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nanome baiko izy, indray andro, fa tokony hiankohoka teo amin’ilay tsangambato ny rehetra, rehefa nalefa ny mozika. Hoy izy: ‘Hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mirehitra na iza na iza tsy hiankohoka sy hivavaka.’ Inona no ho nataonao, raha ianao no teo?...

Nahoana izy telo lahy ireto no tsy hiankohoka eo amin’ilay tsangambato?

Nankatò izay rehetra nandidian’ny mpanjaka i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, matetika. Tsy nety nankatò an’io didy io anefa izy ireo. Nahoana?... Satria, hoy ny lalàn’Andriamanitra: ‘Aza manana andriamani-kafa, fa izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, ary aza miankohoka eo aminy.’ (Eksodosy 20:3-5) Ny lalàn’i Jehovah no nankatoavin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa tsy ny didin’ilay mpanjaka.

Tezitra be ny mpanjaka ka tonga dia nasainy nentina teo aminy ireo tanora hebreo telo lahy. Hoy izy: ‘Tena marina ve fa tsy hanompo ny andriamanitro ianareo? Mbola hiala nenina aminareo ihany aho. Miankohofa ary mivavaha amin’ny tsangambato nataoko rehefa mandre ny mozika ianareo. Raha tsy izany, dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mirehitra ianareo. Ary iza moa izany andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?’

Inona no hataon’ireo tovolahy ireo? Ahoana no ho nataonao, raha ianao no teo?... Hoy izy ireo tamin’ny mpanjaka: ‘Mahavonjy anay ny Andriamanitray izay tompoinay. Ary na dia tsy hanao izany aza izy, dia tsy ireo andriamanitrao no hotompoinay. Tsy hiankohoka amin’ny tsangambato volamenanao izahay.’

Tezitra be ilay mpanjaka. Hoy izy: ‘Ampitomboy impito mihoatra noho ny mahazatra ny hafanan’ny lafaoro!’ Nomeny baiko ireo miaramilany natanjaka mba hamatotra an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ary hanipy azy tao anatin’ilay lafaoro! Main’ny lelafo ireo lehilahy ireo ka maty, satria nahamay loatra ny lafaoro! Ary ireo Hebreo telo lahy?

Latsaka tao anaty afo izy ireo, nefa tafatsangana ihany avy eo! Tsy naratra izy ary tsy nifatotra intsony. Ahoana no nahatonga izany?... Nijery tao amin’ilay lafaoro ny mpanjaka, ka naharaiki-tahotra azy ny zavatra hitany. ‘Tsy telo lahy ve no natsipintsika tao anaty afo?’, hoy izy. ‘Marina izany, ry mpanjaka’, hoy ny mpanompony.

Ahoana no namonjen’i Jehovah ny mpanompony tamin’ny lafaoro nisy afo nirehitra?

Hoy àry ny mpanjaka: ‘Jereo fa olona efatra no hitako mandehandeha ao, ary tsy may izy ireo.’ Iza io olona fahefatra io, raha fantatrao?... Anjelin’i Jehovah. Izy no niaro ireo Hebreo telo lahy tsy ho may.

Nankeo am-baravaran’ilay lafaoro ny mpanjaka rehefa nahita izany, ka niantso hoe: “Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ary avia atỳ.” Hitan’ny rehetra tamin’izay fa tsy may izy ireo. Tsy nisy fofon’afo akory aza taminy. Hoy ny mpanjaka: ‘Isaorana anie ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, izay naniraka anjely hamonjy ny mpanompony, satria tsy nanompo andriamani-kafa afa-tsy ny Andriamaniny ireo.’—Daniela toko faha-3.

Inona avy no sampy ankalazain’ny olona?

Misy fianarana azontsika raisina avy amin’io zava-nitranga io. Manao tsangambato, na sary na zavatra hafa hivavahany koa ny olona amin’izao andro izao. Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy): “Masina tahaka ny lakroa ny sainam-pirenena.” Mety ho vita amin’ny hazo, vato, vy, na lamba ireny sary ireny. Tsy niondrika hivavaka tamin’ny Mpanjaka ny mpianatr’i Jesosy voalohany. Toy ny hoe “tsy nety nanangan-tsaina na namerina ny voady tsy hivadika” tamin’ny Mpanjaka izy ireo tamin’izany, hoy i Daniel Mannix mpahay tantara.

Araka ny hevitrao, hafa ve ny fiheveran’Andriamanitra azy raha vita amin’ny lamba na hazo na vato na vy ilay sary masina?... Mety ve raha mivavaka eo amin’izany sary izany ny mpanompon’i Jehovah?... Tsy nanao izany i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ary faly taminy i Jehovah. Inona no hataonao raha te hanahaka azy ireo ianao?...

Tsy tokony hivavaka amin’olona na zavatra hafa ny mpanompon’i Jehovah. Vakio izay voalaza momba izany ao amin’ny Josoa 24:14, 15, 19-22; Isaia 42:8; 1 Jaona 5:21; Apokalypsy 19:10.