Ohabolana 12:1-28

  • Tsy misaina izay mankahala fananarana (1)

  • “Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra” (18)

  • Falifaly izay miezaka ny hampisy fihavanana (20)

  • Maharikoriko an’i Jehovah ny molotra mandainga (22)

  • Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy azy (25)

12  Tia fahalalana izay tia anatra,*+Fa tsy misaina kosa izay mankahala fananarana.+   Ankasitrahan’i Jehovah ny olona tsara toetra,Fa melohiny kosa izay mitetika ny hanao ratsy.+   Tsy hilamina ny fiainan’izay olona manao ratsy,+Fa ny olo-marina kosa hoatran’ny hazo tsy mety voaongotra mihitsy.   Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara toetra,+Fa ny vehivavy manao zavatra manala baraka kosa toy ny lo mikiky ny taolan’ny vadiny.+   Ara-drariny ny hevitry ny olo-marina,Fa mamitaka kosa ny tari-dalana omen’ny ratsy fanahy.   Mitovy amin’ny fandrika mahafaty* ny tenin’ny ratsy fanahy,+Fa ny tenin’ny olo-marina kosa mamonjy azy.+   Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy rehefa ringana,Fa ho eo foana kosa ny ankohonan’ny olo-marina.+   Hoderaina ny olona mitandrina tsara an’izay lazain’ny vavany,+Fa hatao tsinontsinona kosa ny olona fetsifetsy.+   Aleo tsotsotra nefa manana mpanompo iray,Toy izay miseho ho ambony nefa tsy manan-kohanina.*+ 10  Mikarakara ny biby fiompiny ny olo-marina,+Fa tia mampijaly kosa ny ratsy fanahy, na dia mihevitra aza izy hoe mamindra fo. 11  Ho voky hanina izay miasa ny taniny,+Fa tsy ampy saina* izay mikatsaka zava-poana. 12  Ny ratsy fanahy mitsiriritra ny zavatra azon’ny olon-dratsy,Fa ny olo-marina kosa toy ny hazo mamaka tsara ka mamokatra. 13  Manota amin’izay lazainy ny olon-dratsy ka voafandriky ny teniny ihany,+Fa ny olo-marina kosa afaka amin’ny fijaliana. 14  Mandray soa be dia be avy amin’izay lazainy* ny olona,+Ary hahazo valisoa izy noho ny asan’ny tanany. 15  Amin’ny adala dia mety ny ataony,+Fa ny hendry kosa manaiky torohevitra.+ 16  Ny adala no tonga dia* mampiseho hoe sosotra,+Fa ny olona malina kosa tsy miraharaha esoeso.* 17  Hilaza ny marina ny vavolombelona azo itokisana,Fa mamitaka kosa ny vavolombelona mandainga. 18  Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra,Fa manasitrana kosa ny tenin’ny hendry.+ 19  Haharitra mandrakizay ny molotra milaza ny marina,+Fa hiserana fotsiny ny lela zatra mandainga.+ 20  Fitaka no ao am-pon’izay mitetika ny hanao ratsy,Fa falifaly kosa ny olona miezaka ny hampisy fihavanana.*+ 21  Tsy mba haninona mihitsy ny olo-marina,+Fa ho tototry ny loza kosa ny ratsy fanahy.+ 22  Maharikoriko an’i Jehovah ny molotra mandainga,+Fa mahafinaritra azy kosa ny olona tsy mivadika. 23  Tsy miresadresaka an’izay zavatra fantany ny olona malina,Fa mamoaka ny hadalana rehetra ao am-pony kosa ny tsisy saina.+ 24  Hanam-pahefana ny olona mazoto,*+Fa hampanaovina asa an-terivozona kosa ny kamo.*+ 25  Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy azy,*+Fa ny teny mampahery kosa no mahafalifaly azy.+ 26  Ny olo-marina mitady an’izay kijana tsara indrindra,Fa ny ratsy fanahy kosa lasa diso lalana noho ny ataony ihany. 27  Tsy mety mandeha mihaza ny kamo,+Fa harena sarobidy ho an’ny olona kosa ny fahazotoana. 28  Mitarika mankany amin’ny fiainana ny lalan’ny fahamarinana,+Ary tsy mba misy fahafatesana ny lalana alehany.

Fanamarihana

Na: “fifehezana; famaizana.”
Abt: “Mamitsaka mba handatsa-dra.”
Abt: “tsy manana mofo.”
Abt: “tsy misy fo.”
Na: “avy amin’ny vavany.”
Na: “Ny adala no amin’iny andro iny ihany dia.”
Abt: “manarona esoeso.”
Abt: “ny mpanoro hevitra momba ny fihavanana.”
Abt: “ny tanan’ny mazoto.”
Abt: “ny tanana kamo.”
Na: “mampitanondrika ny fony.”