Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho Foana ny Dian’i Kristy!

Araho Foana ny Dian’i Kristy!

Araho Foana ny Dian’i Kristy!

“Toy izany no efa andehananareo, ka tohizo hatrany izany ary ataovy bebe kokoa aza.”—1 TES. 4:1.

1, 2. a) Inona avy no zavatra nahafinaritra hitan’ireo olona niara-niaina tamin’i Jesosy? b) Nahoana no miavaka koa ny androntsika?

EFA noeritreretinao ve hoe nanao ahoana izany niara-niaina tamin’i Jesosy teto an-tany izany? Tena nahafinaritra! Mety ho nanasitrana anao izy, ka tsy ho nampijalin’ny aretina intsony ianao. Mety ho nahita azy nanao fahagagana sy nandre azy nampianatra koa ianao. (Mar. 4:1, 2; Lioka 5:3-9; 9:11) Tena nahafaly ny nanatri-maso an’izany rehetra izany! (Lioka 19:37) Tsy nisy nahita an’ireo zavatra ireo intsony, tatỳ aoriana. Tsy hiverina intsony koa ny ‘sorona’ nataon’i Jesosy.—Heb. 9:26; Jaona 14:19.

2 Miavaka koa anefa ny androntsika. Nahoana? Miaina amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “fotoanan’ny farany” na “andro farany” isika. (Dan. 12:1-4, 9; 2 Tim. 3:1) Efa noroahina avy tany an-danitra i Satana. Tsy ho ela dia hofatorana izy ary hatsipy ao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka.” (Apok. 12:7-9, 12; 20:1-3) Amin’izao andro izao koa isika no manambara ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” maneran-tany, ary voninahitra lehibe izany. Torintsika amin’ny olona fa hisy Paradisa. Tsy hiverina intsony ny asa fitoriana ataontsika.—Mat. 24:14.

3. Inona no nampanaovin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, talohan’ny niakarany tany an-danitra, ary inona no tafiditra amin’izany?

3 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asa. 1:8) Anisan’io asa io ny fampianarana Baiboly maneran-tany. Inona no tanjona amin’izany? Ny hanao mpianatra, ka hihamaro ny mpanara-dia an’i Kristy, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Mat. 28:19, 20) Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hahomby amin’io asa io isika?

4. a) Inona no asongadin’ny tenin’i Petera ao amin’ny 2 Petera 3:11, 12? b) Inona no ilaintsika hotandremana?

4 Mariho ity tenin’ny apostoly Petera ity: “Olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!” (2 Pet. 3:11, 12) Asongadin’i Petera fa mila mailo hatrany isika mandritra ny andro farany, mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra foana. Anisan’ny fanehoana fahafoizan-tena ny fitoriana ny vaovao tsara. Tena mahafaly antsika ny mahita fa mazoto mitory ireo rahalahintsika eran-tany! Tokony hitandrina anefa isika, ka tsy hamela ny faneren’ny tontolon’i Satana sy ny nofontsika mpanota hampihena ny zotom-pontsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Hodinihintsika àry hoe inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa manara-dia an’i Kristy foana isika.

Ekeo ny andraikitra nomen’Andriamanitra

5, 6. a) Nahoana no nidera an’ireo Kristianina tany Jerosalema i Paoly, ary inona no nampitandremany azy ireo? b) Nahoana no tsy tokony hohamaivanintsika ny andraikitra nomen’Andriamanitra antsika?

5 Nidera an’ireo Kristianina tany Jerosalema ny apostoly Paoly, satria tsy nivadika izy ireo na dia nenjehina aza. Hoy izy: “Tadidio hatrany ... ny andro taloha izay niaretanareo ady mafy tao anatin’ny fijaliana, rehefa avy nohazavaina ianareo.” Tsaroan’i Jehovah tokoa ny tsy fivadihan’izy ireo. (Heb. 6:10; 10:32-34) Azo antoka fa tena nampahery an’ireo Kristianina hebreo ny teny fiderana nataon’i Paoly. Nampitandrina koa anefa izy, fa misy toetra ratsy mety hampihena ny zotom-pon’izy ireo, raha tsy mailo izy ireo. Nilaza i Paoly fa tsy tokony ‘hitady fialan-tsiny’ tsy hankatoavana ny didin’Andriamanitra ny Kristianina.—Heb. 12:25, f.a.p.

6 Tokony hitandrina koa ny Kristianina ankehitriny mba tsy ‘hitady fialan-tsiny’ tsy hanaovany ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Fantatsika fa tsy tokony hohamaivanintsika izy io, ary tsy tokony havelantsika hihena ny zotom-pontsika amin’ny fanompoana. (Heb. 10:39) Iankinan’ny aina mantsy ny fanompoana masina ataontsika.—1 Tim. 4:16.

7, 8. a) Inona no hanampy antsika hazoto foana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? b) Inona no tokony hotadidintsika momba an’i Jehovah sy Jesosy, raha nihena ny zotom-pontsika?

7 Inona no hanampy antsika tsy hitady fialan-tsiny mba tsy hanaovana ny zavatra takin’Andriamanitra? Mila tadidintsika foana ilay voady nataontsika tamin’i Jehovah rehefa nanokan-tena ho azy isika. Nampanantena isika fa hataontsika loha laharana ny fanaovana ny sitrapony. Tiantsika ny hitana izany teny izany. (Vakio ny Matio 16:24.) Tsara àry indraindray ny mandini-tena hoe: ‘Mbola tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenako ve aho, toy ny tamin’izaho vao vita batisa? Sa efa nihena ny zotom-poko?’

8 Tsara ny hitadidiantsika ny teny mamelombelona nataon’i Zefania mpaminany, raha tsapantsika fa efa tsy dia mazoto intsony isika. Hoy izy: “Aza miraviravy tanana. Eo aminao i Jehovah Andriamanitrao. Izy no Ilay mahery, ka hamonjy. Ho faly sy ho ravoravo noho ny aminao izy.” (Zef. 3:16, 17) Marina fa nambara tamin’ireo Israelita nody tany Jerosalema ireo teny ireo, rehefa avy babo tany Babylona izy ireo. Mbola mampahery ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny anefa io fanomezan-toky io. Asan’i Jehovah no ataontsika, ka tokony hotadidintsika fa manohana sy mampahery antsika izy sy ny Zanany, mba hanatontosantsika tsara ny andraikitra nankininy tamintsika. (Mat. 28:20; Fil. 4:13) Raha miezaka ho be zotom-po hatrany isika rehefa manao ny asan’Andriamanitra, dia hitahy antsika izy ary hanampy antsika handroso foana.

Mazotoa mikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana

9, 10. Inona no tian’i Jesosy holazaina tao amin’ilay fanoharana momba ny fanasambe tamin’ny sakafo hariva, ary inona no lesona raisintsika avy amin’izy io?

9 Nisakafo tany amin’ny lehiben’ny Fariseo i Jesosy, indray mandeha. Nanao fanoharana momba ny fanasambe tamin’ny sakafo hariva izy, tamin’izay. Nasehony tamin’ny alalan’io fanoharana io fa olona maro samihafa no nasaina hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Nohazavainy koa ny dikan’ny hoe “mitady fialan-tsiny.” (Vakio ny Lioka 14:16-21.) Samy nanao fialan-tsiny daholo ireo olona nasaina, tao amin’ilay fanoharana. Nilaza ny iray fa vao nividy saha ka nila nandeha nijery azy io. Ny iray nilaza fa vao nividy omby ka handeha handinika azy ireo. Hoy koa ny iray: “Vao avy nampaka-bady aho, ka tsy afaka ny ho tonga.” Tsy mitombina ireo fialan-tsiny ireo. Alohan’ny hividianany saha na omby ny olona iray no mandinika azy, ka tsy voatery handinika azy intsony avy eo. Nahoana koa moa ny olona vao avy nampaka-bady no tsy afaka ny ho tonga amin’ny fanasana lehibe toy izany? Tsy mahagaga àry raha tezitra be ilay tompom-panasana!

10 Afaka mandray lesona avy amin’io fanoharan’i Jesosy io ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Tsy tokony hampandefitra ny fanompoana an’Andriamanitra mihitsy isika noho ny raharahantsika manokana, toy ireo hita ao amin’ilay fanoharana. Hihena tsikelikely ny zotom-pontsika, raha ireny indray no ataontsika loha laharana. (Vakio ny Lioka 8:14.) Ahoana no hatao mba tsy hitrangan’izany? Araho ny fampirisihan’i Jesosy hoe: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” (Mat. 6:33) Tena mampahery ny mahita fa manaraka an’io torohevitra iankinan’ny aina io ny mpanompon’Andriamanitra, na antitra na tanora! Maro no nanatsotra ny fiainany mba hahafahana manompo bebe kokoa. Tsapan’izy ireo fa tena mahasambatra ny fahazotoana mikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana.

11. Milazà tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy ho be zotom-po isika?

11 Tena zava-dehibe ny fahazotoana manompo an’Andriamanitra, araka ny hita teo amin’ny fiainan’i Joasy mpanjakan’ny Israely. Natahotra i Joasy rehefa nahita fa mety ho resin’ny Syrianina ny Israelita, ka nandeha nitomany tany amin’i Elisa izy. Nilaza taminy ilay mpaminany mba handefa zana-tsipika teo am-baravarankely nanandrify an’i Syria. Nidika izany fa hanampy ny Israelita handresy an’io firenena io i Jehovah. Azo antoka fa nampahery an’ilay mpanjaka izany. Nilaza tamin’i Joasy indray i Elisa avy eo mba haka zana-tsipika, ka hikapoka ny tany. Intelo monja izy no nanao izany. Tezitra àry i Elisa, satria raha nikapoka indimy na inenina i Joasy, dia ho ‘namely an’i Syria, ka nandringana azy.’ Tsy nahavita nandringana an’i Syria anefa i Joasy, fa nandresy azy intelo fotsiny. Voafetra ihany ny fahombiazan’i Joasy, satria tsy be zotom-po izy. (2 Mpanj. 13:14-19) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo sy be zotom-po ihany isika, vao handrotsaka fitahiana maro ho antsika izy.

12. a) Inona no hanampy antsika ho be zotom-po hatrany, na dia eo aza ny olana? b) Inona no soa raisinao noho ianao be atao foana amin’ny fanompoana?

12 Maro ny olana mety hahatonga antsika tsy ho be zotom-po amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Betsaka, ohatra, ny rahalahy sy anabavy sahirana ara-bola. Kivy ny sasany satria marary be, ka tsy mahavita manompo firy. Afaka miezaka anefa ny tsirairay avy amintsika mba ho be zotom-po foana sy hanara-dia an’i Kristy hatrany. Misy torohevitra sy andinin-teny azonao jerena eo amin’ilay efajoro hoe “Inona no Hanampy Anao Hanara-dia An’i Kristy Foana?” Diniho izay azonao atao mba hampiharana tsara azy ireo. Handray soa tokoa ianao raha manao izany. Hilamina sy hahafinaritra ny fiainantsika raha be atao eo amin’ny fanompoana isika. Hiadana sy ho sambatra kokoa isika. (1 Kor. 15:58) Ho ao ‘an-tsaintsika foana’ koa “ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”, raha manompo azy amin’ny fo manontolo isika.—2 Pet. 3:12.

Diniho amim-pahatsorana ny tenanao

13. Ahoana no hataontsika mba hahitana raha manompo amin’ny fo manontolo isika na tsia?

13 Tadidio fa tsy ny habetsahan’ny fotoana lany eny amin’ny fanompoana no ahitana hoe manompo amin’ny fo manontolo isika na tsia. Samy hafa ny toe-javatra misy ny tsirairay. Mety ho adiny iray na roa monja, ohatra, no anompoan’ny olona iray, isam-bolana. Tena mahafaly an’i Jehovah anefa izany, raha izay no farany vitany noho ny toe-pahasalamany. (Ampitahao amin’ny Marka 12:41-44.) Mila mandinika ny toe-pahasalamantsika sy ny toe-javatra misy antsika àry isika, mba hahitana raha manompo amin’ny fo manontolo na tsia. Tokony hanahaka ny toe-tsain’i Kristy koa isika, satria mpanara-dia azy. (Vakio ny Romanina 15:5; 1 Kor. 2:16) Inona no nataony loha laharana teo amin’ny fiainana? Hoy izy tamin’ny vahoaka avy any Kapernaomy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43; Jaona 18:37) Eritrereto ny zotom-pon’i Jesosy tamin’ny fanompoana, ka diniho ny toe-javatra misy anao raha afaka mampitombo ny fanompoanao ianao.—1 Kor. 11:1.

14. Ahoana no azontsika hanitarana ny fanompoantsika?

14 Raha mandinika tsara ny toe-javatra misy antsika isika, dia mety hahita fa ho afaka hanompo bebe kokoa. (Mat. 9:37, 38) An’arivony maro tamin’ireo tanorantsika nahavita fianarana, ohatra, no nanitatra ny fanompoany ka lasa mpisava lalana be zotom-po. Tena faly izy ireo. Te ho faly toa azy ireo koa ve ianao? Nisy rahalahy sy anabavy sasany nandinika ny toe-javatra misy azy, ka nanapa-kevitra ny hanitatra faritany tao amin’ny taniny na tany an-tany hafa. Ny hafa indray nianatra teny vahiny mba hahafahana hitory amin’ny olona mampiasa fiteny hafa. Marina fa misy zava-tsarotra amin’ny fanitarana ny fanompoana, nefa ahazoana fitahiana maro koa izany. Mety hahavita hanampy olona maro ‘hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana’ isika.—1 Tim. 2:3, 4; 2 Kor. 9:6.

Ohatra azo tahafina ao amin’ny Baiboly

15, 16. Iza avy ireo mpanara-dia an’i Kristy mafana fo, azontsika tahafina?

15 Ahoana no nataon’ireo apostoly, tamin’izy ireo nantsoin’i Kristy hanara-dia azy? Hoy ny Baiboly, momba an’i Matio: “Nandao ny zava-drehetra izy ka nitsangana ary nanaraka azy.” (Lioka 5:27, 28) Mbola teo am-panaratoana i Petera sy Andrea, nefa ‘nandao ny haratony avy hatrany, ka nanaraka azy.’ Nanamboatra ny simba tamin’ny haratony niaraka tamin’ny rainy i Jakoba sy Jaona, rehefa niantso azy ireo i Jesosy. Ahoana no nataony? ‘Nandao ny sambokely sy ny rainy avy hatrany izy ireo, dia nanaraka azy.’—Mat. 4:18-22.

16 Ohatra tsara koa i Saoly, izay lasa apostoly Paoly. Mpanenjika nafana fo izy taloha, nefa niova ka lasa “fanaka voafidy” hitondra ny anaran’i Kristy. ‘Avy hatrany izy dia nitory tany amin’ny synagoga ka nilaza fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra.’ (Asa. 9:3-22) Niaritra zava-tsarotra sy fanenjehana maro izy, nefa tsy nihena mihitsy ny zotom-pony.—2 Kor. 11:23-29; 12:15.

17. a) Inona no irinao atao noho ianao mpanara-dia an’i Kristy? b) Inona avy no fitahiana azontsika noho isika manao ny sitrapon’i Jehovah amin’ny fontsika sy ny herintsika manontolo?

17 Azo antoka fa maniry hanahaka an’ireo mpianatra ireo isika, ka hanaiky avy hatrany ny fanasan’i Kristy hanara-dia azy. (Heb. 6:11, 12) Inona avy no fitahiana azontsika noho isika miezaka foana hanaraka amin-jotom-po ny dian’i Kristy? Tena faly isika manao ny sitrapon’Andriamanitra, ary afa-po fa mahazo andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana. (Sal. 40:8; vakio ny 1 Tesalonianina 4:1.) Mahazo fitahiana tondraka sy maharitra tokoa isika. Lasa miadan-tsaina, ohatra, isika, sambatra, ankasitrahan’Andriamanitra, ary manantena ny hiaina mandrakizay.—1 Tim. 4:10.

Tadidinao Ve?

• Inona no asa lehibe nasaina nataontsika, ary ahoana no tokony hiheverantsika azy io?

• Inona no toetra ratsy tokony hohalavirintsika, ary nahoana?

• Inona no tokony hodinihintsika momba ny tenantsika?

• Inona no hanampy antsika hanara-dia an’i Kristy foana?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Inona no Hanampy Anao Hanara-dia An’i Kristy Foana?

▪ Vakio isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ary saintsaino izay vakinao. —Sal. 1:1-3; 1 Tim. 4:15.

▪ Mivavaha matetika mba hahazoana ny fanampiana sy ny tari-dalan’ny fanahin’Andriamanitra.—Zak. 4:6; Lioka 11:9, 13.

▪ Miaraha amin’ireo be zotom-po amin’ny fanompoana.—Ohab. 13:20; Heb. 10:24, 25.

▪ Tadidio foana fa akaiky ny farany. —Efes. 5:15, 16.

▪ Aza hadinoina fa tena misy vokany ratsy ny ‘fitadiavana fialan-tsiny.’—Lioka 9:59-62.

▪ Saintsaino hatrany ny fanokanan-tenanao sy ny fitahiana maro azonao noho ianao manompo an’i Jehovah sy manara-dia an’i Kristy amin’ny fo manontolo.—Sal. 116:12-14; 133:3; Ohab. 10:22.