Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaraha Mamindra Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

Miaraha Mamindra Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

Miaraha Mamindra Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

“Andriamanitry ny fiadanana (...) anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony”.​—HEBREO 13:20, 21.

1. Firy ny isan’ny mponina maneran-tany, ary firy avy ireo mpikambana ao amin’ny fivavahana sasantsasany?

NAHATRATRA 6 000 tapitrisa ny isan’ny mponina maneran-tany, tamin’ny taona 1999. Milaza Ny Alimanakan’izao Tontolo Izao (anglisy) fa 1 165 tapitrisa amin’io isa io no Miozolimanina; 1 030 tapitrisa no Katolika Romanina; 762 tapitrisa no Hindoa; 354 tapitrisa no Bodista; 316 tapitrisa no Protestanta, ary 214 tapitrisa no Ortodoksa.

2. Inona no azo lazaina momba ny toe-javatra ara-pivavahana misy ankehitriny?

2 Azo inoana ve hoe nanao zavatra araka ny sitrapon’Andriamanitra avokoa ireo olona an-tapitrisany ireo rehefa jerena ny fisaratsarahana sy ny fisafotofotoana ara-pivavahana misy ankehitriny? Tsia, satria “Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana fa loharanon’ny fiadanana”. (1 Kôrintianina 14:33, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Ahoana kosa anefa ny amin’ilay firahalahiana iraisam-pirenena misy eo amin’ny mpanompon’i Jehovah? (1 Petera 2:17). Rehefa fotorana tsara, dia voaporofo fa ‘ilay Andriamanitry ny fiadanana dia mahatanteraka azy ireo amin’ny tsara rehetra mba hanao ny sitrapony’.​—Hebreo 13:20, 21.

3. Inona no nitranga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ary nahoana?

3 Mazava ho azy fa tsy ny isan’ny olona mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no ahafahana mamaritra raha mahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Tsy manaitra an’Andriamanitra koa ireo antontan’isa manondro fitomboana. Tsy ‘ny hamaroan’ny’ Isiraely noho ny firenen-kafa akory no nifidianan’i Jehovah azy, satria izy ireo aza, raha ny marina, no “vitsy” indrindra raha noharina tamin’izy ireny. (Deoteronomia 7:7). Tsy nahatoky anefa ny Isiraely, hany ka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nafindran’i Jehovah ho amin’ilay kongregasiona vaovao voaforon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ny fankasitrahany. Voahosotry ny fanahy masin’i Jehovah izy ireo ary nandeha nanambara tamin-jotom-po ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy i Kristy.​—Asan’ny Apostoly 2:41, 42.

Mandroso tsy an-kijanona

4. Nahoana no afaka milaza ianao fa nandroso tsy an-kijanona ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany?

4 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nandroso tsy an-kijanona ny kongregasiona kristianina, ka nanokatra faritany vaovao, nanao mpianatra, ary nahatakatra bebe kokoa ny fikasan’Andriamanitra. Niara-namindra tamin’ilay fahazavana ara-panahy nomena tamin’ny alalan’ireo taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ireo Kristianina tany am-boalohany. Nahazo fampirisihana noho ny fitsidihan’ny apostoly sy ny hafa izy ireo, ka nanatanteraka ny fanompoany. Misy firaketana an-tsoratra maro momba izany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Asan’ny Apostoly 10:21, 22; 13:46, 47; 2 Timoty 1:13; 4:5; Hebreo 6:1-3; 2 Petera 3:17, 18.

5. Nahoana ny fandaminan’Andriamanitra no mandroso ankehitriny? Nahoana isika no tokony hiara-mamindra amin’izy io?

5 Toa an’ireo Kristianina tany am-boalohany, dia nitombo avy tamin’ny fiandohana kely ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. (Zakaria 4:8-10). Nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia nisy porofo mazava fa teo amin’ny fandaminan’Andriamanitra ny fanahiny. Tsy niantehitra tamin’ny herin’olombelona isika, fa tamin’ny fitarihan’ny fanahy masina, ka nandroso hatrany teo amin’ny fahatakarana ny Soratra Masina sy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Zakaria 4:6). Ao anatin’ny “andro farany” isika izao, ka tena zava-dehibe ny hiaraha-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah mandroso. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Raha manao izany isika, dia ho afaka hamelona hatrany ny fanantenantsika, sy ho afaka handray anjara amin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina, dieny mbola tsy tonga tampoka amin’ity fandehan-javatra ity ny farany.​—Matio 24:3-14.

6, 7. Lafin-javatra telo inona avy, izay nanaovan’ny fandaminan’i Jehovah fandrosoana, no hodinihintsika?

6 Misy amintsika efa nanomboka nifanerasera tamin’ny fandaminan’i Jehovah tamin’ireo taona 1920 sy 1930 ary 1940. Iza tamintsika tokoa moa, nandritra ireny fotoana ireny, no ho nahazo an-tsaina ilay fitomboana miavaka sy fandrosoana miandalana eo anivon’ny fandaminana hatramin’izao andro izao? Eritrereto ange ireo zava-dehibe nitranga teo amin’ny tantarantsika maoderina e! Mitondra fahafaham-po ara-panahy tokoa ny misaintsaina an’izay notanterahin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vahoakany voalamina amin’ny fomba teokratika.

7 Niaiky volana mihitsy i Davida tamin’ny andro fahiny, rehefa nandinika ireo asa mahatalanjon’i Jehovah. “Tiako hambara sy holazaina ireny”, hoy i Davida, nefa “maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” (Salamo 40:5). Misy fetrany toy izany koa ny mety ho voatanisantsika, satria tsy ho vitantsika ny hitantara ireo asa lehibe maro sy mendri-piderana ataon’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Na izany aza anefa, dia andeha isika handinika lafin-javatra telo izay nanaovan’ny fandaminan’i Jehovah fandrosoana: 1) fahazavana ara-panahy mihamitombo, 2) fanompoana mihatsara sy mitatra, ary 3) fanitsiana ny fomba fiasan’ny fandaminana, izay tonga amin’ny fotoana ilana azy.

Velom-pankasitrahana noho ny fahazavana ara-panahy

8. Inona no nanjary takatsika momba ilay Fanjakana, noho ny fahazavana ara-panahy azontsika, araka ny Ohabolana 4:18?

8 Hita fa marina ny Ohabolana 4:18, raha ny fahazavana ara-panahy mihamitombo no resahina. Izao no voalazan’izy io: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” Velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fahazavana ara-panahy mihamitombo azontsika! Nasongadina ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1919, tany Cedar Point, any Ohio. Mampiasa ilay Fanjakana mba hanamasinana ny anarany sy hanamarinana ny fiandrianany i Jehovah. Noho ny fahazavana ara-panahy azontsika, dia nanjary takatsika hoe, manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy, dia porofoin’ny Baiboly fa fikasan’i Jehovah ny hanamasina ny anarany amin’ny alalan’ilay Fanjakana entin’ny Zanany. Izany no fototra iorenan’ilay fanantenana mahatalanjona ananan’ireo rehetra tia fahitsiana.​—Matio 12:18, 21.

9, 10. Tamin’ireo taona 1920, inona no fantatra momba ilay Fanjakana sy momba ireo fandaminana roa mifanohitra? Nahoana izany no mahasoa?

9 Tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point tamin’ny 1922, dia nanome izao fampirisihana izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra i J. F. Rutherford, mpandahateny nisongadina: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany”. Nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena”, tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Martsa 1925. Io lahatsoratra io dia nanintona ny saina ho amin’ny fahatakarana hevi-dalina ara-panahy mahakasika ireo faminaniana nilaza mialoha ny hiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Takatra tamin’ireo taona 1920 koa fa misy fandaminana roa mifanohitra, dia ny fandaminan’i Jehovah sy ny an’i Satana. Mbola mitohy ny ady eo amin’izy ireo, ary tsy ho anisan’ny mpandresy isika raha tsy miara-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah.

10 Ahoana no nanampian’izany fahazavana ara-panahy izany antsika? Koa satria tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Mpanjaka, dia tsy afaka ny ho anisan’izy io koa isika. Rehefa mitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao isika, dia mampiseho avy amin’izany fa miandany amin’ny fahamarinana isika. (Jaona 17:16; 18:37). Rehefa mandinika ireo olana saro-bahana mamely ity fandehan-javatra ratsy ity isika, dia velom-pankasitrahana erỳ noho isika tsy anisan’ny fandaminan’i Satana! Ary tombontsoa toy inona moa ny antsika noho isika tsy manana ahiahy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah!

11. Inona no anarana araka ny Soratra Masina noraisin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 1931?

11 Tamin’ilay fivoriambe tany Columbus, any Ohio, tamin’ny 1931, dia nampiharina araka ny tokony ho izy ny Isaia 43:10-12. Nandray anarana mampiavaka azy manokana ny Mpianatra ny Baiboly, dia ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Tombontsoa lehibe tokoa ny mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra mba hahatonga ny hafa hiantso azy io ka ho voavonjy!​—Salamo 83:18; Romana 10:13.

12. Fahazavana ara-panahy inona momba ny olona betsaka no nomena tamin’ny 1935?

12 Talohan’ireo taona 1930, dia somary tsy nahazo antoka ny amin’ny fanantenany momba ny fiainana ho avy ny ankamaroan’ny vahoakan’Andriamanitra. Nieritreritra ny hiaina any an-danitra ny sasany, nefa nanintona mafy azy ireo koa ny fampianaran’ny Baiboly momba ny tany ho tonga paradisa. Tamin’ilay fivoriambe tany Washington, tamin’ny 1935, dia nampientam-po erỳ ny nahafantatra fa kilasin’olona manana fanantenana ny ho eto an-tany ny olona betsaka voalazan’ny Apokalypsy toko faha-7. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia nandroso haingana tsy nisy toy izany ny fanangonana ny olona betsaka. Tsy velom-pankasitrahana ve isika fa tsy zava-miafina ho antsika ny momba ny olona betsaka? Tena misy ireo olona maro be angonina avy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny fiteny rehetra. Manosika antsika hanafaingana ny diantsika izany, eo am-piarahantsika mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah.

13. Inona ilay raharaha lehibe nasongadina tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1941, tany Saint Louis?

13 Nasongadina tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1941, tany Saint Louis, any Missouri, ilay raharaha lehibe tokony hahaliana ny taranak’olombelona. Tsy inona akory izany fa ny fanapahana na fiandrianana manerana izao rehetra izao. Io ilay raharaha tsy maintsy alamina tsy ho ela, ary mihamanatona haingana ilay andro lehibe sy mahatahotra hahavitan’izany! Nasongadina tamin’ny 1941 koa ilay raharaha mifandray amin’izy io, dia ny raharaha momba ny tsy fivadihana, izay mamela antsika hampiseho izay iandaniantsika isam-batan’olona, raha ny fiandrianan’Andriamanitra no resahina.

14. Inona no fantatra momba ireo mpanapaka voalaza ao amin’ny Salamo 45:16, tao amin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1950?

14 Tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1950, dia nampahafantarina mazava tsara hoe iza ireo mpanapaka ao amin’ny Salamo 45:16. Nisy fientanentanana be rehefa niresaka momba io foto-kevitra io ny Rahalahy Frederick Franz ka nanazava fa eo anivontsika ireo ho mpanapaka ao amin’ny tany vaovao. Nisy tsela-pahazavana ara-panahy maro tamin’iny fivoriambe iny, sy ireo natao tatỳ aoriana. (Salamo 97:11). Velom-pankasitrahana tokoa isika fa “toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro” ny lalantsika!

Fandrosoana teo amin’ny fanompoantsika

15, 16. a) Inona avy no fandrosoana nataontsika teo amin’ny fanompoana, nandritra ireo taona 1920 sy 1930? b) Boky inona avy no nanampy tosika ny fanompoana kristianina, tao anatin’ireo folo taona faramparany?

15 Ny lafiny faharoa nanaovan’ny fandaminan’i Jehovah fandrosoana dia mifandray amin’ilay asantsika lehibe indrindra, dia ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20; Marka 13:10). Mba hanatanterahana an’io asa io, dia nantitranterin’ny fandaminana tamintsika foana ny maha zava-dehibe ny hanitarana ny fanompoantsika. Nampirisihina handray anjara tamin’ny asa fitoriana ny Kristianina rehetra, tamin’ny 1922. Anjaran’ny tsirairay ny nampamirapiratra ny fahazavany, ka handray anjara amin’ny fanambarana ny fahamarinana. (Matio 5:14-16). Tamin’ny 1927, dia nisy fepetra noraisina mba hanokanana ny alahady ho andro hanompoana eny amin’ny saha. Nanomboka tamin’ny Febroary 1940, dia nanjary nahazatra ny nahita Vavolombelona manolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fampiononana (frantsay) (Mifohaza! ankehitriny) teny an-dalam-be tany amin’ireo faritra be toeram-piasana.

16 Tamin’ny 1937, dia nanomboka nampiasaina ilay bokikely hoe Fampianarana Modely (anglisy), izay nanantitrantitra ny ilana hanaovana fiverenana mitsidika mba hampianarana ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly. Nantitranterina mafy ny asa fampianarana Baiboly, tao anatin’ireo taona nanaraka izany. Nampiana tosika io lafiny amin’ny fanompoana io rehefa navoaka ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, tamin’ny 1946, sy ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ny 1968. Mampiasa kosa ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay isika ankehitriny. Mametraka fototra tsara ho amin’ny fanaovana mpianatra ny fandinihana an’io boky io.

Fandrosoana teo amin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny fandaminana

17. Ahoana no nandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah, mifanaraka amin’ny Isaia 60:17?

17 Ny lafiny fahatelo nanaovan’ny fandaminan’i Jehovah fandrosoana dia mifandray amin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny fandaminana. Nampanantena toy izao i Jehovah, araka ny Isaia 60:17: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Mifanaraka amin’io faminaniana io, dia nisy fepetra noraisina mba hiandraiketana amin’ny fomba tsara kokoa ny asa fitoriana ilay Fanjakana, sy mba hanatsarana ny asa fiandrasana ny ondry.

18, 19. Inona avy no fanatsarana ny fomba fiasan’ny fandaminana, natao tamin’ny lasa?

18 Tamin’ny 1919, dia nisy talen’ny fanompoana notendrena tao amin’ny kongregasiona tsirairay, izay nila nalamina ho amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Nanome tosika ny fanompoantsika teny amin’ny saha izany. Nifarana tamin’ny 1932 ny fifidianana loholona sy diakonina tao amin’ny kongregasiona. Nanamarika ny fialantsika tamin’ny fomba demokratika izany. Nisy dingana lehibe hafa iray natao tamin’ny 1938, rehefa nanomboka notendrena ireo rehetra manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Nifanaraka tsara kokoa tamin’ny fanendrena teokratika nisy tao amin’ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany izany. (Asan’ny Apostoly 14:23; 1 Timoty 4:14). Tamin’ny 1972, dia notendrena mba hanompo ireo mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana, sahala amin’ireo lehilahy toa azy, teo anivon’ny Kristianina tany am-boalohany. Tsy lehilahy iray monja no mpiandraikitra ny kongregasiona iray, fa araka ny Filipiana 1:1, sy ny andinin-teny hafa, dia mahaforona fitambaran-doholona ireo mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina mba ho mpiandraikitra.​—Asan’ny Apostoly 20:28; Efesiana 4:11, 12.

19 Tamin’ny 1975, dia nisy fandaharana iray nampiharina, dia ny hoe ireo komity ao amin’ny Fitambara-mpitantana no hiandraikitra ny asa maneran-tanin’ny fandaminan’Andriamanitra. Nisy Komitin’ny Sampana notendrena mba hiandraikitra ny asa ao amin’ny faritaniny avy. Nanomboka tamin’izay, dia nasiana fiheverana ny hanatsorana ny asan’ny foibe sy ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower, mba “hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa”. (Filipiana 1:9, 10, NW ). Anisan’ny andraikitra iantsorohan’ireo mpisorona lefitr’i Kristy ny fitarihana ny asa fitoriana, ny fampianarana ny kongregasiona, ary ny fiandrasana araka ny tokony ho izy ny andian’ondrin’Andriamanitra.​—1 Timoty 4:16; Hebreo 13:7, 17; 1 Petera 5:2, 3.

Jesosy​Mpitarika mavitrika

20. Inona no toerana tanan’i Jesosy, izay tsy maintsy ekentsika raha tiantsika ny hiara-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah?

20 Ny fiaraha-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah mandroso dia mitaky ny hanekentsika ny anjara asa nomen’Andriamanitra an’i Jesosy Kristy, amin’ny maha “Lohan’ny fiangonana” azy. (Efesiana 5:22, 23). Tsara homarihina koa ny Isaia 55:4, izay ilazana amintsika toy izao: “Indro, nataoko [Jehovah] vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho [mpitarika, NW ] sy komandy amin’ny firenena.” Azo antoka fa mahay mitarika i Jesosy. Fantany ihany koa ny ondriny sy izay zavatra ataon’izy ireo. Raha ny marina, dia indimy izy no niteny hoe “fantatro ny asanao”, fony izy nanao fisafoana an’ireo kongregasiona fito tany Azia Minora. (Apokalypsy 2:2, 19; 3:1, 8, 15). Fantatr’i Jesosy ihany koa izay ilaintsika, toy ny ahafantaran’i Jehovah Rainy izany. Nilaza toy izao i Jesosy, talohan’ny nanomezany ilay Vavaka Modely: “Fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo.”​—Matio 6:8-13.

21. Amin’ny fomba ahoana no itarihan’i Jesosy ny kongregasiona kristianina?

21 Amin’ny fomba ahoana no itarihan’i Jesosy? Ny fomba iray dia amin’ny alalan’ireo mpiandraikitra kristianina, dia ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’. (Efesiana 4:8, NW ). Ny Apokalypsy 1:16 dia milazalaza an’ireo mpiandraikitra voahosotra ho eny an-tanana ankavanan’i Kristy, izany hoe eo ambanin’ny fahefany. Mitarika ilay fandaharana ny amin’ny fampiasana loholona i Jesosy ankehitriny, na manana fanantenana ny ho any an-danitra ireny lehilahy ireny na ny ho eto an-tany. Araka ny nohazavaina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia notendren’ny fanahy masina, mifanaraka amin’ireo fepetra takin’ny Soratra Masina, izy ireo. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9). Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy antokona loholona tany Jerosalema nahaforona fitambara-mpitantana iray, izay niandraikitra ireo kongregasiona sy ny asa fitoriana ilay Fanjakana tamin’ny ankapobeny. Modely mitovy amin’izany no arahina ankehitriny eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah.

Aoka ianao haharaka!

22. Inona no fanampiana omen’ny Fitambara-mpitantana?

22 Nankinina tamin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny tombontsoan’ilay Fanjakana etỳ an-tany. Ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah no misolo tena ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Ny fanomezana toromarika sy fitarihana ara-panahy ho an’ny kongregasiona kristianina no imasoan’ny Fitambara-mpitantana voalohany indrindra. (Asan’ny Apostoly 6:1-6). Rehefa tratran’ny loza araka ny natiora anefa ireo mpiray finoana, dia asain’ny Fitambara-mpitantana mitondra fanampiana sy manamboatra na manarina ireo trano sy Efitrano Fanjakana simba, ny fikambanana ara-dalàna iray na mihoatra. Raha atao ratsy fitondra na enjehina ny Kristianina sasany, dia misy fepetra raisina mba hampaherezana azy ireo ara-panahy. Rehefa ao anatin’ny “vanim-potoana sarotra”, dia atao avokoa izay rehetra azo atao mba hampandrosoana hatrany ny asa fitoriana.​—2 Timoty 4:1, 2, NW.

23, 24. Inona no omen’i Jehovah hatrany, na inona na inona manjo ny vahoakany? Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

23 Manome hatrany sakafo ara-panahy sy izay tari-dalana ilaina i Jehovah, na inona na inona manjo ny vahoakany. Omen’Andriamanitra fahaiza-manavaka sy fahaiza-mahataka-javatra koa ireo rahalahy manana andraikitra, mba ho vonona ho amin’ny fandrosoana sy ny fanatsarana bebe kokoa eo anivon’ilay fandaminana teokratika. (Deoteronomia 34:9; Efesiana 1:16, 17). Azo antoka fa manome izay ilaintsika i Jehovah mba hanatontosana ilay asa fanaovana mpianatra nanirahana antsika, sy mba hanatanterahana ny fanompoantsika maneran-tany.​—2 Timoty 4:5.

24 Matoky tanteraka isika fa tsy handao na oviana na oviana ny vahoakany tsy mivadika aminy i Jehovah. Hamonjy azy ireo izy, mandritra ilay “fahoriana lehibe” ho avy. (Apokalypsy 7:9-14; Salamo 94:14; 2 Petera 2:9). Manana ny antony rehetra hihazonana mafy hatramin’ny farany ilay fatokisana nananantsika tamin’ny voalohany isika. (Hebreo 3:14). Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hiara-mamindra amin’ny fandaminan’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no afaka milaza fa mandroso hatrany ny fandaminan’i Jehovah?

• Inona no porofo fa mahazo fahazavana ara-panahy miandalana ny vahoakan’Andriamanitra?

• Inona avy no fanatsarana natao teo amin’ny fanompoana kristianina?

• Nanaovana fanitsiana tonga tamin’ny fotoana nilana azy ny fomba fiasan’ny fandaminana teo amin’ny mpanompon’i Jehovah, ka inona avy izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Toa an’i Davida, dia tsy ary ho voatanisantsika avokoa ireo asa mahatalanjon’i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Nandray soa ny andian’ondrin’Andriamanitra noho ny fanitsiana ny fomba fiasan’ny fandaminana, izay tonga tamin’ny fotoana nilana azy