Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampandrenesana Manokana

Fampandrenesana Manokana

Fampandrenesana Manokana

TEO am-pifaranan’ilay fivoriana fanao isan-taona, ho an’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, izay natao tamin’ny 7 Oktobra 2000, dia nisy fampandrenesana manokana nataon’ny mpitari-draharaha, izay tsy iza fa i John E. Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Fanamafisana ny lahatenin’i Theodore Jaracz sy i Daniel Sydlik, izay natao taloha kokoa tamin’io andro io, ilay fampandrenesana.​—Jereo ny pejy faha-12-16 sy ny faha-28-31 amin’ity gazety ity.

Nampivohitra hevitra tena mafonja ny Rahalahy Barr, tamin’ny fanambarana hoe: “ ‘Ny mpanompo mahatoky sy malina’ sy ny Fitambara-mpitantany dia nanankinana tombontsoa ambony kokoa sy mahafaoka zavatra be lavitra noho ny tombontsoa omena fikambanana ara-dalàna. Zavatra voafetra ihany no voasoritra ao amin’ny zava-kendren’ny fikambanana tsirairay toy ireny, araka ny faritan’ny sata mifehy azy. I Jesosy Kristy Tompontsika kosa anefa dia nanendry ny kilasin’ny mpanompo mahatoky mba hanapaka ny ‘fananany’ rehetra, na ny tombontsoan’ilay Fanjakana etỳ an-tany.”​—Matio 24:45-47, NW.

Nanampy teny toy izao ny Rahalahy Barr, mahakasika ny fikambanan’i Pennsylvania: “Nandray anjara lehibe teo amin’ny tantarantsika maoderina ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, hatramin’ny nanoratana azy ara-dalàna tany amin’ny fanjakana, tamin’ny 1884. Na izany aza anefa, dia fitaovana araka ny lalàna fotsiny izy io, izay azon’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ ampiasaina rehefa misy ilana izany.”

Nohazavain’ny Rahalahy Sydlik sy Jaracz tamin’ireo lahateniny fa nanankinana ny fananan’ny Tompo rehetra etỳ an-tany “ny mpanompo mahatoky sy malina”. Izany anefa dia tsy misakana ny kilasin’ny mpanompo tsy hamela lehilahy mahafeno fepetra, anisan’ny “ondry hafa”, mba hiantsoroka andraikitra ara-pitantanana mahazatra. (Jaona 10:16). Tsy misy antony araka ny Soratra Masina koa anizingizinana fa tokony ho Kristianina voahosotra ny mpitantana rehetra, na ny mpitantana iray, ao amin’ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nambaran’ny Rahalahy Barr tamin’ny mpanatrika fa tsy ela izay, dia nametra-pialana an-tsitrapo tsy ho anisan’ny filan-kevi-pitantanana sy tsy ho tompon’andraikitra ao amin’ireo fikambanana rehetra ampiasain’ny “mpanompo mahatoky sy malina” any Etazonia, ny sasany ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy rahalahy mendri-pitokisana, anisan’ny ondry hafa, nofidina hisolo azy ireo.

Mahasoa tokoa izany fanapahan-kevitra izany, satria mahatonga ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana ho afaka hanokana fotoana bebe kokoa hanomanana sakafo ara-panahy, sy hikarakarana amin’ny fomba hafa ny zavatra ara-panahy ilain’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany.

Ho famaranana, dia nanambara toy izao tamin’ireo mpihaino azy ravoravo ny mpitari-draharaha: ‘Misy andraikitra maro samihafa araka ny lalàna sy ara-pitantanana, nankinina tamina mpiandraikitra za-draharaha. Na izany aza anefa, dia manompo eo ambanin’ny fitarihana ara-panahin’ny Fitambara-mpitantana izy rehetra ireny. Mitodika any amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka isika rehetra mba handrotsahany fitahiana eo amin’ny ezaka ifarimbonantsika mba hanao ny sitrapony, ho fanajana sy ho voninahitry ny anarany lehibe.’