Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevi-diso 6: Ankasitrahan’Andriamanitra ny Fampiasana Sary Masina

Hevi-diso 6: Ankasitrahan’Andriamanitra ny Fampiasana Sary Masina

Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?

“Tsy nampiasa sary masina ireo Kristianina voalohany rehefa nivavaka ... Nanomboka nampiasa sary masina anefa ny fiangonana tamin’ny taonjato faha-4 sy faha-5, satria, ireny, hono, fa tsy ny toriteny na boky no hanampy kokoa an’ireo tsy nahita fianarana mba hahalala ny Fivavahana Kristianina.”—Rakipahalalana Momba Ireo Boky Manazava ny Baiboly sy ny Teolojia ary ny Fiangonana (anglisy), nataon’i McClintock sy Strong, Boky Faha-4, pejy 503 sy 504.

Inona no lazain’ny Baiboly?

“Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao.” (Eksodosy 20:4, 5, Kat.) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Ry zanako malalako, mitandrema ianareo amin’ny sampy.”—1 Jaona 5:21.

Milaza ireo mpivavaka fa manampy azy fotsiny hanatona sy hanome voninahitra an’izay asehon’ilay sary, ny sary masina. Marina ve izany? Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): “Natao hampianarana sy handravahana ireo sary, tamin’ny voalohany, raha araka ny filazan’ireo nampiasa azy. Tsy ela anefa dia nivavahana izy ireny. Toy izany, ohatra, ireo sary masina ampiasain’ny Fivavahana Ortodoksa.” Nanontany toy izao anefa i Isaia mpaminany: “Ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho azy?”—Isaia 40:18, Kat.

Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Isaia 44:13-19; Asan’ny Apostoly 10:25, 26; 17:29; 2 Korintianina 5:7

NY MARINA:

Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fampiasana sary masina

MIFIKIRA AMIN’NY MARINA FA TSY AMIN’NY HEVI-DISO

Inona no azontsika tsoahana, rehefa avy nandinika an’ireny hevi-diso mbola ampianarin’ny fiangonana maro ireny? Tsy mahasolo ny fahamarinana tsotra sy mampahery ao amin’ny Baiboly ireny “tantara tsy marina [grika: mytôs] noforonina tamin-kafetsena” ireny.—2 Petera 1:16.

Aza misalasala àry mampitaha izay ampianarina anao amin’izay voalazan’ny Baiboly, satria ao no misy ny fahamarinana. (Jaona 17:17) Amin’izay dia ‘ho fantatrao ny marina, ary ny marina hanafaka anao.’—Jaona 8:32.