Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilaina ve ny Mianatra Teny Hebreo sy Grika?

Tena Ilaina ve ny Mianatra Teny Hebreo sy Grika?

 Tena Ilaina ve ny Mianatra Teny Hebreo sy Grika?

TAMIN’NY teny hebreo sy grika no nanoratana ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny Baiboly. * Nahazo ny fitarihan’ny fanahy masina ireo mpanoratra, tamin’izany. (2 Samoela 23:2) “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” àry ny hafatra nosoratan’izy ireo.—2 Timoty 3:16, 17.

Tsy mahay teny hebreo na grika anefa ny ankamaroan’ny olona, ankehitriny. Mila mampiasa Baiboly nadika tamin’ny fiteniny izy ireo. Toy izany koa angamba ianao. Tsy avy amin’ny herin’ny fanahy masina ireny fandikan-teny ireny, ka mety hieritreritra ianao hoe: ‘Afaka ny hahazo tsara ny hafatra raketin’ny Baiboly ve aho raha mampiasa fandikan-teny iray, sa tokony hianatra teny hebreo sy grika aho?’

Tsara hotadidina

Ireto misy lafin-javatra vitsivitsy tsara hotadidinao, alohan’ny hamaliana an’io fanontaniana io. Voalohany, tsy ho liana ho azy amin’ny hafatra raketin’ny Baiboly ny olona iray mahay teny hebreo na grika fahiny. Hoy i Jesosy, rehefa niresaka tamin’ireo Jiosy tamin’ny androny: “Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina ianareo, noho ny fiheverana fa amin’ny alalan’izy io no hanananareo fiainana mandrakizay, ary izy io mihitsy no manome porofo momba ahy. Tsy mety manatona ahy anefa ianareo mba hanananareo fiainana.” (Jaona 5:39, 40) Fa inona no olana? Tsy nahay teny hebreo ve izy ireo? Tsia. Hain’izy ireo tsara io fiteny io. Hoy anefa i Jesosy: ‘Fantatro tsara fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao anatinareo.’—Jaona 5:42.

Hoy koa ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina niteny grika tany Korinto: “Ny Jiosy mangataka famantarana, ary ny Grika mitady fahendrena, fa isika kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana. Amin’ny Jiosy izany dia zavatra mahatafintohina, ary amin’ny hafa firenena dia hadalana.” (1 Korintianina 1:22, 23) Asehon’izany, fa tsy ny fahaizana teny hebreo na grika no mahatonga ny olona hanaiky ny hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

 Faharoa, tsy mitovy amin’ilay teny hebreo sy grika nanoratana ny Baiboly ny teny hebreo sy grika maoderina. Sarotra amin’ny ankamaroan’ny olona miteny grika ankehitriny ny mahatakatra tsara an’ilay teny grika fahiny. Maro ny voambolana vaovao, izay nasolo an’ireo teny tranainy. Efa niova koa ny hevitr’ireo teny tranainy maro mbola ampiasaina. Ilay teny nadika hoe “mahafatifaty” ao amin’ny Hebreo 11:23 sy ny Asan’ny Apostoly 7:20, ohatra, dia midika hoe “mampihomehy” amin’ny teny grika maoderina. Niova be koa ny fitsipi-pitenenana sy ny firafitry ny fehezanteny.

Tsy voatery hahatakatra tsara ny Baiboly, araka ny nanoratana azy tany am-boalohany, ianao, raha mahay teny hebreo na grika maoderina. Mbola mila mijery rakibolana sy boky momba ny fitsipi-pitenenana ianao, mba hahitana ny fomba nampiasana an’ireny fiteny ireny tamin’ny fotoana nanoratana an’ireo boky ao amin’ny Baiboly.

Fahatelo, tena mety ho sarotra ny mianatra fiteny vaovao. Mora ihany angamba ny mianatra voambolana vahiny vitsivitsy amin’ny voalohany. Mety hila hilofo mandritra ny taona maro anefa ianao, vao hahay an’ireo fahasamihafana madinidinika amin’ny hevitry ny teny iray. Mety hampidi-doza koa ny tsy fahampiam-pahalalana. Nahoana?

Inona no dikan’ilay teny?

Efa nisy vahiny nianatra teny malagasy nanontany anao ny dikan’ny teny iray ve? Tsy mora foana ny mamaly fanontaniana toy izany. Nahoana? Satria mety hanana heviny maromaro ny teny iray. Angamba ianao nila nanontany azy ny fehezanteny ahitana an’ilay izy. Mety ho sarotra aminao mantsy ny hahalala an’ilay hevi-teny tena tadiaviny, raha tsy izany. Mety hanontany anao ny hevitry ny teny hoe “manga”, ohatra, izy. Manana heviny maromaro io teny io. Mety ho loko izy io, izay fitambaran’ny maitso sy ny vony. Hazo fihinam-boa koa ny manga, ary io ihany no anaran’ny voany. Hafa tanteraka anefa ny heviny amin’ny hoe “manga feo.” Midika hoe “tsara” na “mahafinaritra” izy eo. “Ambony” na “malaza” kosa no heviny amin’ny hoe “olo-manga.” Ny “ombidia” no antsoina hoe “omby manga.” Ka iza amin’ireo no marina?

Hanome anao izay rehetra mety ho hevitry ny teny iray angamba ny rakibolana. Ny sasany aza mitanisa ny fomba mahazatra ampiasana azy io. Ny teny manodidina anefa no manampy anao hamaritra ny tena dikan’ilay teny. Intỳ misy ohatra: Andeha hatao hoe mahay kely momba ny fitsaboana ianao, ary te hahalala ny fototr’aretinao. Hijery boky momba ny fitsaboana angamba ianao. Mety hilaza aretina iray izy io, izay mpahazo ny olona manana soritr’aretina mitovy amin’ny anao. Mety ho aretina hafa tanteraka anefa ilay izy, saingy mahalana izy io vao mitranga. Tsy maintsy mikaroka kokoa ianao, vao hahalala hoe inona marina ny aretinao. Toy izany koa, fa na fantatrao aza ny hevitra mahazatra ampiasana ny teny iray, dia tsy hanampy anao hahatakatra lahatsoratra iray tena manan-danja izany, raha ny heviny hafa no ampiasaina ao. Mila mandinika tsara ny teny manodidina ianao, vao hahalala ny tena hevitr’ilay teny.

Mila mahatakatra ny teny manodidina koa ianao, vao hahay ny dikan’ireo teny ao amin’ny Baiboly. Miova arakaraka ny teny manodidina, ohatra, ny hevitr’ilay teny hebreo hoe roah sy ilay teny grika hoe pneoma. Azo adika hoe “rivotra” izy ireo, indraindray. (Eksodosy 10:13; Jaona 3:8) Aina na hery mamelona ny olona sy ny biby kosa no heviny amin’ny toe-javatra hafa. (Genesisy 7:22; Salamo 104:29; Jakoba 2:26) Adika hoe fanahy izy ireo, rehefa manondro an’ireo zavaboary any an-danitra. (1 Mpanjaka 22:21,  22; Matio 8:16) Adika hoe fanahy masina kosa ny hery ampiasain’Andriamanitra. (Genesisy 1:2; Matio 12:28) Ampiasaina koa ireo teny ireo mba hilazana ny hery mahatonga ny olona hanana karazana fihetsika na fitondran-tena na fihetseham-po iray, na koa toe-tsaina manjaka ao amin’ny antokon’olona iray.—Josoa 2:11; Galatianina 6:18.

Ny teny manodidina no hanampy anao hamaritra ny heviny marina, na dia mitanisa an’ireo dikany ireo aza ny rakibolana hebreo na grika. * Izany no izy, na mamaky Baiboly amin’ireo fiteny tany am-boalohany ianao, na mampiasa Baiboly amin’ny fiteninao.

Mety ve ny mampiasa Baiboly nadika tamin’ny fiteny iray?

Nisy olona niezaka mafy mba hianatra teny hebreo na grika, na izy roa miaraka. Fantany hoe voafetra ny zavatra hainy, kanefa mahafinaritra azy ny mamaky Baiboly amin’ny fiteny nanoratana azy tany am-boalohany. Mihevitra izy fa tsy very maina ny ezaka nataony. Tsy tokony ho kivy anefa ianao, na dia tsy afaka manao toy izany aza. Tsy tokony hisakana anao tsy hitady ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izany. Nahoana? Noho ny antony maro.

Voalohany, mety tsara ny mampiasa Baiboly nadika tamin’ny fiteny iray. Nampiasa fandikan-teny tamin’ny teny grika ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, na ny Testamenta Vaovao, rehefa naka teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo. * (Salamo 40:6; Hebreo 10:5, 6) Nahay teny hebreo izy ireo sady afaka naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Naleony anefa nampiasa ilay fandikan-teny nampiasain’ny  ankamaroan’ny olona nanoratany.—Genesisy 12:3; Galatianina 3:8.

Faharoa, na mahay an’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany aza ny olona iray, dia tsy ho afaka hamaky ny tenin’i Jesosy amin’ny fiteny nampiasainy. Niresaka tamin’ny teny hebreo mantsy izy. Nosoratan’ireo mpanoratra ny Filazantsara tamin’ny teny grika anefa ny teniny. * Asehon’izany fa tsy ny fiteny amakiantsika ny Baiboly no zava-dehibe, satria na i Jehovah aza namela ny tenin’ilay Mpanompony lehibe indrindra hadika tamin’ny fiteny fantatry ny ankamaroan’ny olona tamin’izany. Tsy tokony hirehareha àry isika, raha afaka mamaky ny tenin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika fahiny amin’ny teny tany am-boalohany. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe afaka mamaky ny Baiboly amin’ny fiteny haintsika isika, ary misy vokany amintsika izay voalaza ao.

Fahatelo, natao ho an’ny olon-tsotra avy amin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” ny “vaovao tsara” ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 14:6; Lioka 10:21; 1 Korintianina 1:27-29) Afaka mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao, nefa tsy voatery mianatra fiteny hafa. Ahitana Baiboly amin’ny fandikan-teny samihafa aza ny fiteny maro, ka afaka misafidy izay tiany hampiasaina ny mpamaky. *

Ahoana àry no ahazoanao antoka fa mahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ianao? Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ny fianarana ny Baiboly araka ny foto-kevitra sy ny fandinihana ny teny manodidina, no fomba mahomby ahatakarana ny hafatra raketin’izy io. Mifidy foto-kevitra iray izy ireo, ohatra hoe “Fanambadiana.” Jereny ireo andinin-teny mifandray amin’io foto-kevitra io. Hita avy amin’izany hoe hazavain’ny andinin-teny sasany ny andinin-teny hafa. Manasa ny olona hiara-mianatra Baiboly aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka miara-mianatra amin’izy ireo koa ianao. Sitrapon’Andriamanitra mantsy ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana”, na inona na inona fiteniny.—1 Timoty 2:4; Apokalypsy 7:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Nosoratana tamin’ny teny aramianina, izay mitovitovy amin’ny teny hebreo tany am-boalohany, ny ampahany amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny Ezra 4:8 ka hatramin’ny 6:18 sy ny 7:12-26, Jeremia 10:11 ary ny Daniela 2:4b ka hatramin’ny 7:28.

^ feh. 14 Tsara homarihina fa tsy manome famaritana ny rakibolana ara-baiboly sasany, fa mitanisa fotsiny ny fomba nandikana ireo teny ao amin’ny Baiboly iray, toy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy).

^ feh. 17 Efa voadika tamin’ny teny grika ny ankamaroan’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo, tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, io fandikan-teny io, tatỳ aoriana. Nampiasa be azy io ireo Jiosy niteny grika tamin’izany. Nifototra tamin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo ny ankamaroan’ireo teny an-jatony ao amin’ny Soratra Grika, izay nalaina avy tao amin’ny Soratra Hebreo.

^ feh. 18 Misy mino fa tamin’ny teny hebreo no nanoratan’ny apostoly Matio ny filazantsarany, tamin’ny voalohany. Na marina izany na tsia, dia ilay Filazantsara amin’ny teny grika no mbola voatahiry hatramin’izao, ary mety ho izy ihany no nandika azy io.

^ feh. 19 Miresaka fandikan-teny samihafa sy ny fomba isafidianana ny fandikan-teny marina tsara ilay lahatsoratra hoe “Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2008.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo

Nampiasa be ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ireo Jiosy niteny grika tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika izy io, ary miavaka satria io no fantatra fa fandikan-teny voalohany amin’ny Soratra Masina. Asa be koa ny fandikana azy. Nanomboka nandika ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo ny mpandika teny maromaro tamin’ny taonjato fahatelo T.K., ary olon-kafa no namita an’ilay asa, zato taona mahery tatỳ aoriana.

Tsy ela taorian’izay, dia nampiasa azy io ny Kristianina voalohany mba hanaporofoana fa i Jesosy no Kristy, ilay Mesia nampanantenaina. Tena nahomby izy ireo tamin’izany, hany ka nisy nihevitra fa fandikan-teny “kristianina” ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo. Lasa tsy te hampiasa azy io intsony ny Jiosy, ka nanjary nisy fandikan-teny grika hafa navoaka. Anisan’izany ilay fandikan-teny vita tamin’ny taonjato faharoa A.K., izay nataon’i Aquila, olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Niresaka “lafin-javatra tsy nampoizina” hita tao amin’io fandikan-teny io ny iray amin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly. Miverimberina ao amin’io fandikan-teny grikan’i Aquila io ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, amin’ny litera hebreo fahiny.

[Sary nahazoan-dalana]

Israel Antiquities Authority

[Sary, pejy 23]

Zava-dehibe ny hoe afaka mamaky ny hafatra ara-baiboly amin’ny fiteny haintsika isika, ary misy vokany amintsika izay voalaza ao