Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2009

Mahagaga fa Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly

Mahagaga fa Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly

NY BAIBOLY no boky miely indrindra. Tokotokony ho 4 800 tapitrisa no efa niparitaka eran-tany. Tamin’ny 2007 fotsiny, dia 64 600 000 mahery no natao pirinty. Nisy boky hafa be mpividy ihany tamin’io taona io, saingy tsy nihoatra ny 12 tapitrisa no natao pirinty tany Etazonia.

Efa saika tsy nisy intsony ny Baiboly. Nodorana izy io, ary norarana tsy hamaky azy ny olona. Nampijalina sy novonoina koa izay nandika azy tamin’ny fiteny hafa. Mbola nisy fahavalo lehibe hafa koa anefa, dia ny bobongolo. Ahoana izany?

Misy boky 66 ao amin’ny Baiboly. Maherin’ny 3 000 taona izay no nanoratana ny tranainy indrindra amin’izy ireo, ary Israelita no nanoratra azy. Zavatra mora simba toy ny taratasy papyrus sy hoditra no nampiasain’ireo nanoratra sy nanao kopia ny Baiboly. Efa tsy hita intsony àry ny Baiboly tany am-boalohany. An’arivony kosa ny kopia hita, na dia misy tsy feno aza izy ireny. Anisan’izany ny kopian’ny Filazantsaran’i Jaona. Am-polony taona monja taorian’ny nanoratan’ny apostoly Jaona an’ilay Filazantsara izy io no vita.

‘Mahagaga fa mbola voatazona tsara ao amin’ny Baiboly ankehitriny izay voasoratra tao amin’ireo kopia tranainy amin’ny Baiboly Hebreo [Testamenta Taloha]. Tsy mba toy izany ny boky tsy ara-pivavahana tamin’ny teny grika sy latinina, rehefa natao kopia.’—Profesora Julio Trebolle Barrera

Nahoana no mahagaga hoe mbola misy hatramin’izao ireny kopia ireny? Tena mitovy amin’ny Baiboly tany am-boalohany ve ny Baiboly ankehitriny?

Nahoana no tsy misy intsony ny boky hafa fahiny?

Tena mahagaga hoe mbola misy ny Baiboly, nefa efa tsy misy intsony ny boky niara-nosoratana taminy. Anisan’izany ny bokin’ny Fenisianina, izay nonina tsy lavitra ny Israelita, nandritra ny arivo taona voalohany Talohan’i Kristy (T.K.). Tantsambo izy ireo, ka afaka nampianatra ny sorany nanerana ny faritra nanodidina ny Ranomasina Mediterane. Afaka nampiasa tsara ny taratasy papyrus koa izy ireo satria nanondrana azy io avy tany Ejipta nankany Gresy. Hoy anefa ny gazety Vaovao Momba ny Tany (anglisy): ‘Tsy nisy tavela ny asa soratr’izy ireo. Taratasy papyrus mantsy no nanoratany, nefa mora simba izy ireny. Boky nosoratan’ny fahavalony sisa no tena ahalalana momba ny Fenisianina. Efa ela no tsy nisy intsony ny asa soratry ny Fenisianina, nefa voalaza fa nanana asa soratra maro be izy ireo.’

Ary ahoana ny asa soratry ny Ejipsianina? Kisarisary no soratr’izy ireo, ary nataony teny amin’ny rindrin’ny tempoliny na toeran-kafa izany. Nampahalaza azy ireo koa ny fanamboarana taratasy tamin’ilay zozoro atao hoe papyrus. Hoy anefa i K. Kitchen, mpandinika ny asa soratra ejipsianina fahiny: ‘Tsy nisy niangana ny ankamaroan’ny asa soratra natao tamin’ny papyrus tamin’ny taona 3000 T.K. tany ho any ka hatramin’ny andron’ny Grika sy ny Romanina.’

Ary ahoana ny amin’ny papyrus nanoratan’ny Romanina? Toa intelo isan-taona  ny miaramila romanina no nandray karama, ary nomena rosia vita tamin’ny papyrus, araka ny boky iray. Tokotokony ho 225 000 000 ny rosia nozaraina nandritra ny 300 taona, nanomboka tamin’ny fitondran’i Aogosto (27 Talohan’i Kristy–14 Aorian’i Kristy) ka hatramin’ny fitondran’i Dioclétien (284 A.K.–305 A.K.). Firy sisa no hita? Tsy nisy afa-tsy roa no hay vakina.

Nahoana no tsy dia nisy nateza ireny asa soratra ireny? Mora bobongolo ny papyrus sy ny hoditra rehefa tratran’ny hamandoana. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): ‘Nety tsy ho simba ihany ireo asa soratra natao tamin’ny papyrus nandritra ny arivo taona voalohany T.K., raha notehirizina tany an-tany efitra, ka napetraka tao anaty lava-bato na efitra maina tsara.’

Nahoana no nateza ny Baiboly?

Zavatra mora simba toy ny nampiasain’ny Fenisianina sy ny Ejipsianina ary ny Romanina ihany no nanoratana ny Baiboly. Nahoana anefa ny Baiboly no mbola tsy fongana, ary lasa ny boky miely indrindra eran-tany? Hoy ny Profesora James Kugel: “Mbola velona ireo mpanoratra Baiboly, dia efa natao kopia imbetsaka ny boky nosoratany.”

Mitovy amin’izay voasoratra ao amin’ireny kopia fahiny ireny ve anefa ny ao amin’ny Baiboly ankehitriny? Anisan’ny kopia tranainy hita, ohatra, ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Nandinika sy nanao pirinty azy io i Julio Trebolle Barrera sy ny manam-pahaizana vitsivitsy hafa. Hoy izy: ‘Mahagaga fa mbola voatazona tsara ao amin’ny Baiboly ankehitriny izay voasoratra tao amin’ireny kopia tranainy amin’ny Baiboly Hebreo ireny. Tsy mba toy izany ny boky tsy ara-pivavahana tamin’ny teny grika sy latinina, rehefa natao kopia.’ Hoy koa i F. Bruce, manam-pahaizana momba ny Baiboly: ‘Maro ny porofo mampiseho fa tena mitovy amin’ny tany am-boalohany ny Testamenta Vaovao ananantsika ankehitriny. Tsy mba toy izany kosa ireo asa soratra hafa fahiny natao kopia. Tsy misy mitsikera anefa izy ireny. Raha tsy boky ara-pivavahana koa ny Testamenta Vaovao, dia azo inoana fa tsy ho nisy nitsikera.’ Tena miavaka àry ny Baiboly. Mamaky azy io isan’andro ve ianao?—1 Petera 1:24, 25.

Mbola misy kopia tranainy amin’ny Baiboly voatahiry, ka 6 000 eo ho eo ny Soratra Hebreo na Testamenta Taloha, ary 5 000 eo ho eo ny Soratra Grika na Testamenta Vaovao