Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2009

Hevi-diso 5: Renin’Andriamanitra i Maria

Hevi-diso 5: Renin’Andriamanitra i Maria

Ahoana no niandohan’io hevi-diso io?

‘Nahazo vahana ny fankamasinana ny renin’Andriamanitra, rehefa nirohotra nanaraka ny fivavahana kristianina ny mpanompo sampy. Efa an’arivony taona izy ireny no tia fivavahana, satria efa nivavaka tamin’ilay andriamanibavy “reny lehibe” sy ilay “virjiny andriamanitra.” ’—Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1988), Boky Faha-16, pejy 326 sy 327.

Inona no lazain’ny Baiboly?

“Hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jeso no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra ... Noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.”—Izahay no manao sora-mandry; Lioka 1:31-35, Kat.

Voalaza eo fa renin’ny “Zanak’Andriamanitra” i Maria, fa tsy renin’Andriamanitra. ‘Ny lanitra aza tsy omby’ an’Andriamanitra, koa mainka fa ny kibon’i Maria? (1 Mpanjaka 8:27) Tsy nihambo ho renin’Andriamanitra mihitsy i Maria. Ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray no nahatonga ny olona tsy hahalala ny marina momba an’i Maria. Nilaza ny Konsilin’i Efezy tamin’ny taona 431 fa Theotokos (teny grika midika hoe “niteraka an’Andriamanitra”), na “Renin’Andriamanitra” i Maria. Izany no nahatonga ny olona hivavaka aminy. Tao Efesosy no nanaovana ilay konsily, nefa tao no foiben’ny fivavahana tamin’i Artemisy (andriamanibavin’ny fahafaha-miteraka), nandritra ny taonjato maro.

Lasa fanaon’ireo mpivavaka amin’i Maria àry ny fombafomba maron’ireo mpivavaka tamin’ny sarin’i Artemisy, izay “latsaka avy tany an-danitra”, hono. (Asan’ny Apostoly 19:35) Anisan’izany ny filaharam-be ataon’ireo mpivavaka amin’i Maria, sy ny fivavahana amin’ny sariny sy ny sarin’ny olo-masina hafa.

Ampitahao amin’ireto andininy ireto izany: Matio 13:53-56; Marka 3:31-35; Lioka 11:27, 28

NY MARINA:

Renin’ny Zanak’Andriamanitra i Maria, fa tsy renin’Andriamanitra. Ilay hevi-diso hoe telo izay iray Andriamanitra no nahatonga ny olona hino hoe Renin’Andriamanitra i Maria