Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vaovao Tsara Amin’ny Fiteny 500

Vaovao Tsara Amin’ny Fiteny 500

 Vaovao Tsara Amin’ny Fiteny 500

NANDOSITRA ny mpandika teny vitsivitsy, rehefa nisy ady an-trano tany Rwanda. Nilaozan’izy ireo ny fonenany sy ny fananany. Nentiny tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana anefa ireo ordinatera entin-tanana. Nahoana? Afaka manohy ny fandikana boky sy gazety ara-baiboly amin’ny teny kinyarwanda izy ireo amin’izay.

Eo anoloan’ny ordinatera ny tovovavy mpandika teny iray any amin’ny faritra Atsimoatsinanan’i Azia. Efa alina be anefa ny andro. Izy koa efa reraka sady miaritra ny hafanana. Tapaka matetika ny jiro, ary mampiato ny asany izany. Ny tanjony? Hanenjika ny daty hanaovana pirinty.

Anisan’ireo mpandika teny 2 300 eo ho eo, izay miasa an-tsitrapo any amin’ny toerana 190 mahery maneran-tany, izy ireo. Eo anelanelan’ny 20 sy 90 taona ireo mpandika teny, ary miasa mafy mba hahazoan’ny olona fampiononana avy amin’ny hafatra ara-baiboly amin’ny fiteny 500.—Apokalypsy 7:9.

Natao ho an’ny olona samy hafa fiteny

Mandroso be tsy misy hoatr’izany ny asa fandikan-teny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niara-nivoaka tamin’ny fiteny 23, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1985. Zava-bita niavaka izany tamin’izay. Misy amin’ny fiteny 176 anefa izao ny Tilikambo, ary miara-mivoaka ny lahatsoratra rehetra. Mianatra fanazavana mitovy amin’ny fotoana iray ihany àry ireo mpamaky eran-tany.

Ny Tilikambo irery no gazety mivoaka tsy tapaka amin’ny fiteny 50 eo ho eo. Nahoana? Tsy dia mazoto mamokatra boky sy gazety amin’ny fiteny eo an-toerana ireo orinasa mpanao pirinty. Vonona hifanampy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, mba hahafahana hamoaka ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky aman-gazety any amin’ny toerana ilana izany.—2 Korintianina 8:14.

Tena sarobidy amin’ny olona ny hafatra ara-baiboly amin’ny fiteniny. Vao tsy ela, ohatra, dia navoaka tamin’ny teny miskito ny boky sy gazety. Olona 200 000 eo ho eo no mampiasa an’io fiteny io any Nikaragoà. Nangataka Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, * amin’ny teny miskito, ny vehivavy iray. Teo ny pasitera teo an-toerana rehefa nomena azy ilay izy. Tsara tarehy ilay boky ka naniry hahazo azy io ilay pasitera. Tsy nanaiky anefa ilay vehivavy, na dia notadiavin’ilay pasitera hatakalo voan-kafe 20 kilao aza izy io!

Voadika amin’ny fitenim-paritra 12 mahery  any Meksika ireo boky sy gazety, tao anatin’ireo folo taona lasa. Anisan’izany ny teny maya sy nahuatl ary tzotzil. Tsy ampy folo taona akory, dia lasa 1 200 mahery ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitenim-paritra sy tenin’ny tanana any Meksika, raha 72 izany teo aloha. Ny Vavolombelon’i Jehovah no mamboly ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ny olona, fa Andriamanitra no avelany hampitombo izany.—1 Korintianina 3:5-7.

Baiboly amin’ny fiteny 80

Niasa mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hamokarana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ampahany amin’ny fiteny 80. Inona no vokany? Hoy ny Vavolombelona iray atsy Afrika Atsimo momba ny Baiboly amin’ny teny tswana: “Fitaovana tena tsara izy ity, ary vao mainka hampitombo ny fankasitrahako ny Tenin’Andriamanitra. Mora vakina sy mahafinaritra ny teny ao anatiny.” Hoy ny mpamaky iray miteny tsonga, any Mozambika: “Na eo aza ny boky sy gazety ara-baiboly rehetra nefa tsisy Baiboly, dia toy ny kotroka sy tselatra tsisy orana izany! Toy ny nilatsaka anefa ny orana rehefa nivoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tsonga.”

Mahavariana fa manatanteraka faminaniana iray ireo mpandika teny sy ireo mpitory ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly. I Jesosy Kristy mihitsy no niteny hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Kisary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

FANDIKAN-TENIN’NY BOKY SY

TONTOLO VAOVAO GAZETY

Manontolo

na ampahany

80 2010 500 2010

36 2000

13 1990 200 1990

190 1980

7 1970 165 1970

125 1960

1 1950 88 1950

ISAN’NY FITENY

[Sary, pejy 24, 25]

Mpiasa an-tsitrapo 2 300 eo ho eo no mandika boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny 500

BÉNIN

SLOVENIA

ETIOPIA

GRANDE-BRETAGNE