Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2009

Ny Niavian’ireo Hevi-diso Ara-pivavahana

Ny Niavian’ireo Hevi-diso Ara-pivavahana

“TANDREMO”, hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina velona tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Nahoana? “Sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona.”—Kolosianina 2:8.

Indrisy anefa fa nisy Kristianina nanomboka nampiasa ny filozofia fahiny mba hanazavana ny zavatra ninoany, teo antenatenan’ny taonjato faharoa. Nahoana? Te hahazo sitraka tamin’ny avara-pianarana tao amin’ny Fanjakana Romanina izy ireo, mba hahataona olona maro kokoa ho lasa Kristianina.

Anisan’ny Kristianina nalaza indrindra tamin’izany i Justin Maritiora. Nino izy fa efa niseho tamin’ireo filozofa grika i Jesosy, Mpitondra Tenin’Andriamanitra, ela be talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Nilaza izy sy ireo mpampianatra hafa, fa ny fampidirana filozofia sy angano tao amin’ny Fivavahana Kristianina no nahatonga azy io ho tian’ny olon-drehetra.

Maro be no voataonan’i Justin Maritiora hanaiky izany Fivavahana Kristianina amin’ny endriny vaovao izany. Rehefa nanaiky hevi-diso iray anefa ny fivavahana dia nanjary nanaiky hevi-diso hafa, ary lasa foto-pinoana kristianina ireny hevi-diso ireny. Mba hampiharihariana azy ireny àry, dia ampitahao amin’izay tena ampianarin’ny Baiboly ny voalazan’ireo boky ao amin’ny lahatsoratra manaraka.