Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA NOVAMBRA 2009

  Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Marary ve ny Vadinao?

Marary ve ny Vadinao?

Rera-dava aho, ary efa aretina mihitsy ilay izy. Ny vadiko irery àry no miasa. Tsy miresaka amiko momba ny volanay mihitsy anefa izy. Tsy haiko ny antony. Tena kely angamba ilay izy, ka matahotra hiresaka izany amiko izy sao handreraka ahy.—Nancy. *

TSY misy mpivady tsy manana olana. Vao mainka anefa mitombo izany, rehefa manana aretina mitaiza ny iray amin’izy roa. * Manana aretina mitaiza ve ny vadinao? Miady saina angamba ianao hoe: ‘Hahavita hikarakara azy foana ve aho, sady hiasa no hanao ny raharaha? Ahoana no hataoko raha mihombo ny aretiny?’ Mety hanamelo-tena mihitsy ianao hoe: ‘Tahaka izay mba izaho no narary fa tsy izy.’

Raha ianao indray no marary, dia mety hieritreritra hoe: ‘Dia inona intsony moa no ilana ahy? Izaho aza tsy mahavita ny andraikitro intsony! Mbola ho tia ahy ve ny vadiko? Tsy ho sambatra intsony ve izahay?’

Mampalahelo fa kivy ny mpivady sasany, ka aleony misaraka. Tsy voatery hiafara toy izany anefa ny tokantranonareo.

Maro ny mpivady tsy mifanary, na dia eo aza ilay olana. Vao mainka aza mifankatia izy ireo. Anisan’izany i Yoshiaki sy Kazuko. Marary hazondamosina i Yoshiaki, ka tsy afa-mihetsika mihitsy raha tsy misy manampy. Hoy i Kazuko: “Mila ahy foana ny vadiko amin’ny zava-drehetra. Manaintaina ny hatoko sy ny soroko ary ny sandriko noho ny fikarakarana azy. Mitsabo tena any amin’ny hopitaly foana àry aho. Matetika aho no reraka loatra.” Tsy nampiova ny fifandraisan’izy roa anefa izany. Hoy i Kazuko: “Vao mainka izahay mifankatia be.”

Nahoana àry no misy mpivady sambatra na dia manana aretina mitaiza aza ny iray? Satria raisiny ho toy ny hoe izy roa mihitsy no marary. Samy malahelo tokoa ny mpivady rehefa marary ny iray, na dia tsy mitovy  aza ny fisehon’ny alahelony. Efa natao hifampiankina mantsy izy roa. Hoy ny Genesisy 2:24: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” Tena mila mifanampy àry ny mpivady.

Hita tamin’ny fikarohana fa mahavita miaritra ny mpivady rehefa miezaka mifankatia foana, na eo aza ny aretina mitaiza. Mahita hevitra tsara hiatrehana an’ilay olana izy ireo. Maro amin’ireny hevitra ireny no hita ao amin’ny Baiboly, ilay boky tsy mety lany andro. Andeha hojerentsika ny telo amin’izany.

Aoka ianareo hifanohana

Hoy ny Mpitoriteny 4:9, 10: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ... raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.” Azo lazaina hoe “manarina” ny vadinao ianao, rehefa mankasitraka azy.

Mitadiava koa fomba hifanampiana. Hoy i Yong, izay manambady malemy: “Mieritreritra izay ilain’ny vadiko foana aho. Rehefa mangetaheta aho, dia anontaniako izy raha mangetaheta koa. Rehefa te hitsangantsangana eny an-tokotany aho, dia anontaniako izy raha te handeha koa. Miara-miory sy miara-miaritra izahay.”

Ary ahoana raha ianao ilay karakaraina? Jereo sao mba misy zavatra tsotsotra azonao atao hikarakarana ny tenanao. Hahatsiaro tena ho misy vidiny ianao amin’izay. Hihena koa ny andraikitry ny vadinao, ka hahavita hikarakara anao foana izy.

Aza tonga dia mihevitra hoe fantatrao izay tena ilain’ny vadinao. Aleo kosa mifampiresaka. Izany no nataon’i Nancy, ilay voaresaka terỳ aloha. Notsoriny tamin’ny vadiny fa nalahelo izy satria tsy fantany ny fandehan’ny vola tao an-trano. Miezaka miresaka aminy momba izany àry izao ny vadiny.

ANDRAMO IZAO: Soraty izay soso-kevitra tianao homena ny vadinao mba hahamora kokoa ny fiainanareo. Asaivo manao toy izany koa izy. Vakio izay nosoratany, ary asaivo vakiny koa ny anao. Samia avy eo mifidy soso-kevitra iray na roa azo ampiharina.

Aza mifantoka loatra amin’ilay aretina

Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.” (Mpitoriteny 3:1) Mila manokana fotoana hanaovana zavatra hafa ianareo, mba tsy hifantohana loatra amin’ilay aretina. Mety ho sarotra anefa izany noho ny fiovana mitranga ao an-tokantranonareo. Inona àry no azonareo atao?

Manokàna fotoana tsy tapaka hiarahanareo miala voly. Mbola afaka manao ny zavatra sasany nahafinaritra anareo taloha ve ianareo? Raha tsia, nahoana raha manao zavatra hafa indray? Mety daholo na zavatra tsotra toy ny fiarahana mamaky boky, na zavatra mahaliana toy ny fianarana teny vahiny. Hahatonga anareo hifankatia sy ho sambatra kokoa izany.

Nahoana raha miara-miala voly, mba tsy hifantohana be loatra amin’ilay aretina?

Tsara koa ny miara-miala voly amin’ny namana. Hoy ny Ohabolana 18:1: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” Tsy tsara ny mitokantokana satria misy vokany ratsy eo amin’ny saina. Miezaha àry hifanerasera tsy tapaka amin’ny hafa. Ho falifaly sy hatanja-tsaina ianareo amin’izay. Nahoana raha manasa olona ho any aminareo?

Misy tsy mahay mandanjalanja indraindray, rehefa mikarakara ny vadiny. Manao zavatra be loatra izy, ka mihareraka tsikelikely, ary marary mihitsy amin’ny farany.  Tsy mahavita mikarakara ny vady malalany intsony izy. Aza hadinoina àry ny tenanao, na dia eo aza ny adidinao amin’ny vadinao. Manokàna fotoana tsy tapaka hialanao sasatra amin’ny toerana mangina. * Misy koa mamboraka ny adin-tsainy amin’ny namana atokisana. Tsara anefa raha lehilahy na vehivavy toa anao no iresahanao.

ANDRAMO IZAO: Soraty izay olana hitanao amin’ny fikarakarana ny vadinao. Eritrereto avy eo hoe inona no azonao atao mba handaminana na hahaizana mizaka an’ilay izy, ary soraty izany. Aza sahiran-tsaina be loatra anefa, fa fidio fotsiny izay vahaolana tsotra indrindra.

Miezaha ho faly foana

Hoy ny Baiboly: “Aza manao hoe: ‘Fa nahoana re no tsara noho ny ankehitriny ny taloha e?’ ” (Mpitoriteny 7:10) Miezaha àry tsy hieritreritra hoe: ‘Ho nanao ahoana re ny fiainanay raha tsy nisy an’ity aretina ity e?’ Tadidio fa mbola tsy afaka ny ho sambatra tanteraka isika ankehitriny. Ilaina àry ny mizaka ny fahoriana sy manao izay azo atao mba hiatrehana izany.

Ahoana no hahavitanareo izany? Mifampiresaha momba izay zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainanareo. Mieritrereta zavatra tsara hitranga tsy ho ela. Miaraha mitady tanjona azo tratrarina. Mifalia raha vao mba misy fihatsarany kely ilay aretina.

Nanaraka an’ireo torohevitra ireo i Shoji sy Akiko vadiny, ka nisy vokany tsara ilay izy. Voan’ny aretin-kozatra i Akiko, ka tsy afaka nitory ny vaovao tsara manontolo andro intsony izy mivady. Tena nalahelo ry zareo. Izao anefa no torohevitr’i Shoji ho an’izay manana olana toy ny azy: “Aza mieritreritra an’izay zavatra tsy azonareo atao intsony, satria mahakivy izany. Miezaha kosa ho faly foana. Manantena angamba ianareo hoe mbola hiverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Ataovy anefa aloha izay hampandeha ny fiainanareo. Izany izao no ataoko. Miezaka mikarakara ny vadiko aho.” Ampiharo izany, fa hahasoa anao raha manana aretina mitaiza ny vadinao.

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 4 Ny fomba iatrehan’ny mpivady ny aretina mitaiza no resahina ato. Afaka mampihatra ny torohevitra ato koa anefa ny mpivady, raha ketraka lava na lasa kilemaina ny iray.

^ feh. 20 Azonao atao koa ny manakarama mpitsabo mpanampy na olon-kafa tsindraindray, mba hikarakara ny vadinao.

ERITRERETO IZAO:

Inona izao no zavatra tena mila ataonay mivady?

  • Miresaka bebe kokoa momba ilay aretina

  • Tsy miresaka be momba ilay aretina

  • Tsy manahy be loatra

  • Mifanohana bebe kokoa

  • Miara-miala voly

  • Mifanerasera kokoa amin’olona

  • Miara-mitady tanjona hotratrarina