Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahita An’Ilay Tsy Hita” ve Ianao?

“Mahita An’Ilay Tsy Hita” ve Ianao?

Tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.”HEB. 11:27.

1, 2. a) Nahoana i Mosesy no toa notandindomin-doza? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana i Mosesy no tsy natahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka?

MPITONDRA mahery i Farao ary nihevitra azy ho andriamanitra ny Ejipsianina. Milaza ny boky iray momba an’i Ejipta fahiny fa nihevitra ireo Ejipsianina hoe “tsy misy zavaboary manam-pahendrena sy mahery” noho i Farao. Tian’i Farao hatahotra azy ny vahoakany, ka nasiany sarina kôbrà vonona hanaikitra teo amin’ny satroboninahiny. Nampahatsiahy ny olona izany fa vetivety ny handringanany ny fahavalony. Eritrereto àry izay tsapan’i Mosesy rehefa niteny taminy i Jehovah hoe: ‘Hirahiko ho any amin’i Farao ianao, ary hoentinao hiala any Ejipta ny zanak’Israely oloko.’—Eks. 3:10.

2 Nankany Ejipta i Mosesy ary nampita ny hafatr’Andriamanitra, ka tezitra i Farao. Hoy i Farao taorian’ny loza fahasivy namely an’i Ejipta: “Tandremo sao mbola mitady hifanatri-tava amiko! Fa amin’izay andro hifanatrehanao amiko, no hahafatesanao.” (Eks. 10:28) Talohan’ny nialan’i Mosesy teo anatrehan’i Farao, dia naminany izy hoe ho faty ny zanak’i Farao lahimatoa. (Eks. 11:4-8) Nandidy ny  fianakaviana israelita rehetra i Mosesy mba hamono osilahy na ondrilahy, ary hanosotra ny rany teo amin’ny tolàna sy ny tataom-baravarana. Biby masina tamin’i Ra, andriamanitry ny Ejipsianina, ny ondrilahy. (Eks. 12:5-7) Tsy natahotra an’izay hataon’i Farao anefa i Mosesy. Nanam-pinoana kosa izy ka nankatò an’i Jehovah. ‘Tsy natahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka izy, satria tsy azo nohozongozonina mihitsy, toy ny mahita an’Ilay tsy hita.’—Vakio ny Hebreo 11:27, 28.

3. Inona no hodinihintsika momba ny finoan’i Mosesy “an’Ilay tsy hita”?

3 Tena matanjaka ve ny finoanao ka toy ny ‘mahita an’Andriamanitra’ ianao? (Mat. 5:8) Handinika ny ohatr’i Mosesy isika mba hananantsika finoana matanjaka kokoa, ka ho “toy ny mahita an’Ilay tsy hita” isika. Nahoana ny finoany an’i Jehovah no nanampy azy tsy hatahotra olona? Ahoana no nampisehoany fa nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy? Ary nahoana no nampahery azy ny fahitana “an’Ilay tsy hita”, rehefa tao anatin’ny fotoana tena sarotra izy sy ny vahoakany?

TSY NATAHOTRA “NY FAHATEZERAN’NY MPANJAKA” IZY

4. Ahoana no nety ho fahitan’ny olona an’i Mosesy teo anatrehan’i Farao?

4 Ho an’ny olona tsy manam-pinoana, dia toy ny atody miady amam-bato i Mosesy. Toa niankina tamin’i Farao ny fiainany sy ny hoaviny. Nanontany an’i Jehovah izy hoe: “Fa mba iza moa aho no handeha hankany amin’i Farao, ka hitondra ny zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta?” (Eks. 3:11) Nandositra niala tany Ejipta i Mosesy, 40 taona teo ho eo talohan’izay. Nety ho nieritreritra àry izy hoe: ‘Sao dia mba tsy mety ny miverina any Ejipta? Tsy ho tezitra amiko ve i Farao raha mankany aho?’

5, 6. Inona no nanampy an’i Mosesy tsy hatahotra an’i Farao fa hatahotra an’i Jehovah?

5 Nisy lesona nampitain’i Jehovah tamin’i Mosesy, talohan’ny niverenany tany Ejipta. Nosoratan’i Mosesy tao amin’ny bokin’i Joba ilay izy tatỳ aoriana, manao hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena.” (Joba 28:28) Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Mosesy mba hatahotra azy ka hanao zavatra amim-pahendrena? Nasongadiny fa tsy mitovy amin’ny olombelona izy, satria izy no Andriamanitra Mahery Indrindra. Hoy izy: “Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no nampisy ny moana na ny marenina na ny mahiratra na ny jamba? Tsy izaho Jehovah ve?”—Eks. 4:11.

6 Te hilaza i Jehovah fa tsy tokony hatahotra i Mosesy. I Jehovah no naniraka azy, ary hanome izay rehetra ilainy i Jehovah mba hahafahany hampita an’ilay hafatra amin’i Farao. Mahery lavitra noho i Farao koa i Jehovah. Tsy vao voalohany mantsy no nitady hanisy ratsy ny mpanompon’i Jehovah ny Ejipsianina. Angamba tadidin’i Mosesy ny fomba niarovan’i Jehovah an’i Abrahama sy Josefa ary ny tenany mihitsy, nandritra ny fitondran’ireo Farao teo aloha. (Gen. 12:17-19; 41:14, 39-41; Eks. 1:22–2:10) Nino “an’Ilay tsy hita” i Mosesy, ka sahy nankany amin’i Farao sy nampita an’izay rehetra nolazain’i Jehovah.

7. Nahoana no niaro ny anabavy iray ny finoany?

7 Nino an’i Jehovah koa ny anabavy atao hoe Ella ka tsy natahotra olona. Nosamborin’ny Polisy Miafina Miaro ny Fitondrana Sovietika (KGB) tany Estonia izy, tamin’ny 1949. Naboridana izy ary tany aminy daholo ny mason’ireo polisy tanora. Hoy izy: “Nahatsiaro ho afa-baraka aho. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa aho, ka nilamin-tsaina ary tony kokoa ny foko.” Nogadraina tao amin’ny efitra nitokana nandritra ny telo andro izy avy eo. Hoy izy: “Nivazavaza ireo manam-pahefana hoe: ‘Ataonay izay tsy handrenesana intsony ny anarana hoe Jehovah, eto Estonia! Halefa any amin’ny toby fiasana  an-terivozona ianao, ary ny sasany any Siberia!’ Sady naneso koa izy no niteny hoe: ‘Aiza izay Jehovah-nareo eo?’ ” Natahotra olona ve i Ella sa natoky an’i Jehovah? Rehefa nofotopotorana izy dia tsy natahotra namaly hoe: “Efa nieritreritra lalina momba izany aho. Aleoko anefa mijanona atỳ am-ponja ary mifandray tsara amin’Andriamanitra, toy izay afahana nefa tsy hahazo sitraka aminy intsony.” Nino i Ella fa tena misy i Jehovah, toa an’ireo lehilahy nijoro teo anoloany. Nanam-pinoana izy ka tsy nivadika.

8, 9. a) Inona no fanafodin’ny tahotra olona? b) Iza foana no tokony hoeritreretinao, raha mitady hatahotra olona ianao?

8 Handresy ny tahotra ianao raha mino an’i Jehovah. Raha misy manam-pahefana misakana anao tsy hanompo an’i Jehovah, dia mety hieritreritra ianao hoe miankina amin’izy ireo ny fiainanao sy ny hoavinao. Mety hieritreritra mihitsy ianao hoe sao dia tsara aloha ny tsy manompo an’i Jehovah mba tsy hampahatezitra azy ireo. Tadidio fa ny finoana an’Andriamanitra no fanafodin’ny tahotra olona. (Vakio ny Ohabolana 29:25.) Hoy i Jehovah: “Nahoana ianao no matahotra ny olombelona mety maty izay ho faty ihany, sy ny zanak’olombelona izay ho toy ny ahitra?”—Isaia 51:12, 13.

9 Ilay Rainao Mahery Indrindra foana eritreretina. Mahita sy mangoraka ary mamonjy an’ireo ampahorin’ny mpitondra manao ny tsy rariny izy. (Eks. 3:7-10) Mety ho tsy maintsy hiaro ny finoanao eo anatrehan’ny manam-pahefana ianao, kanefa ‘aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanao sy izay holazainao, fa homena anao amin’izany ora izany izay tokony holazainao.’ (Mat. 10:18-20) Mahery lavitra noho ireo mpitondra sy manam-pahefana i Jehovah. Hatanjaho dieny izao ny finoanao, dia ho tsapanao fa tena misy i Jehovah ary vonona hanampy anao.

NINO NY FAMPANANTENAN’ANDRIAMANITRA IZY

10. a) Inona no toromarika nomen’i Jehovah ny Israelita tamin’ny volana Nisana 1513 T.K.? b) Nahoana i Mosesy no nankatò an’i Jehovah?

10 Nisy toromarika tsy mahazatra nasain’i Jehovah nampitain’i Mosesy sy Arona tamin’ny Israelita, tamin’ny volana Nisana 1513 T.K. Nasaina hifidy ondrilahy na osilahy iray tsy nisy kilema izy ireo, ka hamono azy io ary hanosotra ny rany eo amin’ny tolàna sy ny tataom-baravarana. (Eks. 12:3-7) Ahoana no nataon’i Mosesy? Hoy ny apostoly Paoly momba azy: “Finoana no nitandremany ny Paska sy ny nanosorany ra teo amin’ny tolàm-baravarana, mba tsy ho voakasiky ny mpandringana ny lahimatoa teo amin’ny Israelita.” (Heb. 11:28) Fantatr’i Mosesy fa azo itokisana i Jehovah. Nino koa izy fa hitana ny teniny i Jehovah ka hamono ny lahimatoa rehetra tao Ejipta.

11. Nahoana i Mosesy no nampitandrina ny hafa?

11 Toa tany Midianina ny zanakalahin’i Mosesy, ka lavitra an’ilay “mpandringana.” * (Eks. 18:1-6) Tia ny mpiara-belona taminy anefa i Mosesy, ka nankatò ary nampita an’ilay toromarika tamin’ny Israelita. Notandindomin-doza mantsy ny lahimatoan’izy ireo. Milaza ny Baiboly fa “nantsoin’i Mosesy avy hatrany ny anti-panahy rehetran’ny Israely”, ka nasainy namono ny “sorona amin’ny Paska.”—Eks. 12:21.

12. Inona no hafatra lehibe asain’i Jehovah ampitaintsika?

12 Mampita hafatra lehibe koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, ary manampy azy ireo amin’izany ny anjely. Izao ilay hafatra: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Apok. 14:7) Izao no fotoana tokony hitoriana an’io hafatra io. Tsy maintsy mampirisika ny mpiara-belona amintsika hiala ao amin’i Babylona Lehibe isika, mba tsy ‘hisy  hanjo azy ireo ny loza hanjo’ an’i Babylona. (Apok. 18:4) Miangavy ny olona mba ‘hihavana amin’Andriamanitra’ ny Kristianina voahosotra, ary manampy azy ireo ny “ondry hafa.”—Jaona 10:16; 2 Kor. 5:20.

Haniry hitory ny vaovao tsara foana ianao raha mino ny fampanantenan’i Jehovah (Fehintsoratra 13)

13. Inona no hanampy antsika haniry hitory ny vaovao tsara foana?

13 Miaiky isika fa tena efa ‘tonga ny ora fitsarana.’ Mino koa isika fa tsy manita-dresaka i Jehovah raha milaza fa asa maika ny fitoriana sy fampianarana. Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana fa “nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra. Nihazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo.” (Apok. 7:1) Mino izany ve ianao, ka toy ny hoe mahita an’ireo anjely ireo efa vonona hamotsotra ny rivotry ny fandringanana amin’ny fahoriana lehibe? Raha izany no izy, dia ho sahy hitory ny vaovao tsara ianao.

14. Inona no mandrisika antsika ‘hampitandrina ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalan-dratsiny’?

14 Efa naman’i Jehovah ny tena Kristianina ary manantena hiaina mandrakizay. Fantatsika anefa fa andraikitsika ny ‘mampitandrina ny ratsy fanahy mba hialany amin’ny lalan-dratsiny ka hahavelona azy.’ (Vakio ny Ezekiela 3:17-19.) Ho meloka isika raha tsy mampitandrina azy ka maty izy. Tsy izany anefa no tena antony itoriantsika, fa ny fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona. Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy ny hoe tena tia sy mangoraka. Saintsaino àry hoe: ‘Toa an’ilay Samaritanina ve aho, ka “mangoraka” ny olona ary mitory aminy? Sa izaho mitady fialan-tsiny mba tsy hitoriana, ka toa an’ilay mpisorona sy Levita izay “niampita sy nandalo fotsiny”?’ (Lioka 10:25-37) Raha mino ny fampanantenan’i Jehovah sy tia ny mpiara-belona isika, dia hazoto hitory dieny mbola tsy tonga ny farany.

 ‘NIAMPITA NY RANOMASINA MENA IZY IREO’

15. Nahoana ny Israelita no nieritreritra fa tsy ho avotra?

15 Tojo zava-tsarotra ny Israelita rehefa avy niala tany Ejipta. Nahavita niatrika an’izany i Mosesy satria nino “an’Ilay tsy hita.” Hoy ny Baiboly: “Nanopy ny masony ny zanak’Israely, ka indreny ny Ejipsianina fa nanenjika azy. Koa natahotra be ny zanak’Israely, ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah.” (Eks. 14:10-12) Tokony ho efa nampoizin’izy ireo ilay olana, satria efa nilaza i Jehovah hoe: “Avelako hikiribiby amin’ny heviny i Farao ka tsy maintsy hanenjika an’ireo izy. Koa hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny tafiny rehetra. Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.” (Eks. 14:4) Nifantoka tamin’izay hitan’ny maso anefa ny Israelita, ka tsy nieritreritra afa-tsy ny Ranomasina Mena nisakana azy sy ireo kalesin’adin’i Farao haingam-pandeha nanenjika azy ary ilay mpiandry ondry 80 taona nitarika azy. Nieritreritra izy ireo fa tsy ho avotra.

16. Nahoana no nampahery an’i Mosesy ny finoana, tamin’izy teo amin’ny Ranomasina Mena?

16 Tsy natahotra anefa i Mosesy. Nahoana? Nanam-pinoana izy ka fantany fa misy mahery noho ny ranomasina sy ny tafik’olombelona. Nino “ny famonjen’i Jehovah” izy ary fantany fa hiady ho an’ny Israelita i Jehovah. (Vakio ny Eksodosy 14:13, 14.) Nampahery ny vahoakan’Andriamanitra ny finoan’i Mosesy. Hoy ny Baiboly: “Finoana no niampitan’izy ireo ny Ranomasina Mena toy ny hoe nandia tany maina. Fa natelin’ny rano kosa ny Ejipsianina rehefa sahisahy nandeha teo.” (Heb. 11:29) “Natahotra an’i Jehovah ny olona” taorian’izay, “sady nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony.”—Eks. 14:31.

17. Inona no hitranga ka hitsapa ny finoantsika?

17 Kely sisa dia hisy hanafika koa ny mpanompon’i Jehovah, ka toy ny hoe tsy ho tafavoaka velona. Rehefa hanomboka ny Hara-magedona, dia ho efa naringan’ny fanjakana rehetra eto an-tany ny fivavahan-diso rehetra, izay fivavahana lehibe kokoa noho ny antsika. (Apok. 17:16) Efa nilaza i Jehovah fa ho mora tafihina isika, toy ny ‘tany misy tanàna tsy misy manda na bara hidiny na vavahady.’ (Ezek. 38:10-12, 14-16) Raha mifantoka fotsiny amin’izay hitan’ny masontsika isika, dia mety hieritreritra hoe tsy ho tafavoaka velona. Ahoana no hataonao amin’izay fotoana izay?

18. Nahoana isika no hahavita tsy hivadika mandritra ny fahoriana lehibe?

18 Tsy tokony hatahotra isika. Nahoana? Satria efa nilaza i Jehovah fa hisy hanafika ny vahoakany, ary efa nolazainy koa ny hiafaran’ilay fanafihana. Hoy izy: “ ‘Amin’izany andro izany, amin’ilay andro hamelezan’i Goga ny tanin’ny Israely’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia ho tezitra mafy aho. Ary hiteny amin-kafanam-po sy amin-katezerana mafy aho.’ ” (Ezek. 38:18-23) Horinganin’Andriamanitra ireo rehetra te hamely ny vahoakany. Raha mino ianao fa hiaro anao i Jehovah amin’ilay “andro lehibe sady mampahatahotra”, dia hatoky ‘ny famonjeny’ ianao ary hahavita tsy hivadika aminy.—Joela 2:31, 32.

19. a) Nanao ahoana ny fifandraisan’i Jehovah sy Mosesy? b) Inona no soa horaisinao raha mieritreritra an’i Jehovah ianao amin’izay rehetra ataonao?

19 Miezaha foana àry mba ‘tsy ho azo hozongozonina, toy ny mahita an’Ilay tsy hita’, dia ho vonona hiatrika an’ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy ianao. Mianara tsy tapaka sy mivavaha, mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Mosesy sady nampiasainy hanao zavatra miavaka, ka lasa “tena fantatr’i Jehovah tsara” izy. (Deot. 34:10) Marina fa mpaminany niavaka i Mosesy. Ho tena akaiky an’i Jehovah koa anefa ianao ka ho toy ny mahita azy, raha manam-pinoana. “Hataony mandeha tsara ny fiainanao”, raha manaraka izay lazain’ny Teniny ianao ka mieritreritra azy “amin’izay rehetra ataonao.”—Ohab. 3:6.

^ feh. 11 Azo inoana fa anjely no nirahin’i Jehovah mba hamono ny lahimatoan’ny Ejipsianina.—Sal. 78:49-51.