Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) APRILY 2014

Tsy Misy Mahay Manompo Tompo Roa

Tsy Misy Mahay Manompo Tompo Roa

Tsy misy mahay manompo tompo roa . . . Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”MAT. 6:24.

1-3. a) Inona no olana atrehin’ny olona maro, ary inona no vahaolana hitan’ny sasany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no mety hampanahy ny ray na reny mieritreritra ho any andafy?

HOY i Maria: * “Reraka be i Jery vadiko isaky ny avy niasa, nefa zara raha nahavidy an’izay nilainay isan’andro ny karamany. Te hanampy azy aho sady tiako hanana an’ireo zavatra tsara nananan’ny mpiara-mianatra taminy i Jimmy zanakay.” Te hanampy ny havany koa i Maria sady te hanangom-bola hitsinjovana ny vodiandro ho merika. Maro koa ny namany nandeha nitady vola tany an-tany hafa. Nieritreritra ny handeha àry izy, nefa nisalasala. Nahoana?

2 Natahotra i Maria rehefa nieritreritra handao ny ankohonany, satria tena tia azy ireo izy ary zatra niara-nanompo an’i Jehovah tsy tapaka izy ireo. Nieritreritra koa anefa izy hoe efa nisy mpiara-manompo nankany ivelany, nefa toa mbola manompo an’i Jehovah ihany izy mianakavy. Sahiran-tsaina izy hoe ahoana no hitaizany an’i Jimmy, rehefa any lavitra any. Ho vitany ve ny hitaiza azy “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah”, raha amin’ny alalan’ny Internet sy ny telefaonina?—Efes. 6:4.

3 Nitady torohevitra i Maria. Tsy tian’ny vadiny handeha izy, nefa nilaza koa ny vadiny fa tsy hisakana azy. Nanoro hevitra azy mba  tsy handeha ny anti-panahy sy ny mpiara-manompo sasany. Nampirisika azy handeha kosa ny anabavy vitsivitsy. Hoy izy ireo: “Mandeha ianao raha tia ny mpianakavinao. Afaka manompo an’i Jehovah foana ange ianao any e!” Na dia nisalasala aza i Maria, dia nandeha niasa tany andafy ihany. Nanao veloma ny vady aman-janany izy sady nampanantena hoe: “Tsy ho ela aho dia hiverina.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY MOMBA NY FIKARAKARANA FIANAKAVIANA

4. Nahoana ny olona maro no mifindra monina, ary iza matetika no lasa mitaiza ny zanany?

4 Tsy tian’i Jehovah hahantra fadiranovana ny mpanompony, ary efa nifindra monina ny mpanompon’i Jehovah fahiny mba hialana amin’ny fahantrana. (Sal. 37:25; Ohab. 30:8) Naniraka ny zanany hividy sakafo tany Ejipta i Jakoba, mba tsy ho faty mosary izy mianakavy. * (Gen. 42:1, 2) Tsy noho izy mosarena anefa matetika no mahatonga ny olona ankehitriny hifindra monina. Bokan-trosa ny sasany, fa misy indray te hanatsara ny fiainany fotsiny. Manapa-kevitra ny handao ny vady aman-janany izy ireo ary mifindra any amin’ny tanàna hafa na any amin’ny firenen-kafa, satria mahantra ny faritra misy azy. Matetika izy ireo no mamela ny zanany kely hotezain’ny vadiny, na ny zanany efa lehibe, na ny dada sy mamany, na ny havany, na ny namany. Malahelo ny vady aman-janany ny maro amin’ny mpifindra monina, nefa koa mieritreritra hoe tsy manan-tsafidy.

5, 6. a) Inona no nolazain’i Jesosy fa hanampy antsika ho sambatra sy tsy hiady saina? b) Inona no nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpanara-dia azy tamin’ny vavaka? d) Ahoana no itahian’i Jehovah antsika?

5 Nahantra sy sahirana koa ny olona maro tamin’ny andron’i Jesosy. Nety ho nieritreritra izy ireo fa ho sambatra sy tsy hiady saina loatra raha manam-bola kokoa. (Mar. 14:7) Tsy tian’i Jesosy hitoky tamin’ny vola anefa ny olona. Tiany hiantehitra tamin’i Jehovah kosa izy ireo, satria maharitra mandrakizay ny fitahiana omeny. Nohazavain’i Jesosy tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra hoe inona no hahatonga antsika ho sambatra sy tsy hiady saina. Tsy miankina amin’ny vola sy harena na ny ezaka ataontsika izany, fa miankina amin’ny fifandraisana amin’ilay Raintsika any an-danitra.

6 Tsy nasain’i Jesosy hivavaka mba hahazo vola be isika, tao amin’ilay vavaka modely. Nasainy nangataka kosa isika hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, izany hoe izay ilaina isan’andro. Nilaza mazava tsara izy hoe: ‘Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany. Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra.’ (Mat. 6:9, 11, 19, 20) Mampanantena ny hitahy antsika i Jehovah, ary matoky an’izany isika. Ahoana no itahiany antsika? Tsy hoe mankasitraka antsika fotsiny izy, fa manao zavatra mba hanomezana izay tena ilaintsika koa. Mila mitoky amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra àry isika fa tsy amin’ny vola, raha te ho sambatra sy tsy hiady saina.—Vakio ny Matio 6:24, 25, 31-34.

7. a) Iza no asain’i Jehovah mitaiza ny zanaka? b) Nahoana ny ray sy ny reny no samy tokony hitaiza ny zanany?

7 Tafiditra amin’ny hoe ‘mikatsaka aloha ny fahamarinan’Andriamanitra’ ny hoe manao ny andraikitsika amin’ny fianakaviantsika araka ny itiavan’i Jehovah azy. Misy an’izao toro lalana ho an’ny Kristianina izao ao amin’ny Lalàn’i Mosesy: Mila mampianatra ny zanany hanompo an’i Jehovah ny ray aman-dreny. (Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7.) Ny ray aman-dreny no asain’i Jehovah manao izany, fa tsy ny raibe sy renibe na ny olon-kafa. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.” (Ohab. 1:8) Tian’i Jehovah hiara-mipetraka amin-janany ny ray sy ny reny, mba hahafahan’izy ireo hampianatra sy  hitari-dalana ny zanany. (Ohab. 31:10, 27, 28) Afaka manahaka ny ray aman-dreniny ny ankizy, rehefa mandre azy ireo miresaka momba an’i Jehovah sy mahita ny fomba anompoany azy isan’andro.

OLANA TSY AMPOIZINA

8, 9. a) Inona matetika no fiovana mitranga, rehefa mandao ny vady aman-janany ny olona iray? b) Inona no mety ho voka-dratsiny rehefa tsy miara-mipetraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka?

8 Matetika ny olona ho any an-tany hafa no miezaka mamantatra ny mety ho voka-dratsin’izany sy izay tsy maintsy hafoiny. Vitsy ihany anefa no tena mahalala ny ho vokatry ny fandaozany ny fianakaviany. (Ohab. 22:3) * Nalahelo be ny fianakaviany foana i Maria, raha vao tafasaraka tamin’izy ireo. Nalahelo azy koa ny vadiny sy ny zanany. Nanontany azy foana i Jimmy hoe: “Fa naninona aho no nilaozan’i Neny?” Lasa aman-taonany i Maria no tany ampita, fa tsy amam-bolana araka ny noeritreretiny. Hitany fa niova ny fianakaviany ka nanahy izy. Lasa tsy dia niresaka taminy i Jimmy ary tsy niraiki-po taminy intsony. Nalahelo izy nilaza hoe: “Lasa tsy tia ahy intsony ny zanako.”

9 Rehefa tsy miara-mipetraka ny mpianakavy, dia mety hisy vokany eo amin’ny fihetseham-po sy ny fitondran-tenan’izy ireo izany. * Vao mainka ho ratsy ny vokany raha mbola kely ny ankizy ary ela ilay fisarahana. Nohazavain’i Maria tamin’i Jimmy fa ny hahasoa azy no nandehanany na dia mafy aza izany. I Jimmy kosa nihevitra fa nanary azy ny reniny. Tezitra izy tamin’ny voalohany rehefa tsy teo ny reniny. Ny fahitany an-dreniny indray anefa no nahatezitra azy rehefa nandalo izy io tatỳ aoriana. Lasa nihevitra i Jimmy fa tsy tokony hotiaviny sy hankatoaviny intsony ny reniny. Izany matetika no ao an-tsain’ny ankizy ilaozan’ny rainy na ny reniny.—Vakio ny Ohabolana 29:15.

Tsy afaka mamihina ny zanakao ianao ao amin’ny Internet (Fehintsoratra 10)

10. a) Inona no vokany amin’ny ankizy, raha tsy eo ny rainy na ny reniny fa mandefa zavatra ho azy fotsiny? b) Tsy afaka manao inona ny ankizy sy ny ray aman-dreniny rehefa tafasaraka?

10 Marina fa nandefa vola sy fanomezana i Maria mba hanonerana ny tsy naha teo azy. Hitany anefa hoe vao mainka izany nahatonga ny zanany hanalavitra azy. Tsy tandrintandriny akory fa izy no nampianatra ny zanany hihevitra ny vola sy harena ho zava-dehibe kokoa noho ny fifandraisana amin’i Jehovah sy ny fianakaviana. (Ohab. 22:6) Nilaza i Jimmy hoe: “Aza miverina intsony i Neny fa andefaso zavatra fotsiny aho.” Lasa tsapan’i Maria fa tsy ho afaka hitaiza ny zanany amin’ny alalan’ny taratasy sy ny antso an-telefaonina ary ny Internet izy. Hoy izy: “Tsy afaka mamihina ny zanakao  na manoroka azy alohan’ny hatory ianao, ao amin’ny Internet.”

Inona no mety hitranga rehefa tsy miara-mipetraka amin’ny vadinao ianao? (Fehintsoratra 11)

11. a) Inona no vokany raha tsy miara-mipetraka ny mpivady, noho ny asa? b) Inona no nahatonga ny anabavy iray ho tonga saina hoe mila mody any amin’ny vady aman-janany izy?

11 Lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah sy ny vadiny koa i Maria. Indray mandeha isan-kerinandro na latsak’izay izy no nivory sy nitory, ary tsy maintsy niady mafy satria nasain’ny mpampiasa azy hanao firaisana taminy. Samy tsy teo anilan’ny vadiny i Jery sy Maria ka tsy nanana ianteherana rehefa nisy olana. Lasa niraiki-po tamin’ny olon-kafa àry izy ireo ka saika nijangajanga. Hitan’i Maria fa na dia tsy nanitsakitsa-bady aza izy mivady, dia samy tsy afaka nanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony hihevitra ny fihetseham-pon’ny vady sy hanao firaisana aminy. Matetika ny mpivady miara-mipetraka no afaka milaza eo no ho eo izay eritreretiny, mifanopy maso, mifampitsiky, mifamihina, ary manao ny “adidy amim-bady.” Tsy toy izany anefa i Jery sy Maria. (Tonon. 1:2; 1 Kor. 7:3, 5) Tsy afaka nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny zanany koa izy ireo. Hoy i Maria: “Reko tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe ilaina ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka, raha te ho tafavoaka velona amin’ny andro lehiben’i Jehovah. Tonga saina aho tamin’izay hoe mila mody. Tsy maintsy niezaka mba hifandray tsara tamin’ny fianakaviako sy tamin’i Jehovah indray aho.”

TOROHEVITRA TSARA SY RATSY

12. Inona no torohevitry ny Baiboly azo omena an’ireo tsy miara-mipetraka amin’ny vady aman-janany?

12 Tsy nitovy ny fihetsiky ny olona rehefa nanapa-kevitra hody i Maria. Nidera azy noho ny finoany sy ny herim-pony ny anti-panahy tao amin’ilay fiangonana nisy azy tany ampita. Tsy toy izany kosa ny olon-kafa. Tsy miara-mipetraka amin’ny vady aman-janany koa izy ireo noho ny asa. Tsy nanaraka ny ohatra tsara navelan’i Maria izy ireo, fa nampirisika azy hijanona. Hoy izy ireo: “Ahoana no hahitanao vola ampy ivelomana raha mody ianao? Tsy ho ela ianao dia hiverina atỳ.” Tsy tokony hanakivy toy izany ny Kristianina, fa tokony ‘hanampy ny vehivavy tanora hahatsapa tena ka ho tia vady aman-janaka, hazoto hikarakara tokantrano’, izany hoe ny tokantranony, “mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.”—Vakio ny Titosy 2:3-5.

13, 14. Nahoana isika no mila manam-pinoana mba tsy ho voataonan’ny fianakaviana hanao izay tiany? Inona no ohatra mampiseho izany?

13 Ny fanarahana fomba amam-panao sy ny fanajana havana, indrindra fa ny ray aman-dreny, no zava-dehibe indrindra amin’ny kolontsaina sasany. Toy izany ny kolontsaina nanabeazana ny mpifindra monina maro. Tena manam-pinoana àry ny Kristianina iray, raha mampifaly an’i Jehovah fa tsy manaraka ny fanaon’ ny besinimaro na izay tian’ny fianakaviany.

14 Diniho ny tantaran’i Carine. Hoy izy: “Samy niasa tany andafy izahay mivady tamin’izaho niteraka an’i Fitia zanakay lahy. Vao nanomboka nianatra Baiboly koa izaho. Nanantena daholo ny havako hoe halefako hotezain’i Dada sy Neny i Fitia, mandra-panangonay vola misimisy.” Nisisika hitaiza an’i Fitia anefa i Carine, ka nesoin’ny havany sy ny vadiny sady nolazainy fa kamo. Hoy i Carine: “Tsoriko aloha fa tsy tena azoko hoe inona no naharatsy ny namela an’i Fitia hotezain’i Dada sy Neny nandritra ny taona vitsivitsy. Fantatro anefa fa izahay mivady no nasain’i Jehovah hitaiza ny zanakay.” Bevohoka indray i Carine tatỳ aoriana, ka nasain’ny vadiny nanala zaza. Nanatanjaka ny finoany anefa ilay fanapahan-kevitra tsara efa noraisiny, ka tsy nivadika tamin’i Jehovah izy. Faly izao izy sy ny vadiny ary ny zanany mianadahy satria niara-nipetraka foana izy ireo. Ho hafa mihitsy ny fiainan’izy ireo raha nasain’i Carine notezain’olon-kafa ny zanany iray, na izy roa.

15, 16. a) Ahoana no nitaizana an’i Vicky? b) Nahoana izy no tsy nanao toy izany tamin’ny zanany vavy?

15 Hoy ny anabavy iray atao hoe Vicky: “Notezain’ny bebeko nandritra ny taona vitsivitsy aho, fa ny rahavaviko kosa notezain’i Dada sy Neny foana. Lasa tsy dia niraiki-po tamin’izy ireo intsony aho, rehefa niara-nipetraka indray izahay. Tsy nihafahafa ny rahavaviko niresaka tamin’i Dada sy Neny sy namihina azy ireo ary nifandray akaiky taminy. Izaho kosa tsy nahatsiaro ho akaiky azy ireo. Sarotra tamiko ny nilaza tamin’i Dada sy Neny ny tena tao am-poko, na dia efa lehibe aza aho. Nanome toky azy mivady izahay mirahavavy fa hikarakara azy rehefa antitra izy ireo. Adidy fotsiny anefa no hanaovako an’izany, fa ny an’ny zandriko kosa noho ny fitiavana.”

16 Hoy ihany i Vicky: “Tian’i Neny halefako any aminy mba hotezainy izao ny zanako vavy, toy ny nataony tamiko. Nanda anefa aho. Te hitaiza ny zanakay sy hanampy azy ho tia an’i Jehovah izahay mivady. Tsy tiako koa raha lasa tsy mifandray tsara izahay mianaka any aoriana any.” Hitan’i Vicky fa raha te hahomby eo amin’ny fiainana isika, dia i Jehovah sy ny toro lalany no tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika, fa tsy ny vola sy izay tian’ny havantsika. Mazava ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa”, izany hoe manompo an’Andriamanitra sady mikatsaka harena.—Mat. 6:24; Eks. 23:2.

ATAON’I JEHOVAH ‘MAHOMBY’ NY EZAKA ATAONTSIKA

17, 18. a) Afaka mifidy ny hanao inona foana ny Kristianina? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Nanome toky i Jehovah Raintsika fa hanome izay tena ilaintsika, raha manao loha laharana ny Fanjakany sy ny fahamarinany isika. (Mat. 6:33) Manan-tsafidy foana àry ny Kristianina. Nampanantena i Jehovah fa hanome “lalan-kivoahana” izy na inona na inona olana atrehintsika, ary tsy voatery hampandefitra ny toro lalany isika. (Vakio ny 1 Korintianina 10:13.) “Hanao zavatra” hanampiana antsika izy, raha ‘miandry azy fatratra’ isika sady ‘miantehitra aminy’, izany hoe mivavaka mba hahazo fahendrena sy tari-dalana ary mankatò ny didiny sy ny toro lalany. (Sal. 37:5, 7) Hotahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika rehefa hitany fa izy irery ihany no tena tompointsika. Hataony ‘mahomby’ izay ataontsika, raha izy no ataontsika eo amin’ny toerana voalohany.—Ampitahao amin’ny Genesisy 39:3.

18 Inona anefa no azo atao raha efa nisy vokany ratsy ny fisarahan-toerana? Misy fomba ahafahana mamelona fianakaviana ve nefa tsy hisara-toerana amin’izy ireo? Ary ahoana no azo anampiana ny hafa mba handray fanapahan-kevitra tsara? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

^ feh. 1 Novana ireo anarana.

^ feh. 4 Toa tsy nihoatra ny telo herinandro ny nandaozan’ireo zanakalahin’i Jakoba ny ankohonany, isaky ny nankany Ejipta izy ireo. Rehefa nifindra tany Ejipta i Jakoba sy ny zanany tatỳ aoriana, dia nentiny koa ny vady aman-janany.—Gen. 46:6, 7.

^ feh. 8 Jereo ilay hoe “Inona no Mitranga Amin’ny Mpifindra Monina?”, ao amin’ny Mifohaza! Febroary 2013.

^ feh. 9 Asehon’ny tatitra avy any amin’ny tany maro, fa lasa misy olana lehibe rehefa tsy miara-mipetraka amin’ny vadiny na ny zanany ny olona iray. Mety hanitsakitsa-bady na hiray amin’ny havany akaiky, ohatra, ny iray amin’izy mivady na izy mivady, na ho lasa lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy. Ny ankizy indray mety haditra, tsy hianatra tsara, hahery setra, hitebiteby, ho kivy be, na haniry hamono tena.