Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) APRILY 2014

 TANTARAM-PIAINANA

Nandray Fitahiana Aho fa Nanompo Manontolo Andro

Nandray Fitahiana Aho fa Nanompo Manontolo Andro

Tsapako fa tena mahafinaritra ny fiainako rehefa mieritreritra an’ireo 65 taona nanompoako manontolo andro aho. Marina fa nalahelo sy kivy aho indraindray. (Sal. 34:12; 94:19) Tena nahafa-po anefa ny fiainako ary tena nisy dikany.

LASA anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn aho, tamin’ny 7 Septambra 1950. Voahosotra ny maro tamin’ireo rahalahy sy anabavy 355 nanompo teto. Avy tamin’ny firenena samihafa izahay ary teo anelanelan’ny 19 sy 80 taona.

AHOANA NO NAHITAKO NY FAHAMARINANA?

Tamin’ny batisako, tamin’izaho 10 taona

Ny reniko no nampianatra ahy hanompo an’ilay ‘Andriamanitsika falifaly.’ (1 Tim. 1:11) Nanomboka nanompo an’i Jehovah izy, tamin’izaho mbola kely. Natao batisa aho tamin’ny fivoriamben’ny faritra tany Columbus, Etazonia, ny 1 Jolay 1939. Folo taona aho tamin’izany. Trano kely nohofana no nivorianay, ary zato teo ho eo izahay. Nihaino an’ilay lahatenin’i Joseph Rutherford hoe “Fasisma sa Fahalalahana” izahay. Nisy mpirotaka nitangorona tao an-tokotany, teo antenatenan’ilay lahateny. Niditra an-keriny izy ireo ka nampitsahatra ny fivorianay, ary nandroaka anay ho any ivelan’ny tanàna. Nifindra tany amin’ny tranon’ny rahalahy iray tsy lavitra ny tanàna izahay, ary tany no nihaino ny tohin’ny fandaharana. Tsy mahagaga raha tsaroako foana ny datin’ny batisako.

Niezaka mafy i Neny hitaiza ahy tao amin’ny fahamarinana. Tsara toetra i Dada sady nikarakara tsara anay, nefa tsy dia niraharaha fivavahana sady tsy dia nieritreritra ny hampianatra ahy momba an’Andriamanitra. Nampahery be ahy i Neny sy ny mpiara-manompo tao amin’ny Fiangonana Omaha.

NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA LEHIBE AHO

Nila nanapa-kevitra an’izay hataoko eo amin’ny fiainana aho, taloha kelin’ny nahavitan’ny fianarako teny amin’ny lise. Nanao mpisava lalana mpanampy niaraka tamin’ny ankizy nitovy taona tamiko aho, isaky ny vakansy lehibe.

Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany tany aminay ny rahalahy mpitovo roa, dia i John Chimiklis sy Ted Jaracz. Vao avy nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada, kilasy fahafito, izy ireo. Gaga aho hoe vao 20 taona mahery kely izy ireo. Izaho kosa 18 taona, ary kely sisa dia hahavita fianarana. Mbola tadidiko ny Rahalahy Chimiklis nanontany ahy an’izay hataoko eo amin’ny fiainana. Nilaza taminy aho fa hanompo manontolo andro. Hoy izy: “Fanompoana  manontolo andro mihitsy atao. Tsy ampoizinao ny fitahiana ho azonao amin’izany!” Nisy vokany be tamiko izany sy ny ohatra nomen’izy roa lahy. Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra àry aho tamin’ny 1948, rehefa vita ny fianarako.

LASA MPIANAKAVIN’NY BETELA AHO

Namonjy fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium any New York izaho sy ny ray aman-dreniko, tamin’ny Jolay 1950. Nanatrika ny fivoriana ho an’ireo maniry hanompo ato amin’ny Betela aho tamin’izay, ka nameno fangatahana hanompo tato.

Tsy nampaninona an’i Dada ilay izaho nipetraka tao an-trano sy nanao mpisava lalana, fa tiany fotsiny raha nandray anjara kely tamin’ny hofan-trano sy ny sakafo aho. Nitady asa àry aho. Tamin’ny voalohandohan’ny volana Aogositra anefa, raha iny izaho handeha hitady asa iny, dia nijery taratasy tao amin’ny boaty fasiana taratasinay aho. Nisy taratasiko avy tany Brooklyn tao. Nisy sonian’i Nathan Knorr teo amin’ilay izy. Izao no nosoratany: ‘Voaray ny fangatahanao hanompo ato amin’ny Betela, ary fantatro fa manaiky hijanona ato mandritra ny androm-piainanao ianao. Tongava àry atỳ amin’ny Betelan’i Brooklyn, New York, amin’ny 7 Septambra 1950.’

Nilaza tamin’i Dada aho fa nahita asa, rehefa nody avy niasa izy. Hoy izy: “Tsara izany. Aiza ianao no hiasa?” Namaly aho hoe: “Any amin’ny Betelan’i Brooklyn, ary folo dolara isam-bolana ny vola horaisiko.” Somary taitra i Dada, nefa nilaza izy fa raha izay no safidiko, dia tokony hiezaka hiasa tsara aho. Natao batisa izy tamin’ny 1953, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao amin’ny Yankee Stadium.

Izaho sy Alfred Nussrallah, mpisava lalana namako

Faly aho fa samy nantsoina hankatỳ amin’ny Betela izaho sy Alfred Nussrallah, mpisava lalana namako. Niaraka izahay nankatỳ. Nanambady an’i Joan izy tatỳ aoriana. Nanao Sekolin’i Gileada izy mivady, ary lasa misionera tany Liban. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany izy, rehefa niverina teto Etazonia.

NY ASAKO TATO AMIN’NY BETELA

Nasaina nanjaitra boky tany amin’ny Fanakambanam-boky aho, tamin’izaho vao tonga tato. Ilay boky hoe Inona no Nataon’ny Fivavahana ho An’ny Olombelona? no niasako voalohany. Voatendry ho ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho, valo volana teo ho eo tatỳ aoriana, ary ny Rahalahy Thomas Sullivan no mpiandraikitra tao. Tiako ny niara-niasa taminy. Nahasoa ahy koa izany, satria nanam-pahendrena sy nahataka-javatra izy noho ireo taona maro nanompoany teo anivon’ny fandaminana.

Rehefa niasa telo taona teo ho eo tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho, dia nilaza tamiko i Max Larson, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, fa nitady ahy ny Rahalahy Knorr. Natahotra aho hoe nisy zavatra tsy nety nataoko. Maivamaivana erỳ aho rehefa fantatro fa hay izy te hanontany raha nieritreritra ny hiala tato amin’ny Betela aho. Nila olona hanampy azy tao amin’ny biraony mantsy izy, nandritra ny fotoana kelikely, ary tiany ho hita raha ho vitako ilay asa. Nilaza taminy aho fa tsy nieritreritra ny hiala. Nahazo tombontsoa hanampy azy àry aho nandritra ny 20 taona.

Matetika aho no miteny hoe tsy ho voavidiko vola ny fampiofanana azoko noho izaho niara-niasa tamin’ny Rahalahy Sullivan sy Knorr sy ny rahalahy hafa teto amin’ny Betela, toa an-dry Milton Henschel, Klaus Jensen, Max Larson, Hugo Riemer, ary Grant Suiter.

 Tena nahay nandamina ny asa nataony ho an’ny fandaminana ireo rahalahy niara-nanompo tamiko. Niasa mafy ny Rahalahy Knorr, ary tiany handroso be ny asan’ilay Fanjakana. Hitan’ny mpiara-miasa taminy koa fa mora nifampiresahana izy. Tsy nitovy hevitra taminy izahay indraindray, nefa afaka nilaza ny hevitray foana ary natokisany foana.

Niresaka tamiko ny Rahalahy Knorr indray mandeha fa tokony hasiana fiheverana ny zavatra eritreretina ho madinika. Nitantara tamiko izy, ohatra, fa tamin’izy mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, dia matetika no niantso azy an-telefaonina ny Rahalahy Rutherford ka nilaza hoe: “Mba itondray gaoma aho rahatoandro rehefa avy any amin’ny fanontam-pirinty ianao ka handeha hisakafo. Mila gaoma mantsy aho ato amin’ny birao.” Nilaza ny Rahalahy Knorr fa tonga dia nankany amin’ny efitra fitehirizana entana izy, naka gaoma, ary nanao an’izany am-paosy. Nentiny tany amin’ny biraon’ny Rahalahy Rutherford izany ny antoandro. Zavatra kely ilay izy, nefa tena nilain’ny Rahalahy Rutherford. Hoy ny Rahalahy Knorr avy eo: “Tiako haranitra foana ny pensilihazo eto amin’ny biraoko, ka mba ataovy maranitra foana ilay izy isa-maraina.” Nandranitra ny pensilihazony foana àry aho, nandritra ny taona maro.

Matetika ny Rahalahy Knorr no nilaza fa ilaina ny mihaino tsara rehefa omena toromarika momba ny asa isika. Tsy nihaino tsara aho indray mandeha rehefa nanazava tamiko ny fomba hanaovana zavatra iray izy. Afa-baraka be izy noho ilay zavatra nataoko. Nanenjika be ahy ny eritreritro ka nanoratra taminy aho ary nilaza fa nanenina ary tsy mendrika ny hiasa tao amin’ny biraony intsony. Tonga teo amiko izy taoriana kelin’izay, ka nilaza hoe: “Hitako ny taratasinao Robert a. Tsy nety ny nataonao, dia efa nifampiresaka isika. Mino aho fa hitandrina kokoa ianao amin’ny sisa. Ary andao amin’izay àry isika hiasa e.” Tena faly aho fa tsara fanahy izy.

NANIRY HANAMBADY AHO

Mbola te hanompo teto amin’ny Betela aho, rehefa avy nanompo valo taona teto. Niova anefa izany. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds tamin’ny 1958, ary nihaona tamin’i Lorraine Brookes aho. Efa nihaona izahay tamin’ny 1955, tamin’izy mpisava lalana tany Montréal, Kanada. Nampiaiky volana ahy ny fitiavany fanompoana manontolo andro sy ny fahavononany hanompo any amin’izay anirahan’ny fandaminana azy. Ny hanatrika ny Sekolin’i Gileada no tanjony. Tratrany izany tamin’ny 1956, tamin’izy 22 taona, satria anisan’ny kilasy faha-27 izy. Voatendry ho misionera tany Brezila izy, rehefa nahazo diplaoma. Nifandray indray izahay tamin’ny 1958, ary nanaiky izy rehefa nangatahiko ho vady. Nikasa hivady izahay ny taona nanaraka ary hanao misionera.

 Niresaka tamin’ny Rahalahy Knorr aho, ary nilaza izy hoe tsy aleo ve miandry telo taona vao mivady, dia avy eo miara-manompo eto amin’ny Betela. Tsy afaka nijanona tao amin’ny Betela ny mpivady vao tamin’izany, raha tsy efa nanompo tao folo taona na mihoatra ny iray, ary ny iray telo taona, fara fahakeliny. Nanaiky àry i Lorraine fa hanompo roa taona tao amin’ny Betelan’i Brezila, ary herintaona teto amin’ny Betelan’i Brooklyn. Nivady izahay taorian’izay.

Taratasy no nifandraisanay, nandritra ny roa taona voalohany naha mpifamofo anay. Lafo be ny nitelefaonina sady tsy nisy e-mail tamin’izany. Nivady izahay ny 16 Septambra 1961, ary ny Rahalahy Knorr mihitsy no nanao ny lahateny. Hoatran’ny ela be ireo telo taona niandrasanay. Tsy manenina anefa izahay niandry, satria tena faly sy afa-po mieritreritra an’ireo 50 taona mahery nivadianay!

Tamin’ny mariazinay. Ankavia miankavanana: Nathan Knorr, Patricia Brookes (rahavavin’i Lorraine), Lorraine sy izaho, Curtis Johnson, Faye sy Roy Wallen (ray aman-dreniko)

TOMBONTSOAM-PANOMPOANA HAFA

Lasa mpiandraikitra mpitety sampana aho tamin’ny 1964, ka nitsidika firenena maro. Tsy niaraka tamin’ny vadiny tamin’ireny dia ireny ny anabavy tamin’izany. Lasa afaka nandeha anefa izy ireo, tamin’ny 1977. Niaraka tamin’i Grant sy Edith Suiter izahay sy Lorraine tamin’io taona io. Nitsidika ny biraon’ny sampan’i Alemaina, Aotrisy, Gresy, Sipra, Torkia, ary Israely izahay. Efa nitsidika firenena 70 teo ho eo aho.

Nandalo tao Belém izahay rehefa nitsidika an’i Brezila tamin’ny 1980. Tanàna eo amin’ny ekoatera izy io, ary efa misionera tany i Lorraine. Nitsidika an’ireo rahalahy tao Manaus koa izahay. Nanao lahateny tao amin’ny kianja iray aho tany, ary nahita antokon’olona tsy nanao ny fanaon’ny Brezilianina izahay. Tsy nanoroka ny anabavy hafa teo amin’ny takolaka ireo vehivavy, ary tsy nandray tanana ny rahalahy hafa ireo lehilahy. Fa nahoana?

Boka ireo rahalahy sy anabavy malalantsika ireo. Avy any amin’ny tobin’ny boka any amin’ny alan’i Amazonia izy ireo. Tsy nifampikasoka tamin’ny mpanatrika hafa izy ireo, mba hitandroana ny fahasalamana. Tena nanohina ny fonay anefa ny nahita azy ireo, ary tsy hohadinoinay mihitsy ny fifaliana teny amin’ny endriny. Marina tokoa ilay tenin’i Jehovah hoe: “Ny mpanompoko hihoby noho ny fifalian’ny fony.”—Isaia 65:14.

NAHAFA-PO NY FIAINAKO

Matetika izahay sy Lorraine no misaintsaina an’ireo 60 taona mahery nanompoanay an’i Jehovah. Faly be izahay satria nahazo fitahiana maro, noho izahay nanaiky hotarihin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany. Tsy afaka mitety tany intsony aho, nefa mbola mahavita ny asako isan’andro. Mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana aho, ary miara-miasa amin’ny Komitin’ny Mpandrindra sy ny Komitin’ny Fanompoana. Tena faly aho satria afaka mandray anjara kely amin’ny fanampiana an’ireo rahalahy eran-tany. Mahavariana anay foana ny mahita an’ireo tovolahy sy tovovavy be dia be mirotsaka ho mpanompo manontolo andro, satria mitovy toe-tsaina amin’i Isaia, izay nilaza hoe: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8) Tsy diso tokoa ny tenin’ilay mpiandraikitra ny faritra tamiko hoe: “Fanompoana manontolo andro mihitsy atao. Tsy ampoizinao ny fitahiana ho azonao amin’izany!”