Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Aprily 2014

Faly ve Ianao fa Mandinika Anao Ilay Raintsika Be Fitiavana?

Faly ve Ianao fa Mandinika Anao Ilay Raintsika Be Fitiavana?

Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah, mandinika ny olona ratsy toetra sy ny tsara toetra.”OHAB. 15:3.

1, 2. Inona no tsy mampitovy ny fandinihan’i Jehovah antsika sy ny fiasan’ny kamerà fanaraha-maso?

MANISY kamerà fanaraha-maso ao amin’ny fivarotany ny olona any amin’ny tany maro, mba hanatratrarana an’izay mpividy mangalatra entana ao aminy. Fantatra amin’ny sary azon’ireny kamerà ireny izay nangalatra, ka afaka mitory azy ilay mpivarotra. Matetika àry no tsy afa-maina ny mpangalatra, noho ireo kamerà fanaraha-maso.

2 Manara-maso antsika hatraiza hatraiza toa an’ireny kamerà ireny ve ny mason’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana? Milaza ny Baiboly fa “eny rehetra eny” ny masony. (Ohab. 15:3) Midika ve anefa izany hoe manara-maso be foana an’izay ataontsika izy? Mandinika antsika ve izy satria te hanafay antsika raha vao manao fahadisoana isika? (Jer. 16:17; Heb. 4:13) Tsia dia tsia. Mandinika antsika izy satria tia antsika tsirairay sady mitady izay hahasoa antsika.—1 Pet. 3:12.

3. Inona no fomba dimy ampisehoan’i Jehovah fa tia antsika izy?

 3 Inona no hanampy antsika hino fa tia antsika Andriamanitra matoa mandinika antsika? Andeha isika hijery fomba dimy ampisehoany izany: 1) Mampitandrina izy rehefa hitany hoe manana fanirian-dratsy isika. 2) Mananatra izy rehefa manao fahadisoana isika. 3) Mitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny toro lalan’ny Baiboly izy. 4) Manampy izy rehefa manana olana isika. 5) Mamaly soa antsika izy rehefa mahita ny tsara ataontsika.

MAMPITANDRINA ANTSIKA IZY

4. Nahoana i Jehovah no nampitandrina an’i Kaina hoe efa “mamitsaka eo am-baravarana” ny ota?

4 Voalohany, hodinihintsika hoe ahoana no ampitandreman’i Jehovah antsika rehefa hitany hoe manana fanirian-dratsy isika. (1 Tan. 28:9) Diniho ny nataony tamin’i Kaina. “Tezitra be” i Kaina rehefa tsy nankasitrahan’Andriamanitra. (Vakio ny Genesisy 4:3-7.) Nampirisika an’i Kaina i Jehovah mba ‘hiova ka hanao ny tsara.’ Nampitandrina izy fa efa “mamitsaka eo am-baravarana” ny ota, ka hanota i Kaina raha tsy miova. Nanontany i Jehovah hoe: ‘Hahafehy azy ve ianao?’ Tiany hanaraka ny fampitandremany i Kaina, ka “hisandratra” na hahazo sitraka aminy indray. Hifandray tsara amin’i Jehovah foana izy amin’izay.

5. Ahoana no ampitandreman’i Jehovah antsika rehefa hitany hoe manana fanirian-dratsy isika?

5 Ahoana ny amintsika ankehitriny? Mahita ny ao am-pontsika i Jehovah. Tsy azontsika afenina aminy ny tena faniriantsika sy ny antony anaovantsika zavatra. Tian’ilay Raintsika be fitiavana raha manao ny tsara foana isika, nefa tsy manery antsika hiova izy. Mampiasa ny Teniny izy mba hampitandremana antsika rehefa mitady hanao ratsy isika. Rehefa mamaky Baiboly isan’andro, ohatra, isika, dia matetika no mahita andinin-teny manampy antsika handresy fanirian-dratsy sy eritreri-dratsy. Rehefa mamaky boky sy gazety ara-baiboly koa isika, dia mety hahita ny zavatra ilaintsika ahitsy sy ny fomba hanitsiana an’ilay izy. Mahazo torohevitra tonga amin’ny fotoana ilantsika azy koa isika rehetra rehefa mivory.

6, 7. a) Nahoana no azo lazaina fa porofon’ny fitiavan’Andriamanitra anao ny Baiboly sy ny boky aman-gazety ary ny fivoriana? b) Inona no tokony hataonao raha te handray soa avy amin’ny fampitandreman’i Jehovah ianao?

6 Hitantsika amin’ireny fampitandremana omen’i Jehovah ireny fa tia antsika tsirairay izy. Marina fa efa nisy nandritra ny taonjato maro ny Baiboly. Nosoratana ho an’ny olona an-tapitrisany koa ireo boky sy gazety avoakan’ny fandaminana. Ary natao ho an’ny fiangonana manontolo ny torohevitra any am-pivoriana. Mampiasa ny Baiboly sy ny boky aman-gazety ary ny fivoriana anefa i Jehovah, mba hisarihana ny sainao ho amin’ny Teniny, ka hahatonga anao hanitsy ny fisainanao. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah anao àry ireny.

Manampy antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy ny feon’ny fieritreretana voataizan’ny Baiboly (Fehintsoratra 6, 7)

7 Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fampitandreman’i Jehovah? Mila miaiky aloha isika hoe tena miahy antsika izy. Mila mankatò ny Teniny koa isika, ary miezaka hanala ao an-tsaintsika an’izay eritreritra tsy mampifaly azy. (Vakio ny Isaia 55:6, 7.) Hisoroka fahorian-tsaina maro isika, raha mankatò fampitandremana. Ahoana anefa raha notanterahintsika ilay fanirian-dratsy? Ahoana no hanampian’ilay Raintsika be fitiavana antsika?

MANANATRA ANTSIKA ILAY RAINTSIKA BE FITIAVANA

8, 9. Nahoana no azo lazaina fa tena miahy antsika i Jehovah rehefa mampiasa ny mpanompony mba hanoro hevitra antsika? Manomeza ohatra.

8 Tsapantsika hoe tena miahy antsika i Jehovah, rehefa anarina isika. (Vakio ny Hebreo 12:5, 6.) Marina fa tsy mahafaly antsika ny omena torohevitra na famaizana. (Heb. 12:11) Eritrereto  anefa izay tsy maintsy dinihin’ilay olona manoro hevitra antsika. Tsy maintsy fantariny aloha ilay zavatra ataontsika, izay mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mihevitra ny fihetseham-pontsika izy. Mila mampiseho amintsika avy ao amin’ny Baiboly koa izy hoe inona no fanitsiana azontsika atao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Mitaky fotoana sy ezaka avy aminy izany. Hita amin’izany fa tena miahy antsika i Jehovah satria avy aminy ireny torohevitra ireny.

9 Intỳ misy ohatra mampiseho fa miahy antsika i Jehovah, rehefa mampiasa ny mpanompony mba hanoro hevitra antsika. Zatra nijery sary vetaveta ny rahalahy iray, tamin’izy mbola tsy tao amin’ny fahamarinana. Afaka tamin’izany izy tatỳ aoriana, nefa mbola tao aminy ihany ilay fanirian-dratsy, toy ny afo mbola tsy maty tanteraka. Nirehitra indray ilay faniriana rehefa nahazo finday vaovao izy. (Jak. 1:14, 15) Nampiasa an’ilay finday izy mba hijerena sary vetaveta tao amin’ny Internet. Nitory an-telefaonina izy sy ny anti-panahy iray indray andro, ary nampindraminy an’ilay anti-panahy ilay finday mba hijerena adiresy. Rehefa nampiasa an’ilay finday ilay anti-panahy, dia nipoitra ireo toerana nahitana sary maloto. Nanome torohevitra azy avy hatrany ilay anti-panahy, ary nankatò izy ka afaka tamin’ilay fahazaran-dratsy. Tena faly isika manana an’ilay Raintsika be fitiavana! Mahita ny fahotana miafina ataontsika izy ka mananatra antsika, dieny mbola tsy simba tanteraka ny fifandraisantsika aminy.

MAHASOA NY TORO LALAN’NY BAIBOLY

10, 11. a) Inona no azonao atao mba hahazoana ny tari-dalan’Andriamanitra? b) Inona no nitranga tamin’ny fianakaviana iray, ka ahitana fa hendry izay manaraka ny tari-dalan’i Jehovah?

10 Nihira ho an’i Jehovah ilay mpanao salamo hoe: “Ny torohevitrao no hitarihanao ahy.” (Sal. 73:24) Mila ‘mieritreritra an’i Jehovah’ isika isaky ny mila tari-dalana, izany hoe mila mandinika ny Teniny mba hahalalana ny fomba fiheviny. Mihatsara ny fifandraisantsika aminy rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika. Mety hanampy antsika hahazo izay ilaintsika eo amin’ny fiainana koa izany.—Ohab. 3:6.

11 Manaporofo izany ny zavatra niainan’ny mpivady iray nanofa toeram-pambolena tany Masbate, faritra be tendrombohitra any Philippines. Mpisava lalana maharitra izy mivady ary maro anaka. Taitra be izy ireo indray andro  fa nandefa taratasy nandroaka azy mianakavy ny tompon’ilay tany. Fa naninona? Nendrikendrehina izy ireo hoe tsy nanao ny marina. Niasa saina ilay rahalahy hoe aiza izy mianakavy no hipetraka. Hoy anefa izy: “Hanome izay ilaintsika i Jehovah. Mikarakara antsika foana izy, na inona na inona mitranga.” Tsy diso ilay rahalahy raha natoky an’i Jehovah. Faly erỳ izy mianakavy, andro vitsivitsy taorian’izay, rehefa nilazana fa tsy mila miala indray izy ireo. Fa nahoana? Hitan’ny tompon’ilay tany hoe nanaja olona sy nitandro fihavanana foana izy mianakavy, na dia nendrikendrehina aza. Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly mantsy izy ireo. Gaga be ny tompon’ilay tany ka nomeny tany fanampiny mihitsy izy ireo mba hamboleny. (Vakio ny 1 Petera 2:12.) Mitari-dalana antsika amin’ny alalan’ny Teniny tokoa i Jehovah, rehefa tojo zava-tsarotra isika.

NAMANA MANAMPY ANTSIKA HIARITRA

12, 13. Inona no mety hahatonga ny olona sasany hieritreritra hoe tsy mahita ny fahoriany Andriamanitra?

12 Tsy mety mivaha indraindray ny olana mahazo antsika, ohatra hoe areti-mitaiza, na fanoheran’ny mpianakavy, na fanenjehana. Mety halahelo be koa isika rehefa tsy mifanaraka amin’ny mpiara-manompo, noho ny toetra tsy mitovy.

13 Mety handratra ny fonao, ohatra, ny teny tsy voahevitra nolazain’ny rahalahy iray. Hoy angamba ianao: ‘Ato amin’ny fandaminan’i Jehovah ve dia misy an’izany!’ Mahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana anefa ilay rahalahy, sady manaja azy ny hafa. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Ahoana koa àry izany? Fa angaha i Jehovah tsy mahita? Maninona izy no tsy manao zavatra?’—Sal. 13:1, 2; Hab. 1:2, 3.

14. Nahoana i Jehovah no mety tsy hanao zavatra rehefa manana olana amin’ny mpiara-manompo isika?

14 Mety hisy antony tsara mahatonga an’i Jehovah tsy hanao zavatra. Mety hihevitra, ohatra, ianao hoe ilay olona nampahatezitra anao no tena diso, nefa mety tsy ho izany no hevitr’i Jehovah. Marina fa nahatezitra anao ny tenin’ilay olona, nefa mety ho torohevitra tena ilainao sy tokony hosaintsaininao ilay izy. Izany no nitranga tamin’ny Rahalahy Karl Klein, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana taloha. Nitantara izy fa nahazo torohevitra hentitra avy tamin’ny Rahalahy J. Rutherford, indray mandeha. Niarahaba azy ny Rahalahy Rutherford taorian’izay, ary miramirana erỳ nilaza hoe: “Manao ahoana Karl a!” Mbola tezitra tamin’ilay torohevitra anefa ny Rahalahy Klein, ka ningonongonona fotsiny namaly azy. Hitan’ny Rahalahy Rutherford fa nitana lolompo izy, ka nampitandremany mba tsy hanaiky harapaky ny Devoly. Hoy ny Rahalahy Klein, tatỳ aoriana: “Manaiky hofitahin’ny Devoly isika, raha mitana lolompo amin’ny rahalahintsika, indrindra raha toa ilay rahalahy ka nilaza zavatra tamintsika, ary zony ny nilaza izany noho ny andraikiny.” *

15. Inona no hanampy antsika, raha mieritreritra isika hoe toa tsy mety mifarana ny olana mahazo antsika?

15 Mety tsy hanam-paharetana anefa isika, rehefa hitantsika hoe toa tsy mety mifarana ny olana mahazo antsika. Inona no azo atao? Eritrereto hoe milahatra hitoto vary ianao, ary tsy fantatrao hoe rahoviana ianao vao ho afaka eo. Raha tezitra ianao ka lasa mitady fitotoam-bary hafa, dia mety ho ela kokoa vao ho voatoto ny varinao satria mety ho lava kokoa ny filaharana any. Toy izany koa isika rehefa manana olana. Ilaina ny manam-paharetana sy manaraka foana ny toro lalan’ny Baiboly. Hanampy antsika hiaritra i Jehovah amin’izay.

16. Nahoana koa i Jehovah no mety tsy hanao zavatra avy hatrany rehefa iharam-pitsapana isika?

16 Mety tsy hanao zavatra avy hatrany i Jehovah  mba hamahana ny olana mahazo antsika, satria tiany hampiofanina isika. (Vakio ny 1 Petera 5:6-10.) Tsy hoe avy aminy akory ny fitsapana mahazo antsika. (Jak. 1:13) Avy amin’ny ‘Devoly fahavalontsika’ ny ankamaroan’izy ireny. Mety hampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika hanana finoana matanjaka anefa ny zava-tsarotra. Mahita ny fahoriantsika izy sady “miahy” antsika, ka manome toky fa ho “vetivety” ihany ny fijaliantsika. Faly ve ianao mahalala fa mandinika sy miahy anao i Jehovah, rehefa manana olana ianao? Matoky ve ianao fa hanome “lalan-kivoahana” izy?—2 Kor. 4:7-9.

MAMALY SOA I JEHOVAH

17. Olona manao ahoana no tadiavin’i Jehovah, ary nahoana?

17 Farany, misy antony tena mampahery mahatonga an’i Jehovah handinika antsika. Nasainy nilaza tamin’i Asa Mpanjaka i Hanany mpahita hoe: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) Hitan’i Jehovah hoe tsy nanompo azy tamin’ny fo manontolo i Asa. Raha hitany kosa hoe manao ny tsara foana ianao, dia hampiasa ny “heriny” izy hanampiana anao.

18. Raha tsapanao hoe tsy mba misy mankasitraka ianao, inona no tokony hotadidinao momba an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

18 Tian’Andriamanitra ‘hitady izay tsara’ sy ho ‘tia ny tsara’ ary “hanao ny tsara” isika. “Hamindra fo” na hamaly soa antsika izy, raha manao izany isika. (Amosa 5:14, 15; 1 Pet. 3:11, 12) Mahita ny olo-marina i Jehovah ary mitahy azy ireo. (Sal. 34:15) Eritrereto, ohatra, i Sifra sy Poha, Israelita mpampivelona tamin’ny fotoana nanandevozana ny Israelita tany Ejipta. Nandidy azy ireo mba hamono ny zazalahy israelita rehetra vao teraka i Farao. Andriamanitra anefa no natahoran’izy roa vavy kokoa noho i Farao. Nankatò an’Andriamanitra izy ireo noho ny feon’ny fieritreretany, ka tsy novonoiny ireo zazakely. “Nomen’Andriamanitra ankohonana” izy roa vavy tatỳ aoriana. (Eks. 1:15-17, 20, 21) Voamarik’i Jehovah àry ny zavatra tsara nataon’izy ireo. Mety hieritreritra koa isika hoe tsy misy miraharaha ny zavatra tsara ataontsika. Hitan’i Jehovah anefa ny zavatra tsara rehetra ataontsika ary hamaly soa antsika izy.—Mat. 6:4, 6; 1 Tim. 5:25; Heb. 6:10.

19. Inona no nahatonga ny anabavy iray hiaiky fa voamarik’i Jehovah ny asa tsara nataony?

19 Tsapan’ny anabavy iray any Aotrisy fa tena hitan’Andriamanitra ny asa mafy nataony. Avy any Hongria ny fiaviany ka nasaina nitsidika olona iray miteny hongroà izy. Tonga dia nankany an-tranon’ilay olona izy, nefa tsy nisy olona tao. Niverimberina tany izy nandritra ny herintaona sy tapany, sady namela boky sy nomeraon-telefaonina ary nanoratra. Hoatran’ny nisy olona tao amin’ilay trano indraindray nefa tsy nisy namoha. Nisy vehivavy sariaka nandray azy ihany anefa tamin’ny farany, ary niteny hoe: “Mandrosoa e! Voavakiko daholo ny zavatra napetrakao ary efa niandry anao aho.” Tsy te hihaona tamin’olona ilay vehivavy talohan’izay satria nisy fitsaboana manokana narahiny. Nanomboka nianatra Baiboly anefa izy rehefa nihaona tamin’ilay anabavy. Namaly soa ny ezaka mafy nataon’ilay anabavy tokoa i Jehovah!

20. Inona no tsapanao rehefa mieritreritra hoe mandinika anao i Jehovah?

20 Mahita an’izay rehetra ataonao i Jehovah, ary hamaly soa anao. Aza mieritreritra hoe te hitsingoloka ny fahadisoanao fotsiny izy, toy ny ataon’ny kamerà fanaraha-maso. Tadidio kosa fa tena miahy izay hahasoa anao ilay Andriamanitra be fitiavana, ary enga anie izany ka hahatonga anao ho akaiky kokoa azy.

^ feh. 14 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1985 ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Klein.