Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vola

Vola

VOLA

Atao takalo. Biby fiompy matetika no natao takalo fahiny (takalo no fomba fividianan-javatra tranainy indrindra). Avy amin’ny hoe pecus (“omby”) mantsy ny teny latinina (pecunia) nadika hoe vola. Tsy azo natao takalo foana anefa ny biby fiompy (Ge 47:17) sy sakafo (1Mp 5:10, 11), ka nampiasaina ny metaly toy ny volamena sy volafotsy. Efa hatramin’ny andron’i Abrahama no natao vola ny metaly sarobidy, saingy tsy toy ny vola madinika mahazatra. Volafotsy na volamena ilay izy, ary natao vaingany na peratra na brasele na zavatra hafa, sady nisy lanjany voafaritra. (Ampit. Ge 24:22; Js 7:21.) Midika ara-bakiteny hoe “volafotsy” ny teny hebreo nadika hoe “vola.” Matetika no nolanjain’ny mpividy ilay metaly nataony takalo.—Ge 23:15, 16; Je 32:10.

Nisy resaka lanja ny raharaham-barotra fahiny. Sandam-bola koa àry ny lanja (jereo LANJA SY REFY), izay nisy fizarana dimy lehibe tamin’ny Israelita: Gera, antsasa-tsekely (beka), sekely, mina (mane), ary talenta. (Ek 25:39; 30:13; 38:25, 26; 1Mp 10:17; Ezk 45:12; jereo GERA, II; MINA, FARANTSA; SEKELY; TALENTA.) Hita eo ambany ny mifanitsy aminy sy ny sandany raha volamena na volafotsy ilay izy. (Miovaova ny vidin’ny volamena sy volafotsy tato ho ato. Tazonina ho 11,25 dolara eo ho eo àry ny volamena iray grama, ary 0,19 dolara eo ho eo ny volafotsy iray grama [vidiny tamin’ny 1988], ato amin’ity boky ity. Avo 13 heny tamin’ny vidin’ny volafotsy anefa ny an’ny volamena, fahiny.)

Volamena Volafotsy

Gera 1 = 1⁄20 sekely $ 6,42 $  0,11

Beka 1 = gera 10 64,23 1,10

Sekely 1 = beka 2 128,45 2,20

Farantsa 1 = sekely 50 6 422,50 110,10

Talenta 1 = farantsa 60 385 350 6 606

Tsy tena fantatra ny sandan’ny “farantsa volafotsy” (heb.: kesitah) resahin’ny Genesisy 33:19 sy Josoa 24:32 ary Joba 42:11, sy ny sandan’ny pima, izay mety ho roa ampahatelon’ny sekely teo ho eo.—1Sa 13:21; jereo PIMA.

Vola madinika resahin’ny Soratra Hebreo. Heverina fa tamin’ny 700 T.K. tany ho any no nisy vola madinika voalohany. Toa rehefa nody avy tany an-tsesitany tany Babylona ny Israelita vao nampiasa vola madinika. Miresaka darìka persianina (1Ta 29:7; Ezr 8:27) sy drakma (heb.: darkemôhnim), izay mitovy sanda amin’ny darìka (Ezr 2:69; Ne 7:70-72), ny boky ao amin’ny Baiboly nosoratana taorian’ny sesitany. Nilanja 8,4 g ny darìka persianina volamena, ka mitentina 94,50 dolara.—Jereo DARÌKA; DRAKMA.

Vola resahin’ny Soratra Grika Kristianina. Anisan’izany ny leptona (jiosy), kadrana (romanina), asa na asariona (romanina sy ny faritaniny), denaria (romanina), drakma (grika), didrakma (grika), ary statera (grika; io, hono, no tetradrakma tany Antiokia na Tyro). (Mt 5:26; 10:29; 17:24, 27; 20:10; Mr 12:42; Lk 12:6, 59; 15:8; 21:2; jereo DENARIA; STATERA.) Lanja fa tsy vola madinika ny sandam-bola lehibe kokoa toy ny farantsa sy talenta. (Mt 18:24; Lk 19:13-25) Asehon’ny tabilao eo ambany ny mifanitsy amin’ireo vola ireo sy ny tokotokony ho sandany amin’ny dolara.

Sandany

Leptona 1 (varahina = kadrana 1⁄2 $  0,006

na halimo)

Kadrana 1 (varahina = leptona 2  0,012

na halimo)

Asa 1 (asariona) = kadrana 4  0,046

(varahina na halimo)

Denaria 1 (volafotsy) = asa 16 0,74

Drakma 1 (volafotsy) =  0,65

Didrakma 1 (volafotsy) = drakma 2 1,31

Tetradrakma* 1 = drakma 4 2,62

Mina 1 (volafotsy) = drakma 100 65,40

Talenta 1 (volafotsy) = farantsa 60 3 924

Talenta 1 (volamena) = 228 900

* Angamba mitovy amin’ny statera (volafotsy)

Sandany. Tsy tena fantatra ny sandan’ny vola fahiny, na dia avadika ho dolara aza. Misy fomba ahafantarana kely an’izany ihany anefa ao amin’ny Baiboly. Lazainy, ohatra, fa denaria iray ny karaman’ny mpamboly niasa adiny 12, tamin’ny andron’i Jesosy. (Mt 20:2) Mety ho toy izany koa ny karama isan’andro, tamin’ny andron’ny olona resahin’ny Soratra Hebreo. Raha izany no izy, dia karama telo andro ny sekely volafotsy iray.

Sekely volafotsy 30 (karama 90 andro angamba) no vidin’ny mpanompo iray. (Ek 21:32; ampit. Le 27:2-7.) Novidin’i Hosea mpaminany farantsa volafotsy 15 sy vary orza eran’ny homera sy tapany (15 efaha) ny vehivavy iray. Azo inoana fa izay ihany no vidin’ny mpanompo iray. Raha izany no izy, dia sekely iray no vidin’ny vary orza iray efaha (22 L).—Ho 3:2.

Lafo be ny vidin-javatra rehefa nisy mosary. Nahazoana vary orza valo homera (1 760 L) ny farantsa volafotsy 80 (karama 240 andro teo ho eo), saingy lohan’ampondra tsy nisy nofony no mba azon’izany rehefa nisy fahirano. Tsy azo nohanina anefa ny ampondra, araka ny Lalàn’i Mosesy.—2Mp 6:25; ampit. Ho 3:2.

Asariona iray (karama 45 minitra) no vidin’ny fody roa, ary asariona roa ny fody dimy, tamin’ny taonjato voalohany. (Mt 10:29; Lk 12:6) Latsaka izany anefa ny fanomezan’ilay mpitondratena nahantra hitan’i Jesosy tao amin’ny tempoly, satria leptona roa (kadrana 1) monja na 1/64 amin’ny karama isan’andro. Betsaka noho ny an’ireo nanome be anefa ny nomeny, hoy i Kristy Jesosy, satria tsy ny ambim-bavany fa “izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.” (Mr 12:42-44; Lk 21:2-4) Drakma roa na didrakma iray (karama roa andro teo ho eo) ny hetran’ny tempoly naloan’ny Jiosy isan-taona. (Mt 17:24) Karama iray andro teo ho eo ny drakma iray. Tsy mahagaga àry raha nofafan’ny vehivavy iray daholo eran’ny tranony mba hitadiavana drakma iray very.—Lk 15:8, 9.

Farantsa volafotsy 30 izay vidin’ny mpanompo iray no namadihan’i Jodasy Iskariota an’i Jesosy. (Mt 26:14-16, 47-50) Sekely na vola madinika nitovy sanda tamin’ny sekely ireo, saingy tsy voalaza tany am-boalohany hoe vola madinika inona fa hoe volafotsy fotsiny.

Mahasoa nefa koa manimba. Voaro amin’ny fahantrana sy ny vokany ny olona manam-bola, ka afaka mahazo izay ilainy sy mampiadana azy. (Ampit. Mpto 7:12; 10:19.) Mety hanomboka hitoky amin’ny vola àry ny olona iray ka hanadino ny Mpamorona. (Ampit. De 8:10-14.) “Fitiavam-bola [a.b.t.: fitiavana volafotsy] mantsy no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” (1Ti 6:10) Misy manao fitsarana miangatra, mivaro-tena, mamono olona, mamadika ny namany, ary mandainga mba hahazoam-bola.—De 16:19; 23:18; 27:25; Ezk 22:12; Mt 26:14, 15; 28:11-15.

Ankasitrahan’Andriamanitra anefa ny fampiasana ny vola amin’ny fomba tsara (Lk 16:1-9), ohatra hoe ampandrosoana ny fivavahana marina sy anampiana an’izay sahirana. (Ampit. 2Ta 24:4-14; Ro 12:13; 1Jn 3:17, 18; jereo FANOMEZANA; FIANTRANA NY MAHANTRA.) Ahavitan-javatra tsara ny vola, nefa tsy ilana vola ny zava-tsarobidy indrindra, dia ny sakafo ara-panahy sy ny fiainana mandrakizay.—Is 55:1, 2; Ap 22:17.