Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny Fiainana?

Inona no Dikan’ny Fiainana?

Inona no Dikan’ny Fiainana?

NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE IZANY? Anisan’ny tena manahiran-tsaina ny mieritreritra hoe tsy misy dikany na tsy misy zava-kendrena ny fiainana. Mahavita miaritra fijaliana kosa ny olona, raha manana tanjona mazava tsara. Anisan’ny tsy maty tamin’ny Famonoana Tambabe, tamin’ny Ady Lehibe II, ilay manam-pahaizana atao hoe Viktor Frankl. Hoy izy: “Ny fahalalana hoe misy dikany ny fiainana, no tena manampy ny olona hiaritra fahoriana. Zakany na dia ny fijaliana mafy indrindra aza. Ary sahiko ny milaza fa tsy misy na inona na inona ankoatra izany afaka manampy azy hiaritra.”

Samy manana ny heviny momba ny dikan’ny fiainana anefa ny olona. Maro no milaza fa miankina amin’ny tsirairay izany. Mihevitra kosa ireo mino ny evolisiona fa tsy tena misy heviny ny fiainana.

Inona marina àry no dikan’ny fiainana? Ny hevitr’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome aina, no tokony hofantarintsika. Diniho izay lazain’ny Teniny momba izany.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Milaza ny Baiboly fa tena nanana fikasana i Jehovah Andriamanitra, rehefa namorona ny mpivady voalohany. Izao no didy nomeny azy ireo:

Genesisy 1:28. “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”

Ny fikasan’Andriamanitra dia hoe hanitatra ny paradisa hanerana ny tany i Adama sy Eva ary ny taranany. Tsy niriny ho antitra sy ho faty mihitsy isika, ary tsy tiany hanimba ny tontolo iainana. Nanao safidy ratsy anefa i Adama sy Eva, ka lasa mpanota sy maty ny olona. (Genesisy 3:2-6; Romanina 5:12) Tsy niova kosa ny fikasan’i Jehovah, ary tsy ho ela dia ho paradisa ny tany.—Isaia 55:10, 11.

Afaka manao ny sitrapon’i Jehovah isika, satria efa noforoniny ho amin’izany ny vatantsika sy ny saintsika. Tsy noforoniny mba hanao izay tiantsika fotsiny isika, fa mila manaiky azy. Voalazan’ireto andinin-teny ireto ny zavatra tiany hataontsika:

Mpitoriteny 12:13. “Rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”

Mika 6:8. “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.”

Matio 22:37-39. “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ”

Mampilamin-tsaina izay lazain’ny Baiboly

Aoka hatao hoe misy milina iray tena sarotra ampiasaina. Tsy maintsy ampiasaina araka izay natoron’ilay namorona azy izy io, raha tiana handeha tsara. Mila manaiky ny Mpamorona koa àry isika, mba handeha tsara ny fiainantsika. Tsy hiady saina na ho voan’ny ratram-po sy loza hafa isika amin’izay, ary hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hilamin-tsaina isika raha manaiky ny tari-dalany, amin’ireto lafin-javatra ireto:

Fantaro izay zava-dehibe indrindra. Ny harena no tena zava-dehibe amin’ny olona maro ankehitriny. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba.”—1 Timoty 6:9, 10.

Mianatra ho afa-po amin’izay ananany kosa ny olona tia an’Andriamanitra. (1 Timoty 6:7, 8) Marina fa fantany hoe mila miasa mafy izy, ary tsy maintsy mamelon-tena. (Efesianina 4:28) Arahin’izy ireo koa anefa ity fampitandreman’i Jesosy ity: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”—Matio 6:24.

Tsy ny asa fivelomana na ny harena àry no tena zava-dehibe amin’izy ireo, fa ny sitrapon’Andriamanitra. Efa nilaza mantsy i Jehovah fa tsy maintsy hikarakara azy, raha izany no ataony loha laharana. Matoky àry izy ireo fa hanampy azy Andriamanitra.—Matio 6:25-33.

Mihavàna tsara amin’ny hafa. Maro no tsy mahalala afa-tsy ny tenany ankehitriny. Tsy mifankatia àry ny olona, satria ‘tia tena sy tsy tia ny mpianakaviny.’ (2 Timoty 3:2, 3) Tsy mahafehy tena izy ireo, fa tonga dia ‘tezitra sy vinitra sy milelalela ary manevateva’, rehefa tsy ekena ny heviny na nisy nandiso fanantenana azy. (Efesianina 4:31) Tsy mampilamin-tsaina anefa izany, fa vao mainka aza “manetsika ady.”—Ohabolana 15:18.

‘Tsara fanahy sy mangoraka ary mifamela heloka tanteraka’ kosa, ireo manaiky ny didin’Andriamanitra ho tia ny namany tahaka ny tenany. (Efesianina 4:32; Kolosianina 3:13) Manahaka an’i Jesosy foana izy ireo, na dia masiaka aminy aza ny hafa. “Tsy mba nanevateva” mantsy izy, rehefa notevatevaina. (1 Petera 2:23) Fantany fa mahafaly ny manampy ny hafa, na dia ireo tsy mankasitraka aza. (Matio 20:25-28; Jaona 13:14, 15; Asan’ny Apostoly 20:35) Omen’i Jehovah Andriamanitra ny fanahiny ireo manahaka ny Zanany. Tena hiadan-tsaina izay manana an’io fanahy io.—Galatianina 5:22.

Mila mahalala izay hitranga amin’ny hoavy koa anefa ianao, raha te hilamin-tsaina.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Mila manana tanjona mazava tsara ny olona, eo amin’ny fiainany

[Sary, pejy 7]

Hilamin-tsaina isika raha mampihatra ny fampianaran’i Jesosy