Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA 2008-02-01

 Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Fandaminana Fifandirana

Fandaminana Fifandirana

Fano: * “Nipetraka tany amin-dry Dada sy Neny niaraka tamin’ny iray tam-po amiko izahay sy Saraha, rehefa vita mariazy. Nangataka mba hateriko hody tamin’ny fiaranay ilay ankizivavy naman’ny zandriko lahy indray mandeha. Nanaiky aho, ary nentiko koa ny zanako lahikely. Tezitra be i Saraha rehefa tafaverina izahay! Nifamaly teo imason’ny fianakaviako izahay, ary nolazainy fa mpanenjika vehivavy aho. Tsy nahatana ny hatezerako aho, ka nahateny zavatra vao mainka nahasosotra azy.”

Saraha: “Tena tsy salama ilay zanakay, ary sahirana ara-bola izahay tamin’izany. Maromaro àry ny zavatra nahatezitra ahy, rehefa hitako nitondra an’ilay ankizivavy sy ny zanakay i Fano. Rehefa tafaverina izy, dia nasehoko azy fa sosotra aho. Nifamaly be izahay sady tsy nifampitsitsy teny. Nanenina mafy aho avy eo.”

TSY mifankatia intsony ve ny mpivady, raha mifamaly? Tsy izany mihitsy! Tena mifankatia i Fano sy Saraha. Na ny tokantrano tsara indrindra aza anefa, dia ahitana fifandirana ihany indraindray.

Fa nahoana? Inona no azonao atao mba tsy ho ravan’ireny fifandirana ireny ny tokantranonao? Andriamanitra no nanao ny fanambadiana, ka mety raha jerentsika izay lazain’ny Teniny momba izany.—Genesisy 2:21, 22; 2 Timoty 3:16, 17.

Ny mahatonga ny olana

Te hifaneho hatsaram-panahy sy fitiavana ny ankamaroan’ny mpivady. Marina koa anefa ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Mety tsy ho mora àry ny hifehy ny fihetseham-po, rehefa misy zavatra tsy ifanarahana. Mainka moa raha raikitra ny fifamaliana! Tena mety ho sarotra amin’ny sasany amin’izay ny hanohitra ny fahazaran-dratsy, toy ny filelalelana sy fanevatevana. (Romanina 7:21; Efesianina 4:31) Inona koa no mety hiteraka olana?

Tsy mitovy fomba filaza zavatra matetika ny mpivady. Hoy ny vehivavy iray atao hoe Michiko: “Vao nivady kelikely izahay dia hitako fa samy hafa tanteraka ny fomba firesakay mivady. Tsy izay zava-nitranga ihany ny ahy no resahiko, fa ny antony nahatonga an’ilay izy sy ny fomba nitrangan’izany koa. Ny an’ny vadiko kosa, izay niafaran’ilay izy ihany no mahaliana azy.”

Tsy maningana ny toy izany. Izao no mitranga ao amin’ny tokantrano maro, rehefa misy zavatra tsy ifanarahan’ny mpivady: Mety ho te hanazava be an’ilay izy ny iray. Ny vadiny kosa tsy te hifamaly, ka aleony tsy miresaka an’izany. Arakaraka ny hiresahan’ny andaniny momba an’ilay izy indraindray, no vao mainka hitadiavan’ny ankilany fomba hialana amin’izany. Izany koa ve no mitranga ao an-tokantranonao? Rehefa misy ny olana, moa ve te hanazava be an’ilay izy ny iray, fa ny iray kosa manao izay tsy hiresahana an’ilay izy?

  Misy vokany eo amin’ny olona koa ny zavatra niainany teo anivon’ny fianakaviany. Mety ho arakaraka izany no fomba heveriny hoe tokony hifampiresahan’ny mpivady. Hoy i Justin, izay dimy taona nanambadiana: “Tsy dia niresaka izahay tany an-trano, ka sarotra amiko ny milaza ny hevitro sy ny fihetseham-poko. Mahasorena ny vadiko izany. Maresaka be mantsy ny fianakaviany, ka tsy sahirana izy milaza amiko ny heviny sy ny fihetseham-pony.”

Nahoana no ilaina ny miezaka mandamina ny olana?

Hitan’ny mpikaroka fa tsy miankina fotsiny amin’ny filazana matetika hoe “tiako ianao”, na ny fifanarahana eo amin’ny resaka firaisana, na ny fananana vola be, no tena hahasambatra ny tokantrano. Hita kosa fa ny fahaizan’ny mpivady mandamina ny olana mipoitra no tena zava-dehibe mba hananany fanambadiana vanona.

Ankoatra izany, dia nilaza i Jesosy fa Andriamanitra no mampiray zioga ny mpivady, fa tsy ny olona. (Matio 19:4-6) Manome voninahitra an’Andriamanitra àry ny fanambadiana vanona. Raha tsy maneho fitiavana sy fiheverana ny vadiny kosa ny lehilahy, dia mety tsy hohenoin’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka ataony. (1 Petera 3:7) Raha tsy manaja vady koa ny vehivavy, dia tena tsy manaja an’i Jehovah, izay nanendry ny lehilahy ho loham-pianakaviana.—1 Korintianina 11:3.

Aza zatra manao teny mandratra

Marina fa eo ny fomba filazanao zavatra sy ny zavatra niainanao teo anivon’ny fianakavianao. Misy fahazaran-dratsy tsy tokony hanananao anefa, mba hanarahana ny toro lalan’ny Baiboly sy hahaizana handamina fifandirana. Manontania tena hoe:

‘Mifehy tena ve aho mba tsy hamaly faty?’

Hoy ny ohabolana iray feno fahendrena: “Ny fanolanana ny orona no miteraka ra; ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.” (Ohabolana 30:33) Inona no dikan’izany? Intỳ misy ohatra. Mety hivadika haingana ho fanakianana ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fomba hitantanana ny vola. (Lasa hoe: “Tsy mieritreritra ianao fa mandanilany fotsiny”, ilay hoe: “Tokony hitsitsy vola isika.”) Marina aloha fa raha manakiana ny toetranao ny vadinao, ka toy ny hoe ‘manolana ny oronao’, dia mety halaim-panahy hamaly faty koa ianao. Vao mainka mampahatezitra sy mampifandramatra anefa izany!

Nampitandrina toy izao i Jakoba mpanoratra Baiboly: “Jereo ange ny afo e! Kely fotsiny dia efa mampirehitra ala be. Afo ny lela.” (Jakoba 3:5, 6) Vetivety dia ho lasa ady be toy ny afo midedadeda ny tsy fifanarahana madinidinika, rehefa tsy mifehy ny lelany ny mpivady. Tsy ho afaka hitombo ny fifankatiavana, raha matetika ny mpivady no mifandramatra toy izany.

Toy izay hamaly faty, nahoana raha manahaka an’i Jesosy? “Tsy mba nanevateva” izy rehefa notevatevaina. (1 Petera 2:23) Inona àry no azo atao mba hampitony haingana ny fahatezerana? Mila manaiky ianao fa mety hitombina ny hevitry ny vadinao. Mila miala tsiny koa ianao, noho ny anjara andraikitrao tamin’ilay fifandirana.

ANDRAMO IZAO: Rehefa miady ianareo amin’ny manaraka, dia eritrereto izao: ‘Maninona moa aho raha mba manaiky ny hevitry ny vadiko? Inona no anjara andraikitro tamin’ilay fifandirana? Inona no misakana ahy tsy hiala tsiny noho ny fahadisoako?’

‘Tsy asiako vidiny firy ve ny hevitry ny vadiko sy ny fihetseham-pony?’

Mandidy antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory.” (1 Petera 3:8) Misy antony maromaro mety hisakana anao tsy hanaraka an’io torohevitra io. Anisan’izany ireto: Voalohany, mety tsy ho fantatrao izay ao an-tsain’ny vadinao sy ao am-pony. Manahy bebe kokoa noho ianao angamba izy amin-javatra sasany. Mety halaim-panahy àry ianao hilaza hoe: “Izany koa ve dia ataonao manahirana?” Te hanampy ny vadinao fotsiny angamba ianao mba hahita an’ilay olana araka ny tokony ho izy. Tsy  dia mampahery loatra anefa ny teny toy izany. Na ny lehilahy na ny vehivavy, dia samy mila mahatsapa fa mahazo ny heviny sy miombom-pihetseham-po aminy ny vadiny.

Faharoa, mety tsy hanisy vidiny firy ny hevitry ny vadiny sy ny fihetseham-pony ny olona, raha mihevi-tena ho ambony. Manambany ny hafa foana izy, mba hanandratany ny tenany. Mety hanivaiva an’ilay olona izy, ohatra, na hampitaha azy amin’ny hafa mba hampietrena azy. Nanambony tena toy izany ny Fariseo sy mpanora-dalàna tamin’ny andron’i Jesosy. Nesoiny sy nambaniny izay tsy niombon-kevitra taminy, na dia Fariseo toa azy aza. (Jaona 7:45-52) Tsy toy izany kosa i Jesosy. Niombom-pihetseham-po tamin’ny olona niresaka taminy izy.—Matio 20:29-34; Marka 5:25-34.

Diniho hoe inona no fanaonao, rehefa miresaka aminao momba izay mampanahy azy ny vadinao. Hita amin’ny endrikao sy ny teninao ary ny toe-peonao ve fa miombom-pihetseham-po aminy ianao? Sa tonga dia tsy miraharaha izay lazainy ianao?

ANDRAMO IZAO: Diniho ny fomba firesakao amin’ny vadinao, mandritra ny herinandro vitsivitsy. Mialà tsiny avy hatrany, raha tsy niraharaha izay nolazainy ianao, na nanao teny nanambany azy.

‘Matetika ve aho no mihevitra fa misy kendren’ny vadiko ao, matoa izy manao zavatra?’

“Tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra?” (Joba 1:9, 10) Te hilaza i Satana tamin’izany fa nitady izay hahasoa azy fotsiny i Joba lehilahy nahatoky, matoa nanompo an’Andriamanitra.

Mety ho toy izany koa ny toe-tsain’ny mpivady, raha tsy mitandrina izy. Raha manao zavatra tsara ho anao, ohatra, ny vadinao, moa ve ianao mieritreritra hoe: ‘Inona indray no tadiaviny?’, na hoe: ‘Misy zavatra tsy tiany ho fantatro ao!’ Raha manao fahadisoana izy, moa ve izany raisinao ho porofo fa tia tena sy tsy miraharaha anao izy? Moa ve ianao mitadidy avy hatrany izay fahadisoana efa nataony mitovy amin’io? Hotadidinao koa ve ilay vao nataony?

ANDRAMO IZAO: Ataovy lisitra ny zavatra tsara nataon’ny vadinao ho anao, sy ny antony tsara mety ho nahatonga azy hanao izany.

Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fitiavana ... tsy mitana lolompo.” (1 Korintianina 13:4, 5) Tsy hoe tsy mahita ny kileman’ny hafa akory ny tena fitiavana, nefa tsy mitana lolompo koa izy io. Nilaza koa i Paoly fa “mino ny zava-drehetra” ny fitiavana. (1 Korintianina 13:7) Tsy hoe mino an-jambany fotsiny no dikan’izany, fa hoe vonona hatoky ary tsy fatra-piahiahy. Ilay fitiavana resahin’ny Baiboly dia mahatonga antsika ho vonona hamela heloka, ary hatoky fa antony tsara no manosika ny olona hanao zavatra. (Salamo 86:5; Efesianina 4:32) Hanana tokantrano sambatra ny mpivady, raha samy maneho an’io fitiavana io.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona avy no fahadisoana nataon’i Fano sy Saraha?
  • Inona no azoko atao mba tsy hamerenana ny fahadisoana nataony?
  • Iza amin’ireo hevitra nomena tato no tena mila iezahako ampiharina?

^ feh. 3 Novana ny anarana.

Fanampim-panazavana

Ahoana no Hamahana Olana?

Miankina amin’ny fomba andaminana olana no hahatonga ny tokantrano ho mafy orina sy sambatra, na ho mora rava sy feno fahoriana.