Ohabolana 15:1-33

  • Mampitony hatezerana ny valin-teny malefaka (1)

  • Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah (3)

  • Mahafinaritra an’i Jehovah ny vavaky ny olona manao izay mahitsy (8)

  • Tsy tanteraka izay kasaina hatao raha tsy maka hevitra amin’olona (22)

  • Mieritrereta tsara vao mamaly (28)

15  Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka,*+Fa ny teny henjana* kosa vao mainka mampahatezitra.+   Mahay mampiasa tsara ny fahalalana ananany ny lelan’ny hendry,+Fa mamoaka hadalana kosa ny vavan’ny adala.   Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah,Ka dinihiny daholo na ny ratsy toetra na ny tsara toetra.+   Hazon’aina ny tenin’ny olona tony,*+Fa mahakivy* kosa ny teny mamitaka.   Tsy miraharaha ny anatry ny rainy ny tsisy saina,+Fa manaiky hahitsy* kosa ny malina.+   Misy harena be dia be ao an-tranon’ny olo-marina,Fa mampidi-kizo ny ratsy fanahy kosa ny tombony azony.*+   Mampiely fahalalana ny molotry ny hendry,+Fa tsy mba hoatr’izany ny fon’ny adala.+   Maharikoriko an’i Jehovah ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+Fa mahafinaritra azy kosa ny vavaky ny olona manao izay mahitsy.+   Maharikoriko an’i Jehovah ny fanaon’ny ratsy fanahy,+Fa tiany kosa izay miezaka manao ny marina foana.+ 10  Tsy tian’ny* olona mivily lalana ny hoe ahitsy.+Ho faty anefa izay mankahala fananarana.+ 11  Na ny Fasana* sy ny toerana mahalò ny nofo* aza tsy misy miafina amin’i Jehovah,+ Koa mainka fa ny ao am-pon’ny olombelona!+ 12  Tsy tian’ny mpanesoeso ny olona manitsy* azy,+ Ary tsy hanontany ny hendry izy.+ 13  Miramirana ny endrika rehefa falifaly ny fo,Fa kivy kosa ny olona rehefa malahelo ny fony.+ 14  Mitady fahalalana ny fon’ny mahira-tsaina,+Fa hadalana kosa no ankafizin’ny* vavan’ny tsisy saina.+ 15  Manjombona foana ny andron’ny olona malahelo,*+Fa hoatran’ny manao fety foana kosa ny olona manana fo falifaly.*+ 16  Aleo tsy dia manana firy nefa matahotra an’i Jehovah,+Toy izay manankarem-be nefa mitebiteby* lava.+ 17  Aleo mihinana anana* ao anatin’ny fifankatiavana,+Toy izay mihinana hena matavy* ao anatin’ny fifankahalana.+ 18  Mampisy ady izay mora tezitra,+Fa mampitsahatra fifamaliana kosa ny olona tsy mora tezitra.+ 19  Hoatran’ny hoe misy fefy tsilo ny lalan’ny kamo,+Fa toy ny lalambe tsy misy mikitoantoana kosa ny lalan’ny olo-marina.+ 20  Mampifaly ny rainy ny zanaka hendry,+Fa ny adala kosa manao tsinontsinona ny reniny.+ 21  Mahafaly ny tsy ampy saina* ny hadalana,+Fa mandeha mahitsy kosa ny olona mahay mandinika.+ 22  Tsy tanteraka izay kasaina hatao raha tsy maka hevitra amin’olona,*Fa tanteraka kosa izany rehefa be dia be ny mpanoro hevitra.*+ 23  Faly ny olona rehefa mahay mamaly,*+Ary tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!+ 24  Miaka-piakarana ny lalin-tsaina rehefa mandeha amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana,+Mba tsy hidinany any amin’ny Fasana* any ambany.+ 25  Horavan’i Jehovah ny tranon’izay manambony tena,+Fa harovany kosa ny faritry ny tanin’ny mpitondratena.+ 26  Maharikoriko an’i Jehovah ny tetiky ny ratsy fanahy,+Fa madio eo imasony kosa ny teny mahafinaritra.+ 27  Mampidi-kizo* ny ankohonany ny olona mitady tombony amin’ny tsy marina,+Fa ho ela velona kosa izay tsy tia kolikoly.+ 28  Mieritreritra tsara ny olo-marina* vao mamaly,*+Fa mamoaka zava-dratsy kosa ny vavan’ny ratsy fanahy. 29  Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah,Fa henoiny kosa ny vavaky ny olo-marina.+ 30  Mahafaly ny fo ny endrika miramirana,*Ary mampahatanjaka* ny taolana ny tatitra tsara.+ 31  Ahazoana fiainana ny anatra, ka izay mihaino an’izanyDia anisan’ny olona hendry.+ 32  Manao tsinontsinona ny ainy izay tsy manaiky anatra,+Fa lasa mahira-tsaina* kosa izay mihaino anatra.+ 33  Manampy ny olona hahazo fahendrena ny tahotra an’i Jehovah,+Ary hahazo voninahitra izay manetry tena.+

Fanamarihana

Na: “moramora.”
Na: “maharary.”
Na: “ny teny manasitrana.”
Abt: “manorotoro ny saina.”
Na: “manaiky hanarina.”
Na: “ny vokatry ny ataony; ny vokatra azony.”
Na: “Mafy be amin’ny.”
Jereo F.T.
Na: “sy Abadona.”
Na: “mananatra.”
Na: “katsahin’ny.”
Na: “olona mijaly; olona ory.”
Na: “olona tsara fo.”
Na: “miady saina.”
Na: “legioma.”
Abt: “omby mifahy.”
Abt: “tsy misy fo.”
Na: “raha tsy mifampiresaka amim-pahatsorana.”
Na: “mpanolo-tsaina.”
Abt: “amin’ny valin-tenin’ny vavany.”
Jereo F.T.
Na: “Manala baraka.”
Abt: “ny fon’ny olo-marina.”
Na: “Mandinika tsara izay havaliny ny olo-marina; Mieritreritra ny olo-marina vao miteny.”
Abt: “maso baliaka.”
Abt: “mampahatavy.”
Abt: “manana fo.”