Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hitranga Amin’ny Hoavy?

Inona no Hitranga Amin’ny Hoavy?

Inona no Hitranga Amin’ny Hoavy?

NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE IZANY? Miankina amin’izay heverin’ny olona hoe hitranga amin’ny hoavy, ny fomba fiainany ankehitriny. Misy, ohatra, tsy manantena hoe ho tsara ny hoavy. Aleony àry ‘mihinana sy misotro, fa rahampitso dia ho faty.’ (1 Korintianina 15:32) Matetika anefa no lasa misotro toaka be sy mihinan-kanina loatra izy ireo, ary mitebiteby fa tsy tena milamin-tsaina.

Raha ny olombelona ihany no andrasana hanatsara ny fiainana, dia tsy hisy antenaina ny hoavy. Maloto be mantsy izao ny rivotra sy ny rano ary ny tany. Tena atahorana hitombo koa ny asa fampihorohoroana ary hipoaka ny ady niokleary. An’arivony tapitrisa eran-tany no marary sy mahantra. Mbola misy fanantenana anefa.

Mahafantatra ny hoavy i Jehovah Andriamanitra, fa tsy toy ny olombelona. Izy Ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.” (Isaia 46:10) Inona àry no lazainy momba ny hoavy?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy havelan’i Jehovah ho potika tanteraka ny tany sy ny fiainan’ny olona. Mampanantena mihitsy ny Baiboly fa ‘handringana izay manimba ny tany’ izy. (Apokalypsy 11:18) Hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany izy amin’ny alalan’ilay Fanjakany any an-danitra, ka hanala ny faharatsiana eto an-tany. (Genesisy 1:26-31; 2:8, 9; Matio 6:9, 10) Hazavain’ireto andininy ireto ny zavatra sasany hitranga tsy ho ela, ary handray soa amin’izany ny olona rehetra:

Salamo 46:8, 9. “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.”

Isaia 35:5, 6. “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana; fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.”

Isaia 65:21, 22. “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa.”

Daniela 2:44. “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”

Jaona 5:28, 29. “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”

Apokalypsy 21:3, 4. “Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Mampilamin-tsaina izay lazain’ny Baiboly

Marina fa toa sarotra inoana ireo zavatra lazain’ny Baiboly ireo. I Jehovah Andriamanitra anefa no mampanantena an’ireo fa tsy olona, ary “tsy mahay mandainga” izy.—Titosy 1:2.

Hilamin-tsaina ianao raha matoky ny fampanantenan’Andriamanitra sy mankatò ny lalàny, na dia miatrika olana tena lehibe aza. Anisan’izany ny ady, fahantrana, aretina, ary fahanterana. Tsy hitebiteby loatra koa ianao, na dia fantatrao aza fa efa ho faty ianao. Nahoana? Satria miaiky ianao fa hanafoana an’ireny olana rehetra ireny ny Fanjakan’Andriamanitra.

Inona anefa no tokony hataonao mba hatoky tanteraka an’izany? Tsy maintsy ‘manavao ny sainao’ ianao, ary mandinika tsara sy mamantatra “ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Miezaha àry mandinika ny Baiboly, mba ho azonao antoka fa ho tanteraka tokoa ny fampanantenany. Ho hitanao fa tena hahasoa anao izany. Mila miezaka kely fotsiny ianao, dia hilamin-tsaina eo amin’ny fiainana.

[Sary, pejy 8, 9]

Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny hoavy?

Isaia 35:5

Isaia 35:6

Jaona 5:28, 29