Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Tsy Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly. “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy!”, hoy ny Baiboly. (Joba 34:10) Iza àry no tena fototry ny fahoriana?

Nantsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana. (Jaona 14:30) Marina fa i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ary tsy homeny olon-kafa mihitsy izany toerany izany. Mamela an’i Satana hitondra ny ankamaroan’ny olombelona mandritra ny fotoana kelikely anefa izy.—1 Jaona 5:19.

Mpitondra manao ahoana i Satana? Vao nifandray voalohany tamin’ny olona izy, dia efa hita fa mpamono olona sy mpamitaka. Tena mampitondra faisana ny olona izy. Hoy i Jesosy nanameloka azy: “Mpamono olona hatrany am-piandohana izy, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Nilaza koa i Jesosy fa zanak’ilay mpamono olona voalohany ireo lehilahy nitady hamono azy. Lasa zanak’i Satana izy ireo satria nanahaka ny nataony.

Mbola mampirisika ny olona hifamono foana i Satana. Manamarina izany ny tenin’i R. Rummel, profesora tao amin’ny Oniversiten’i Hawaii (Etazonia). Nilaza izy fa tombanana ho 169 198 000 ny olona novonoin’ny fitondrana samihafa nandritra ny fanonganam-panjakana sy ny fandripahana foko ary ny herisetra tsy amin’ny antony, teo anelanelan’ny taona 1900 sy 1987. Am-polony tapitrisa koa no maty tany an’ady, tao anatin’io fotoana io.

Raha tsy avy amin’Andriamanitra àry ny fijaliana, nahoana izany no avelany hisy? Noho ny adihevitra maromaro nipoitra efa ela, ary mbola mila alamina. Mahakasika ny zavaboary rehetra izy ireo, ary misy ifandraisany amin’ny atao hoe tsara sy ratsy. Hosinganintsika ny iray aminy.

Niandany tamin’i Satana i Adama sy Eva, olombelona voalohany. Tsy nanaiky ny fitondran’Andriamanitra izy ireo. Nanandrana nitondra samirery ny tenany kosa izy, izany hoe teo ambany fitondran’ny Devoly, raha ny marina.—Genesisy 3:1-6; Apokalypsy 12:9.

Noho i Jehovah manao ny rariny foana, dia tsy maintsy namela fotoana izy, mba ho voaporofo tsara hoe manao ahoana ny fitondran’olombelona. Inona àry no niharihary tamin’izany? Hita fa tsy mitondra afa-tsy fijaliana ny fitondran’izy ireo, eo ambany fahefan’i Satana. Mandray soa avy amin’ny faharetan’Andriamanitra anefa ny olona. Nahoana? Satria izay mandinika ny porofo sy mino an’ilay izy, dia afaka mampiseho raha vonona hanaiky ny fitondran’Andriamanitra izy. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ny olona mianatra ny fitsipik’Andriamanitra sy manaraka azy ireny.—Jaona 17:3; 1 Jaona 2:17.

Marina fa mbola eo ambany fahefan’i Satana ity tontolo ity. Tsy haharitra anefa izany. Tsy ho ela i Jehovah dia haniraka ny Zanany mba “handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Hahazo tari-dalana avy amin’Andriamanitra i Jesosy, ka hanasitrana ny fo torotoro, ary hamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny olona niharan-javatra mampahory. Hovelominy mba hiaina eto an-tany ireo olona an’arivony tapitrisa, izay nijaly ka maty.—Jaona 11:25.

Santionan’ny fandresen’Andriamanitra ny asan’ny Devoly, ny fananganany an’i Jesosy tamin’ny maty. Antoky ny zavatra hataony ho an’ny olombelona mifidy ny fitondrany koa izany. (Asan’ny Apostoly 17:31) Manampy antsika haka sary an-tsaina an’izany hoavy izany ireto teny mampahery ao amin’ny Baiboly ireto: “Andriamanitra mihitsy no ho eo [amin’ny olombelona]. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.