Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahefan’i Jehovah sy ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny Fahefan’i Jehovah sy ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny Fahefan’i Jehovah sy ny Fanjakan’Andriamanitra

“Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana ... Anao ny fanjakana, Jehovah ô.”—1 TANTARA 29:11.

1. Nahoana i Jehovah no manana zo ho Mpanjaka eo amin’izao rehetra izao?

“JEHOVAH efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.” (Salamo 103:19) Misy hevi-dehibe asongadin’ny mpanao salamo ao amin’ireo teny ireo: Manana zo ho Mpanjaka eo amin’izao rehetra izao i Jehovah Andriamanitra, satria izy no Mpamorona.

2. Ahoana no fomba nilazan’i Daniela ny vahoakan’i Jehovah any an-danitra?

2 Mazava ho azy fa mba hahafahan’ny mpitondra hampihatra ny fahefany, dia tsy maintsy misy ny vahoaka entiny. Nampihatra ny fahefany tamin’ireo zavaboariny tsy hita maso aloha i Jehovah. Tsy iza izany fa ilay Zanany lahitokana, ary avy eo ireo anjely maro be. (Kolosianina 1:15-17) Nahazo fahitana momba ny lanitra i Daniela mpaminany, ela be taorian’izay. Nitantara izy hoe: “Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo ... Arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.” (Daniela 7:9, 10) Nanjaka teo amin’ny anjely efa hatramin’ny taona maro tsy hita isa i Jehovah, ilay antsoina hoe “Fahagola.” Toy ny fianakaviambe iray voalamina tsara izy ireo, ary ‘mpanompo’ manao ny sitrapony.—Salamo 103:20, 21.

3. Ahoana no fomba nitaran’ny fahefan’i Jehovah?

3 Nitatra ny fahefan’i Jehovah tatỳ aoriana, tamin’izy namorona an’izao rehetra izao hita maso izay midadasika sy be pitsiny. Anisan’izany ny tany. (Joba 38:4, 7) Tena milamina sy maty paika tsara ny fihetsehan’ny zavatra eny amin’ny lanitra, rehefa tazanina etỳ an-tany, ka toy ny hoe tsy mila na iza na iza hifehy azy. Nilaza anefa ilay mpanao salamo hoe: “[Jehovah] no nandidy, dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.” (Salamo 148:5, 6) Nampihatra ny fahefany foana àry i Jehovah hatramin’izay, ka nitarika sy nifehy ny anjely sy izao rehetra izao hita maso.—Nehemia 9:6.

4. Manao ahoana ny fomba fitondran’i Jehovah ny olombelona?

4 Nampihatra ny fahefany tamin’ny fomba hafa koa Andriamanitra, rehefa namorona ny mpivady olombelona. Nomeny azy ireo izay rehetra nilainy, mba hananany tanjona sy fiainana mahafa-po. Tsy vitan’izany fa nasainy nanjaka tamin’ny zavaboary ambany kokoa eto an-tany izy ireo, izany hoe nomena fahefana. (Genesisy 1:26-28; 2:8, 9) Hita amin’izany fa mpitondra tsara fanahy sy miahy izay hahasoa ny vahoakany i Jehovah Andriamanitra, no sady manome voninahitra sy haja azy ireo. Afaka niaina mandrakizay tao amin’ny paradisa an-tany i Adama sy Eva, raha nanaiky foana ny fahefany.—Genesisy 2:15-17.

5. Inona avy no azo lazaina momba ny fampiharan’i Jehovah ny fahefany?

5 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Voalohany, nampihatra ny fahefany teo amin’ny zavaboariny rehetra foana i Jehovah hatramin’izay. Faharoa, mitondra soa ho an’ny vahoakany ny fitondrany, ary manaja azy ireo izy. Farany, handray fitahiana mandrakizay isika, raha mankatò azy sy manohana ny fitondrany. Tsy mahagaga raha niteny toy izao i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny: “Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra.”—1 Tantara 29:11.

Nahoana no natsangana ny Fanjakan’Andriamanitra?

6. Inona no ifandraisan’ny fahefan’Andriamanitra sy ny Fanjakany?

6 Koa satria efa nampihatra ny heriny sy ny fahefany foana i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, inona no antony mbola nananganana ny Fanjakan’Andriamanitra? Mazàna ny mpanjaka no mampiasa olon-kafa mba hampiharana ny fahefany amin’ny vahoaka. Fomba ampiharan’Andriamanitra ny fahefany amin’ny zavaboariny àry ny Fanjakan’Andriamanitra.

7. Nahoana i Jehovah no nanapa-kevitra hampihatra ny fahefany tamin’ny fomba vaovao?

7 Efa nampihatra ny fahefany tamin’ny fomba samihafa i Jehovah talohan’izay. Nampihatra ny fahefany tamin’ny fomba vaovao indray izy, rehefa nisy toe-javatra vaovao. Nitranga izany rehefa nahavita nitaona an’i Adama sy Eva hikomy tamin’ny fitondran’i Jehovah i Satana, anjely iray nivadika. Fanoherana ny fahefan’Andriamanitra io fikomiana io. Fa nahoana? Nilaza tamin’i Eva i Satana fa ‘tsy ho faty izy’, raha mihinana ilay voankazo voarara. Te hilaza izy tamin’izany fa mandainga i Jehovah, ka tsy azo itokisana. Hoy koa izy tamin’i Eva: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Te hilaza i Satana fa ho tsara kokoa ny fiainan’i Adama sy Eva, raha tsy miraharaha ny didin’Andriamanitra izy ireo, fa manao izay tiany fotsiny. (Genesisy 3:1-6) Fanoherana mivantana ny zon’Andriamanitra hitondra izany. Ahoana no nataon’i Jehovah?

8, 9. a) Inona no hataon’ny mpitondra iray, raha misy mikomy amin’ny fitondrany? b) Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’ilay fikomiana tao Edena?

8 Inona no hataon’ny mpitondra iray, raha misy mikomy an-kitsirano amin’ny fitondrany? Mahatadidy zava-nitranga toy izany angamba isika izay mahay tantara. Tsy hoe mody tsy miraharaha an’ilay izy fotsiny ilay mpitondra. Na tsara fanahy aza izy, dia tsy maintsy hamoaka didim-pitsarana, ka hanameloka an’ireo mpikomy noho izy ireo namadika. Mety hisy olona homeny fahefana avy eo, mba hampilavo lefona ny tafika mpikomy, ka hamerina ny filaminana. Izany koa no nataon’i Jehovah. Nasehony fa nifehy tanteraka ny zava-nitranga izy. Nanao zavatra avy hatrany mantsy izy, ary nilaza ny didim-pitsarana hihatra amin’ireo mpikomy: Nambarany fa tsy mendrika hiaina mandrakizay i Adama sy Eva, ary noroahiny avy tao amin’ny Saha Edena izy ireo.—Genesisy 3:16-19, 22-24.

9 Nampahafantarin’i Jehovah tao amin’ilay didim-pitsarana manameloka an’i Satana koa ilay fomba vaovao hampiharany ny fahefany. Amin’ny alalan’izy io no hamerenany ny fiadanana sy filaminana ao amin’ny faritra rehetra anjakany. Hoy izy tamin’i Satana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Nambaran’i Jehovah tamin’izany fa misy ‘taranaka’ iray homeny fahefana handringana an’i Satana sy ny tafiny, ary hanaporofo fa manana zo hitondra Izy.—Salamo 2:7-9; 110:1, 2.

10. a) Iza ilay ‘taranaka’? b) Inona no nolazain’i Paoly momba ny fahatanterahan’ilay faminaniana voalohany?

10 Fantatra tatỳ aoriana fa io ‘taranaka’ io dia i Jesosy Kristy sy ireo voafidy hiara-manjaka aminy. Izy ireo no atao hoe Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia. (Daniela 7:13, 14, 27; Matio 19:28; Lioka 12:32; 22:28-30) Tsy fantatra avy hatrany anefa izany rehetra izany. Ny fahatanterahan’ilay faminaniana voalohany aza, raha ny marina, dia “zava-miafina masina tsy naharihary mihitsy hatramin’ny ela be.” (Romanina 16:25) Nandritra ny taonjato maro, dia be dia be ny lehilahy nanam-pinoana niandry fatratra hoe rahoviana no hampahafantarina azy ireo ilay “zava-miafina masina.” Nandrasan’izy ireo fatratra koa hoe rahoviana no ho tanteraka ilay faminaniana voalohany, ka ho voamarina fa manana zo hitondra i Jehovah.—Romanina 8:19-21.

Nampahafantarina tsikelikely ilay “zava-miafina masina”

11. Inona no nampahafantarin’i Jehovah an’i Abrahama?

11 Nohazavain’i Jehovah tsikelikely ny mombamomba an’ilay “zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 4:11) Nampahafantariny an’izany, ohatra, i Abrahama izay nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah.” (Jakoba 2:23) Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa hataony misy “firenena lehibe” avy aminy. Nilazany koa izy tatỳ aoriana hoe: “Hisy mpanjaka hiseho avy aminao”, ary “amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”—Genesisy 12:2, 3; 17:6; 22:17, 18.

12. Inona no nataon’ny olona sasany taorian’ny Safodrano, ka nampiseho fa taranak’i Satana izy ireo?

12 Efa nisy olona nanandrana ny hahazo fahefana sy hanjaka teo amin’ny hafa, taloha kelin’ny andron’i Abrahama. Izao, ohatra, no lazain’ny Baiboly momba an’i Nimroda, zafiafin’i Noa: “Tonga olona mahery tambonin’ny tany [izy]. Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah”, izany hoe nanohitra azy. (Genesisy 10:8, 9) Hita miharihary amin’izany fa nataon’i Satana ho fitaovana i Nimroda sy ireo olon-kafa nanandra-tena ho mpitondra. Lasa anisan’ny taranak’i Satana izy ireo sy ny mpanohana azy.—1 Jaona 5:19.

13. Inona no nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jakoba?

13 Tsy mahasakana ny fanatanterahan’i Jehovah ny fikasany ny ezaka ataon’i Satana mba hisian’ny mpitondra olombelona. Izao no nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama: “Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.” (Genesisy 49:10) Ny teny hoe “Silo” dia midika hoe “Ilay Tompony.” Asehon’io faminaniana ao amin’ny Genesisy io àry, fa hisy olona iray hanana zo ara-dalàna handray ny “tehim-panjakana” sy ny “tehina fanapahana”, izany hoe ny fahefana hanjaka amin’ireo “firenena”, dia ny olombelona rehetra. Iza io olona io?

“Mandra-pahatongan’i Silo”

14. Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida?

14 Ilay mpiandry ondry atao hoe Davida, izay zanak’i Jese, no taranak’i Joda voalohany nofidin’i Jehovah ho mpanjaka teo amin’ny vahoakany. * (1 Samoela 16:1-13) Nahazo sitraka tamin’i Jehovah i Davida, na dia nanota sy nanao fahadisoana aza, satria tsy nivadika fa nanohana ny zony hitondra. Nanao fifanekena taminy i Jehovah, ary nohazavainy bebe kokoa tamin’izay ilay faminaniana nolazainy tao Edena. Hoy izy: “Hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany.” Tsy i Solomona zanak’i Davida sy mpandimby azy ihany no tiana horesahina eo, satria izao no voalaza tao amin’ilay fifanekena: “Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay.” Hita mazava tsara amin’io fifanekena io fa ho avy amin’ny taranak’i Davida ilay ‘taranaka’ nampanantenaina homena ny Fanjakana.—2 Samoela 7:12, 13.

15. Nahoana ny fanjakan’ny Joda no azo lazaina fa solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

15 Niantomboka teo amin’i Davida ny tarana-mpanjaka izay nohosoran’ny mpisoronabe menaka masina. Azo antsoina hoe voahosotra na mesia àry izy ireo. (1 Samoela 16:13; 2 Samoela 2:4; 5:3; 1 Mpanjaka 1:39) Voalaza fa nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah izy ireo, ary mpanjaka ho an’i Jehovah tany Jerosalema. (2 Tantara 9:8) Izany no ilazana fa solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanjakan’ny Joda, izany hoe fomba nampiharany ny fahefany.

16. Inona no vokatry ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Joda?

16 Narovan’i Jehovah sy notahiny ny mpanjaka sy ny vahoaka, rehefa nanaiky ny fahefany. Tena niavaka tokoa ny fotoana nanjakan’i Solomona, satria nanjaka ny fandriampahalemana ary niadana tsy nisy toy izany ny olona. Hita taratra amin’izany ny fiainana eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa tsy hanan-kery intsony i Satana ary ho voamarina fa manana zo hitondra i Jehovah. (1 Mpanjaka 4:20; 5:5) Mampalahelo anefa fa tsy nanao izay notakin’i Jehovah ny ankamaroan’ny mpanjaka taranak’i Davida. Nanompo sampy sy naloto fitondran-tena koa ny vahoakan’izy ireo. Navelan’i Jehovah horavan’ny Babylonianina àry ilay fanjakana, tamin’ny 607 T.K. Toy ny hoe vitan’i Satana tamin’izay ny nanaporofo fa tsy nahay nitondra i Jehovah.

17. Inona no porofo fa mbola nifehy tanteraka ny zava-nitranga i Jehovah, na dia niongana aza ny fanjakan’ny taranak’i Davida?

17 Marina fa niongana ny fanjakan’ny taranak’i Davida, ary efa niongana koa ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely talohan’izay. Tsy midika anefa izany hoe tsy manana zo hitondra i Jehovah, na hoe tsy mahay mitondra izy. Porofoin’izany kosa fa misy vokany ratsy ny herin’i Satana sy ny tsy firaharahan’ny olombelona ny tari-dalan’Andriamanitra. (Ohabolana 16:25; Jeremia 10:23) Nilaza toy izao tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany i Jehovah, mba hampisehoana fa mbola nampihatra ny fahefany izy: “Hesorina ny hamama, ary halàna ny satroboninahitra ... Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.” (Ezekiela 21:31, 32) Nasehon’ireo teny ireo fa mbola vao ho avy ilay ‘taranaka’ nampanantenaina, na Ilay “tena tompony.”

18. Inona no nambaran’ny anjely Gabriela tamin’i Maria?

18 Hojerentsika izay nitranga, 600 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nirahina nankany amin’i Maria tany Nazareta ny anjely Gabriela. Hoy izy tamin’io tovovavy virjiny io: “Hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary hataonao hoe Jesosy ny anarany. Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”—Lioka 1:31-33.

19. Inona no fotoana tena mahafaly efa nadiva ho tonga?

19 Efa nadiva ho tonga ny fotoana hampahafantarana an’ilay “zava-miafina masina.” Kely sisa dia hipoitra ilay voalohany amin’ny ‘taranaka’ nampanantenaina. (Galatianina 4:4; 1 Timoty 3:16) Hanorotoro ny ombelahin-tongony i Satana. Izy io kosa hanorotoro ny lohan’i Satana, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony izy sy ny namany. Hoporofoin’ilay ‘taranaka’ koa fa hanarina ny fahavoazana rehetra nataon’i Satana ny Fanjakan’Andriamanitra, sady hanamarina fa manana zo hitondra i Jehovah. (Hebreo 2:14; 1 Jaona 3:8) Ahoana no hanatanterahan’i Jesosy izany? Inona no modely navelany ho antsika? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Avy amin’ny fokon’i Benjamina i Saoly, ilay lehilahy voalohany nofidin’Andriamanitra ho mpitondra teo amin’ny Israely.—1 Samoela 9:15, 16; 10:1.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana i Jehovah no manana zo ho Mpanjaka eo amin’izao rehetra izao?

• Nahoana i Jehovah no nanapa-kevitra hanangana ny Fanjakany?

• Ahoana no nataon’i Jehovah mba hampahafantarana tsikelikely an’ilay “zava-miafina masina”?

• Inona no porofo fa nifehy tanteraka ny zava-nitranga i Jehovah, na dia niongana aza ny fanjakan’ny taranak’i Davida?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Inona no nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Abrahama?

[Sary, pejy 25]

Na dia niongana aza ny fanjakan’ny taranak’i Davida, nahoana izany no tsy midika hoe tsy mahay mitondra i Jehovah?