Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Kristy no Anton’ny Faminaniana

I Kristy no Anton’ny Faminaniana

I Kristy no Anton’ny Faminaniana

“Ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana.”—APOKALYPSY 19:10.

1, 2. a) Inona ilay safidy tsy maintsy natrehin’ny Israelita nanomboka tamin’ny taona 29? b) Inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

 NY TAONA 29 tamin’izay, ary niresaka be dia be momba ny Mesia nampanantenaina ny vahoakan’ny Israely. Vao mainka niandriandry ny olona, noho ny fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa. (Lioka 3:15) Tsy nanaiky hatao hoe Kristy i Jaona, fa nanondro an’i Jesosy avy any Nazareta, rehefa nilaza hoe: ‘Manaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.’ (Jaona 1:20, 34) Tsy ela dia nanomboka nanaraka an’i Jesosy ny vahoaka, mba hihaino ny fampianarany sy hositraniny.

2 Nanome porofo maro be momba ny Zanany i Jehovah, tamin’ireo volana nanaraka. Nanana antony marim-pototra hinoana an’i Jesosy ireo olona nianatra ny Soratra Masina sy nandinika ny asany. Tsy nino azy anefa, tamin’ny ankapobeny, ilay vahoaka nanao fifanekena tamin’Andriamanitra. Vitsy ihany no nanaiky fa i Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra. (Jaona 6:60-69) Inona no ho nataonao raha niaina tamin’izany fotoana izany ianao? Ho voatosika hanaiky an’i Jesosy ho Mesia ve ianao, ka ho tonga mpanara-dia azy mahatoky? Hodinihintsika eto ny porofo nomen’i Jesosy ny amin’ny hoe iza izy, rehefa nisy niampanga azy ho nandika ny Sabata. Mariho koa ireo porofo nomeny tatỳ aoriana, izay nokendreny hanamafisana ny finoan’ny mpianany tsy mivadika.

Porofo avy tamin’i Jesosy

3. Inona no nanosika an’i Jesosy hanome porofo ny amin’ny hoe iza izy?

3 Tao Jerosalema i Jesosy tamin’ny fotoan’ny Paska taona 31, ary vao avy nanasitrana ilay lehilahy narary nandritra ny 38 taona izy. Nenjehin’ny Jiosy anefa izy, satria nanao izany tamin’ny Sabata. Nampangain’izy ireo ho mpanevateva an’Andriamanitra koa izy, ary notadiaviny hovonoina noho izy niantso an’Andriamanitra ho Rainy. (Jaona 5:1-9, 16-18) Izany no nanomezany porofo telo hiarovany ny tenany, izay tsy maintsy ho nampiaiky ny Jiosy tso-po, ny amin’ny hoe iza marina moa izy.

4, 5. Inona no nasaina nataon’i Jaona nandritra ny fanompoany, ary vitany tsara ve izany?

4 Niresaka momba an’i Jaona Mpanao Batisa, vavolombelona mpialoha lalana azy, izy aloha. Hoy izy: “Naniraka olona tany amin’i Jaona ianareo, ary nanambara ny marina izy. Jiro nirehitra sy namirapiratra izany lehilahy izany, ary naniry hiravoravo vetivety tamin’ny fahazavany ianareo.”—Jaona 5:33, 35.

5 “Jiro nirehitra sy namirapiratra” i Jaona Mpanao Batisa. Vitany talohan’ny nampidiran’i Heroda azy tsy ara-drariny tany am-ponja mantsy ilay asa nanirahana azy. Nasaina nanomana lalana ho an’ny Mesia izy. Hoy izy: “Ny mba hampisehoana [ny Mesia] amin’ny Israely no anaovako batisa amin’ny rano. ... Izaho nahita ny fanahy nidina toy ny voromailala avy tany an-danitra, ka nitoetra teo amboniny. Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa Ilay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano mihitsy no nilaza tamiko hoe: ‘Izay olona hitanao idinan’ny fanahy sy itoerany, dia izy ilay manao batisa amin’ny fanahy masina.’ Efa hitako izany, ka nanaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.” * (Jaona 1:26-37) Nilaza i Jaona fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra, na Mesia nampanantenaina. Nazava ny tenin’i Jaona, ka nilaza toy izao ireo Jiosy tso-po nibebaka, valo volana teo ho eo taorian’ny nahafatesany: ‘Marina avokoa izay rehetra nolazainy momba ity lehilahy ity.’—Jaona 10:41, 42.

6. Nahoana ny asa nataon’i Jesosy no tsy maintsy ho nampiaiky ny olona fa nanohana azy Andriamanitra?

6 Nanome antony iray hafa i Jesosy avy eo, mba hanamafisana fa izy no Mesia. Nolazainy fa porofon’ny fanohanan’Andriamanitra azy ny asa tsara nataony. Hoy izy: “Manana porofo lehibe noho ny porofo omen’i Jaona anefa aho, satria ny asa nanendren’ny Raiko ahy mihitsy izao no ataoko. Ary izany asa izany no manaporofo fa nirahin’ny Ray aho.” (Jaona 5:36) Fahagagana maro no nataon’i Jesosy, ka tsy afaka nanda izany, na dia ireo fahavalony aza. Nisy nanontany tatỳ aoriana hoe: “Inona no hataontsika, fa manao famantarana maro iny lehilahy iny?” (Jaona 11:47) Nisy ihany anefa nanaiky an’i Jesosy ho Mesia, ka nilaza hoe: “Rehefa tonga Kristy, hanao famantarana maro noho ny vitan’ity lehilahy ity ve izy?” (Jaona 7:31) Ireo nihaino an’i Jesosy no tsara toerana indrindra, mba hahita ny toetran’ny Ray tao amin’ilay Zanany.—Jaona 14:9.

7. Nahoana no lazaina fa manome porofo momba an’i Jesosy ny Soratra Hebreo?

7 Nisarika ny saina ho amin’ny vavolombelona iray tsy azo lavina i Jesosy tamin’ny farany. Hoy izy: “Ny Soratra Masina ... mihitsy no manome porofo momba ahy. Raha nino an’i Mosesy ianareo, dia ho nino ahy, satria nanoratra momba ahy i Mosesy.” (Jaona 5:39, 46) Iray monja amin’ireo vavolombelona maro talohan’ny andro kristianina, nanoratra momba an’i Kristy, i Mosesy. Anisan’ireo asa soratra nataon’izy ireo, ny faminaniana an-jatony sy ny tantaram-pirazanana feno tsipiriany. Samy manampy antsika hamantatra ny Mesia ireo. (Lioka 3:23-38; 24:44-46; Asan’ny Apostoly 10:43) Ary ahoana ny amin’ny Lalàn’i Mosesy? Hoy ny apostoly Paoly: “Nanjary mpitaiza antsika ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy.” (Galatianina 3:24) “Ny fitoriana momba an’i Jesosy” tokoa no “anton’ny faminaniana.”—Apokalypsy 19:10.

8. Nahoana ny Jiosy maro no tsy nino ny Mesia?

8 Nazava àry ny tenin’i Jaona. Nanao fahagagana maro koa i Jesosy sady naneho ny toetran’Andriamanitra. Teo koa ireo porofo tsy azo lavina omen’ny Soratra Masina. Tsy mampiaiky anao ve izany rehetra izany fa i Jesosy tokoa no Mesia? Hanaiky avy hatrany ireo porofo ireo ny olona tena tia an’Andriamanitra sy ny Teniny, ary hino fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. Izany tena fitiavana izany indrindra anefa no tsy nananan’ireo Israelita. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanohitra azy: “Fantatro tsara ... fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao anatinareo.” (Jaona 5:42) ‘Tsy nitady ny voninahitra avy amin’ilay Andriamanitra tokana’ izy ireo, fa ‘nandray voninahitra avy amin’izy samy izy ihany.’ Nankahala ny toe-tsaina toy izany i Jesosy, izay nanahaka ny Rainy, ka tsy nahagaga raha tsy nifankahazo taminy ireo olona ireo!—Jaona 5:43, 44; Asan’ny Apostoly 12:21-23.

Fahitana nanatanjaka finoana

9, 10. a) Nahoana no ara-potoana tsara ilay famantarana avy any an-danitra? b) Inona ilay fampanantenana miavaka nomen’i Jesosy ny mpianany?

9 Lasa izao ny Paska taona 32, ary herintaona teo ho eo izay no nanomezan’i Jesosy ny porofo fa izy no Mesia. Maro tamin’ireo mpino no tsy nanaraka azy intsony, angamba noho ny fanenjehana, na ny fitiavan-karena, na ny fanahiana teo amin’ny fiainana. Ny hafa angamba sahiran-tsaina na diso fanantenana, satria tsy nanaiky hataon’ny olona ho mpanjaka i Jesosy. Rehefa nitsapa azy ny mpitondra fivavahana, dia nanda tsy hanao famantarana avy any an-danitra mba hahazoana voninahitra izy. (Matio 12:38, 39) Nety ho nahavery hevitra ny sasany izany. Nanomboka nilaza zavatra saro-takarina tamin’ny mpianany koa i Jesosy, dia ny hoe “tsy maintsy mankany Jerosalema izy, ary hampijalin’ny anti-panahy sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka hovonoina ho faty.”—Matio 16:21-23.

10 Sivy na folo volana sisa, dia ho avy ny fotoana “hialan[’i Jesosy] amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray.” (Jaona 13:1) Tena niahy an’ireo mpianany tsy nivadika izy, ka nampanantena ny sasany tamin’izy ireo ilay famantarana avy any an-danitra, izay tsy nasehony tamin’ny Jiosy tsy nanam-pinoana. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy amin’izay mijoro eto tsy ho faty mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’olona ho tonga ao amin’ny fanjakany.” (Matio 16:28) Mazava ho azy fa tsy nilaza akory i Jesosy hoe ho velona hatramin’ny hanorenana ny Fanjakan’ny Mesia, tamin’ny 1914, ny mpianany sasany. Te hilaza kosa izy fa hasehony amin’ireo mpianany telo anisan’ny akaiky azy indrindra ny voninahiny rehefa ho lasa mpanjaka izy. Io fahitana io ilay antsoina hoe fiovan-tarehy.

11. Lazalazao ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy.

11 Nentin’i Jesosy niaraka taminy tany an-tendrombohitra avo i Petera sy Jakoba ary Jaona, enina andro taorian’izay. Ny Tendrombohitra Hermona angamba izy io. “Niova tarehy teo anatrehan’ireo izy, ka namirapiratra toy ny masoandro ny tavany, ary nanjary nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.” Niseho tao koa i Mosesy sy Elia mpaminany, izay samy niresaka tamin’i Jesosy. Azo inoana fa nitranga tamin’ny alina io toe-javatra nampitolagaga io, ka vao mainka nanaitra ny saina. Toy ny tena nisy ilay izy. Izany no nanoloran’i Petera hevitra ny hananganana tranolay telo, ho an’i Jesosy sy Mosesy ary Elia. Raha mbola niteny anefa izy, dia nisy rahona namirapiratra nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ilay rahona nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako. Henoy izy.”—Matio 17:1-6.

12, 13. Inona no vokatr’ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy teo amin’ny mpianatr’i Jesosy, ary nahoana?

12 Marina fa vao haingana i Petera no nilaza hoe i Jesosy no “Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.” (Matio 16:16) Alao sary an-tsaina anefa hoe Andriamanitra mihitsy no manao fanambarana, ka milaza momba ilay Zanany voahosotra sy ny anjara asan’izy io! Tena tsy maintsy ho nanatanjaka ny finoan’i Petera sy Jakoba ary Jaona io fahitana momba ny fiovan-tarehy io! Vonona tsara kokoa àry izy ireo izao hiatrika an’izay miandry azy sy ilay anjara asa lehibe hotanany rehefa hisy fiangonana.

13 Nisy vokany naharitra teo amin’ny mpianatra ilay fiovan-tarehy. Hoy mantsy i Petera, 30 taona mahery tatỳ aoriana: “Nomen’Andriamanitra Ray haja amam-boninahitra ... [i Jesosy] rehefa tonga taminy tamim-boninahitra lehibe izao teny izao: ‘Ity no zanako malalako, izay sitrako.’ Eny, renay izany teny avy any an-danitra izany, fony niaraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.” (2 Petera 1:17, 18) Nampihetsi-po an’i Jaona koa ilay fiovan-tarehy, ary izy iny angamba no noresahiny rehefa nilaza izy, 60 taona mahery tatỳ aoriana, hoe: “Hitanay ny voninahiny, dia voninahitra tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray.” (Jaona 1:14) Tsy iny fiovan-tarehy iny anefa no farany tamin’ireo fahitana nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy.

Fanazavana fanampiny ho an’ireo tsy mivadika

14, 15. Inona no dikan’ilay hoe hitoetra mandra-piavin’i Jesosy ny apostoly Jaona?

14 Niseho tamin’ny mpianany teo amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Izao no nolazainy tamin’i Petera: “Mampaninona anao moa raha tiako hitoetra mandra-piaviko [i Jaona], na tsia?” (Jaona 21:1, 20-22, 24) Midika ve izany fa ho ela velona kokoa noho ny apostoly hafa i Jaona? Toa izany no izy, satria mbola nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 70 taona teo ho eo izy, taorian’io. Zavatra lehibe kokoa noho izany anefa no tian’i Jesosy holazaina.

15 Ny teny hoe “mandra-piaviko”, dia mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jesosy momba ny “Zanak’olona [izay] ho tonga ao amin’ny fanjakany.” (Matio 16:28) Hitoetra mandra-piavin’i Jesosy i Jaona, izany hoe, hahazo fahitana momba an’i Jesosy nandray fahefana izy, any aoriana kokoa. Natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo izy, taloha kelin’ny nahafatesany. Tany no nahazoany ireo faminaniana mahavariana ao amin’ny Apokalypsy, izay miresaka ireo zavatra tsy maintsy hitranga amin’ny “andron’ny Tompo.” Tena nampihetsi-po an’i Jaona ireny fahitana nahavariana ireny. Rehefa nilaza àry i Jesosy hoe: “Eny, ho avy haingana aho”, dia hoy izy: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!”—Apokalypsy 1:1, 10; 22:20.

16. Nahoana isika no mila manatanjaka hatrany ny finoantsika?

16 Nanaiky an’i Jesosy ho Mesia sady nino azy ireo olona tso-po niaina tamin’ny taonjato voalohany. Nila nanatanjaka ny finoany ireo tonga mpino, satria tsy nanam-pinoana ny ankamaroan’ny olona nanodidina azy, ary teo koa ny asa tsy maintsy nataony sy ny fitsapana niandry azy. Nampahery ireo mpanara-dia azy mahatoky àry i Jesosy, ka nanome porofo ampy ny amin’ny maha Mesia azy, sady nanome fahitana ara-paminaniana fanampiny. Efa lasa lavitra amin’ny “andron’ny Tompo” koa isika izao. Handrava tsy ho ela ny tontolo ratsin’i Satana i Kristy, ary hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy maintsy manatanjaka ny finoantsika koa isika, ka hanararaotra tsara ireo zavatra rehetra omen’i Jehovah antsika, mba hanampiana antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Voaro nandritra ny haizina sy ny fahoriana

17, 18. Tamin’ny taonjato voalohany, inona no tena tsy nampitovy ny mpanara-dia an’i Jesosy sy ireo mpanohitra ny fikasan’Andriamanitra, ary nanao ahoana avy no niafaran’izy ireo?

17 Be herim-po ny mpianatra taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ka nankatò ny didiny mba hitory momba azy ‘tany Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.’ (Asan’ny Apostoly 1:8) Notahin’i Jehovah ilay fiangonana vao niforona, ka nomeny fanazavana fanampiny momba ny Soratra Masina sy mpianatra vaovao maro, na dia nisesy sy nahery vaika aza ny fanenjehana.—Asan’ny Apostoly 2:47; 4:1-31; 8:1-8.

18 Mihamaizina kosa ny lanitr’ireo mpanohitra ny vaovao tsara. Hoy ny Ohabolana 4:19: “Ny alehan’ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; tsy fantany akory izay manafintohina azy.” Nikitroka kokoa izany “aizim-pito” izany tamin’ny taona 66, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romanina. Na dia nisinda vetivety aza izy ireo noho ny antony tsy fantatra, dia niverina indray tamin’ny taona 70, ary nandrava tanteraka ilay tanàna. Milaza ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe, fa Jiosy maherin’ny iray tapitrisa no ringana. Voavonjy kosa ny Kristianina nahatoky. Nahoana? Satria nankatò ny didin’i Jesosy izy ireo, ka nandositra rehefa nisinda vetivety ny tafika romanina.—Lioka 21:20-22.

19, 20. a) Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no tsy tokony hatahotra, na dia efa hifarana aza ity tontolo ity? b) Inona no fahamarinana sarobidy takatry ny vahoakan’i Jehovah, nandritra ireo taona talohan’ny 1914?

19 Toy izany koa ankehitriny. Midika ho fifaranan’ny tontolo ratsin’i Satana ilay fahoriana lehibe ho avy. Tsy tokony hatahotra anefa ny vahoakan’Andriamanitra, satria nampanantena i Jesosy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Nasehon’i Jesosy ny mpianany voalohany, tamin’ny alalan’ny fahitana, ny voninahitr’ilay Mesia Mpanjaka any an-danitra, mba hanatanjahana ny finoan’izy ireo, sy hanomanana azy ho amin’izay niandry azy. Ahoana ny amin’ny androntsika? Tanteraka io fahitana io tamin’ny 1914, satria efa manjaka any an-danitra ilay Mesia. Manatanjaka ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra tokoa izany, sady mitondra fanantenana hoavy mahatalanjona! Nomena fanazavana miandalana momba ilay Fanjakan’ny Mesia koa ny mpanompon’i Jehovah. Mihamazava hatrany ‘ny lalan’ny marina’ eo anivon’ity tontolo mihamaizina ity, satria “toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro” izany.—Ohabolana 4:18.

20 Na dia talohan’ny 1914 aza, dia efa nisy antokona Kristianina voahosotra nanomboka nahatakatra ireo fahamarinana sarobidy momba ny fiverenan’ny Tompo. Takany, ohatra, fa tsy ho hita maso ilay izy. Izany mantsy no tian’ireo anjely roa hambara tamin’ny mpianatra, rehefa niakatra ho any an-danitra i Jesosy, tamin’ny taona 33. Izao no nolazain’izy ireo rehefa avy nanarona an’i Jesosy ny rahona, ka tsy hitan’ny mpianatra intsony izy: “Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy indray toy iny nahitanareo azy niakatra tany an-danitra iny.”—Asan’ny Apostoly 1:9-11.

21. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Ny mpanara-dia azy nahatoky ihany no nahita ny niaingan’i Jesosy. Tsy natao ho hitan’ny besinimaro izany, toy ny tamin’ilay fiovan-tarehy. Tsy nahamarika izay nitranga akory aza ny ankamaroan’ny olona. Ho toy izany koa rehefa hiverina i Kristy manana ny fahefan’ny Mpanjaka. (Jaona 14:19) Ireo mpianany mahatoky voahosotra ihany no hahafantatra fa efa manjaka izy. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny vokatr’izany fahatakarana izany teo amin’ireo voahosotra, ka nahatonga azy ireo hanangona olona an-tapitrisany ho lasa olom-pehezin’i Kristy eto an-tany.—Apokalypsy 7:9, 14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Toa i Jaona irery no nandre ny feon’Andriamanitra tamin’ny batisan’i Jesosy. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ireo Jiosy niresahany: “Mbola tsy nisy fotoana nandrenesanareo ny feon[’Andriamanitra], na nahitanareo ny tarehiny.”—Jaona 5:37.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy ny tenany ho Mesia, rehefa nampangaina ho nandika ny Sabata sy mpanevateva an’Andriamanitra izy?

• Inona no soa noraisin’ny mpianatr’i Jesosy voalohany avy tamin’ilay fiovan-tarehy?

• Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa hitoetra mandra-piaviny i Jaona?

• Fahitana inona no tanteraka tamin’ny 1914?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nanome porofo i Jesosy fa izy no Mesia

[Sary, pejy 12]

Nanatanjaka finoana ilay fahitana momba ny fiovan-tarehy

[Sary, pejy 13]

Nitoetra ‘mandra-piavin’i Jesosy’ i Jaona