Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifampahereza

Mifampahereza

Mifampahereza

‘Ireo no nanampy sy nankahery ahy.’​—KOLOSIANINA 4:11.

1, 2. Nahoana no nitsidika an’i Paoly tany am-ponja ny namany, na dia nety ho nampidi-doza aza izany?

METY hampidi-doza ny fananana namana mijaly any am-ponja, na dia nogadraina noho ny tsy rariny aza izy. Mety hiahiahy anao ny tompon’andraikitry ny fonja, ka hanara-maso ny fihetsikao rehetra mba hahazoana antoka fa tsy hanao heloka bevava ianao. Mitaky herim-po àry ny mifanerasera tsy tapaka amin’ny namana voafonja, sy ny mandeha mitsidika azy.

2 Izany indrindra anefa no nataon’ny naman’ny apostoly Paoly sasany, 1 900 taona lasa teo ho eo izay. Tsy nisalasala izy ireo nitsidika an’i Paoly tany am-ponja, mba hampionona sy hampahery azy ary hanatanjaka ny finoany. Iza ireo namany nahatoky ireo? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny herim-po sy tsy fivadihana ary fisakaizana nasehon’izy ireo?​—Ohabolana 17:17.

“Nanampy sy nankahery”

3, 4. a) Iza avy ireo dimy lahy anisan’ny naman’i Paoly, ary inona no nataon’izy ireo ho azy? b) Inona no dikan’ny hoe ‘manampy sy mankahery’?

3 Hanao jery todika an’izay nitranga tany amin’ny taona 60 tany ho any aloha isika. Nigadra tany Roma ny apostoly Paoly, satria nendrikendrehina ho nampirisika ny vahoaka hikomy tamin’ny fanjakana. (Asan’ny Apostoly 24:5; 25:11, 12) Nosinganiny manokana ireto Kristianina dimy nanampy azy ireto: Tykiko, izay avy amin’ny faritr’i Azia ary ‘mpiara-manompo aminy ao amin’ny Tompo’ sy namita iraka ho azy; Onesimosy, ‘rahalahy nahatoky sy malala’ avy any Kolosia; Aristarko, Makedonianina avy any Tesalonika izay efa ‘niara-nigadra’ taminy; Marka, izay nanoratra ny Filazantsara mitondra ny anarany, sady zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Barnabasy, ilay misionera niaraka tamin’i Paoly; ary Josto, izay anisan’ny ‘nampandroso ny fanjakan’Andriamanitra’ niaraka taminy. Hoy i Paoly momba azy dimy mirahalahy: ‘Ireo no nanampy sy nankahery ahy.’​—Kolosianina 4:7-11.

4 Niavaka ny fomba nilazan’i Paoly ny fanampian’ireo namany nahatoky ireo. Nampiasa teny grika (pa·re·go·riʹa) nadika hoe “nanampy sy nankahery” izy, ary ao amin’io andinin-teny io ihany no ahitana izany ao amin’ny Baiboly. Manana heviny maro io teny io, ary amin’ny resaka fitsaboana no tena ampiasana azy. * Azo adika hoe ‘fampitonena, fanamaivanana, fampiononana’ izy io. Izany no fampaherezana nilain’i Paoly, ary izy dimy mirahalahy no nitondra izany ho azy.

Nahoana i Paoly no nila ‘nampiana sy nankaherezina’?

5. Inona no nilain’i Paoly na dia apostoly aza izy, ary inona no ilaintsika rehetra indraindray?

5 Mety hisy ho gaga hoe nila fampaherezana i Paoly, nefa izy apostoly. Tena nila izany anefa izy. Marina fa nanana finoana natanjaka izy, ary tsy maty na dia nampijalina imbetsaka aza, nahazo “kapoka efa tafahoatra”, efa “saika maty matetika”, ary niharan’ny fahoriana hafa. (2 Korintianina 11:23-27) Olombelona ihany anefa izy, ary indraindray dia mila fampiononana sy mila hampiana ny olombelona rehetra mba hanana finoana matanjaka hatrany. Na i Jesosy aza nila izany. Niseho taminy tao Getsemane ny anjely iray ny alina talohan’ny nahafatesany, ary “nankahery azy.”​—Lioka 22:43.

6, 7. a) Iza no nandiso fanantenana an’i Paoly tany Roma, ary iza no nampahery azy? b) Ahoana no ‘nanampiana sy nankaherezan’ireo’ rahalahy an’i Paoly tany Roma?

6 Nila fampaherezana koa i Paoly. Voafonja izy rehefa tonga tany Roma, ary tsy nandray tsara azy ny olona iray fiaviana taminy. Tsy nihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny ankamaroan’ireo Jiosy ireo. Voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly, fa rehefa avy nitsidika an’i Paoly tany am-ponja ny lohandohan’ny Jiosy, dia “nino izay voalaza ny sasany, fa ny sasany kosa tsy nino. Dia tsy nifanara-kevitra izy ireo ka niala tsikelikely.” (Asan’ny Apostoly 28:17, 24, 25) Tsy nankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah izy ireo, ary tsy maintsy ho nampalahelo an’i Paoly izany! Nampiseho izany ny taratasiny ho an’ny fiangonana tany Roma, taona vitsivitsy talohan’izay. Hoy izy: “Malahelo mafy sy ory foana aho ato am-poko ato. Fa iriko ny ho voaozona ka ho tafasaraka amin’i Kristy raha izay no hahasoa an’ireo rahalahiko [ny Jiosy], eny, ireo havako araka ny nofo.” (Romanina 9:2, 3) Nahita namana nahatoky anefa izy tany Roma, ary nampitony azy ny herim-po sy fitiavana nasehon’izy ireo. Ireo no tena rahalahiny.

7 Ahoana no nanampian’izy dimy mirahalahy an’i Paoly sy nampaherezany azy? Tsy nihatakataka taminy izy ireo na dia voafonja aza izy. Nazoto nanampy azy tamim-pitiavana kosa izy ireo, ary nanao izay asa tsy vitany noho izy nigadra. Nanatitra ny taratasin’i Paoly, ohatra, izy ireo sady nampita ny toromarika nomeny tany amin’ny fiangonana samy hafa. Nanao tatitra mampahery tamin’i Paoly koa izy momba ny rahalahy tany Roma sy tany an-toeran-kafa. Ary azo inoana fa nitondra izay zavatra nilain’i Paoly izy ireo, toy ny akanjo fitondra amin’ny ririnina sy horonam-boky ary zavatra anoratana. (Efesianina 6:21, 22; 2 Timoty 4:11-13) Nanatanjaka sy nampahery an’ilay apostoly nigadra izany fanampiana rehetra izany, hany ka afaka “nanampy sy nankahery” olon-kafa, ary fiangonana manontolo mihitsy aza izy.​—Romanina 1:11, 12.

Ahoana no ‘hanampiana sy hankaherezana’ ny hafa?

8. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly, izay nanetry tena ka nanaiky fa nila ‘nampiana sy nankaherezina’?

8 Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Paoly sy izy dimy mirahalahy niara-niasa taminy? Intỳ misy lesona iray misongadina: Mitaky herim-po sy fandavan-tena ny fanampiana olona miatrika zava-tsarotra. Mitaky fanetren-tena koa ny manaiky fa mila fanampiana isika rehefa iharam-pahoriana. Tsy vitan’ny hoe nanaiky fanampiana fotsiny i Paoly, fa tena nankasitraka izany sady nidera ireo nanampy azy. Tsy nihevitra izy hoe fahalemena ny fanekena ny fanampian’ny hafa, na hoe manambany azy izany. Tsy tokony hieritreritra an’izany koa isika. Toy ny mihevi-tena ho mahery noho ny olombelona rehetra isika, raha milaza fa tsy mila fanampiana sy fampaherezana mihitsy. Tsarovy i Jesosy, ka tadidio fa na dia ny olombelona lavorary aza dia mila mitalaho fanampiana indraindray.​—Hebreo 5:7.

9, 10. Inona no soa azo rehefa manaiky hampiana ny olona iray, ary inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny fianakaviana sy ny fiangonana?

9 Mety hisy vokany tsara, rehefa manaiky ny mpiandraikitra fa voafetra ny mety ho vitany ary mila miantehitra amin’ny fanampian’ny hafa izy. (Jakoba 3:2) Noho izany, dia manjary miraiki-po kokoa ny mpiandraikitra sy ny olona eo ambany fiandraiketany, ka mifampiresaka amin-kalalahana sy amim-pisakaizana. Rehefa manetry tena izy ireo, ka manaiky ampiana, dia mamela ohatra tsara ho an’ny olon-kafa mila fanampiana. Asehon’izany fa olombelona toa antsika ihany ireo mpiandraikitra, ary mora hatonina.​—Mpitoriteny 7:20.

10 Raha sendra olana na fakam-panahy, ohatra, ny ankizy, ka fantany fa niatrika zava-tsarotra toy izany koa ny ray aman-dreniny, dia mety ho mora kokoa aminy ny hanaiky ny fanampian’izy ireo. (Kolosianina 3:21) Afaka mifampiresaka tsara ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’izay. Ary handaitra kokoa ireo vahaolana omena avy ao amin’ny Soratra Masina, sady ho mora ekena kokoa. (Efesianina 6:4) Toy izany koa ny amin’ireo rahalahy eo anivon’ny fiangonana. Ho vonona kokoa hanaiky fanampiana izy ireo, rehefa fantany fa manan-javatra manahirana sy mampanahy ary mahavery hevitra azy koa ireo anti-panahy. (Romanina 12:3; 1 Petera 5:3) Hisy fifampiresahana tsara koa amin’izay ary ho azo atao ny hanome torohevitra ara-baiboly, hany ka hihamatanjaka ny finoan’ireo rahalahy. Tadidio fa mila fampaherezana mihoatra noho ny hatramin’izay ny rahalahy sy anabavintsika ankehitriny.​—2 Timoty 3:1.

11. Nahoana no maro be ankehitriny no mila ‘ampiana sy ankaherezina’?

11 Tsy maintsy hisy zavatra hampanahy antsika rehetra indraindray, na aiza isika na aiza, na iza isika na iza, ary na firy taona isika na firy taona. Mbola izany aloha no iainantsika ankehitriny. (Apokalypsy 12:12) Misedra ny finoantsika ny olana ara-batana na ara-pihetseham-po toy izany. Mety ho tojo fisedrana koa isika any am-piasana, sy any am-pianarana, ary eo anivon’ny fianakaviana na ny fiangonana. Mety hampitebiteby antsika ny aretina mafy mahazo antsika na ny zavatra nampahatahotra nihatra tamintsika taloha. Hahatsiaro ho tony erỳ anefa isika, raha mampahery antsika amin’ny alalan’ny teny voahevitra tsara sy manao zavatra hanampiana antsika ny vadintsika, na ny anti-panahy, na ny namantsika! Toy ny fanafody ahosotra amin’ny faritra manaintaina izany! Aoka àry ianao hanampy sy hampahery ny rahalahinao, raha voamarikao fa misy mampanahy azy. Na mangataha fanampiana amin’ny Kristianina matotra, raha misy olana mampitebiteby mafy sy manavesatra anao.​—Jakoba 5:14, 15.

Inona no fanampiana azon’ny fiangonana omena?

12. Inona no azon’ny tsirairay atao mba hampaherezana ny rahalahiny?

12 Afaka mampahery ny hafa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, anisan’izany ny tanora. Ny famonjenao fivoriana sy fanaovanao fanompoana tsy tapaka, ohatra, dia efa tena manatanjaka ny finoan’ny hafa. (Hebreo 10:24, 25) Manaporofo ny tsy fivadihanao amin’i Jehovah ianao, raha maharitra manao fanompoana masina. Mampiseho koa izany fa miambina hatrany ianao, na dia miatrika zava-tsarotra aza. (Efesianina 6:18) Hampahery ny hafa ny faharetanao.​—Jakoba 2:18.

13. Nahoana no misy olona lasa tsy mitory intsony, ary ahoana no anampiana azy ireny?

13 Mety tsy hazoto firy intsony ny sasany, na tsy hitory intsony mihitsy aza, noho ny faneren’ny fiainana sy ny olana hafa. (Marka 4:18, 19) Mety tsy hivory intsony izy, nefa mety ho mbola tia an’Andriamanitra ihany. Inona àry no azo atao mba hanatanjahana ny finoany? Afaka manampy azy amin-katsaram-panahy ny anti-panahy, ka mitsidika azy. (Asan’ny Apostoly 20:35) Mety hisy rahalahy na anabavy hafa koa hangatahina hanao toy izany. Mety ho izany indrindra no fanafody ilain’ireny olona nihanalemy finoana ireny, mba hahatonga azy harisika indray amin’ny fanompoana.

14, 15. Inona no torohevitra nomen’i Paoly momba ny fampaherezana ny hafa? Hazavao ny fomba nampiharan’ny fiangonana iray izany.

14 Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hanao teny mampahery ny kivy sy hanohana ny malemy.’ (1 Tesalonianina 5:14) Mahatsapa angamba ireny olona “kivy” ireny fa tsy manana herim-po intsony izy, ka tsy hahavita hiatrika ny olana mahazo azy, raha tsy misy manampy. Koa afaka hanampy azy ve ianao? Ilay teny hoe ‘manohana ny malemy’ dia midika ara-bakiteny hoe “mifikitra” na “miraikitra” amin’ny malemy. Mankamamy sy tia ny ondriny rehetra i Jehovah. Tsy mihevitra azy ireny ho tsy misy vidiny izy, ary tsy tiany hisy hiala amin’ny fanompoana azy. Afaka manampy ny fiangonana “hifikitra” amin’izay malemy finoana àry ve ianao, mandra-pahatanjak’izy ireo?​—Hebreo 2:1.

15 Nisy anti-panahy iray nitsidika mpivady tsy nitory nandritra ny enin-taona. Nanoratra izy hoe: “Tena nanohina azy mivady ny hatsaram-panahy sy fitiavana nasehon’ny fiangonana manontolo, hany ka nandrisika azy ireo hiverina tao amin’ny andian’ondry izany.” Ahoana no nandraisan’ilay anabavy ny fitsidihan’ireo rahalahy sy anabavy ireo? Hoy izy: “Tsy nanome tsiny na nanakiana anay mihitsy ireo anadahy nitsidika anay sy ireo rahavavy niaraka taminy. Izany no nahatonga anay harisika indray tamin’ny fanompoana. Nahatakatra izay nanjo anay kosa izy ireo, sady nanome fampaherezana ara-baiboly.”

16. Iza no vonona foana hanampy an’ireo mila fampaherezana?

16 Azo antoka fa faly ny Kristianina tso-po manampy sy mampahery ny hafa. Mety ho isika mihitsy aza no hampaherezin’ny rahalahintsika, satria miovaova ny fiainana. Mety tsy ho afaka hanampy antsika anefa izy ireo indraindray, rehefa mila izany isika. Na izany aza, dia misy Loharanon-kery azontsika ianteherana foana. Tsy iza izany fa i Jehovah Andriamanitra, izay vonona hanampy antsika mandrakariva.​—Salamo 27:10.

Tsy misy Loharanon-kery lehibe noho i Jehovah

17, 18. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampaherezan’i Jehovah an’i Jesosy Kristy Zanany?

17 Niantso mafy toy izao i Jesosy tamin’izy nifantsika teo amin’ny hazo fijaliana: “Ray ô, ankiniko aminao ny aiko.” (Lioka 23:46) Maty izy avy eo. Nosamborina izy, ora vitsivitsy talohan’izay, ary nandao azy ny namany akaiky indrindra, satria natahotra. (Matio 26:56) Tavela irery i Jesosy, ary tsy nisy afaka nampahery azy afa-tsy ilay Rainy tany an-danitra. Tsy very maina anefa ny fitokisany taminy. Novalian’i Jehovah soa ny tsy fivadihany taminy, satria nampiany foana izy.​—Salamo 18:25; Hebreo 7:26.

18 Nampian’i Jehovah foana ny Zanany nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany, mba tsy hivadika mandra-pahafatiny. Vao vita batisa, ohatra, i Jesosy ka nanomboka ny fanompoany, dia reny ny feon’ny Rainy nilaza taminy fa ankasitrahany sy tena tiany izy. Naniraka anjely koa i Jehovah mba hampahery an’i Jesosy, rehefa nila izany izy. Ary nihaino ny fitarainany sy ny fitomaniany izy, nandritra ilay fisedrana mafy indrindra nihatra taminy talohan’ny nahafatesany. Azo antoka fa nanampy sy nampahery an’i Jesosy izany rehetra izany.​—Marka 1:11, 13; Lioka 22:43.

19, 20. Ahoana no ahazoantsika antoka fa hampahery antsika i Jehovah amin’ny fotoana ilana izany?

19 Te ho Loharanon-kery lehibe indrindra ho antsika koa i Jehovah. (2 Tantara 16:9) Izy no tena Loharanon’ny fahatanjahana sy ny hery tsy toha, ary afaka manampy sy mampahery antsika izy, rehefa mila izany isika. (Isaia 40:26) Mety hisedra mafy antsika ny ady, fahantrana, fahafatesana, na ny tsy fahalavorariantsika. Afaka ny ho herintsika sy tanjatsika anefa i Jehovah, rehefa toa tsy ho resy toy ny ‘fahavalo mahery’ ny fisedrana. (Salamo 18:17; Eksodosy 15:2) Misy fanampiana lehibe azony omena antsika, dia ny fanahiny masina. “Mampahatanjaka ny reraka” amin’ny alalan’ny fanahiny izy, mba “hiakarany tahaka ny voromahery.”​—Isaia 40:29, 31.

20 Ny fanahin’Andriamanitra no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Hoy i Paoly: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” Afaka manome antsika “hery fanampiny” tokoa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, mba hiaretantsika izay fahoriana rehetra mianjady amintsika. Hanao izany foana izy mandra-pahatongan’ny fotoana hanavaozany “ny zava-drehetra”, ao amin’ilay Paradisa nampanantenainy, izay efa antomotra kely.​—Filipianina 4:13; 2 Korintianina 4:7; Apokalypsy 21:4, 5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Hoy ny Diksioneran’i Vine Manome Fanazavana Feno Momba ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy): ‘Ny matoantenin’ilay teny [pa·re·go·riʹa] dia midika hoe fanafody mampitony fanaintainana.’

Tadidinao Ve?

• Inona no nataon’ireo rahalahy tany Roma mba ‘hanampiana sy hankaherezana’ an’i Paoly?

• Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ‘manampy sy mankahery’ ny hafa eo anivon’ny fiangonana?

• Nahoana no tsy misy Loharanon-kery lehibe noho i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

“Nanampy sy nankahery” an’i Paoly ireo rahalahy rehefa tsy nitsahatra nanohana azy sy nataony irakiraka

[Sary, pejy 21]

Loha laharana amin’ny fampaherezana ny andian’ondry ny anti-panahy