Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MEY 2013

 MATOAN-DAHATSORATRA

Mitandrema Amin’ny Olon-dratsy!

Mitandrema Amin’ny Olon-dratsy!

“Manatitra ahy any an-trano foana ny namako, raha efa maizina aho vao tafody. Tsy nahavita nandeha an-tongotra anefa aho indray hariva fa reraka be, ka nandeha taxi.

“Tsy nentin’ilay mpamily nody aho fa nentiny tany an-kodahoda, ary saika hosavihiny. Nikiakiaka be aho ka lasa izy. Niverina indray izy avy eo, ka nikiakiaka aho sady nandositra.

“Tsy nino aho taloha hoe mahasoa ny mikiakiaka. Hitako anefa tamin’izay fa tena mandaitra izany.”—LISY. *

FAHITA any amin’ny tany maro ny heloka bevava. Milaza, ohatra, ny mpitsara iray fa “mety hiharan’izy io daholo ny rehetra.” Tsy dia misy heloka bevava angamba any amin’ny faritra sasany. Ilaina foana anefa ny mitandrina.

Ahoana no iarovanao ny tenanao sy ny havanao amin’ny olon-dratsy, na be heloka bevava eny aminareo na tsia? Tena mahasoa, ohatra, ity toro lalan’ny Baiboly ity: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Milaza ny mpitandro filaminana fa “aleo misoroka toy izay mitsabo.”

Tsy ratra sy fananana very ihany no mety ho vokatry ny heloka bevava. Mety ho voa koa ny sain’ilay niharam-pahavoazana na ho kivy be izy, sady mety haharitra ela izany. Aleo lavitra àry mitandrina! Andao hodinihintsika izay tokony hatao mba hiarovan-tena amin’ireto karazana heloka bevava ireto: Fandrobana, fametavetana, fisolokiana ao amin’ny Internet, ary fisandohana anarana.

 FANDROBANA

Inona izany? Halatra misy herisetra na fandrahonana.

Inona no vokany? Nisesisesy ny fandrobana nampiasana fitaovam-piadiana tany Grande-Bretagne. Nilaza ny mpitsara iray fa nijaly be ireo niharan’izany na dia tsy naratra aza. Hoy izy: “Maro no nilaza fa mbola mitebiteby sy tsy mahita tory. Nilaza ny ankamaroany fa nisy vokany teo amin’ny asa fanaony andavanandro ilay zava-nitranga.”

Inona no azonao atao?

  • Mpanararaotra ny mpangalatra ka jereo tsara ny manodidina anao

    Mba mailomailo. Mpanararaotra ny mpangalatra, ka ataony lasibatra izay tsy mailo. Mitandrema àry raha misy mandinindinika anao. Jereo tsara koa ny manodidina anao. Aza misotro toaka be na mampiasa zava-mahadomelina, satria manadonto saina izany. Hoy ny rakipahalalana iray momba ny fahasalamana: “Tsy afaka misaina tsara ny olona rehefa misotro toaka na mampiasa zava-mahadomelina, ka tsy fantany ny toe-javatra mety hampidi-doza.”

  • Arovy ny fanananao. Ataovy tsara hidy ny varavarambe sy varavarankelin’ny tranonao ary ny fiaranao. Aza mampandroso olon-tsy fantatra mihitsy. Ampirimo ny zava-tsarobidy fa aza aderadera. Hoy ny Ohabolana 11:2: ‘Izay manetry tena no hendry.’ Ny olona mampideradera firavaka na fitaovana elektronika no tena lasibatry ny mpangalatra sy ny ankizy tsy misy mpiahy.

  • Mitadiava torohevitra. “Amin’ny adala dia mety ny ataony, fa izay mandray torohevitra kosa no hendry.” (Ohabolana 12:15) Raha mandeha amin’ny toerana iray ianao, dia araho ny torohevitry ny tompon-tany, toy ny polisy. Mety hilaza ny toerana tsy tokony haleha izy, ary hanoro ny fomba tokony hiarovanao ny tenanao sy ny fanananao.

FAMETAVETANA

Inona izany? Fanerena na fandrahonana olona iray mba hanaovany firaisana na zavatra vetaveta.

Inona no vokany? Hoy ny olona iray nisy nametaveta: “Tena mampalahelo fa tsy amin’ilay fotoana itrangan’ilay izy ihany ianao no mijaly, fa na ela be atỳ aoriana aza. Miova hatramin’ny fahitanao ny fiainana. Na ny fiainan’ny fianakavianao aza miova.” Mazava ho azy fa ilay mpametaveta no meloka, fa tsy ilay novetavetaina.

Inona no azonao atao?

  • Manaova zavatra raha vao misy mampiahiahy. Hoy ny polisy any Caroline Avaratra, any Etazonia: “Mialà raha vao misy olona na zavatra mampiahiahy. Aza manaiky hoteren’ny olona hijanona raha tsy mandry ny sainao.”

  • Aza matahotahotra na varimbariana. Ny olona varimbariana sy mora tafihina no lasibatry ny mpametaveta. Noho izany, dia aza matahotahotra rehefa mandeha ary mba mailomailo.

  • Manaova zavatra avy hatrany. Miezaha hikiakiaka. (Deoteronomia 22:25-27) Mandosira na asio tampoka ilay olona. Mihazakazaha any amin’ny toerana azo  antoka ary miantsoa polisy, raha azo atao. *

FISOLOKIANA AO AMIN’NY INTERNET

Inona izany? Mampiasa Internet mba tsy handoavana hetra, hahazoana volan’olona, hampiasana karatra fitrosana an’olon-kafa, na hitakiana vidin-javatra nefa tsy handefa entana. Eo koa ny fitaka amin’ny resaka fampiasam-bola na lavanty.

Inona no vokany? Tsy ny isam-batan’olona ihany no mijinja ny vokatr’izy io fa ny fiaraha-monina manontolo. Vola an-tapitrisany tapitrisa no very. Diniho ny nanjo an’i Sandra. Nahazo e-mail nangataka ny hanavaozany ny mombamomba azy any amin’ny banky izy. Nanao tokoa izy satria noheveriny fa avy amin’ny bankiny ilay e-mail. Tsy ela anefa dia fantany fa nisy namindra tany amin’ny banky any ivelany ny vola 4 000 dolara (Ar 8 tapitrisa) tao amin’ny kaontiny. Hay izy nisy nisoloky!

Inona no azonao atao?

  • Mitandrema! Aza manaiky hofitahin’ny tranonkala miseho ho matihanina. Tadidio fa tsy hangataka ny handefasana fanazavana saro-pady amin’ny e-mail mihitsy ny banky. Fantaro raha tsara laza ilay orinasa vao mividy zavatra na mampiasa vola ao aminy amin’ny alalan’ny Internet. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.” Mitandrema koa rehefa mifampiraharaha amin’ny orinasa any ivelany. Ho sarotra kokoa mantsy ny hamaha olana raha misy izany.

  • Fotopotory tsara ilay orinasa sy ny fomba fiasany. Manana birao azo aleha ve izy io? Marina ve ny nomeraon-telefaoniny? Mbola misy vola hafa tokony haloa ve ankoatra ny vidin’entana? Rahoviana no ho voaray ilay entana? Mbola azo averina ve? Manaiky hamerina vola ve ilay orinasa?

  • Mba mailomailo raha tsara loatra ilay tolotra. Ireo tia vola sy tsy te hisahirana nefa te hahazo zavatra no tena lasibatry ny mpangalatra ao amin’ny Internet. Mety ho zavatra kely fotsiny no hasainy hatao, nefa lazainy fa hahazo vola be ianao. Mety hilaza koa izy fa hampindram-bola anao na hanome karatra fitrosana, nefa ianao zara raha manam-bola. Mety hisy hampanantena hoe hahazo tombony be ianao raha mampiasa vola any aminy. Hoy ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Mpanjifa: “Diniho tsara raha ara-dalàna ilay tolotra. Arakaraka ny maha be ny vola ampanantenaina no mety hahavoa anao. Aza manaiky hoteren’ny olona hampiasa vola, raha tsy azonao antoka hoe ara-dalàna ilay tolotra.”

FISANDOHANA ANARANA

Inona izany? Anisan’izany ny fakàna an-tsokosoko ny mombamomba ny olona iray, mba hanaovana hosoka na heloka bevava hafa.

Inona no vokany? Mety hampiasa ny mombamomba anao ilay mpangalatra mba hindramana vola na hanokafana kaonty any amin’ny banky. Mitrosa vola be amin’ny anaranao izy avy eo. Mety ho azo foanana ilay trosa, nefa efa ratsy laza ianao ary mety ho ela be izany vao lefy. Hoy ny olona iray efa voa: “Misy vokany eo amin’izay rehetra ataonao ilay laza ratsy. Mbola ratsy kokoa noho ny very vola izany.”

Inona no azonao atao?

  • Aza atao fantatry ny hafa ny fanazavana saro-pady. Raha mitahiry vola na miantsena amin’ny alalan’ny Internet ianao, dia  ovao foana ny tenimiafinao, indrindra raha ordinatera be mpampiasa no ampiasainao. Mitandrema tsara koa raha misy e-mail mangataka ny mombamomba anao.

    Tsy ordinatera ihany no ampiasain’ireo mpisandoka anarana fa antontan-taratasy sarobidy koa, toy ny taratasy avy any amin’ny banky, karinen-tseky, karatra fitrosana, ary nomeraon’ny fiantohana sosialy. Arovy tsara àry ireny taratasy ireny ary poteho daholo alohan’ny hanariana azy. Manaova tatitra avy hatrany raha manahy ianao hoe misy taratasy very na nisy naka.

  • Hamarino foana ny kaontinao. Hoy ihany ilay vaomiera miaro ny mpanjifa: ‘Tena voaro amin’ny mpisandoka anarana ianao raha mailo tsara foana. Tsy dia ho voa mafy ianao raha fantatra aloha be hoe misy mitady hisandoka ny anaranao.’ Hamarino foana àry ny taratasy avy any amin’ny banky, ary mariho izay zavatra hafahafa.

Marina aloha fa mety ho voan’ny olon-dratsy ihany na dia ny olona tena mitandrina aza. Handray soa foana anefa ianao raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly ka hendry sy misaina tsara. Hoy ny Ohabolana 4:6: “Aza mahafoy ny fahendrena, dia hiambina anao izy. Tiavo izy, dia hiaro anao.” Mampanantena aza ny Baiboly fa tsy hisy intsony ny heloka bevava amin’ny hoavy.

Kely Sisa dia Tsy Hisy Intsony ny Heloka Bevava

Nahoana isika no matoky an’izany? Diniho ireto:

  • Tian’Andriamanitra hofoanana ny heloka bevava. “Izaho Jehovah dia tia ny rariny sady mankahala ny fandrobana sy ny tsy fahamarinana.”—Isaia 61:8.

  • Vitany ny manafoana an’izany. “Lehibe amin’ny hery izy, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny rariny sy ny fahamarinana.”—Joba 37:23.

  • Mampanantena izy fa handringana ny ratsy fanahy ary hiaro ny olo-marina. “Ny mpanao ratsy horinganina.” “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:9, 29.

  • Mampanantena izy fa hiaina ao amin’ny tontolo vaovao feno fiadanana ireo tsy mivadika aminy. “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:11.

Tianao ve ireo fampanantenana ireo? Manokàna àry fotoana handinihana ny Baiboly mba hamantarana ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Io ihany no boky misy torohevitra feno fahendrena sy mampanantena hoe tsy hisy intsony ny heloka bevava. *

Mampanantena tontolo vaovao tsy misy heloka bevava intsony Andriamanitra

^ feh. 5 Novana ny anarana.

^ feh. 22 Novetavetain’ny olom-pantany ny ankamaroan’ireo nisy nametaveta. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay hoe “Inona no Hataoko mba Tsy Hisy Hanolana Aho?”, pejy 228, boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany. Ao amin’ny www.jw.org/mg io boky io.

^ feh. 44 Miresaka ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Angataho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io na vakio ao amin’ny www.jw.org/mg.