Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 NISY NAMORONA VE?

Ny Fomba Ahitan’ny Kintan-dranomasina

Ny Fomba Ahitan’ny Kintan-dranomasina

TENA mahavariana ny akoran’ny karazana kintan-dranomasina (kiririndolo) iray, izay fahita any amin’ny haran-dranomasina. Misy lopy kely be dia be mirafitra eo amin’ny akorany, ka toy ny hoe maso ny akorany manontolo.

Toy ny lopy bitika tena arifomba ireo karazana sokay mivohibohitra ireo

Diniho izao: Nandinika ny taolan-tanan’io kintan-dranomasina io ny mpahay siansa, ka nahita “kristaly be dia be mivohitra sy mifanetinety, izay mbola manify noho ny singam-bolo.” (Tantaran’ny Zavaboary, anglisy) Vita amin’ny karazana sokay ireo kristaly, izay tsy inona fa lopy bitika tena arifomba. Izy ireo no mampita ny hazavana any amin’ireo sela mpandray hazavana, izay ao ambanin’ireo taolan-tanana. Tena mety tsara ny paozin’ireo lopy ireo, ka afaka mamoaka tsara ny sary hitan’ilay biby.

Mahavita karazan’asa roa ny akoran’ilay kintan-dranomasina. Hoy i Joanna Aizenberg, mpahay simia: “Mampiseho zavatra fahita eo amin’ny zavamananaina izany: Natao hahavita asa maromaro ny zavatra iray, matetika.”

Naka tahaka an’io kintan-dranomasina io ny mpikaroka, ka nanamboatra lopy bitika be dia be tamin’ny sokay. Tsotra ny manao izany ary tsy mandany vola. Azo ampiasaina amin’ny fifandraisan-davitra, ohatra, ireny lopy ireny, mba hampitana hazavana amin’ny kabla natao ho amin’izany.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fomba ahitan’ny kintan-dranomasina, sa nisy namorona?