Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Etazonia

Zavatra voarara 50 tapitrisa teo ho eo no tratra tamin’ny fisavana teny amin’ny seranam-piaramanidina, tato anatin’ny folo taona, hoy ny Minisiteran’ny Filaminana Anatiny any Etazonia. Tamin’ny 2011 fotsiny, dia basy 1 200 mahery no tratra ka tsy tafiditra tany anaty fiaramanidina. Nilaza ny ankamaroan’ireo nahatratrarana an’izany fa hadinony, hono, hoe nitondra basy izy.

Brezila

Nanao ezaka manokana ny tompon’andraikitry ny fampianarana, mba hamantarana ny ankizy mingitrika. Nametahana fitaovana elektronika ny tablien’ny mpianatra, ka misy hafatra voarain’ny ray aman-dreniny rehefa tonga any am-pianarana izy. Hafa kosa ny hafatra voarainy raha mbola tsy tonga ilay ankizy, 20 minitra aorian’ny fidirana.

Norvezy

Tsy fivavaham-panjakana any Norvezy intsony ny Fiangonana Loteranina. Nohavaozin’ny Parlemanta ny lalàm-panorenana mba hampihenana ny fifandraisan’ny fivavahana sy ny fanjakana. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy!

Repoblika Tseky

Milaza ny roa ampahatelon’ny mpiasa any, rehefa nanontaniana, fa na tsy any am-piasana aza izy, dia voatery mandray antso na e-mail na SMS mifandray amin’ny asany. Ny ampahatelony mahery no mihevitra fa tsy mahalala fomba izy raha tsy mamaly izany avy hatrany.

Inde

Niakatra 50 isan-jato latsaka kely ny sakafo novokarina tany, tato anatin’ny 20 taona, ary milanja 71 tapitrisa taonina ny tahirim-bary. Mbola tsy ampy sakafo ihany anefa ny mponina any, satria ny 40 isan-jaton’ireo tahiry ireo monja no tonga any amin’ny vahoaka. Anisan’ny mahatonga izany ny tsolotra. Be koa ny sakafo ariana fotsiny.