Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MEY 2013

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Kyrosy Lehibe

Kyrosy Lehibe

Sendra ny patsa iray tsy omby vava i Babylona, renivohitry ny Fanjakana Babylonianina, ny alin’ny 5 Oktobra 539 Talohan’i Kristy (T.K.). Tamin’io alina niavaka io ilay tanàna no noravan’ny tafiky ny Medianina sy Persianina notarihin’i Kyrosy na Kyrosy Lehibe, mpanjaka persianina. Nahomby ny tetikadiny.

AHOANA NO NANDRESEN’I KYROSY AN’I BABYLONA?

Hoy ny boky Mpitondra Fahiny: Kyrosy Lehibe (anglisy): “I Babylona no tanàna lehibe indrindra tany amin’ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ary angamba ny tanàna lehibe indrindra teto an-tany, tamin’i Kyrosy nikasa hanafika azy.” Mandalo ao Babylona ny Reniranon’i Eofrata, sady nameno rano an’ilay hadivory nanodidina ny rindrim-ben’i Babylona. Tena voaro ilay tanàna ka toa tsy ho resy mihitsy.

Navilin’ny miaramilan’i Kyrosy ny Reniranon’i Eofrata ka niharìtra ny rano tao Babylona. Afaka niroboka an’ilay renirano àry izy ireo, ary tonga teo am-bavahadin’ny tanàna. Tsy nihidy ilay vavahady ka mora notafihina i Babylona. Nilaza i Hérodote sy Xénophon, mpahay tantara grika, fa tsy nanana ahiahy ny Babylonianina tao amin’ilay tanàna voaro, tamin’ilay alina nanafihana azy. Nanao fanasambe izy ireo, anisan’izany ny mpanjaka. (Jereo ilay efajoro hoe  “Misy Sora-tanana eo Amin’ny Rindrina.”) Nanatanteraka faminaniana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly ilay fandresen’i Kyrosy.

Voalazan’ny Baiboly mialoha ny handresen’i Kyrosy an’i Babylona

 FAMINANIANA MAHAVARIANA

Miavaka ny faminanian’i Isaia satria nosoratana 200 taona teo ho eo mialoha, izany hoe tokotokony ho 150 taona talohan’ny nahaterahan’i Kyrosy. Diniho ireto:

  • Lehilahy atao hoe Kyrosy no handresy an’i Babylona sy hanafaka ny Jiosy.—Isaia 44:28; 45:1.

  • Ho ritra ny Reniranon’i Eofrata, ka ho azon’ny miaramilan’i Kyrosy hirobohana.—Isaia 44:27.

  • Havela hisokatra ny vavahadin’ilay tanàna.—Isaia 45:1.

  • ‘Tsy hiady intsony’ ny miaramilan’i Babylona.—Jeremia 51:30; Isaia 13:1, 7.

FANAFAHANA TSY NAMPOIZINA

Nandrava an’i Jerosalema ny tafika babylonianina tamin’ny 607 T.K. ary nentiny ho babo ny ankamaroan’ny Jiosy. Hafiriana izy ireo no ho babo? Hoy Andriamanitra: “Rehefa tapitra ny fitopolo taona, dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany noho ny fahadisoany [ary] hataoko lao mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Jeremia 25:12.

Efa hitantsika hoe resin’i Kyrosy i Babylona, tamin’ny 539 T.K. Nafahany ireo Jiosy, taoriana kelin’izay. Nanomboka niverina tany an-tanindrazany izy ireo tamin’ny 537 T.K., izany hoe 70 taona katroka taorian’ny namaboana azy. (Ezra 1:1-4) Mbola tanteraka koa ny faminanian’ny Baiboly momba an’i Babylona, satria “lao” izy io, tatỳ aoriana.

NAHOANA IZANY NO TOKONY HO FANTATRAO?

Diniho izao: Noresahin’ny Baiboly mialoha fa 1) ho babo 70 taona ny Jiosy, 2) ho resin’i Kyrosy i Babylona ka efa voalaza hatramin’ny paikady hampiasainy, ary 3) ho lao tanteraka i Babylona. Tsy ho avy amin’olombelona mihitsy izany faminaniana izany. Hita kosa hoe mitombina kokoa ity voalaza ity: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona.” (2 Petera 1:21) Tena tokony handinika ny Baiboly àry isika.

^ feh. 36 Entina ilazana lanjam-bola ireo teny ireo. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny toko 7 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.