Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANADINADINANA | RACQUEL HALL

Namerina Nandinika ny Zavatra Ninoany Ilay Vehivavy Jiosy

Namerina Nandinika ny Zavatra Ninoany Ilay Vehivavy Jiosy

Jiosy avy any Israely ny renin’i Racquel Hall ary Aotrisianina nanaraka ny Fivavahana Jiosy ny rainy. Jiosy tia tanindrazana ny dadabeny sy bebeny avy amin’ny reniny. Nifindra tany Israely izy ireo tamin’ny 1948, rehefa lasa fanjakana nahaleo tena i Israely. Nanontany an’i Racquel ny Mifohaza! hoe inona no nahatonga azy hamerina handinika ny zavatra ninoany.

Lazao anay ny mombamomba anao.

Teraka tany Etazonia aho, tamin’ny 1979. Nisaraka i Dada sy Neny, tamin’izaho telo taona. Notezain’i Neny araka ny fombafomba jiosy aho ary nianatra tany amin’ny sekoly jiosy. Nipetraka herintaona tany Israely izahay tamin’izaho fito taona, ary nianatra tany amin’ny sekolim-panjakana aho. Nifindra tany Meksika izahay avy eo.

Tsy nisy synagoga tany, nefa nanaraka ny fombafomba jiosy ihany aho. Nandrehitra labozia aho rehefa Sabata, namaky ny Torah, ary nampiasa bokim-bavaka rehefa nivavaka. Matetika aho no nilaza tamin’ny mpiara-mianatra tamiko hoe ny anay no fivavahana voalohany indrindra. Mbola tsy namaky an’ilay boky miresaka ny fanompoan’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany mihitsy aho tamin’izany, dia ilay antsoina hoe Testamenta Vaovao. Tsy navelan’i Neny hanao izany mantsy aho, sao ho voaloton’ny fampianarana ao, hono.

Nahoana ianao no tapa-kevitra hamaky azy io ihany?

Niverina tany Etazonia aho, rehefa feno 17 taona, mba hamita ny fianarako. Nilaza tamiko ny olom-pantatro iray fa Kristianina izy ary hisy banga foana, hono, ny fiainako raha tsy mino an’i Jesosy aho.

Hoy aho: “Very ange izay olona mino an’i Jesosy e!”

Nanontany izy hoe: “Efa mba namaky ny Testamenta Vaovao ve ianao?”

“An an an”, hoy aho.

Dia hoy izy: “Koa maninona ianao no mitsaratsara fotsiny,  nefa tsy misy zavatra fantatrao akory amin’ilay izy?”

Nahatonga saina ahy izany, satria nihevitra foana aho hoe hadalana ny mitsaratsara zavatra tsy fantatra. Nentiko àry ny Baiboliny ary nanomboka namaky ny Testamenta Vaovao aho.

Dia inona no vokatr’izany?

Gaga aho fa hay Jiosy no nanoratra ny Testamenta Vaovao. Arakaraka ny namakiako azy io no nahitako fa Jiosy tsara fanahy sy manetry tena i Jesosy ary tsy nanararaotra olona fa naniry hanampy azy. Nankany amin’ny tranomboky mihitsy aza aho ary nindrana boky momba an’i Jesosy. Mbola tsy resy lahatra anefa aho hoe i Jesosy no Mesia. Ny boky sasany aza nilaza fa Andriamanitra izy. Tsy mitombina mihitsy izany amiko! Dia iza izany no nivavahan’i Jesosy? Ny tenany? I Jesosy koa maty nefa ny Baiboly milaza fa ‘tsy ho faty Andriamanitra.’ *

Ahoana no nataonao mba hahalalana ny tena marina?

Tsy mifanipaka ny fampianarana marina, ka tapa-kevitra ny hitady an’izany aho. Nivavaka tamin’Andriamanitra àry aho sady nitomany. Sambany aho tamin’izay no nivavaka tsy nampiasa bokim-bavaka. Vao vita ilay vavaka dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Vavolombelon’i Jehovah roa no tao. Nomeny boky fianarana Baiboly aho. Hitako tamin’io boky io sy ny resaka nifanaovanay, fa mifototra amin’ny Baiboly ny zavatra inoan’izy ireo. Tsy mino, ohatra, ny Vavolombelona hoe anisan’ny Andriamanitra telo izay iray i Jesosy. Ekeny kosa fa “Zanak’Andriamanitra” * izy sady “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” *

Niverina tany Meksika aho, tsy ela taorian’izay, ary mbola nianatra an’ireo faminaniana momba ny Mesia tamin’ny Vavolombelona. Gaga aho nahita an’ireo faminaniana be dia be. Mbola tsy tena resy lahatra anefa aho. Nieritreritra aho hoe: ‘Dia tamin’i Jesosy irery ve no tanteraka ireo faminaniana? Ary ahoana raha mpisandoka fotsiny izy?’

Inona no tena naharesy lahatra anao?

Nisy faminaniana nasehon’ny Vavolombelona ahy ary tsy ho vitan’ny mpisandoka mihitsy ny hanatanteraka azy ireo. Nilaza, ohatra, i Mika mpaminany, 700 taona mahery mialoha, fa ho teraka ao Betleheman’i Joda ny Mesia. * Iza no hahavita hifidy ny toerana hahaterahany? Nanoratra koa i Isaia fa hovonoina toy ny mpanao heloka bevava ny Mesia ary halevina miaraka amin’ny mpanankarena. * Tanteraka tamin’i Jesosy avokoa ireny.

Ny faminaniana momba ny razamben’i Jesosy no porofo tena nampiaiky ahy. Lazain’ny Baiboly fa taranak’i Davida Mpanjaka ny Mesia. * Nitahiry tetirazana ny Jiosy fahiny, ka tsy hanaiky mora foana ireo fahavalon’i Jesosy hoe taranak’i Davida izy, raha tsy tena marina izany. Tsy azo nolavina mihitsy anefa izany. Ny vahoaka aza niantso an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida.” *

Very na potika ireo tahirina tetirazana, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romanina, 37 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, izany hoe tamin’ny taona 70. Tokony ho tonga talohan’ny taona 70 àry ny Mesia, raha tsy izany dia tsy nisy afaka nanamarina ny tetirazany.

Inona no vokany rehefa nahafantatra an’izany ianao?

Voalazan’ny Deoteronomia 18:18, 19 mialoha fa hanendry mpaminany toa an’i Mosesy eo amin’ny Israely Andriamanitra. Hoy izy: “Izay tsy mihaino ny teniko izay holazainy amin’ny anarako, dia izaho mihitsy no hanao ampamoaka azy.” Resy lahatra aho rehefa nandinika lalina ny Baiboly manontolo fa i Jesosy avy any Nazareta izany mpaminany izany.