Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! JANOARY 2015

“Tsy Ataoko Mahakivy Ahy ny Aretiko”

“Tsy Ataoko Mahakivy Ahy ny Aretiko”

“Tsy vitako irery intsony ny niakatra sy nidina avy eo am-pandriana. Nanaintaina be koa aho rehefa namindra. Tsy voateliko ny fanafody raha vao pilina, satria lasa tery ny ao anaty tendako. Nisy fery be dia be tsy nety sitrana ny vatako, ary namoro-nana mihitsy aza ny sasany. Lasa narary vavony aho, ary tsapako hoe namaivay be ilay izy. Tsy azoko mihitsy hoe naninona aho. Vao folo taona aho tamin’izany.”—Elisa.

Tena tian’i Elisa ny mampianatra Baiboly, na dia marary aza izy

OLONA 2,5 tapitrisa eo ho eo eran-tany no voan’io aretina io. Sklerodermia no anaran’ilay aretina, avy amin’ny teny grika midika hoe “hoditra mafy.” Lasa mihamafy mantsy ny hoditra rehefa tratran’izy io.

Rehefa notarafina anefa i Elisa tamin’izy folo taona, dia hita fa mahery kokoa ilay karazan’aretina nahazo azy. Tsy ny hoditra ihany mantsy ny azy no voa, fa ny taova koa. Anisan’izany ny fo, havokavoka, voa, ary vavony sy tsinay. Nihevitra ny dokotera fa afaka dimy taona izy dia ho faty. Mbola velona soa aman-tsara anefa izy izao, 14 taona atỳ aoriana. Na dia tsy sitrana aza ilay aretiny, dia miezaka ho faly foana izy. Nanontany azy momba ny aretiny sy ny fomba iatrehany an’ilay izy ny Mifohaza!

 Oviana ianao no nanomboka narary?

Nisy naratra teo amin’ny kihoko tamin’izaho sivy taona, ary nanaintaina be ilay izy. Tsy nety sitrana mihitsy ilay izy, fa vao mainka aza nitatra. Natao fitiliana àry ny rako, ka hita ilay aretina. Tsy maintsy nitady dokotera manam-pahaizana manokana momba ny sklerodermia izahay, satria tena lasa narary be aho.

Dia nahita dokotera mahay ve ianareo?

Ie. Nahita manam-pahaizana momba ny rohana na aretin’ny tonon-taolana izahay. Nohazavainy tamin’ny ray aman-dreniko fa raha manaraka fitsaboana simika aho, dia mba tsy miharatsy haingana be ilay aretina, ka mety mbola ho velona dimy taona aho. Nilaza mihitsy aza izy fa mety ho voafehy ilay aretina ka tsy hitatra intsony. Nampitandrina koa anefa izy hoe mampihena ny hery fanefitra ao amin’ny vatako ny fitsaboana simika, ka na sery kely aza dia mety hahafaty ahy.

Dia nanao ahoana ny tohiny?

Soa ihany aloha fa tsy maty aho e! Saingy tamin’izaho 12 taona, dia lasa nisy nanaintaina be tao amin’ny tratrako. Indraindray ilay izy mihetsika indroa isan’andro, ary maharitra antsasak’adiny eo ho eo. Mikiakiaka be mihitsy aho rehefa mihetsika ilay izy.

Fa inona no nahatonga an’ilay izy?

Hitan’ny dokotera fa tena tsy ampy ra aho, satria nidina be ny tahan’ny hemoglobinina tao anatiko. Lasa niasa be àry ny foko, mba ho tonga tany amin’ny atidohako ny ra. Voatsabo ihany aho afaka herinandro vitsivitsy. Tena mafy tamiko anefa ilay izy, ka nisy fotoana aho nieritreritra mihitsy hoe asa aho raha mbola ho velona rahampitso. Kivy tanteraka aho tamin’izay, ary nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra.

Ka manao ahoana ianao izao, 14 taona atỳ aoriana?

Mbola marary be aloha aho e. Matetika no mamaivay ny vavoniko, sempotra aho, ary misy fery amin’ny vatako. Tsy hoe manjonitra be eo foana anefa aho. Tsy ataoko mahakivy ahy ny aretiko, satria mbola be ny zavatra azoko atao.

Inona, ohatra?

Afaka manao sary aho. Izaho koa tia manjaitra sy manamboatra firavaka kely. Ny mampianatra Baiboly anefa no tena tiako, satria Vavolombelon’i Jehovah aho. Marina fa tsy vitako ny mitety tranon’olona, kanefa afaka miaraka amin’ny Vavolombelona hafa aho rehefa mampianatra Baiboly eny akaikinay ry zareo. Izaho mihitsy aza no mampianatra ny olona sasany. Lasa misy dikany ny fiainako rehefa mitory sy mampianatra Baiboly aho.

Fa maninona ianao no mbola mitory, nefa ianao marary?

Fantatro tsinona fa tena mahasoa ny olona ny zavatra toriko. Sady mba falifaly koa aho rehefa manampy olona. Hoatran’ny mihasalama mihitsy aza aho! Mba hadinodinoko ny aretiko rehefa manao an’izany aho.

Manampy anao ho falifaly kokoa ve ny Baiboly?

Ie. Ny Baiboly no mampahatsiahy ahy fa mbola ho sitrana aho, ary mbola ho foana ny fijalian’ny olona rehetra. Milaza ny Apokalypsy 21:4 fa rehefa tonga ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Rehefa misaintsaina andinin-teny hoatr’izany aho, dia vao maika matoky hoe tena ho tsara be ny fiainana amin’ny hoavy. Tsy ny olona manana aretina mitaiza ihany no nampanantenain’Andriamanitra an’izany, fa ny olon-drehetra mihitsy.

 

Fanampim-panazavana

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?

Eny! Misy zavatra telo afaka manampy anao raha manana aretina mitaiza ianao.

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?

Nanomboka oviana no nisy faharatsiana teto an-tany? Nahoana Andriamanitra no mbola miandry? Mbola hifarana ihany ve ny fijaliana?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Ho tanteraka ve ny fikasan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa? Raha eny, dia rahoviana?