Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 FANADINADINANA | RAJESH KALARIA

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Atidoha

Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Atidoha

PROFESORA ao amin’ny Oniversiten’i Newcastle, any Angletera, i Rajesh Kalaria. Nianatra momba ny atidoha izy nandritra ny 40 taona mahery. Nino ny evolisiona (na fiovana miandalana) izy taloha, fa niova tatỳ aoriana. Nanontany azy momba ny asany sy ny finoany ny Mifohaza!

Inona ny fivavahanareo taloha?

Hindoa nafana fo ny ray aman-dreniko. Samy Karàna izy mivady, fa i Dada teraka tany Inde ary Neny tany Ogandà. Telo lahy izahay, dia izaho no lahiaivo. Nipetraka tany Nairobi, any Kenya, izahay ary be dia be ny Hindoa any.

Inona no nahatonga ho tia siansa?

Efa ela aho no tia biby. Niaraka nandehandeha sy nilasy izaho sy ny namako matetika, mba hankafy ny zavaboary. Ny ho lasa dokotera mpandidy biby no tanjoko tamin’izany. Nanketo Angletera anefa aho, rehefa avy nandranto fianarana ambony tany Nairobi. Nianatra momba ny aretina aho teto, tao amin’ny Oniversiten’i Londres. Nikaroka momba ny atidohan’ny olona aho tatỳ aoriana.

Nanova ny finoanao ve ny fianarana nataonao?

Ie. Rehefa nitohy ny fianarako momba ny siansa, dia lasa sarotra tamiko ny nino an’ireo angano sy ny fombafomban’ny Hindoa, toy ny fivavahana amin’ny biby sy ny sarivongana.

Nahoana ianao no lasa nino ny evolisiona?

Tamin’izaho mbola tanora, dia betsaka no nino hoe tany Afrika ny olona no nanomboka nivoatra miandalana. Noresahinay matetika izany tao am-pianarana. Ny mpampianatra sy ny profesora tany amin’ny Oniversiten’i Nairobi koa moa te hampino anay hoe mino ny evolisiona daholo ny mpahay siansa malaza.

 Nahoana anefa ianao no nandinika indray momba ny niandohan’ny fiainana tatỳ aoriana?

Efa elaela aho tamin’izay no nianatra momba ny biolojia sy ny firafitry ny vatan’ny zavamananaina. Nisy mpiara-mianatra tamiko nilaza fa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Te hahalala bebe kokoa momba an-dry zareo aho, dia nanatrika ny fivoriambe nalaminy tao amin’ilay oniversite nianarako, tany Nairobi. Nisy misionera Vavolombelona roa nanazava tamiko hevitra sasany avy tao amin’ny Baiboly, tatỳ aoriana. Nino ry zareo hoe nisy Mpamolavola izao rehetra izao, ary Izy io no mahavaly an’ireo fanontaniana manahiran-tsaina momba ny fiainana. Hitako hoe nitombina ilay izy!

Sarotra taminao ve ny nino ny famoronana, noho ianao nianatra momba ny siansa?

Ny mifanohitra amin’izany aza no nitranga! Hitako hoe arifomba be ny firafitry ny vatan’ny zavamananaina, dia tsy nino intsony aho hoe nisy ho azy izy ireny.

Manomeza hoe ohatra!

Nanomboka nianatra momba ny atidohan’ny olona aho, tamin’ny 1971. Mbola mahavariana ahy foana izy io hatramin’izao! Ny atidoha no foiben’ny eritreritra sy ny fitadidiana, ary izy io no mibaiko ny ankamaroan’ny fihetsika ataon’ny vatana. Mifandray amin’ny vavahadin-tsaina koa izy io, ka mamakafaka an’izay ampitain’ny vatana, na avy ao anaty izany na avy etỳ ivelany.

Miasa tsara ny atidohantsika, satria misy selam-pitatitra be dia be sy zavatra simika be pitsiny ao anatiny. An’arivony tapitrisa ireo selam-pitatitra ireo, ary misy fibra lavalava sy fibra misandrahaka mampifandray azy. Ny selam-pitatitra iray indray mety hifandray amin’ny selam-pitatitra an’arivony. Tsy hita pesipesenina àry ireo sela mifandray ao amin’ny atidoha! Tsy hoe mikorontana anefa ireo rehetra ireo fa mirindra tsara. Mahavariana ilay izy!

Azonao hazavaina bebe kokoa ve?

Manomboka misampantsampana ireo selam-pitatitra, mandritra ny fotoana itomboan’ny zaza ao am-bohoka sy aoriana kelin’ny ahaterahany. Mandefa fibra mankany amin’izay selam-pitatitra tiany hifandraisana ireo selam-pitatitra. Mety ho santimetatra vitsivitsy monja no manasaraka azy ireo, nefa efa lavitra be izany raha jerena ny hakeliny. Indraindray koa ny tapany amin’ilay sela fotsiny no tiany hifandraisana.

Hoatran’ny takelaka manondro lalana ireo zavatra simika ao amin’ny atidoha. Ireny no milaza amin’ireo fibra vao miforona hoe aiza izy no tokony “hijanona” na “handeha” na “hivily”, mandra-pahatongany any amin’ireo sela tiany hifandraisana. Ho very mantsy ireo fibra ireo raha tsy mahazo toromarika mazava. Mirindra tsara izany rehetra izany, manomboka amin’ireo toromarika ao amin’ny ADN.

Mbola tsy tena takatsika anefa ny fitombon’ny atidoha sy ny fiasany, na izany aza. Tsy tena haintsika hoe ahoana no ahafahany mitadidy, mieritreritra, na mampisy fihetseham-po. Matoa anefa miasa ny atidoha, dia efa porofo izany amiko fa nisy Mpamorona mahay nanao azy io. Manginy fotsiny ny hoe miasa tsara ilay izy sady mahavariana ny fitombony.

Nahoana ianao no lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Noporofoin’izy ireo tamiko fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Tsy boky momba ny siansa izy io, nefa mifanaraka tsara amin’ny siansa. Marina tsara ny faminaniana resahiny. Mihatsara koa ny fiainan’ireo manaraka an’izay voalaza ao, ary izany mihitsy no tsapako. Ny Baiboly no nitari-dalana ahy nanomboka tamin’ny 1973, tamin’izaho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Mahafa-po ahy ny fiainako sady misy dikany.