FANADINADINANA | PR. GENE HWANG
Miresaka ny Finoany Ilay Mpahay Matematika
Teraka tany Taïwan ny Profesora Gene Hwang, tamin’ny 1950. Mpampianatra matematika tao amin’ny Oniversite Chung Cheng any Taïwan izy. Efa nampianatra tao amin’ny Oniversite Cornell, any Etazonia, izy ary nanao fikarohana momba ny antontan’isa sy ny vina (probabilité). Ny boky nosoratany momba ny antontan’isa no anisan’ny be mpampiasa indrindra, nandritra ny taona maro. Nino ny evolisiona, na fivoarana miandalana, izy tamin’ny mbola tanora, fa niova hevitra tatỳ aoriana. Nanontany azy momba ny asany sy ny zavatra inoany ny Mifohaza!
Inona no nampianarina anao tamin’ianao mbola tanora?
Nampianarina momba ny evolisiona izahay tany am-pianarana, fa tsisy nanazava taminay ny fomba niandohan’ny fiainana. Rehefa lasa Taoista i Dada sy Neny dia nihaino ny fampianaran’ny mpitondra fivavahan-dry zareo foana aho sady nametraka fanontaniana be dia be. Tsy tena afa-po anefa aho.
Nahoana ianao no lasa mpahay matematika?
Efa tia matematika aho tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Tsy niova izany rehefa teny amin’ny oniversite aho. Tiako ny nianatra momba ny kajy sy ny vina. Hitako hoe mahavariana ny porofo ara-matematika, satria sady tsotra no mazava.
Ahoana no nahatonga anao ho liana amin’ny Baiboly?
Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Jinghuei vadiko tamin’ny 1978, ary nanatrika teo aho indraindray. Nipetraka tany Etazonia izahay tamin’izany. Vao avy nahazo ny diplaoma ambony indrindra amin’ny fizika i Jinghuei. Izaho indray mbola nianatra momba ny antontan’isa tao amin’ny Oniversite Purdue any Indiana.
Ahoana no fahitanao ny Baiboly?
Nahavariana ahy ny fitantarany momba ny nanomanana ny tany ho an’ny olombelona. Hoatran’ny mitombina ireo fe-potoana nisian’ny famoronana resahin’ny , fa tsy mitovy amin’ny angano fahiny. Genesisy * Tsy niaiky mihitsy anefa aho nandritra ny taona maro hoe misy ny Mpamorona.
Fa inona no tena olana?
Tsy narahiko intsony ny fampianaran’ny fivavahako rehefa nino ny Mpamorona aho
Lasa manao tsinontsinona an’ilay fivavahana narahiko hatramin’ny mbola kely aho, raha mino hoe misy ny Mpamorona. Tsy ampianarina ao amin’ny Taoisma mantsy izany.
Nahoana anefa ianao no niova tatỳ aoriana?
Rehefa nandinika momba ny niandohan’ny fiainana aho, dia vao mainka resy lahatra hoe tena be pitsiny ny zavamananaina voalohany. Tokony ho afaka hiteraka mantsy ilay izy. Ilana toromarika marina tsara sy fomba fiasa maty paika izany. Na ny sela tsotra indrindra aza dia mila karazana milina bitika kely, mba hahafahany manamboatra sela vaovao. Mila fitaovana hafa koa izy io mba hakany ny angovo ilainy. Tsy mitombina hoe ho tongatonga ho azy avy amin’ny zavatra tsy mananaina ny zavatra be pitsiny hoatr’izany. Noho izaho mpahay matematika, dia tsy neken’ny saiko mihitsy hoe kisendrasendra fotsiny izany.
Dia inona izany no nahatonga anao handalina kokoa ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Efa nianatra niaraka tamin-dry zareo ihany aho fa tsy tena nitohy. Narary mafy anefa aho tamin’izaho nitsidika an’i Taïwan, tamin’ny 1995. Avy any Etazonia ny vadiko no nampandre an’ireo Vavolombelon’i Jehovah teto Taïwan. Nisy Vavolombelona roa lahy tonga nijery ahy. Teo ivelan’ny hopitaly aho no hitany, satria tsisy fandriana nalalaka intsony. Efa tena reraka aho tamin’izay. Nentin’ny iray tamin’izy ireo tany amin’ny hotely fatoriana aho mba haka aina. Nanara-maso ny fahasalamako foana izy, dia avy eo nitondra ahy tany amin’ny hopitaly iray hafa.
Tena nanohina ny foko izany. Tadidiko hoe efa imbetsaka ny Vavolombelona no nanampy ny fianakaviako. Hitako hoe mampiavaka azy ireo ny zavatra inoany, ka niverina nianatra Baiboly tamin’izy ireo aho. Natao batisa aho ny taona nanaraka.
Mifanipaka amin’ny fianarana vitanao ve ny zavatra inoanao?
Tsy izany mihitsy. Niara-niasa tamin’ireo mpahay siansa nandalina momba ny fototarazo aho, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Nanampy ahy hahafantatra kokoa ny zava-mitranga ao anatin’ny zavamananaina izany. Tsapako hoe tena hendry ny Mpamorona.
Afaka manome ohatra ve ianao?
Ie! Ny amiba izao tsy misy lahy sy vavy, fa ny toromarika ao anatin’ny selany fotsiny no ataony kopia, dia avy eo izy mizara roa mba hamoronana amiba vaovao. Ny ankamaroan’ny biby sy zavamaniry anefa misy lahy sy vavy, dia ny toromarika ao anatin’ny selan’ny lahy sy ny vavy no mitambatra mba hahazoana taranaka. Hitako hoe tena miavaka izany.
Raha nety ihany ilay hoe mizara roa fotsiny ny sela iray dia efa manana taranaka, nahoana moa ilay izy no mbola hiova miandalana ka ho lasa sela roa vao afaka miteraka? Amin’io tsy maintsy hoe ny antsasaky ny toromarika ao amin’ny selan’ny lahy sy ny antsasaky ny toromarika ao amin’ny selan’ny vavy no mitambatra! Tena be pitsiny izany ka tsy hain’ny mpandalina ny evolisiona ny manazava azy. Tsy maintsy ho noforonin’Andriamanitra izany, araka ny hevitro.
^ feh. 11 Raha mila fanazavana fanampiny momba an’ireo andro famoronana, dia jereo ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg.