Habakoka 1:1-17
1 Izao no nolazaina tamin’i Habakoka* mpaminany, tao amin’ny fahitana:
2 Jehovah ô, mandra-pahoviana aho no hiantso vonjy nefa tsy henoinao?+
Mandra-pahoviana aho no hangataka aminao hoe vonjeo amin’ny herisetra, nefa ianao tsy manao na inona na inona?*+
3 Fa maninona aho no avelanao hahita olona manao ratsy?
Maninona no jerenao fotsiny ny olona manjakazaka?*
Maninona koa aho no mahita olona mandroba sy mahery setra?
Ary maninona no mifamaly sy miady ny olona hatraiza hatraiza?
4 Dia lasa tsy manan-kery ny lalàna,Ary tsy misy manao ny rariny intsony.
Fa voahodidin’ny ratsy fanahy ny olo-marina,Ka lasa miova tanteraka ny atao hoe rariny.+
5 “Jereo ireo firenena, dia mandiniha tsara!
Aoka ianareo ho gaga sy talanjona,Satria hisy zavatra hitranga amin’ny andronareo,Dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.+
6 Fa hampiasa* ny Kaldeanina aho,+Dia ilay firenena tsy mifaditrovana sady maimaika hanao zavatra.
Mitety toerana midadasika eny ambonin’ny tany izy ireo,Mba haka fonenana tsy azy.+
7 Mampatahotra sy mampihorohoro izy ireo.
Izy ireo ihany no mamaritra an’izay eritreretiny hoe rariny, ary tsy raharahiany izay fahefana ankoatra ny azy.*+
8 Haingam-pandeha noho ny leopara ny soavalin’izy ireo,Ary masiaka noho ny amboadia amin’ny alina ny mpitaingin-tsoavaliny.+
Mihazakazaka ny soavaly fitondrany miady,Ary avy lavitra ny soavaliny.
Misidina hoatran’ny voromahery handeha hifaoka ny hazany izy ireo.+
9 Ny hampiasa herisetra no efa masaka ao an-tsain’izy rehetra.+
Miaraka daholo izy ireo ka mifofofofo hoatran’ny rivotra avy any atsinanana,+Ary manangona babo be dia be hoatran’ny fasika.
10 Esoesoin’izy ireo ny mpanjaka,Ary ihomehezany ny manam-pahefana ambony.+
Ihomehezany koa ny tanàna rehetra voaro mafy.+Manao dongon-tany izy ireo, dia alainy ho babo ny tanàna.
11 Dia mifofofofo be hoatran’ny rivotra izy ireo ka mandeha hatraiza hatraiza.Ho meloka anefa izy ireo,+Satria lazainy fa ny andriamaniny no manome hery azy.”*+
12 Tsy efa nisy hatramin’izay ve ianao, Jehovah ô?+
Tsy ho faty ianao,* Andriamanitro ô, Ilay Masina ivavahako.+
Ny hampihatra didim-pitsarana no nanendrenao azy ireo, Jehovah ô,Ary ny hanasazy*+ no nifidiananao azy, ry Vatolampy ô!+
13 Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy,Ary tsy tantinao mihitsy ny mahita zava-dratsy.+
Fa maninona anefa no jerenao fotsiny ny mpivadika,+Ary maninona ianao no mangina fotsiny rehefa manjakazaka amin’ny olona marina kokoa noho izy ny ratsy fanahy?+
14 Fa maninona ny olombelona no ataonao hoatran’ny trondro any an-dranomasina,Sy hoatran’ny biby mandady tsy manana mpanjaka?
15 Ampiakariny* amin’ny lelam-pintana izy rehetra,
Ka samboriny amin’ny harato tarihina,Ary angoniny ao anatin’ny haratony.
Dia izany no mahatonga azy ho faly be.+
16 Izany no mahatonga azy hanao sorona ho an’ny harato tarihina,Sy hanao sorona* ho an’ny haratony.Fa ireo no mahatonga ny anjara haniny ho matsiro,*Sy ny sakafony ho tsara be.
17 Izy ve dia havela hanafoana ny ao anaty harato tarihina* foana,
Sady havela handripaka firenena foana ka tsy hiantra mihitsy?+
Fanamarihana
^ Mety hidika hoe “Famihinana Mafy.”
^ Na: “tsy mamonjy.”
^ Na: “mampahory ny hafa.”
^ Abt: “hanangana.”
^ Na: “ary ny tenany ihany no omeny voninahitra.”
^ Na mety hoe “ny andriamaniny no heriny.”
^ Na: “hananatra.”
^ Na mety hoe “Tsy ho faty izahay.”
^ Izany hoe ampiakarin’ny Kaldeanina fahavalo.
^ Na: “handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.”
^ Abt: “be menaka.”
^ Na mety hoe “hanatsoaka ny sabany.”