Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  No. 3 2017

 FANADINADINANA | FAN YU

Miresaka ny Finoany Ilay Mpamorona Programan’ordinatera

Miresaka ny Finoany Ilay Mpamorona Programan’ordinatera

MPAHAY MATEMATIKA sady mpikaroka ny Profesora Fan Yu. Tao amin’ny Ivon-toerana Sinoa Momba ny Angovo Ataomika, any akaikin’i Beijing, izy no nanomboka niasa. Tsy nino an’Andriamanitra izy tamin’izany fa nino ny evolisiona (na fiovana miandalana). Mino anefa izy izao hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. Nanontany azy momba izany ny Mifohaza!

Azonao resahina aminay ve ny momba anao?

Teraka tao Fuzhou, any Chine, aho tamin’ny 1959. Mbola tsy nilamina tany, tamin’izaho valo taona, satria vao avy nisy tolom-bahoaka. Injeniera i Dada ary nasaina nanamboatra lalamby tany an-tany efitra lavitra be. Indray mandeha isan-taona ihany àry izy no mba afaka nitsidika anay, nandritra ny taona maro. Mpampianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra i Neny, ary tao koa izahay no nipetraka. Tsy maintsy nifindra tany Liufang, tany amin’ny faritra ambanivohitr’i Linchuan, izahay tamin’ny 1970. Nahantra kely io tanàna io tamin’izany ary zara raha nisy sakafo.

Inona ny fivavahan’ny fianakavianao?

Tsy liana tamin’ny fivavahana sy ny politika i Dada. I Neny kosa Bodista. Izaho indray nino hoe nivoatra miandalana ny zavamananaina, satria izany no nampianarina ahy tany an-tsekoly.

Inona no nahatonga anao ho liana tamin’ny matematika?

Nahaliana ahy ny matematika, satria mampiasa fanaporofoan-kevitra mitombina tsara ianao mba hahitana ny marina. Niditra teny amin’ny oniversite aho tamin’ny 1976, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Mao Tsé-toung, mpitarika an’ilay tolom-bahoaka. Ny matematika no taranja nofidiko. Rehefa nahazo maîtrise aho, dia nikaroka fomba hamokarana angovo ataomika. Izany no asako voalohany.

Ahoana no fiheveranao ny Baiboly tamin’ny voalohany?

Nifindra teto Etazonia aho tamin’ny 1987. Nanohy ny fianarako tao amin’ny Oniversite A&M any Texas aho, mba hahafahako mahazo ny diplaoma ambony indrindra. Fantatro fa betsaka ny Amerikanina mino an’Andriamanitra sy mamaky Baiboly. Henoko koa hoe betsaka ny torohevitra azo ampiharina ao, ka nieritreritra aho hoe tokony hamaky azy io.

 Hitako hoe azo ampiharina tokoa ny fampianaran’ny Baiboly. Nisy zavatra tsy azoko anefa tao ka tsy namaky azy io intsony aho.

Nahoana ianao no lasa liana tamin’ny Baiboly indray?

Vaovao tamiko ilay hoe misy ny Mpamorona, ka nanapa-kevitra aho fa hikaroka raha tena marina izany

Nisy vehivavy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, tamin’ny 1990. Nasehony ahy tao amin’ny Baiboly fa ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy. Nisy mpivady nasainy nitsidika ahy, mba hanampy ahy hahazo izay lazain’ny Baiboly. Nanomboka nianatra Baiboly koa i Liping vadiko, tatỳ aoriana. Nampianatra fizika tao amin’ny lise iray tany Chine izy, ary tsy nino an’Andriamanitra. Nianaranay tao amin’ny Baiboly hoe ahoana no niandohan’ny fiainana. Vaovao tamiko ilay hoe misy ny Mpamorona, ka nanapa-kevitra aho fa hikaroka raha tena marina izany.

Ahoana no nataonao?

Mpahay matematika aho, ary nampianarina hanao kajy mba hahafahana maminavina raha mety hitranga ny zavatra iray na tsia. Nianarako koa hoe mbola nila proteinina ihany ny zavamananaina na dia nisy ho azy aza. Niezaka nanao kajy àry aho mba hahafahako maminavina raha nisy ho azy ny proteinina na tsia. Anisan’ny molekiola be pitsiny indrindra izy io. Mety hisy karazana proteinina an’arivony koa ao amin’ny sela ary miara-miasa tsara izy ireo. Hitako fa tsy mitombina mihitsy hoe nisy ho azy ny proteinina, ary izany koa no hitan’ny mpikaroka hafa. Mbola tsy nisy naharesy lahatra ahy ny fanazavan’ny boky momba ny evolisiona hoe niforona ho azy ny molekiola be pitsiny toy ireny, mainka moa fa ny zavamananaina ahitana betsaka azy ireny. Tsy maintsy nisy namorona izy ireny fa tsy tongatonga ho azy.

Nahoana ianao no niaiky hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

Arakaraka ny nianarako Baiboly no nahitako hoe betsaka ny faminanian’ny Baiboly tanteraka amin’ny an-tsipiriany. Lasa nandray soa koa aho rehefa nampihatra ny toro lalana ao. Gaga aho hoe nahavita nanoratra zavatra mbola azo ampiharina hatramin’izao ireo mpanoratra Baiboly, nefa efa niaina an’arivony taona lasa. Resy lahatra tsikelikely aho hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.

Nahoana ianao no mbola miaiky hoe misy ny Mpamorona?

Rehefa mieritreritra an’ireo zavatra eo amin’ny natiora aho, dia resy lahatra hoe misy ny Mpamorona. Mamorona programan’ordinatera aho izao. Matetika aho no gaga satria mahavita zavatra tsara lavitra noho ireny ny atidohantsika. Mahavariana, ohatra, ny fahaizany mamantatra tenin’olona. Mora amintsika ny mahazo an’ilay zavatra resahina na dia misy olana aza. Ohatra hoe: Tsy feno ilay fehezanteny, mihomehy na mikohaka na miakanakana ilay olona miteny, tsy mahay tsara an’ilay fiteny izy, misy feo manako na mitabataba, na misy feo mikasaoka rehefa mitelefaonina azy isika. Tsy miavaka be angamba izany aminao, nefa hitanay mpamorona programan’ordinatera hoe tena miavaka. Tsinontsinona ny fitaovana tsara indrindra mpamantatra teny raha oharina amin’ny atidohantsika!

Tsy mitovy amin’ny ordinatera faran’izay arifomba ny atidohantsika, fa mahay manavaka hoe iza ilay olona miteny, manao ahoana ny fihetseham-pony, ary aiza ny faritra niaviany. Karohin’ireo mpamorona programa izao hoe ahoana no hahaizan’ny ordinatera maka tahaka ny ataon’ny atidoha. Mianatra ny asa tanan’Andriamanitra fotsiny anefa izy ireo raha ny marina.