Joba 37:1-24

  • Hita amin’ny herin’ny natiora fa tena miavaka Andriamanitra (1-24)

    • Azony atsahatra ny asa ataon’ny olona (7)

    • ‘Diniho ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra’ (14)

    • Tsy takatry ny sain’ny olona ny momba an’Andriamanitra (23)

    • Tsy tokony hisy olona hihevi-tena ho hendry (24)

37  “Koa midobodoboka be ny foko,Sady mitepotepo mitady hiala amin’ny toerany.   Henoy tsara ny feony* miraondraona,Sy ny kotroka avoakan’ny vavany.   Alefany ho etỳ ambanin’ny lanitra rehetra izany,Ary ataony tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny tselatra.+   Misy feo mirohondrohona aorian’izany;Mampikotrokotroka ny feony matanjaka be izy,+Ka tsy sakanany ny tselatra rehefa heno izany feony izany.   Mampikotrokotroka ny feony+ amin’ny fomba mahatalanjona Andriamanitra;Manao zavatra miavaka tsy takatry ny saintsika izy.+   Fa hoy izy amin’ny lanezy: ‘Milatsaha eny ambonin’ny tany,’+ Ary hoy izy amin’ny oram-be mivatravatra: ‘Manaova be fiavy.’+   Atsahatr’Andriamanitra ny asa rehetra ataon’ny olona,*Mba ho fantatry ny olombelona rehetra mety maty ny asany.   Miditra ao anaty lavaka fonenany ny bibidia,Ary mijanona ao amin’ny toerana ipetrahany.   Mitsoka avy any amin’ny efitrano misy azy ny tafio-drivotra,+Ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.+ 10  Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ny ranomandry,+Ka mivaingana ny rano midadasika.+ 11  Vesarany hamandoana ny rahona;Aparitany eny amin’ny rahona ny tselatra;+ 12  Mihodinkodina eny amin’izay asainy aleha ireny;Tanterahin’ireny daholo izay asainy atao+ etỳ ambonin’ny tany misy mponina.* 13  Mampiasa an’ireny izy rehefa manasazy+ na mandena ny tany,Na rehefa maneho fitiavana sy tsy fivadihana.+ 14  Henoy izao, ry Joba,Dia miatoa kely ary diniho tsara ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra:+ 15  Fantatrao ve hoe ahoana no ifehezan’Andriamanitra* ny rahona,Ary ahoana no ataony mba hahatonga ny tselatra hanazava eny amin’ny rahona? 16  Fantatrao ve hoe ahoana no mahatonga ny rahona hihevaheva?+ Zavatra mahatalanjona nataon’Ilay fara tampony amin’ny fahalalana+ izany rehetra izany. 17  Nahoana no lasa mafana ny akanjonaoRehefa mangina ny tany noho ny rivotra avy any atsimo?+ 18  Ianao angaha afaka manampy azy hamelatra* ny lanitra,+Izay mafy toy ny fitaratra vita amin’ny metaly? 19  Teneno anay izay tokony holazainay aminy;Tsy mahita havaly izahay satria ao anaty haizina. 20  Tokony holazaina aminy ve fa te hiteny aho? Sa nisy nilaza zavatra tokony horesahina aminy?+ 21  Tsy hitan’ny olona hatramin’ny hazavana,*Na dia mamiratra eny amin’ny lanitra aza izany,Raha tsy efa misy rivotra mandalo ka mampisava ny rahona. 22  Avy any avaratra no iavian’ny taratra mivolombolamena;Faran’izay mahavariana ny voninahitr’Andriamanitra.+ 23  Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra;+Tena mahery izy,+Tsy mba mamadika ny rariny mihitsy izy+ sady tena tia manao ny marina foana.+ 24  Koa tokony hatahotra azy ny olona,+ Satria tsy mankasitraka an’izay mihevi-tena ho hendry*+ izy.”

Fanamarihana

Izany hoe ny feon’Andriamanitra.
Abt: “Asiany tombo-kase ny tanan’ny olona rehetra.”
Na: “tany lonaka etỳ an-tany.”
Na: “ibaikoan’Andriamanitra.”
Na: “hively.”
Izany hoe ny hazavan’ny masoandro.
Abt: “manana fo hendry.”