Hijery ny anatiny

Efa Voalazan’ny Baiboly Mialoha ve ny Toe-tsain’ny Olona Amin’izao Andro Izao sy ny Zavatra Ataony?

Efa Voalazan’ny Baiboly Mialoha ve ny Toe-tsain’ny Olona Amin’izao Andro Izao sy ny Zavatra Ataony?

Valiny ara-baiboly

 Ie, efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe vao mainka hiharatsy be ny toe-tsaina sy ny zavatra ataon’ny olona amin’izao androntsika izao. Midika izany fa tsy hiraharaha ny fitsipika momba ny fitondran-tena sy ny fiaraha-monina ny ankamaroan’ny olona. a (2 Timoty 3:1-5) Efa nilaza mialoha koa anefa ny Baiboly fa hisy olona tsy hanao an’izany. Hanampy azy ireo Andriamanitra, dia hiezaka mafy mba tsy ho voatarika hanao ratsy izy ireo, sady hiezaka mafy mba hampifanaraka ny toe-tsainy sy ny zavatra ataony amin’ny sitrapon’Andriamanitra.—Isaia 2:2, 3.

Ho hitanao ato hoe:

 Inona no lazain’ny Baiboly mialoha momba ny toe-tsaina sy ny zavatra ataon’ny olona amin’izao?

 Resahin’ny Baiboly fa hanjaka ny fitiavan-tena, dia ho lasa ratsy toetra ny ankamaroan’ny olona, sady hanao zavatra tena ratsy. “Tsy hahafehy tena” sy “ho tia tena” ny olona, ary “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:2-4.

 Tena tanteraka tokoa ny voalazan’ny Baiboly, satria betsaka ny olona amin’izao no tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany, izany hoe izay hahasoa azy ihany sy izay mahafinaritra azy ary izay mampetipety ny fiainany fotsiny. Hita hatraiza hatraiza io toe-tsaina io, sady vao mainka aza miharatsy. Betsaka no tia tena, ka lasa ‘tsy tia ny tsara’, dia izay no mahatonga azy ireo tsy hanana toetra tsara. ‘Tsy misaotra’ koa izy ireo, ka tsy mankasitraka an’izay zavatra ananany na izay ataon’ny hafa ho azy.—2 Timoty 3:2, 3.

 Ny fitiavan-tena no mahatonga an’ireto toetra ratsy hafa ireto:

  •   Tsy mety afa-po. Betsaka ny olona “tia vola” satria mieritreritra ry zareo hoe izay manam-bola be sy manan-javatra be dia be no tafita.—2 Timoty 3:2.

  •   Mirehareha. Be dia be no ‘matin-kambo sy manambony tena’ ary “mpieboebo.” (2 Timoty 3:2, 4) Mirehareha izy ireny sady manitatra rehefa miresaka ny fahaizany sy ny toetrany ary ny harenany.

  •   Manaratsy. Ahitana olona “mpanevateva” sy “mpanendrikendrika” daholo na aiza na aiza. (2 Timoty 3:2, 3) Azo ilazana olona manambany olon-kafa na manaratsy an’Andriamanitra ireo teny ireo, na milaza lainga momba azy ireo.

  •   Mafy loha. Be dia be no ‘tsy mena-mivadika’ sy ‘tsy azo ifanarahana’ sy “mpamadika” ary “be di-doha.” (2 Timoty 3:2-4) Mampiseho an’ireo toetra ireo ny olona tsy azo ifampiresahana, miziriziry amin’ny heviny, na tsy mitana ny teniny.

  •   Mahery setra. Betsaka ny olona amin’izao no “masiaka be”, sady mora tezitra, ary matetika izany no mahatonga an-dry zareo hampijaly olona sy hahavita zavatra tena mahatsiravina.—2 Timoty 3:3.

  •   Tsy tia manara-dalàna. Efa nilaza mialoha i Jesosy fa ‘hitombo ny fandikan-dalàna’ amin’izao andro iainantsika izao. (Matio 24:12) Nilaza koa izy hoe hisy “korontana” be dia be.—Lioka 21:9.

  •   Tsy tia ny fianakaviany. Be dia be no ‘tsy mankatò ray aman-dreny’ sy ‘tsy tia ny mpianakaviny’, ka vao mainka betsaka no tsy raharahiana, na ampijalina, na ampiharana herisetra ao an-trano.—2 Timoty 3:2, 3.

  •   Mpivavaka mihatsaravelatsihy. Mihabetsaka amin’izao ny olona “jerena toa mpivavaka be.” (2 Timoty 3:5) Aleon’izy ireo manaraka an’izay tenenin’ny mpitondra fivavahana milaza aminy an’izay tiany hohenoina fotsiny, toy izay manao an’izay asain’Andriamanitra ataony.—2 Timoty 4:3, 4.

 Inona no mety ho vokatry ny zavatra ataon’ny olona tia tena amin’ny olon-kafa?

 Be dia be no tia tena loatra, dia vao mainka betsaka noho ny hatramin’izay ny olona lasa kivy sy miady saina. (Mpitoriteny 7:7) Manararaotra sy manambaka ny hafa, ohatra, ny olona tia vola. Ny olona tsy tia ny fianakaviany indray mampijaly ny ao an-tranony, ka mety hahatonga an-dry zareo ho kivy na te hamono tena mihitsy. Izay mpamadika sy mpamitaka kosa mandratra ny fon’izay olona nivadihany sy nofitahiny.

 Fa maninona ny olona no lasa ratsy toetra be?

 Hazavaina ao amin’ny Baiboly ny antony tena mahatonga an’izany:

  •   Lasa mihena ny fitiavan’ny olona an’Andriamanitra sy ny olon-kafa. (Matio 24:12) Lasa mihabetsaka àry ny olona tia tena.

  •   Noroahina avy tany an-danitra i Satana, ka etỳ amin’ny manodidina ny tany izy izao. (Apokalypsy 12:9, 12) Nanomboka tamin’izay, dia vao mainka nampirisika ny olona ho tia tena be izy.—1 Jaona 5:19.

 Inona no tokony hataontsika raha miharatsy toetra ny olona?

 Milaza ny Baiboly hoe: “Ialao ny olona toy ireny.” (2 Timoty 3:5) Tsy midika akory izany hoe tokony hitokantokana isika, dia tsy hifandray amin’ny olona mihitsy. Tsy tokony hinamana be amin’ny olona tia tena sy tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra kosa isika.—Jakoba 4:4.

 Ho lasa ratsy toetra be daholo ve ny olona rehetra?

 Tsia. Nilaza mialoha ny Baiboly fa hisy olona ‘hisento sy hitaraina noho ny zava-maharikoriko rehetra ataon’ny olona.’ (Ezekiela 9:4) Hiezaka ny tsy ho tia tena izy ireo, ary ny fitsipik’Andriamanitra no harahiny. Ho hita amin’ny teniny sy ny ataony fa hafa mihitsy izy ireo, fa tsy mitovy amin’ny ankamaroan’ny olona. (Malakia 3:16, 18) Hiezaka hihavana amin’ny olona rehetra, ohatra, ry zareo sady tsy handray anjara amin’ny ady sy ny herisetra.—Mika 4:3.

 Ho feno herisetra sy hikorontana be ve izany eran-tany?

 Tsy izany! Efa tsy ho ela intsony mantsy Andriamanitra dia handringana ny olona rehetra tsy mety manaraka ny fitsipiny. (Salamo 37:38) Hisy “tany vaovao” aorian’izay, izany hoe olona mandefitra izay hiaina sy hiadana mandrakizay eto an-tany. (2 Petera 3:13; Salamo 37:11, 29) Tsy nofinofy fotsiny izany fa tena ho tanteraka. Amin’izao aza ny Baiboly dia efa manampy ny olona hanova ny fiainany sy hankatò an’izay lazain’Andriamanitra.—Efesianina 4:23, 24.

a Hita hoe “andro farany” ary tena “fotoan-tsarotra” izao iainantsika izao rehefa jerena ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-misy maneran-tany. (2 Timoty 3:1) Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe “Inona avy ny Famantarana ny ‘Andro Farany’”?