Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TIANAO VE NY ASANAO?

Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?

Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?

“Tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:13) Tian’Andriamanitra ho faly isika rehefa miasa. Tsy rariny àry ve raha atorony antsika hoe inona no tokony hataontsika? (Isaia 48:17) Izany mihitsy no atorony antsika ao amin’ny Baiboly. Andeha isika hijery torohevitra vitsivitsy ao.

MIEZAHA HO TIA MIASA

Mampiasa vatana ve ny asanao sa mampiasa saina sa izy roa mitambatra? Tadidio fa “ahitana tombontsoa ny fisasarana rehetra.” (Ohabolana 14:23) Inona avy izany tombontsoa izany? Voalohany, mahazo izay ilaintsika isika rehefa miasa mafy. Marina fa mampanantena Andriamanitra hoe hanome izay ilain’ny olona tena manompo azy. (Matio 6:31, 32) Tiany anefa isika raha tsy miandry hotoloram-potsiny, fa mba miezaka manana asa hivelomana.—2 Tesalonianina 3:10.

Misy antony àry matoa isika miasa. Miasa isika mba hanefana ny adidintsika. Hoy i Joshua, 25 taona: “Hafa ihany izany mahavita mamelon-tena izany! Raha voavidinao izay ilainao, dia midika izany hoe nahatratra ny tanjony ny asanao.”

Hahatsapa ho misy vidiny koa ianao rehefa miasa mafy. Marina aloha fa mety hoe sarotra ilay asa na mankaleo. Ho afa-po anefa ianao raha tsy kivy fa miezaka foana manao an’ilay izy. Fantatrao mantsy hoe tsy resin’ny hakamoana ianao, ka tena hahatsapa hoe faly. (Ohabolana 26:14) Hoy i Aaron, ilay voaresaka tany aloha: “Marina fa reraka be aho rehefa avy miasa tontolo andro sady mety ho tsy nisy nahatsikaritra akory ny asako. Faly anefa aho fa nahavita zavatra.”

MIEZAHA MAFY HAHAY NY ASANAO

Midera ny olona “mahay ny asany” sy tia “miasa amin’ny tanany” ny Baiboly. (Ohabolana 22:29; 31:13) Mazava ho azy fa tsy misy olona tonga dia mahay ny asany. Tsy tia manao zavatra tsy hainy koa ny olona. Tsy miezaka ho havanana amin’ny asany anefa ny olona maro, ka izany angamba no mahatonga azy ireo tsy hankafy ny asany.

Ho tia ny asanao anefa ianao, na inona izany na inona, raha miezaka ny hahay tsara an’ilay izy. Hoy i William, 24 taona: “Afa-po be mihitsy ianao rehefa manao tsara ny asanao sy mahita hoe nisy vokany ilay izy. Tsy hoatr’izany kosa no ho tsapanao raha vitainao maimaika ny asanao, na feranao hoe izay tena tsy maintsy ataonao ihany no ataonao.”

TADIDIO HOE MAHASOA NY HAFA NY ASANAO

Aza variana mieritreritra be hoe ohatrinona ny vola raisinao, fa saintsaino izao: ‘Nahoana ity asako ity no ilaina? Inona no hitranga raha tsy vita izy ity na tsy vita tsara? Inona ny soa ho azon’ny olona amin’izy ity?’

Io fanontaniana farany io no tena tsara hosaintsainina. Rehefa hitanao mantsy hoe mahasoa olona ny asanao, dia amin’izay ianao vao tena ho afa-po. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Misy olona mandray soa mivantana amin’ny asanao, ohatra hoe ny mpampiasa anao na ny mpanjifa. Tsy izy ireo ihany anefa no mandray soa fa misy hafa koa, anisan’izany ny ankohonanao sy ny olona sahirana.

Ny ankohonanao. Roa, fara fahakeliny, ny soa ho azon’ny ankohonanao, raha miasa mafy ianao mba hamelomana azy ireo. Voalohany, ho afaka hanome an’izay zavatra tena ilainy ianao, izany hoe sakafo sy akanjo ary trano. Raha miasa mafy àry ianao, dia hahavita ‘hanome izay ilain’ny olona tokony ho adidinao.’ Izany no andraikitra napetrak’Andriamanitra taminao. (1 Timoty 5:8) Faharoa, ho hitan’ny ankohonanao fa tena ilaina ny miasa mafy. Hoy i Shane, ilay voaresaka tany aloha: “Tena modely dadanay satria niasa tsara. Niasa mafy foana izy hatramin’izay sady nanao ny marina. Nandrafitra no tena nataony. Nianarako avy taminy hoe hafa mihitsy ny manao asa tanana satria manamboatra zavatra ilain’ny olona ianao amin’ilay izy.”

Ireo sahirana. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba “hiasa mafy”, amin’izay izy ireo “hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) Mety ho afaka hanampy ny sahirana tokoa isika rehefa miasa mafy mba hamelomana ny tenantsika sy ny ankohonantsika. (Ohabolana 3:27) Ho sambatra kokoa àry isika rehefa miasa mafy.

MANAOVA MIHOATRA AN’IZAY TAKINA AMINAO

Hoy i Jesosy, tamin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra: “Raha misy manam-pahefana manery anao handeha iray kilaometatra ka hanao fanompoana ho azy, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” (Matio 5:41) Ahoana no azonao ampiharana an’izany? Aza ferana hoe izay tena tsy maintsy ataonao ihany no ataonao, fa mitadiava hevitra hanaovana mihoatra noho izany. Miezaha hanana tanjona, ohatra hoe hanatsara ny asanao na hamita izany haingana kokoa. Ataovy tsara na dia ny tsipiriany madinika aza, dia ho faly ianao.

Mety ho tianao kokoa ny asanao, raha manao mihoatra noho izay takina aminao ianao. Nahoana? Satria ianao ihany no mibaiko hoe inona no hataonao. Safidinao ilay izy fa tsy hoe noterena ianao. (Filemona 14) Hoy ny Ohabolana 12:24 momba an’izany: “Ny mazoto no hahazo ny fitondrana, fa ny kamo kosa no hanao asa an-terivozona.” Marina fa tsy voatery hisy hanandevo na hampanao asa an-terivozona anao. Raha izay asaina ataonao fotsiny anefa no ataonao, dia mety hahatsapa ianao hoe andevozina satria tsy maintsy manao an’izay tian’ny olona foana. Tsy toy izany kosa ny olona mifidy ny hanao mihoatra noho izay takina aminy. Mahatsapa izy hoe mbola afaka manao izay tiany ihany.

MAHAIZA MANDANJALANJA

Tena tsara ny miasa mafy, nefa mila mitadidy isika hoe tsy asa foana ny fiainana. Mampirisika antsika hazoto ny Baiboly, nefa tsy mampirisika antsika ho adalan’asa. (Ohabolana 13:4) Hoy ny Mpitoriteny 4:6: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Tsy misy fotoana sy hery hanaovana zavatra hafa intsony ny olona adalan’asa, ka mety tsy ho afaka hankafy ny vokatra tsara azony tamin’ny asany. Lasa toy ny “misambo-drivotra fotsiny” ny asany, izany hoe tsy misy dikany.

Manampy antsika hahay handanjalanja ny Baiboly. Voalaza ao hoe tokony hanao tsara ny asantsika isika, nefa mampirisika antsika koa izy io mba ‘hamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Inona avy no zava-dehibe kokoa noho ny asa? Eo, ohatra, ny fiarahana amin’ny vady aman-janaka sy ny namana. Tena ilaina koa ny manao zavatra ara-panahy, ohatra hoe mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra.

Vao mainka hankafy ny asany ny olona mahay mandanjalanja. Hoy i William, ilay voaresaka tany aloha: “Niasa tao amin’izay lehilahy iray izay aho. Tena modely izy satria tsy variana loatra tamin’ny asa. Miasa mafy izy sady manao tsara ny asany, dia tian’ny mpanjifa. Rehefa mirava anefa izy amin’ny hariva, dia tsy mieritreritra asa intsony, fa mifantoka amin’ny vady aman-janany sy ny fivavahany. Lazaiko aminareo fa raha misy koa olona sambatra, dia izy anisany!”