Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA FEBROARY 2015

 TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JOSEFA

“Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”

“Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”

INY indray i Josefa fa mandeha eo amin’ilay lalantsara maizim-be, ao amin’ilay fonja any Ejipta. Miasa mafy izy ka mitete hoatran’ny rano ny hatsembohany. Migaingaina be ny andro ao ivelany ao, ary hoatran’ny any anaty lafaoro ilay fonja. Efa lanin’i Josefa tsianjery daholo ny toerana ao. Tsy afaka mankaiza izy, fa dia efa ao ny tranony. Marina fa hajain’ny olona izy ao, nefa indrisy fa mbola voafonja ihany izy.

Impiry impiry moa izy no nanembona ny fiainany tany Hebrona! Havoana be vatovato izy io, ary tany no fiandrasany ny ondrin’i Jakoba rainy. Nirahin’ny rainy izy, indray mandeha, tamin’izy 17 taona teo ho eo, ary nandeha lavitra be. Efa nofinofy sisa izany izao satria tsy afaka mandeha na aiza na aiza intsony izy. Nialona azy mantsy ny rahalahiny ka saika hamono azy ho faty, nefa nivarotra azy ho andevo indray avy eo. Nentin’olona tany Ejipta izy ary lasa mpanompon’i Potifara, tandapa ejipsianina. Natokisan’i Potifara izy fa avy eo nendrikendrehin’ny vadin’i Potifara hoe nitady hanolana azy, dia izao migadra izao. *Genesisy toko faha-37 sy 39.

Efa 28 taona izao i Josefa, ary 10 taona eo ho eo izy izao no andevo sy gadra. Tsy araka ny noeritreretiny mihitsy ny fiainany. Asa raha mbola ho tafavoaka avy ao am-ponja ihany izy! Mbola ho hitany ve i Benjamina zandriny lahy sy ilay rainy efa antitra, izay samy mamin’ny fony? Hijanona ao amin’io lavaka figadrana io mandra-pahafatiny ve izy?

Efa nahatsapa hoatr’izany angamba ianao. Mety tsy ho araka ny noeritreretinao tamin’ianao mbola tanora ny fiainanao. Hoatran’ny tsy misy farany ny fijalianao. Mila tsy ho zaka ilay izy nefa tsy misy hirika hialana mihitsy. Inona no azonao ianarana avy amin’ny finoan’i Josefa?

‘NOMBA AN’I JOSEFA FOANA I JEHOVAH’

Fantatr’i Josefa fa tsy nanadino azy mihitsy i Jehovah Andriamaniny. Azo antoka fa izany no nanampy azy hiaritra. Nahita fomba hitahiana azy foana i Jehovah, na dia nigadra tany an-tanin’olona aza izy. Hoy ny Baiboly: “Nomba an’i Josefa foana anefa i Jehovah, sady tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy, ka nanao izay hahazoany sitraka tamin’ny lehiben’ny fonja.” (Genesisy 39:21-23) Niasa mafy foana i Josefa, ka namaly soa azy foana i Jehovah. Tsy maintsy ho nampahery azy ny nahalala hoe tsy nanary azy mihitsy i Jehovah.

Tian’i Jehovah higadra mandra-pahafatiny ve i Josefa? Azo antoka fa efa nivavaka momba an’izany izy satria tsy hainy mihitsy ny valiny. Matetika anefa no tsy ampoizina ny fomba amalian’i Jehovah vavaka, ary izany mihitsy no nitranga tamin’i Josefa. Naresaka be ny tao am-ponja, indray andro, satria nisy gadra roa vao tonga. Tandapan’i Farao izy ireo. Lehiben’ny mpanao mofo ny iray ary lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ilay faharoa.—Genesisy 40:1-3.

 I Josefa no nasain’ny lehiben’ny mpiaro an’i Farao hiandraikitra azy roa lahy. * Samy nanonofy izy ireo, indray alina, ary nampiasa saina azy ireo ilay izy. Tsikaritr’i Josefa hoe miady saina izy roa lahy, ny ampitso marainan’iny, ka nanontaniany hoe: “Fa maninona no maloka endrika ianareo androany?” (Genesisy 40:3-7) Hitan’izy ireo angamba fa tsara fanahy taminy i Josefa, ka tsy natahotra izy ireo nitantara ny nofiny. Mbola tsy hain’i Josefa hoe hanova tanteraka ny fiainany io resaka nifanaovan’izy ireo io. Mety tsy ho niresaka tamin’i Josefa mihitsy anefa izy ireo, raha tsy tsara fanahy sy te hikarakara azy ireo izy. Ary ahoana ny aminao? Asehonao ve fa olona mino an’Andriamanitra ianao, ka tsara fanahy amin’ny hafa?

Tsara fanahy tamin’ireo niara-nigadra taminy i Josefa sady nanaja azy ireo

Nilaza izy roa lahy fa nampahatahotra azy ireo ny nofiny, sady tsy mahita olona hanazava ny dikany izy ireo. Tena zava-dehibe tamin’ny Ejipsianina ny nofy, ary nazoto nanatona olona nilaza fa nahay ny dikan’ny nofy izy ireo. Fantatr’i Josefa fa avy amin’i Jehovah Andriamaniny ny nofin’izy roa lahy, fa izy ireo kosa tsy nahalala. Hoy àry i Josefa: “Tsy Andriamanitra ve no mahalaza ny hevitry ny nofy? Mba tantarao amiko kely ilay izy.” (Genesisy 40:8) Mbola mandray lesona avy amin’io tenin’i Josefa io izay rehetra tia mandalina Baiboly ankehitriny. Tokony mba hanetry tena toa an’i Josefa daholo isika! Tsy tokony hirehareha isika fa hatoky hoe Andriamanitra ihany no afaka manampy antsika hahatakatra ny tena hevitry ny teniny.—1 Tesalonianina 2:13; Jakoba 4:6.

Ilay mpandroso zava-pisotro aloha no nitantara ny nofiny. Nanonofy, hono, izy hoe nisy foto-boaloboka nisy sampany telo. Namoa voaloboka masaka ilay izy, ary nofiazany tao anaty kaopin’i Farao ilay voaloboka. Nampian’i Jehovah i Josefa ka tonga dia hainy ny dikan’ilay nofy. Nohazavainy tamin’ilay mpandroso zava-pisotro hoe telo andro no dikan’ilay sampany telo. Rehefa afaka telo andro, dia haverin’i Farao amin’ny toerany izy. Faly erỳ ilay mpandroso zava-pisotro! Niangavy i Josefa hoe: “Mba anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana aho, ka resaho amin’i Farao.” Nohazavainy hoe nalaina an-keriny avy tany amin’ny taniny izy, ary nogadraina tsy ara-drariny.—Genesisy 40:9-15.

Velom-bolo erỳ ilay mpanao mofo rehefa naheno ny dikan’ny nofin’ilay mpandroso zava-pisotro, ka notantarainy koa ny azy. Nanonofy, hono, izy hoe niloloha harona telo feno mofo, dia nohanin’ny vorona ny mofo teo amin’ny harona iray. Nampahafantarin’i Jehovah an’i Josefa koa ny dikan’io nofy io. Tsy vaovao tsara anefa ilay izy. Hoy i Josefa: “Izao no heviny: Ny harona telo dia telo  andro. Rehefa afaka telo andro, dia havoakan’i Farao ianao, ka hotapahiny ny lohanao. Ary hahantony amin’ny tsato-kazo ianao, ka hohanin’ny vorona ny nofonao.” (Genesisy 40:16-19) Toy ny mpanompon’i Jehovah hafa rehetra, dia sahy nilaza ny hafatr’Andriamanitra i Josefa, na vaovao tsara ilay izy na didim-pitsarana mampahatahotra.—Isaia 61:2.

Tanteraka ny tenin’i Josefa, telo andro tatỳ aoriana. Nankalaza ny aniverserany i Farao, ary namoaka didim-pitsarana momba azy roa lahy. Tsara homarihina fa tsy nanao aniversera ny olon’Andriamanitra fahiny. Notapahin-doha tokoa ilay mpanao mofo, fa naverina tamin’ny asany ilay mpandroso zava-pisotro. Nampalahelo anefa fa hadinony tanteraka i Josefa.—Genesisy 40:20-23.

“TSY IZAHO NO INONA”

Roa taona katroka izay no lasa. (Genesisy 41:1) Azo antoka fa sahiran-tsaina be i Josefa tao anatin’izay fotoana izay. Angamba izy efa mba velom-panantenana erỳ rehefa avy nampahafantarin’i Jehovah ny nofin’ilay mpandroso zava-pisotro sy mpanao mofo. Mety ho nanantena izy isa-maraina hoe ho afaka avy ao am-ponja amin’izay. Kanjo ny teo ihany no teo! Ny fiainana mankaleo ao am-ponja ihany no mbola iaretany isan’andro. Ireo roa taona ireo angamba no mafy indrindra tamin’i Josefa. Nitoky tamin’i Jehovah Andriamaniny foana anefa izy. Tsy kivy izy fa vao mainka tapa-kevitra ny hiaritra, ka lasa natanja-tsaina.—Jakoba 1:4.

Mila miezaka miaritra koa isika amin’izao fotoan-tsarotra izao. Misy foana ny olana, ka mila an’Andriamanitra isika mba hanampy antsika ho tapa-kevitra ny tsy hivadika aminy sy hanam-paharetana ary hiadan-tsaina. Afaka manampy antsika ho be fanantenana foana izy, toy ny nataony tamin’i Josefa.—Romanina 12:12; 15:13.

Nanadino an’i Josefa ilay mpandroso zava-pisotro, fa i Jehovah kosa tsy nanadino azy mihitsy. Nataony nanonofy indroa i Farao, indray alina. Hitan’i Farao tao amin’ilay voalohany hoe nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy tao amin’ny reniranon’i Neily. Nisy ombivavy fito ratsy tarehy sady mahia koa nanaraka azy ireo. Nohanin’ireo omby mahia ireo matavy. Nanonofy indray izy avy eo hoe nisy salohim-barimbazaha fito vaventy nipoitra tamin’ny tahony iray. Nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, ary mahia sady main’ny rivotra izy ireo. Natelin’ireo salohy fito mahia ireo fito vaventy. Nitebiteby i Farao nony maraina, ka nantsoiny daholo ny olon-kendry sy ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina, mba hilaza ny dikan’ireo nofy. Tsy nisy nahay anefa izy ireo. (Genesisy 41:1-8) Tsy haintsika na tsy nahita hotenenina izy ireo na tsy nitovy hevitra. Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango àry i Farao, nefa tsy nilavo lefona.

Teo ilay mpandroso zava-pisotro vao nahatsiaro hoe nisy tovolahy tany am-ponja nahay nanazava ny nofiny sy ny an’ilay mpanao mofo, roa taona lasa izay! Nanenjika azy ny eritreriny, ka noresahiny i Farao. Teo no ho eo ihany, dia nampanantsoin’i Farao i Josefa!—Genesisy 41:9-13.

Alaivo sary an-tsaina ny hatairan’i Josefa rehefa tonga haka azy ny irak’i Farao. Nisolo akanjo haingana izy, dia niharatra. Mety hoe nosolainy koa ny lohany, satria izany no fanaon’ny Ejipsianina. Azo antoka fa nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy mba handeha tsara ny resak’izy sy Farao. Tsy ela taorian’izay, dia io izy fa eo anoloan’i Farao, ao anaty lapa tsara tarehy. “Ary hoy i Farao tamin’i Josefa: ‘Nanonofy aho, nefa tsy misy mahalaza ny heviny. Reko anefa hoe rehefa misy nofy lazaina aminao, dia hainao ny milaza ny heviny.’ ” Namaly i Josefa hoe: “Tsy izaho no inona, fa Andriamanitra no hanambara izay mahasoa an’i Farao.” (Genesisy 41:14-16) Hita indray teo hoe nanetry tena sy nino an’Andriamanitra i Josefa.

Nanetry tena i Josefa ka niteny tamin’i Farao hoe: “Tsy izaho no inona”

Tian’i Jehovah ny olona manetry tena sy manam-pinoana toa an’i Josefa. Izy àry no nilazany ny dikan’ireo nofy nahavery hevitra ny olon-kendry sy mpisorona. Nilaza i Josefa fa mitovy ihany ny dikan’ireo nofin’i Farao. Nataon’i Jehovah roa ilay nofy mba hanasongadinana fa “mafy orina” ilay izy, izany hoe tsy maintsy ho tanteraka. Ireo omby fito matavy sy salohim-bary fito vaventy, dia midika hoe ho tondraka ny vokatra any Ejipta mandritra ny fito taona. Ireo omby fito mahia sy salohim-bary fito mahia kosa, dia midika hoe hisy mosary  fito taona aorian’izay, ka ho toy ny tsy nisy ilay vokatra be teo.—Genesisy 41:25-32.

Hitan’i Farao hoe marina ny fanazavan’i Josefa. Tsy hitany anefa izay hatao. Nanome soso-kevitra àry i Josefa hoe tokony hitady lehilahy “malina sy hendry” i Farao mba hanangona vokatra mandritra an’ilay fito taona mahavokatra be ny tany, ary hizara izany amin’ny sahirana mandritra ilay mosary. (Genesisy 41:33-36) Nety tsara raha i Josefa no nampanaovina an’izany satria za-draharaha sy nahay izy. Tsy niezaka hahazo an’io toerana io anefa izy. Tsy ho sahy hanao an’izany mihitsy izy satria nanetry tena sady nanam-pinoana. Raha tena mino an’i Jehovah mantsy isika, dia ho afa-po amin’izay toerana misy antsika, fa tsy hitady laza na toerana ambony. I Jehovah no avelantsika hanao izay hitany fa mety.

“AIZA INDRAY ISIKA NO HAHITA LEHILAHY TAHAKA AN’IO?”

Hitan’i Farao sy ny mpanompony rehetra hoe tena tsara ny hevitr’i Josefa. Niaiky koa i Farao fa ny Andriamanitr’i Josefa no nahatonga an’i Josefa hahay toy izany. Hoy i Farao tamin’ny mpanompony: “Aiza indray isika no hahita lehilahy tahaka an’io, izay manana ny fanahin’Andriamanitra?” Hoy koa izy tamin’i Josefa: “Koa satria nampahafantarin’Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy malina sy hendry tahaka anao. Ianao no hiandraikitra ny ankohonako, ary hankatò anao tanteraka ny vahoakako manontolo. Ny seza fiandrianana ihany no maha ambony ahy noho ianao.”—Genesisy 41:38-41.

Nitana ny teniny tokoa i Farao. Nampitafiana lamba rongony tena tsara i Josefa sady nomena rojo volamena sy peratra fanombohan-kase ary kalesim-boninahitra. Nomena fahefana feno hitety an’i Ejipta koa izy mba hanatanterahany an’ilay heviny. (Genesisy 41:42-44) Lasa nipetraka tao anaty lapa tampoka teo àry i Josefa, nefa mbola tany am-ponja ny marainan’iny. Mbola gadra izy rehefa nifoha, fa lasa manam-pahefana faharoa ambony indrindra, rehefa hatory. Hita mihitsy hoe tsy diso izy nino an’i Jehovah Andriamanitra. Nahita ny tsy rariny rehetra niaretany an-taonany maro i Jehovah, ary efa nieritreritra ny hanala an’izany. Hainy tsara ny nandamina an’ilay izy tamin’ny fotoana mety. Ho hitantsika any amin’ny lahatsoratra any aoriana fa nitsinjo ny hoavin’ny firenen’Israely koa izy rehefa nanao izany.

Misy fitsapana mahazo anao ve, ohatra hoe iharan’ny tsy rariny ianao, ary hoatran’ny tsy misy farany mihitsy ilay izy? Aza kivy fa tadidio ny tantaran’i Josefa. Tsy niova mihitsy izy fa tsara fanahy, nanetry tena, niaritra, ary nanam-pinoana foana, ka rariny raha namaly soa azy i Jehovah.

^ feh. 4 Jereo ireo lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra sy 1 Novambra 2014.

^ feh. 10 Nisy karazana mofo sy mofomamy 90 mahery tany Ejipta fahiny. Niavaka àry ny asan’ilay lehiben’ny mpanao mofon’i Farao. Ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro indray nanana mpanompo maromaro teo ambany fahefany. Nataon’izy ireo azo antoka hoe tsara ny divay haroso an’i Farao (sy ny labiera koa angamba), sady narovan’izy ireo ilay izy mba tsy hisy hanisy poizina. Saro-pady be ny asan’izy ireo satria betsaka tamin’izany ny nanao tetika hamonoana ny mpanjaka. Mazàna no lasa mpanolo-tsaina natokisan’ny mpanjaka ny mpandroso zava-pisotrony.

Fanampim-panazavana

“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”

Lesona tsara ho an’ny fianakaviana misy raikely na renikely ny zava-nitranga tao amin-dry Josefa.

“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”

Nanadala an’i Josefa foana ny vadin’i Potifara. Ahoana anefa no nandavany azy?

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Inona no ianarantsika momba an’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana tantarain’ny Baiboly?